Mitandrema tena amin’ny resadresa-poana manimba
“Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” — OHABOLANA 10:19.
1. Hatraiza no maha-ratsy ny resadresa-poana manimba na ny fanendrikendrehana?
TSY misy na inona na inona afaka manova poizina mahafaty ho lasa zava-pisotro mahasalama. Ny resadresa-poana manimba anefa na ny fanendrikendrehana dia azo oharina amin’ny poizina afaka manala amin’ny olona marina iray ny laza tsarany. Niresaka ny amin’ny fanendrikendrehana ho toy ny “ratsy indrindra amin’ny poizina” i Juvenal, poety romana. Ary i William Shakespeare, mpanoratra tantara anglisy, dia nampiteny ny iray amin’ireo mpilalao tantarany toy izao: “Izay mandroba ny lazako tsara dia mangalatra amiko zavatra izay tsy hampanan-karena azy ary tena mandentika ahy ao anatin’ny fahantrana.”
2. Fanontaniana inona avy no mendrika hoheverina?
2 Fa inona marina anefa ny resadresa-poana? Inona no mety haha-samy hafa azy amin’ny fanendrikendrehana? Nahoana no mila mitandrin-tena amin’ny resadresa-poana manimba? Ary ahoana no hahatongavana amin’izany?
Ny fahasamihafana
3. Inona ny tsy itovian’ny resadresa-poana amin’ny fanendrikendrehana?
3 Ny resadresa-poana dia “resaka tsy misy fotony, mazàna tsy marina, atao mikasika olon-kafa sy ny raharahany”. Izany dia “resaka na soratra maivana, tia mitsofoka amin’ny raharahan’ny hafa”. Koa satria mihevitra ny hafa isika rehetra, dia manao teny fiderana na re/saka mampandroso mikasika azy isika indraindray. Tsy mba toy izany ny fanendrikendrehana. Izany dia “fitantarana feno lainga natao hitondra fahavoazana ho an’ny anarana sy ny lazan’ny olona iray.” Mazàna no manimba ireny resaka ireny sady tsy mendrika ny kristiana.
4. Araka ny voalazan’ny mpanoratra iray, avy amin’inona no niandohan’ny fanendrikendrehana, ary vokatry ny inona izany?
4 Mety ho lasa fanendrikendrehana manimba ny resadresaka tsy mahatafintohina iray. Nanoratra toy izao ilay mpanoratra atao hoe Arthur Mee: “Matetika ny fanendrikendrehana izay mandratra olona iray ary mety hitarika ny fahaverezany, dia vokatry ny resadresaka tsotra izay niandoha avy amin’ny fidonanaham-poana indraindray. Iray amin’ireo aretin-dehiben’izao tontolo izao ny fanendrikendrehana, kanefa dia vokatry ny tsy fahalalana foana izy io. Hita ao amin’ireo tsy manan-katao firy sy tsy manan-java-kendrena manokana eo amin’ny fiainana indrindra izany.”
5. Raha fintinina, torohevitra inona no nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:11-15?
5 Koa satria mety hiteraka fanendrikendrehana ny teniteny foana, dia nomelohin’ny apostoly Paoly ny mpanao resadresa-poana sasany. Rehefa avy niresaka ny amin’ireo mpitondratena mendrika ny handray fanampiana avy amin’ny kongregasiona izy dia nanoratra hoe: “Fa mandava ny mpitondratena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’i Kristy izy dia ta-hanam-bady (. . .) sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy mety. Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy. Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’i Satana.” — 1 Timoty 5:11-15.
6. Inona no tokony hatao mba handresena fironana hanao resaka mety hitarika ho amin’ny fanendrikendrehana?
6 Koa satria nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra i Paoly, dia tsy hoe tsy ara-drariny akory ny fanamarihana nataony mikasika ireo vehivavy ireo. Mendrika ny hosaintsainina amim-pitandremana izany. Tsy misy vehivavy tia fivavahana haniry ‘hanaraka an’i Satana’. Inona àry no tokony hataon’ny vehivavy kristiana izay mahafantatra fa manana fironana hanao resaka mety hitarika azy amin’ny fanendrikendrehana? Tokony hanaraka amim-panetren-tena ity torohevitr’i Paoly ity izy: “Ny vehivavy koa ho (. . .) maotona, tsy mpanendrikendrika.” Ary koa: “ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika.” (1 Timoty 3:11; Titosy 2:3). Tokony hampihatra amim-pitandremana an’io torohevitra feno fahendrena io koa ireo kristiana.
7. Araka ny Baiboly, nahoana isika rehetra no tokony hifehy ny lelantsika?
7 Miharihary tsara fa mitranga amintsika rehetra ny firesahana ny amin’ireo namantsika, izay nitranga taminy teny amin’ny fanompoana, ohatra. Kanefa tsy tokony ‘hipetraka ary hiteny ratsy ny rahalahintsika’ mihitsy isika. (Psalm 50:19, 20.) Raha ny marina, dia fahendrena ny tsy miresaka be loatra satria “ny teny maro tsy ilaozan’izay ota, fa izay mahatana ny molony no hendry”. (Ohabolana 10:19.) Tokony hitandrin-tena amin’ny resadresa-poana àry isika na dia toa tsy manimba aza izany. Na ahoana na ahoana dia tsy misy manery antsika hiresaka tsy an-kijanona ny amin’ny hafa; afaka manana anton-dresaka tena tsara maro isika raha mihevitra izay marina, madio, mahate-ho-tia, izay misy hatsaram-panahy ary izay mendri-piderana. — Filipiana 4:8.
Avy eo amin’ny resadresa-poana mankeo amin’ny fanendrikendrehana
8. Nahoana no tsy voatery ho ratsy foana ny firesahana ny amin’ireo namantsika kristiana?
8 Tsy misy maha-ratsy ny miresaka ny amin’ny fanompoan’ireo namantsika kristiana na ny amin’ny asa teokratika ataony raha tsy ovantsika ny fisehoan-javatra ary raha tsy mitondra fahavoazana na inona na inona isika. Mety hampahery ny hafa koa ny fanamarihana manorina toy izany (jereo Asan’ny apostoly 15:30-33). Nisy kristiana niresaka ny amin’i Gaio, lehilahy be taona nahatoky, satria nanoratra ho azy toy izao ny apostoly Jaona: “Ry malala, manao asa mahatoky hianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ny fiangonana.” (3 Jaona 5, 6). Tsy voatery ho ratsy àry ny firesahana ny amin’ireo namantsika kristiana.
9. a) Amin’ny ahoana ny resaka tsy mahatafintohina iray no mety ho lasa fanendrikendrehana mahakasika olo-marina? b) Fanontaniana inona avy no tsara raha ataontsika amin’ny tenantsika?
9 Mety ho tonga fanendrikendrehana olo-marina anefa ny resadresaka tsy manafintohina raha mitsabaka amin’ny raharahany manokana isika na misalasala ny amin’ny antony manosika azy na miahiahy ny fitondrantenany. Hanao tsara isika raha mizatra manao amin’ny tenantsika izao karazana fanontaniana izao: “Mety hanamatroka lazan’olona ve ny teniko? Marina ve ilay izy (Apokalypsy 21:8)? Hilaza zavatra mitovy amin’izany eo anatrehany ve aho? Mety hamafy tsy fifanarahana ao amin’ny kongregasiona ve ny teniko? Moa ve izany mety hahatonga ilay voakasika hamoy ny tombontsoam-panompoany? Sao dia mitsiriritra azy ao am-poko kosa aho (Galatiana 5:25, 26; Titosy 3:3)? Moa ve ny teniko hitondra vokany tsara sa ratsy (Matio 7:17-20)? Ho nilaza zavatra toy izany mikasika ny apostoly ve aho (2 Korintiana 10:10-12; 3 Jaona 9, 10)? Moa ve ireo teny ireo mendrika ny olona manaja an’i Jehovah?
10, 11. Araka ny Salamo 15:1, 3, inona no tsy tokony hataontsika raha irintsika ny ho olona asain’Andriamanitra?
10 Raha miresaka ny amin’ireo mivavaka amin’Andriamanitra ny Salamo 15:1, dia manontany toy izao: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?” Mamaly toy izao i Davida mpanao salamo momba ny olona toy izany: “Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.” (Salamo 15:3). Ny teny hoe “manendrikendrika izay hita ao amin’io andininy io, dia avy amin’ny matoanteny hebreo izay midika hoe “mandeha”, ary noho izany dia “mandeha etsy sy eroa”. Nahazo izao baiko izao ny Isiraelita: “Aza mandehandeha etsy sy eroa manaratsy eo amin’ny firenenao.” (Levitikosy 19:16, Darby). Na iza na iza ‘mandehandeha etsy sy eroa manaratsy’ dia tsy olona asain’i Jehovah ho sakaizany.
11 Tsy manisy ratsy ny namany mihitsy ireo sakaizan’Andriamanitra ary mandà tsy hihaino tsaho izay manala baraka olo-marina fantany. Toy izay hampiely tsaho ny amin’ireo namantsika kristiana na hanampy ny fanalam-baraka izay tsy maintsy efa zakainy avy amin’ny tsy mpino sasany, dia aoka isika hiresaka zavatra tsara mikasika azy ireo. Aoka isika tsy hanavesatra na oviana na oviana ny entan’ireo rahalahy sy anabavintsika mahatoky amin’ny fanaovana resadresaka mahasosotra momba azy.
Rehefa mitranga ny zava-manahirana
12. Fanampiana inona no hoentin’ny teny ao amin’ny Asan’ny apostoly 15:36-41 ho antsika raha alaim-panahy isika hanao resadresa-poana mikasika olona izay tsy nifanaraka tamintsika?
12 Noho isika tsy lavorary dia mety ho voan’ny fakam-panahy hanaratsy olona nisehoan’ny tsy fifanarahana lehibe tamintsika isika. Nefa aoka hojerentsika izay nitranga talohan’ny nanombohan’ny apostoly Paoly ny dia misionera faharoa nataony indrindra. Raha tapa-kevitra ny hitondra an’i Marka hiaraka aminy i Barnabasy, dia nanda izany i Paoly satria noheveriny fa “tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy [i Marka], satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ny raharaha”. “Nifanditra mafy” àry izy ireo ka nisaraka. I Barnabasy nitondra an’i Marka nankany Kyprosy, fa i Paoly kosa nitondra an’i Silasy ary namakivaky an’i Syria sy Kilikia (Asan’ny apostoly 15:36-41). Tatỳ aoriana dia niharihary fa nihavana ry Paoly sy Barnabasy ary Marka, satria nipetraka tao Roma niaraka tamin’ilay apostoly izay niresaka tsara ny aminy i Marka (Kolosiana 4:10). Na dia nisy tsy fifanarahana aza teo amin’ireo kristiana ireo, dia tsy misy na inona na inona milaza fa nandehandeha tetsy sy teroa nifanaratsy teo amin’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana izy ireo.
13. Tamin’ny toe-javatra nanao ahoana no angamba nanoheran’i Paoly ny fakam-panahy hanao resadresa-poana mikasika ny iray tamin’ireo namany kristiana, indrindra fa i Petera?
13 Nanohitra ny mety ho fakam-panahy hanao resadresa-poana manimba koa i Paoly rehefa nananatra an’i Kefasy (Petera) izay menatra ny hiara-mihinana tamin’ireo mpino jentilisa sy ny hifanerasera taminy noho ireo kristiana Jiosy avy tany Jerosalema. Toy izay hifosa azy any an-damosina, dia ‘nanohitra azy nifanatrika’ i Paoly ary niresaka taminy an-karihary “teo anatrehan’ny olona rehetra”. (Galatiana 2:11-14.) Tetsy an-kilany koa, i Petera dia tsy nanendrikendrika ilay nananatra azy. Tatỳ aoriana tokoa dia niresaka ny aminy hoe “i Paoly, rahalahy malalantsika” izy. (2 Petera 3:15.) Araka izany, na dia mila ny hanarina aza ny namana kristiana iray, dia tsy antony tokony hanaovana resadresa-poana ny aminy izany. Manana antony hifehezana ny lelantsika isika ka hanohitra ny fakam-panahy hampiely resadresa-poana manimba.
Nahoana no tokony ho mailo?
14. Inona no antony lehibe indrindra tsy tokony hihainoantsika na hampielezantsika resadresa-poana manimba?
14 Ny antony lehibe indrindra tsy tokony hihainoantsika resadresa-poana manimba na hampielezana tsaho, dia ny faniriantsika hahazo sitraka amin’i Jehovah izay manameloka ny fanendrikendrehana. Araka ny efa hitantsika, dia nasehon’Andriamanitra mazava tsara izay heveriny momba ny resaka fanalam-baraka rehefa nanome izao didy izao ho an’ny Isiraelita izy: “Aza mandehandeha manaratsy [manendrikendrika, MN ] eo amin’ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 19:16). Raha maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia tsy tokony hanendrikendrika na iza na iza olona tafiditra ao amin’ny resaka ataontsika.
15. Iza moa ilay mpanendrikendrika lehibe indrindra, ary inona no mety ho vokatry ny resadresa-poana manimba eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?
15 Ny antony hafa iray tokony hanariantsika ny resadresa-poana koa dia satria mety hitarika antsika hanahaka an’i Satana, ilay manendrikendrika an’i Jehovah amin’ny fomba mafy indrindra izany. Nandray ara-drariny ny anarana hoe “Devoly” (avy amin’ny teny grika diabolos) izay midika hoe “mpanendrikendrika” io fahavalon’Andriamanitra mirehitra mafy io. Rehefa avy nihaino ny resaka feno fanendrikendrehana nataon’i Satana hanoherana an’Andriamanitra i Eva ka nanao zavatra nifanaraka tamin’izany, dia nisaraka tamin’ny Sakaizany tsara indrindra ny mpivady voalohany (Genesisy 3:1-24). Aoka isika tsy hanaiky na oviana na oviana ho voan’ny fikendren’i Satana amin’ny fanaovana resaka manimba izay hitondra ho antsika ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra sady hampisaraka antsika noho izany amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Sakaizantsika tsara indrindra.
16. Amin’ny ahoana ny mpanendrikendrika iray no “mampisaraka ny tena mpisakaiza”?
16 Tokony handa tsy hihaino ireo mpiresadresa-poana manimba isika satria mampisaraka ny mpisakaiza izy ireo. Matetika tokoa ny mpanendrikendrika dia manitatra sy manolana ny zava-nitranga, mandainga ary mampiely teny mandoro. Tsy miteny mifanatrika amin’ilay haratsiny izy fa mibitsibitsika avy ao an-damosiny. Matetika izy no mamafy ahiahy tsy marim-pototra. Amin’izany fomba izany no ‘ampisarahan’ny mpibitsibitsika ny tena mpisakaiza’. — Ohabolana 16:28.
17. Nahoana no tokony hitandrina isika tsy hanaram-po amin’ny resadresa-poana, na dia ny tsy mahatafintohina aza?
17 Tokony hitandrin-tena tsy hanaram-po amin’ny fanaovana resadresa-poana isika, na dia ireo tsy mahatafintohina aza. Inona no antony? Satria na dia tsy natao handratra aza ny fanamarihana iray, dia mety hitondra izany vokatra izany rehefa averimberina. Mety hohatsaraina izany sady mety haolana ka ho tonga hatramin’ny fandotoana ny lazan’ny olona tia fivavahana iray ary hanaisotra ny laza tsarany. Ho toy inona ny fihetseham-ponao raha mitranga izany ka ianao no niandohan’ilay raharaha, na ianao no nampanakoako izany? Mety hoheverina ho olona mety hanimba ianao ary tsy hisy hitady ny fiarahana aminao intsony. — Jereo Ohabolana 20:19.
18. Amin’ny ahoana ny resadresa-poana no mety hahatonga olona iray ho mpandainga?
18 Ny antony hafa iray tokony hahamailo, dia satria mety hahatonga antsika ho mpandainga ny resadresa-poana manimba. “Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.” (Ohabolana 26:22). Inona no hitranga raha ‘mitelina’ lainga ianao ka mamerina izany? Na dia tsy fantatrao aza fa lainga ilay izy, dia handainga ianao amin’ny fampielezana izany, ary mety hoheverina ho mpandainga ianao rehefa ho hita fa fanendrikendrehana izany. Ho tianao hitranga ve izany? Moa ve Andriamanitra tsy mitana ho tompon’andraikitra ireo mpampianatra sandoka mampiely fampianaran-diso ara-pivavahana? Eny, ary mbola hampamoahiny koa ireo mpanendrikendrika. Nandefa izao fampitandremana izao i Jesosy: “Hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.” (Matio 12:36, 37). Koa satria “samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”, irinao ve ny hanamelohany anao ho mpanendrikendrika sy mpandainga? — Romana 14:12.
19. Nahoana no azo lazaina fa mety hamono ny resadresa-poana manimba?
19 Ny antony hafa iray koa tokony hitandreman-tena amin’ny resadresa-poana manimba dia noho izy mety hamono. Eny, izany dia mety hahafaty, handrava ny laza tsaran’ny tsy manan-tsiny iray. Ny lela sasany dia toy ny ‘sabatra maranitra’, ary ny teny mangidy dia azo oharina amin’ny zana-tsipika itifirana olona tsy manan-tsiny avy amin’ny toerana miafina. Nanao izao vavaka izao i Davida: “[Jehovah ô,] afeno aho tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy sy ny fitabataban’ny mpanao ratsy, izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy, mba hitifirana mangingina ny mahitsy.” (Salamo 64:2-4). Irinao ve ny hanao teny feno faharatsiam-panahy mikasika ny iray amin’ny mpiara-belona aminao ka hahatonga azy ho voatery hivavaka amin’Andriamanitra mba hahitana fiononana toy ny nataon’ny mpanao salamo? Ho tianao ve ny ho tonga meloka noho ny fanaovan-javatra mitovy amin’ny famonoana olona?
20. a) Inona no mety hanjo ny mpanendrikendrika tsy mibebaka eo anivon’ny kongregasion’Andriamanitra? b) Fahamalinana inona no tokony hasehon’ny loholona mifandray amin’ny resadresa-poana sy ny fanendrikendrehana?
20 Mety hahavoaroaka olona iray avy ao amin’ny fandamin’Andriamanitra ny fanendrikendrehana; mety ho azon’ny fandroahana ny mpanendrikendrika iray ohatra, raha miseho ho mpandainga tsy mibebaka. Tsy raisina ho an’ireo meloka ho nanao resadresa-poana tsy mahatafintohina io fanapahan-kevitra io. Tokony handanjalanja ny zava-nitranga ao amin’ny vavaka ireo loholona ary hanavaka tsara ny resadresa-poana tsotra sy ny fanendrikendrehana manimba. Tsy horoahina ny mpanota iray raha tsy hoe mpanendrikendrika manimba, tsy mety mibebaka angaha izy. Ny loholona dia tsy nahazo lalana handroaka olona noho ny resadresa-poana tsy misy dikany izay natosiky ny fitiavana ta-hahafanta-javatra nefa tsy misy lainga na manimba. Tsy ilaina ny mampiharihary zavatra; tokony hisy vavolombelona sy fisehoan-javatra mampiaiky izay manamarina tsy misy fisalasalana na dia kely aza fa nisy fanendrikendrehana tokoa tao (1 Timoty 5:19). Roahina ny mpanendrikendrika tsy mibebaka, voalohany indrindra dia mba hampijanonana ny fanaovana resadresa-poana manimba ary mba hiarovana ny kongregasiona amin’ny masirasira, dia ny ota izany (1 Korintiana 5:6-8, 13). Tsy tokony hanao zavatra maimaika mihitsy anefa ny loholona ka handroaka olona noho ny antony tsy ara-baiboly. Amin’ny fivavahana miaraka amin’ilay olona voakasika sy amin’ny fanoroana hevitra azy, dia matetika izy ireo no afaka manampy azy hibebaka, hiala tsiny na hanonitra ny ratsy vita amin’ny fomba hafa, ary handroso hatrany raha ny amin’ny fifehezana ny lelany.
Fanendrikendrehana ve izany?
21. Toy izay hanao resadresa-poana mikasika mpanota iray, dia inona kosa no tokony hataonao?
21 Araka ny voalazan’ny ohabolana feno fahendrena iray, “izay mandehandeha manaratsy [manendrikendrika, MN ] dia manambara ny hevitra afenina; fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza”. (Ohabolana 11:13.) Tokony horaisina avy amin’izany ve fa meloka ho nanendrikendrika ianao raha mahafantatra fa nanao heloka lehibe tao amin’ny miafina ny olona iray ka manambara izany? Tsia. Azo antoka fa tsy tokony hampiely izay fantatrao ianao fa hiresaka amin’ilay meloka, hamporisika azy hitady ny fanampian’ny loholona (Jakoba 5:13-18). Raha tsy manao izany ao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna izy, dia hanosika anao hilaza ny fisehoan-javatra amin’ireo loholona ny fiahianao ny fahadiovan’ny kongregasiona. — Levitikosy 5:1.
22. Nahoana no azo lazaina fa tsy manome lalana hanaovana resadresa-poana ny teny ao amin’ny 1 Korintiana 1:11?
22 Rehefa nahariharinao ny fahadisoany, dia mety hahazo fifehezana ilay nanota, ka izany dia toa tsy antony mahafaly. Ny olona voavolavolan’ny fifehezana anefa, dia mijinja ny vokatra, dia ny fahamarinana (Hebreo 12:11). Tokony hambara amin’ireo voatendry hikarakara ny raharaha momba ny fandikan-dalana ny fahotana lehibe fa tsy amin’ireo be resaka izay mety hampiely izany. Nanoratra izao ho an’ny kristiana tany Korinto i Paoly: “Efa voalazan’ny avy amin’ny ankohonan’i Kloa tamiko (. . .) fa misy fifampiandaniana eo aminareo.” (1 Korintiana 1:11). Nanao resadresa-poana mikasika ny namany kristiana ve ireo anisan’io ankohonana io? Tsia, fa nanambara izay nitranga kosa izy, tamina loholona nahay nitondra ny fanampiana nilain’ny sasany mba handehanana indray ao amin’ny lalan’ny fiainana.
23. Fanontaniana inona sisa no mbola hodinihina?
23 Raha manampy olona hiaro tena amin’ny resadresa-poana manimba isika, dia manao izay hahasoa azy. Milaza toy izao ny ohabolana feno fahendrena iray: “Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; fa izay vavana dia haringana.” (Ohabolana 13:3). Miharihary fa manana antony tsara maro hitandreman-tena amin’ny resadresa-poana manimba sy ny fanendrikendrehana feno fahasahiana isika. Ahoana anefa no azo amaranana ny resadresa-poana manimba? Mamaly io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no tsy itovian’ny resadresa-poana tsy mahatafintohina sy ny fanendrikendrehana?
◻ Amin’ny ahoana ny resadresa-poana no mety ho tonga fanendrikendrehana?
◻ Inona no sasantsasany amin’ireo antony tokony hitandremantsika tena amin’ny resadresa-poana manimba?
◻ Nahoana moa ny tena no tsy meloka ho nanendrikendrika rehefa milaza ny fahadisoana lehibe vitan’ny namana kristiana?
[Sary, pejy 14]
Aza manao resadresa-poana mikasika olona iray mihitsy; izany dia ho fitifirana zana-tsipika avy ao an-damosiny.