Ankalazao ny anarana masin’i Jehovah!
“Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako; ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.” — SALAMO 145:21.
1, 2. (a) Tamin’ny ahoana no nihaikan’i Satana ny fanapahan’Andriamanitra? (b) Fanontaniana inona avy mikasika ny Salamo 145:11-21 no mitranga?
TSY AZO lavina fa Jehovah no Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. Nihaika ny fahamarinana sy ny maha-ara-drariny ny fanapahan’Andriamanitra anefa i Satana. (Genesisy 2:16, 17; 3:1-5) Nanao izay hisalasalana ny amin’ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany koa ny Devoly. (Joba 1:6-11; 2:1-5; Lioka 22:31) Namela fotoana ho an’ny zavaboariny manan-tsaina rehetra àry i Jehovah mba hahitan’izy ireo ny vokatra ratsin’ny fikomiana amin’ny fanapahany sy hampisehoan’izy ireo ny toerana tanany raha ny amin’ireo raharaha ireo.
2 Manampy antsika hiandany mafy amin’ny fanapahan’Andriamanitra ny Salamo faha-145. Amin’ny fomba ahoana? Inona no lazain’i Davida momba ny fanjakan’i Jehovah? Ary amin’ny fomba ahoana no itondran’Andriamanitra ireo mpanohana azy? Misy valiny mitondra fanampiana hita ao amin’ny Salamo faha-145:11-21.
Miresaha momba ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah
3. Raha heverintsika ho sarobidy ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah, dia inona no hataontsika?
3 Ny fanapahan’i Jehovah dia nitana toerana lehibe dia lehibe ho an’i Davida izay nilaza hoe: “Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.” (Salamo 145:11, 12) Miresaka momba ireo zavatra mahaliana azy ny olona. Hiresaka momba ny fianakaviany sy ny tokantranony ary ny vokatry ny taniny àry ny olona iray. “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony”, hoy i Jesosy. (Lioka 6:45) Raha heverin’ny fontsika ho sarobidy ny fanapahan’Andriamanitra, dia hivavaka ny amin’ny fahatongavan’ny Fanjakany isika, ary hilaza amin’ny hafa momba ny rariny, ny fiadanana ary ny fahamarinana izay hanjaka eo ambany fanapahany. Hidera an’i Jehovah amin’ny maha-“Mpanjaka mandrakizay” azy isika, ary hiresaka momba ny fampiharihariana ny fiandrianany amin’ny alalan’ny Fanjakany mesianika eo am-pelatanan’i Jesosy Kristy, Zanany malala. (Apokalypsy 15:3; Isaia 9:5, 6) Tombontsoa toy inona moa ny miresaka ny amin’ny voninahitr’ilay fanapahan’i Jehovah any an-danitra, izay ho hita taratra tsy ho ela intsony eo amin’ny hakanton’ny paradisa iray eto an-tany izay ho feno zavaboary sambatra tanteraka! — Lioka 23:43, MN.
4. Amin’ny fotoana toy inona isika no manana fahafahana hiresaka momba ny ‘herin’Andriamanitra’, ary amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika fanohanana hanao io asa io?
4 Hanosika antsika hiresaka momba ny ‘herin’i’ Jehovah koa ny fankasitrahana. Na dia “lehibe amin’ny hery” aza izy, dia tsy mampiasa izany amin’ny fomba ratsy mihitsy. (Joba 37:23) Nampiasa ny heriny mba hamoronana ny tany sy ny olombelona izy ary hampiasa izany mba handringanana ny ratsy fanahy. Manana fahafahana hiresaka momba ny herin’Andriamanitra isika rehefa manambara ny vaovao tsara. Ary moa ve isika tsy velom-pankasitrahana noho ny hery omen’io fara tampony amin’ny Loharanon’ny hery io antsika mba hanaovana io asa io? (Isaia 40:29-31) Eny, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia tohanan’ny herin’Andriamanitra sy ny fanahiny eo amin’ny fanompoana masina isika. Amin’izany fomba izany ihany no anambarana ny hafatr’ilay Fanjakana ka ahitana fahombiazana mahatalanjona maneran-tany. — Salamo 28:7, 8; Zakaria 4:6.
5. Koa satria olona be dia be no tsy mahafantatra ireo “zava-dehibe” nataon’i Jehovah, dia inona no tokony hataontsika?
5 Mila ny mampahafantatra ny zanak’olombelona ireo “zava-dehibe” nataon’i Jehovah isika, toy ny nilazan’ireo Isiraelita tamin’ny zanany momba ny fomba nanafahan’Andriamanitra azy ireo avy tamin’ny fanandevozana egyptiana. (Eksodosy 13:14-16) Manorina tsangambato ho fahatsiarovana olona nanao zavatra heveriny ho mendri-kaja ny olombelona, nefa firy amin’izy ireo no mahafantatra ireo zava-dehibe nataon’Andriamanitra? Izao no nilazan’ny manam-pahaizana iray izany: “Ataony sary sokitra ambonin’ny varahina ny zavatra nataon’ny mahery fo teo aminy, nefa ireo asa be voninahitr’i Jehovah soratany ambonin’ny fasika ka fafan’ny fotoana mandeha tsy ho ao an-tsainy intsony.” Tsy tena voafafa tanteraka anefa ireny zavatra nataony ireny, na dia olona be dia be aza no tsy mahafantatra azy ireo. Eo amin’ny fitoriana isan-trano àry, sy rehefa mitarika fampianarana Baiboly ary amin’ny toe-javatra hafa, dia aoka isika hiresaka amin-jotom-po momba ireo zava-dehibe nataon’Andriamanitra.
6. (a) Tamin’ny tarehin-javatra inona nitranga taona maro lasa izay no nampiharihariana tsara ny toe-tsaina be zotom-po anatanterahantsika ny fanompoantsika? (b) Inona no votoatin’izay nolazaina tamin’ny 1922 momba ny fanambarana ilay Fanjakana?
6 Tokony hampahafantarintsika amin-jotom-po koa ny voninahitry ny maha-Mpanjaka an’Andriamanitra. Niharihary tokoa ny zotom-po ho an’izany fanompoana ilay Fanjakana izany rehefa niresaka tamin’ireo mpanatrika ny fivoriambe natao, tamin’ny 1922, tany Cedar Point tany Ohio any Etazonia, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, ka nilaza hoe: “Nahazo ny fahefana ilay Mpanjakan’ny voninahitra hatramin’ny 1914. (. . .) Efa antomotra ilay fanjakan’ny lanitra; efa manapaka ilay Mpanjaka; efa eo am-pianjerana ny empiran’i Satana; olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy. Mino izany ve ianareo? (. . .) Mandehana àry miverina eny amin’ny saha fitoriana ianareo, ry zanak’ilay Andriamanitra avo indrindra! Tafio ny fiadianareo! Aoka ianareo hahonon-tena, hiambina, hiasa mafy, ho be fahasahiana. Aoka ianareo ho vavolombelona mahatoky sy marina ho an’ny Tompo. Mandrosoa ho eo amin’ny ady mandra-pahafoanan’izay soritra kely tavela amin’i Babylona Lehibe. Ampahafantaro hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa Andriamanitra i Jehovah ary Mpanjakan’ireo mpanjaka sy Tompon’ireo tompo i Jesosy Kristy. Izao no andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra. Jereo, efa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no ampiasainy hanao fampielezan-kevitra momba azy. Noho izany àry, ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.”
7. Tokony hanao ahoana ny fihevitsika momba ny asantsika amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana antsika?
7 Endrey ny hafaliana ‘mihevitra ny anaran’Andriamanitra’, sy miresaka amin’ny hafa momba ny fanapahany ary manambara ny Fanjakana mesianikan’ilay Zanany malala! (Malakia 3:16) Amin’ny maha-mpitory sady mpanohana ilay Fanjakana antsika, isika dia mihevitra ho sarobidy ny tombontsoantsika hanambara ny vaovao tsara sy hampitodika ny fon’ny hafa any amin’Andriamanitra sy i Kristy ary ilay Fanjakana. Ao anatintsika ao dia tokony hisy faniriana, toy ny afo mirehitra, ny hilaza amin’ny hafa momba ny famirapiratra be voninahitry ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Jeremia 20:9.
8. (a) Asehon’ny inona moa ny fanapahan’i Jehovah amin’izao andro izao? (b) Nahoana no azo lazaina fa manana fanapahana “hihatra amin’ny taranaka fara mandimby” Andriamanitra?
8 Tokony ho voatosika hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra amin-jotom-po lehibe isika, satria hoy ny nolazain’i Davida nanaraka: “Hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny maha-Mpanjaka anao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.” (Salamo 145:13, MN ) Raha mbola nitohy ny fisaintsainan’ilay mpanao salamo ny fanapahan’i Jehovah, dia novany ho “ianao” ny “izy”, ka nanolotra teny toy ny vavaka nivantana ho an’Andriamanitra izy. Mazava ho azy fa tsy manolo ny maha-Mpanjaka an’Andriamanitra maharitra mandrakizay ny fanapahan’i Jehovah asehon’ilay Fanjakana mesianika. Raha ny marina, rehefa ho nasandratra ho amin’ny fahatanterahana ny olombelona mankatò, dia haverin’i Kristy amin’ny Rainy ilay Fanjakana. (1 Korintiana 15:24-28) Manana fanapahana “hihatra amin’ny taranaka fara mandimby” àry Andriamanitra. Efa Mpanjaka i Jehovah tamin’ny fotoana namoronana an’i Adama ary hanapaka eo amin’ny olombelona marina mandrakizay izy.
9. Ao amin’ny Salamo faha-145, inona no azo lazaina momba ny andininy iray manomboka amin’ny litera hebreo hoe nun?
9 Ato amin’ity salamo “acrostiche” ity, dia tsy misy ao amin’ilay soratra masoretika ny andininy iray manomboka amin’ilay litera hebreo hoe nun. Mifanaraka amin’ny Septante grika, sy amin’ny Peshitta syriaka, ary amin’ny Vulgate latina anefa ny soratanana hebreo iray ka manao hoe: “Jehovah dia mahatoky amin’ny teny rehetra ataony, be hatsaram-po miharo fitiavana [na “mahatoky”] amin’ny asany rehetra.” (Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fakàn-teny, fanamarihana ambany pejy.) — Josoa 23:14.
Tsy mandiso fanantenana mihitsy ny fanohanan’i Jehovah
10. Amin’ny ahoana Andriamanitra no ‘manohana antsika’?
10 Tsy mody tsy mahita ny toe-javatra mampahonena misy ny mpanompony na oviana na oviana ilay Mpanjaka Mandrakizay. Araka izany no nahafahan’i Davida nilaza hoe: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.” (Salamo 145:14) Hatramin’ny andron’i Abela, i Jehovah dia nanohana ireo Mpanompony foana. Raha avela irery tsy misy mpanohana isika dia ho lavo imbetsaka noho ny enta-mavesatra entintsika. Tsy ampy hery hizakana ireo fahoriana rehetra eo amin’ny fiainana sy ny fanenjehana izay manjo antsika noho isika vahoakan’Andriamanitra isika, nefa miaro antsika i Jehovah. Ny firafitr’ilay matoanteny hebreo ampiasaina eto dia manondro fa ‘manohana antsika’ tsy an-kijanona Andriamanitra. Azo atao ny manamarika fa nanampy ireo mpanota hiarina indray teo amin’ny ara-pitondrantena i Jaona Mpanao batisa sy ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy. Rehefa nibebaka ireny olona ireny ka tonga mpanompon’i Jehovah, dia nahazo ny fanohanan’Andriamanitra izay fitahiana mahatalanjona tokoa. — Matio 21:28-32; Marka 2:15-17.
11. Amin’ny fomba ahoana no ‘ampitrakan’i Jehovah izay rehetra mitanondrika’?
11 Mampionona ny mahafantatra fa “mampitraka izay rehetra mitanondrika” noho ny fisedrana samihafa i Jehovah. Mampifaly ireo ketraka eo anivontsika izy, mampionona ny ory ary manampy antsika hitory ny teniny amim-pahasahiana rehefa enjehina isika. (Asan’ny apostoly 4:29-31) Na oviana na oviana izy tsy hamela ny enta-mavesatra entintsika handresy antsika raha tahiny isika ka manaiky ny fanampiany. (Salamo 55:22, MN ) Toy ilay “vehivavy zanak’i Abrahama”, izay “nanjoko” nefa nositranin’i Jesosy ara-batana àry, isika dia tokony ‘hankalaza an’Andriamanitra’ rehefa mampitraka antsika amim-pitiavana amin’ny lafiny ara-panahy izy. (Lioka 13:10-17) Velom-pankasitrahana ireo voahosotra nitanondrika noho ny fanandevozan’i Babylona ara-panoharana rehefa natsangan’Andriamanitra izy ireo tamin’ny 1919, ary koa rehefa nanangana “ondry hafa” feno fankasitrahana nanomboka tamin’ny 1935 izy. — Jaona 10:16.
12. Amin’ny ahoana no hoe ‘miandrandra an’Andriamanitra ny mason’izao rehetra izao’?
12 Tsy mandiso fanantenana ny vahoakany na oviana na oviana i Jehovah, araka ny nasehon’i Davida mazava nanaraka tamin’ny filazana hoe: “Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao, ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany. Manokatra ny tànanao hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:15, 16) Toy ny hoe mampitodika ny masony sy ny fanantenany any amin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao ny zavaboary velona rehetra. Miantehitra amin’Andriamanitra ny anjely mba hahafahany manohy miaina. Ary toy ny ankizy anankiray miantehitra amin’ny rainy na ny reniny mba hahazoany izay ilainy, dia toy izany koa, isika dia miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra. Raha ny marina, avy aminy no ahazoan’ny olombelona sy ny biby fivelomana. Tsy misy na dia iray aza ivelany afaka mahavoky soa [mahafa-po, MN ] azy amin’izay ilainy. “Manome azy ny haniny amin’ny fotoany”, izany hoe rehefa ilainy izany, Andriamanitra.
13. Amin’ny fomba ahoana avy no ‘anokafan’i Jehovah ny tanany, ka amokisany soa ny zava-miaina rehetra’?
13 ‘Manokatra ny tanany Andriamanitra, ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.’ (Salamo 104:10-28) Marina fa maty noho ny tsy fisian’ny sakafo ny biby sasany. Olombelona maro no noana, voan’ny fitiavan-tenan’ny hafa, ny fampahoriana ary ny fampiasan’ireo amin’ny fomba ratsy ny vola tahiry. Ambonin’izany, i Jesosy dia efa nanambara mialoha fa ho anisan’ny “famantarana” ny fanatrehany amin’izao andro farany izao ny “mosary”. (Matio 24:3, 7, MN ) Tsy misy na dia iray monja amin’ireo aza anefa mitranga satria kahihitra na tsy mahay manome i Jehovah. Eritrereto fotsiny ireo zavaboary an’arivo tapitrisany maro afaka mivelona! Ambonin’izany, manome antsika toky io salamo io fa, eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, rehefa ‘tsy manapaka ny namany ampidirany loza aminy ny olona’, dia homen’Andriamanitra fahafahampo amin’izay hilaintsika eo amin’ny ara-nofo sy eo amin’ny ara-panahy isika. (Mpitoriteny 8:9; Isaia 25:6) Na dia amin’izao andro izao aza isika dia tsy voatery ho noana sakafo ara-panahy, satria manome izany amin’ny fomba tondraka amin’ny fotoany amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” Andriamanitra. (Matio 24:45-47, MN; 1 Petera 2:2) Raha ny eo amin’ny lafiny ara-panahy no resahina, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no vahoaka voafahana tsara indrindra eto ambonin’ny tany. Mampiseho fankasitrahana lalina izany fanomezana maro izany ve ianao?
Miaro izay tia azy i Jehovah
14. Nahoana i Davida no afaka nilaza fa “marina Jehovah amin’ny làlany rehetra, sady tsy mivadika amin’ny asany rehetra”?
14 Mety ‘hanimba ny alehantsika’ ka hitondra fahasahiranana ho antsika ny fahadalantsika, nefa na oviana na oviana isika tsy tokony hanome tsiny an’Andriamanitra noho ireny zava-tsarotra ireny. (Ohabolana 19:3) Asehon’i Davida ny antony amin’ny filazana hoe: “Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra, sady tsy mivadika amin’ny asany rehetra.” (Salamo 145:17, MN ) Manao zavatra amin’ny fomba feno fahitsiana sy rariny ary famindrampo foana Andriamanitra. Tamin’ny nanomezany famonjena tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy indrindra no nihariharian’ny famindrampony. (Asan’ny apostoly 2:21; 4:8-12) “Tsy mivadika amin’ny asany rehetra” koa i Jehovah, fa mahatoky sy be fitiavana ary tsy mizaha tavan’olona mandrakariva. Noho isika ‘mpanahaka an’Andriamanitra’, dia aoka àry isika ho mahitsy sy haneho ny rariny, hamindra fo sy tsy hizaha tavan’olona ary tsy hivadika. — Efesiana 5:1, 2; Deoteronomia 32:4; Salamo 7:10; 25:8; Isaia 49:7; Asan’ny apostoly 10:34, 35.
15. Tamin’ny ahoana no ‘niantsoantsika an’Andriamanitra marina tokoa’ ary inona no vokatry ny nanaovantsika toy izany?
15 Koa satria marina sy tsy mivadika Andriamanitra, dia voatarika hanatona azy isika. Ambonin’izany, i Davida dia manome toky antsika toy izao: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.” (Salamo 145:18) Fony isika nanaiky hatao batisa amin’ny maha-mpino nanolo-tena antsika, dia niantso ny anaran’i Jehovah isika. (Asan’ny apostoly 8:12; 18:8; Romana 10:10-15, MN ) Koa satria nanatona an’Andriamanitra isika tamin’izany, dia manatona akaiky antsika izy. (Jakoba 4:8) “Miantso azy marina tokoa” isika, satria araka ny tena izy marina no anaovantsika izany, dia amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ary hijanona eo akaikintsika i Jehovah raha manompo azy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” isika, ka maneho “finoana tsy mihatsaravelatsihy” ary ‘miorina mafy hatrany toy ny mahita Izay tsy hita’. (Jaona 4:23, 24; 1 Timoty 1:5; Hebreo 11:27, MN ) Amin’izay dia tsy ho foana tsy hisy vokany ny vavaka hataontsika na koa ho voatery hiatrika irery ny tontolon’i Satana isika, fa hanohy hahazo ny fanampian’Andriamanitra sy ny fitarihany. (Salamo 65:2; 1 Jaona 5:19) Endrey ny tsy fananana ahiahy hoentin’izany!
16. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana i Jehovah no ‘manefa ny irin’izay matahotra azy’?
16 Manana ny tena tsy fananana ahiahy koa isika noho ireo zavatra hafa ataon’i Jehovah ho antsika. Hoy i Davida hoe: “Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.” (Salamo 145:19) ‘Manefa izay irintsika’ i Jehovah satria manaja an’Andriamanitra fatratra isika ary manana tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy. (Ohabolana 1:7) Nanosika antsika hanolotra ny tenantsika ho an’i Jehovah ny fontsika mankatò, ary ny fihetsitsika dia ny hoe “Hatao anie ny sitraponao”. Koa satria sitrapony ny hanambarantsika ny hafatr’ilay Fanjakana, dia tanterahiny ny faniriantsika hanao io asa io. (Matio 6:10; Marka 13:10) ‘Manefa izay irintsika’ Andriamanitra satria tsy mivavaka amim-pitiavan-tena isika fa mangataka zavatra araka ny sitrapony. Omeny izay mifanaraka amin’ny sitrapony ka hahasoa antsika. — 1 Jaona 3:21, 22; 5:14, 15; ampitahao amin’ny Matio 26:36-44.
17. Nahoana isika no afaka matoky fa ho ren’Andriamanitra ny ‘fitarainantsika’?
17 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika antsika dia azontsika atao koa ny matoky fa tsy hanampin-tsofina tsy hihaino ny ‘fitarainantsika’ na oviana na oviana i Jehovah. Nanafaka an’i Davida tamin’ny loza Andriamanitra ary namonjy an’i Jesosy, ka nanangana azy tamin’ny maty mihitsy. Rehefa iharan’ny famelezan’ny fahavalo isika, indrindra fa mandritra ny fanafihan’i Goga, dia azontsika atao ny matoky fa hanafaka antsika i Jehovah. (Ezekiela 38:1–39:16) Raha ny marina, mandritra ny fotoam-pahoriana rehetra, toa an’i Davida, isika dia afaka mivavaka amim-patokiana hoe: “Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; (. . .) Mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy ka miray tetika hahafaty ny aiko. Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.” — Salamo 31:9-14.
18. Ahoana no ahazoantsika soa avy amin’ny fahafantarana fa ‘miaro izay rehetra tia azy’ i Jehovah, fa ‘handringana ny ratsy fanahy’ kosa?
18 Vonona ny hanampy antsika foana i Jehovah Andriamanitra. Milaza i Davida hoe: “Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.” (Salamo 145:20) Eny, raha tia an’Andriamanitra isika, dia hitahy sy hiaro antsika izy. (Nomery 6:24-26) “Mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy” fa miaro ireo mpanompony manetry tena, ka tsy hamela na inona na inona hitondra fahavoazana haharitra ho azy ireo. Koa satria momba antsika i Jehovah, dia aoka isika ho be herim-po. (Salamo 31:20-24, MN; Asan’ny apostoly 11:19-21) ‘Ny fiadiana rehetra voaforona hamelezana antsika dia tsy hisy hambinina’. (Isaia 54:17; Salamo 9:17; 11:4-7) Izany no fanandraman-javatra hitan’ireo izay manaporofo ny fitiavany an’Andriamanitra amin’ny maha-mpanompony nanolo-tena sy mahatoky azy ireo. Amin’ny fitambarany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia hamakivaky ny “fahoriana lehibe” hihatra amin’ny ratsy fanahy ka ho voaro. (Apokalypsy 7:14) Ary fitahiana toy inona moa no hoentin’ny fandaminana ilay raharaha lehibe momba ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah manerana izao rehetra izao ho an’“izay rehetra tia Azy”!
Ankalazao hatrany ny anarana masin’i Jehovah
19. Nahoana ny vavantsika no miteny “fiderana an’i Jehovah”?
19 Mamarana io salamo mampihetsi-po io amin’ireto teny ireto i Davida: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako; ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.” (Salamo 145:21) Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia mankasitraka ny fahalehibeazan’i Jehovah isika, ny hatsaram-pony, ny maha-Mpanjaka manao soa azy, ny fanohanany tsy mandiso fanantenana ary ny fanarahany maso feno fiahiana tsy mety sasatra. Toa an’i Davida àry, ny vavantsika dia miteny fiderana an’Andriamanitra. Voatosika hanolotra fifikirana aminy irery ihany isika, hisaotra azy noho ireo fitahiana maro avy aminy ary hankalaza ny ‘anarany be voninahitra’. — 1 Tantara 29:10-13; Eksodosy 20:4-6.
20. Amin’ny fitsinjovana ny mandrakizay, inona no tokony ho fahavononantsika izao?
20 Koa satria mitahy antsika isan’andro i Jehovah, dia aoka isika hankalaza azy, na hiteny zavatra tsara momba azy tsy tapaka. Aoka isika hitory ny vaovao tsara amin-jotom-po ho fiderana an’Andriamanitra, ka hilaza amin’ny hafa fa tsy ho ela “ny nofo rehetra [dia] hankalaza ny anarany masina.” Hahafinaritra toy inona moa ny hiaina rehefa hihira fiderana ho an’ilay Raintsika any an-danitra ny mponina rehetra eto an-tany — eny, ny zavaboary manan-tsaina rehetra eo amin’izao rehetra izao! (Salamo 148:1-13) Ho an’i Jehovah anie ny laza noho ny nampiharihariany ny anarany sy ny nanomezany antsika ny tombontsoa ho Vavolombelony. (Salamo 83:18; Isaia 43:10-12) Enga anie isika hitondra tena amin’ny fomba mendrika ireo izay mihevitra io anarany io ho masina ka mivavaka ho amin’ny fanamasinana azy. (Lioka 11:2) Aoka isika tsy hivadika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba handrenesana ny feontsika hiara-mihira amin’ireo izay hankalaza ny anarana masin’i Jehovah mandrakizay ao amin’ny fandehan-javany vaovao.
Inona no valinteny homenao?
◻ Inona no hataontsika raha heverintsika ho sarobidy ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah?
◻ Asehon’ny inona ny maha-Mpanjaka an’Andriamanitra amin’izao andro izao?
◻ Amin’ny ahoana no ‘ampitrakan’i Jehovah izay rehetra mitanondrika’?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ‘anokafan’Andriamanitra ny tanany ka amokisany soa ny zava-miaina rehetra’?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mankalaza ny anarana masin’i Jehovah?
[Sary, pejy 17]
Tamin’ny 1922 ny teny hoe ‘ambarao ny Mpanjaka sy ny Fanjakana’ dia nanosika ireo mpiandany amin’ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah hanao asa lehibe kokoa.