Nosoratan’i Marka
2 Rehefa afaka andro vitsivitsy anefa, dia niditra tao Kapernaomy indray i Jesosy, ary henon’ny olona fa tao an-trano izy.+ 2 Be dia be àry ny olona tafangona tao, ka tsy nisy toerana intsony na dia teo akaikin’ny varavarana aza. Dia nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin’ireo izy.+ 3 Ary nisy lehilahy malemy nentin’ny olona efa-dahy hankeo aminy.+ 4 Tsy afaka nitondra azy teo amin’i Jesosy anefa izy ireo satria vahoaka be no tao. Nesorin’izy ireo àry ny tafo teo ambonin’i Jesosy, ary nanao lavaka teo izy ireo ka teo no nampidinany ny fandriana nisy an’ilay malemy. 5 Rehefa hitan’i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo,+ dia hoy izy tamin’ilay malemy: “Voavela ny helokao,+ anaka.” 6 Ary nisy mpanora-dalàna nipetraka teo, ka nieritreritra tao am-pony+ hoe: 7 “Fa maninona koa ilehity no miteny hoatr’izany? Manevateva an’Andriamanitra izy. Fa iza moa no afaka mamela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?”+ 8 Tonga dia fantatr’i Jesosy tany an-tsainy tany anefa ny eritreritr’izy ireo, ka hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no mieritreritra an’izany ao am-ponareo?+ 9 Fa inona no mora kokoa: Ny miteny amin’ilay malemy hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa hoe: ‘Mitsangàna dia batao ny fandriananao ary mandehana?’ 10 Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany+ ny Zanak’olona...”+ Dia hoy izy tamin’ilay malemy: 11 “Izao no lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary mandehana mody.” 12 Dia nitsangana ilay lehilahy ary tonga dia nobatainy ny fandrianany, ka lasa izy nivoaka teo imason’ny olona rehetra. Gaga daholo àry izy rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, sady niteny hoe: “Mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy isika!”+
13 Nivoaka nankeny amoron-dranomasina indray izy, ary tonga teo aminy ny vahoaka rehetra dia nampianariny. 14 Tamin’izy teny an-dalana, dia nahita an’i Levy zanak’i Alfeo nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra. Ary hoy izy taminy: “Andao hanara-dia ahy.” Dia nitsangana i Levy ka nanaraka azy.+ 15 Taorian’izay dia nisakafo* tao an-tranon’i Levy i Jesosy. Ary be dia be ny mpamory hetra sy mpanota nisakafo* niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany tao. Maro tamin’izy ireny mantsy no lasa mpanara-dia an’i Jesosy.+ 16 Rehefa hitan’ny mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo anefa fa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra i Jesosy, dia hoy izy ireo tamin’ny mpianany: “Fa angaha izy miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” 17 Henon’i Jesosy izany ka hoy izy tamin’ireo: “Tsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.”+
18 Ary fanaon’ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo ny nifady hanina. Dia nankeo amin’i Jesosy izy ireo ka niteny taminy hoe: “Fa maninona izahay mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?”+ 19 Dia hoy i Jesosy taminy: “Tsy misy antony tokony hampifady hanina ny naman’ny mpampakatra,+ raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Tsy afaka mifady hanina ry zareo raha mbola miaraka aminy ny mpampakatra. 20 Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izay ry zareo vao hifady hanina. 21 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao. Raha izany mantsy, dia hisintona be ilay tapa-damba ka handrirotra an’ilay akanjo, dia vao mainka hitatra ny rovitra.+ 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia hamaky an’ilay siny ilay divay ka samy hafoy na ny divay na ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao.”
23 Indray Sabata izay, tamin’izy nandeha teny an-tanimbary, dia nioty salohim-bary* ny mpianany sady nandeha ihany.+ 24 Dia hoy ny Fariseo taminy: “Jereo! Fa maninona ireo no manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata?” 25 Hoy anefa izy tamin’ny Fariseo: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida rehefa tsy nanan-kohanina izy, ka noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 26 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, araka ilay fitantarana momba an’i Abiatara+ lehiben’ny mpisorona, dia nihinana ny mofo atolotra.* Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa afa-tsy ny mpisorona ihany.+ Ary nomeny koa izay niaraka taminy.” 27 Hoy izy tamin’ireo avy eo: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona,+ fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata. 28 Tompon’ny Sabata koa aza ny Zanak’olona.”+