Ny Sekolin’i Gileada — 50 Taona Sady Mbola Miroborobo Ihany!
“MISY toerana maro izay mbola tsy anaovana fanambarana momba ilay Fanjakana amin’ny lafiny lehibe”, hoy ny nambaran’i N. H. Knorr tamin’ny kilasin’i Gileada voalohany tamin’ny 1 Febroary 1943, ny andro nanokafana ilay sekoly. Hoy ny teny nanampiny: “Tsy maintsy hisy olona ana hetsiny maro kokoa ho azo iresahana, raha betsaka kokoa ny mpiasa eny an-tsaha. Noho ny hatsaram-panahin’ny Tompo amin’izay tsy mendrika akory, dia hisy mpiasa betsaka kokoa.”
Ary tena nisy mpiasa betsaka kokoa tokoa — an-tapitrisany maro kokoa! Nitombo ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana 129 070 tany amin’ny tany 54 tamin’ny 1943 ka nahatratra 4 472 787 tany amin’ny tany 229 tamin’ny 1992! Ny Sekolin’i Gileada dia nandray anjara be dia be tamin’ilay fanaovana fanambarana izay nitarika ho amin’io fitomboana io. Dimampolo taona atỳ aoriana, dia mbola manana anjara fototra ihany izy io amin’ny fampiofanana ireo mpiasa misionera mba hanompo any amin’izay ilana azy eo amin’ny sahan’izao tontolo izao.
Tamin’ny 7 Martsa 1993, dia nisy 4 798 ireo vahiny sy mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betelan’i Etazonia nasaina ka tafavory tao amin’ny Efitrano Fanaovana Fivoriamben’i Jersey City, any New Jersey, mba hanatrika ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-94. Io fisehoan-javatra tena manokana io koa dia nanolotra fahafahana hisaintsaina momba ireo 50 taona nisian’ny Sekolin’i Gileada. Ho tianao ve ny hahafantatra kely momba ny fandaharana?
Taorian’ny hira fanokafana, dia nanolotra vavaka iray feno hafanam-po i George D. Gangas, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Avy eo, taorian’ny teny fampidirana nataon’i Carey W. Barber, mpitari-draharaha, dia nihaino tamim-pitandremana fitohitohizana lahateny fohy ireo vao nahazo diplaoma — sy ny rehetra nanatrika.
I Robert W. Wallen no niteny voalohany, momba ny foto-kevitra hoe “Tsy Irery na Oviana na Oviana Ianao”. Hoy izy tamin’ny feo feno fitiavana: ‘Amin’ireo andro ho avy, dia hisy fotoana eo amin’ny fiainanao hahatsiarovanao ho irery dia irery, ho lavitra aoka izany ny fianakavianao sy ny namanao.’ Koa ahoana àry no ahafahana milaza hoe “Tsy irery na oviana na oviana ianao”? Hoy ny fanazavany: ‘Satria azon’ny tsirairay avy aminareo ampiasaina mandrakariva ny fahafahana hifampiresaka eo no ho eo amin’i Jehovah Andriamanitra.’ Nampirisika ireo vao nahazo diplaoma mba hankamamy ny tombontsoa hivavaka sy hampiasa izany isan’andro izy. Amin’izay, toa an’i Jesosy, dia ho afaka ny hilaza izy ireo hoe: “Tsy irery Aho”. (Jaona 16:32). Tena feno fampaherezana tokoa ireo teny ireo ho an’ireo vao nahazo diplaoma!
Namelabelatra ny lohateny hoe “Hazòny Mafy ny Fanantenanao” (niorina tamin’ny teny natao hovakina tamin’ny 7 Martsa) i Lyman A. Swingle, anisan’ny Fitambara-mpitantana ka niresaka taorian’izay momba ny ilana toetra tsara roa — ny fiaretana sy ny fanantenana. ‘Fanakianana, faharatsiana, fankahalana, fanaovana an-tranomaizina, fahafatesana mihitsy aza, izany rehetra izany dia samy antony ilan’ny Kristiana fiaretana’, hoy izy. ‘Tsy misy fetrany ny hery mihoatra noho ny mahazatra azon’ny Vavolombelona mahatokin’i Jehovah anovozana amin’ny fotoan-tsarotra. Tena manome toky tokoa izany, indrindra fa ho anareo vao nahazo diplaoma.’ Ahoana ny amin’ny fanantenana? ‘Tena ilaina ny fanantenana’, hoy ny fanazavany. ‘Toy ny fiarovan-doha miaro ny lohan’ilay manao azy, toy izany koa, ny fanantenana ny famonjena dia miambina na miaro ireo hery ara-tsain’ny Kristiana, ka manampy azy hihazona tsy fivadihana.’ — 1 Tesaloniana 5:8.
I Ralph E. Walls, ny mpandahateny nanaraka, dia nifidy lohateny iray nahagaga hoe “Ahoana no Ahafahantsika Mandositra ho any Amin’ny Fiarovan’ny ‘Toerana Malalaka’?” Inona io “toerana malalaka” io? (Salamo 18:19, NW ). “Toe-piainam-panafahana izay mitondra fiadanan-tsaina sy filaminam-po”, hoy ny fanazavan’ilay mpandahateny. Fanafahana amin’inona no ilaintsika? ‘Amin’ny tenanao — amin’ireo kileman-toetran’ny tenanao.’ Hoy ny teny nanampiny: ‘Ary koa amin’ny toe-javatra avy any ivelany izay alefan’i Satana.’ (Salamo 118:5, NW ). Ahoana no ahafahantsika mandositra ho amin’ny fiarovan’ny toerana malalaka iray? ‘Amin’ny fitadiavana ireo didin’i Jehovah amin’izay rehetra ataontsika sy amin’ny fitalahoana amin’i Jehovah amim-pinoana momba ny fanahiantsika rehetra.’
“Inona no Miandry Anareo?”, no foto-kevitra nofidin’i Don A. Adams. Ary inona tokoa no niandry ireo misionera vaovao ireo? Fotoana ianarana mizatra, hoy ny fanazavany. “Misy fitahiana maro koa miandry anareo.” Ho ohatra, dia niresaka izy momba ny mpivady misionera vaovao izay nanoratra toy izao, rehefa avy nanorim-ponenana tany amin’ny nanendrena azy: “Eritrereto ilay andro nahafinaritra indrindra hitanao teo amin’ny fanompoana, dia tahaka izany ny andro tsirairay avy. Tsy ampy mihitsy ireo zavatra vita an-tsoratra entinay, ary tsy tapaka ny mangataka fampianarana ny olona.” Nilaza teny sasany tamin’ireo fianakaviana sy naman’ireo vao nahazo diplaoma ny mpandahateny ka nanao hoe: ‘Tsy misy antony tokony hitebitebenareo momba ireo vao nahazo diplaoma ireo. Afaka manampy azy ireo ianareo amin’ny fandefasana teny fampaherezana ho azy.’ — Ohabolana 25:25.
Ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly no niteny nanaraka izay. I Jack D. Redford dia nifidy ny foto-kevitra hoe “Aza Manantena na Inona na Inona avy Amin’iza na Iza”. Ny iray amin’ireo zava-tsarotra hatrehin’ireo vao nahazo diplaoma dia ny fahaiza-mifanaraka amin’ny olon-kafa, hoy ny fanazavany. Inona no afaka manampy amin’izany? “Odio tsy hita ny fahadisoan’izy ireo. Aza manantena be loatra amin’ny hafa. Aza manantena foana ny fetrany feno amin’izay heverinao fa tokony ho anjaranao. Ekeo fa manana ny tsy fahatanterahany ny hafa, ary izany hatsaram-panahy hasehonao izany dia hanampy anao hahay hifanaraka aminy. Ny fahaizanao mifanaraka amin’ny hafa dia ho anisan’ny fahamatoranao.” (Ohabolana 17:9). Tena marina fa ny fampiharana ireo torohevitra feno fahendrena ireo dia hanampy ireo vao nahazo diplaoma mba hizatra tsara amin’ny maha-misionera azy any an-tany hafa!
“Manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay”, hoy ny 2 Korintiana 4:7. I Ulysses V. Glass, mpitantsoratry ny Sekolin’i Gileada, dia nanome fanazavana momba io andinin-teny io tamin’ny famelabelarana ilay foto-kevitra hoe “Itokio Ireo Rahalahinao Voazaha Toetra sy Mahatoky”. Inona moa ireo “vilany tany” ireo? “Tsy maintsy manondro antsika, olombelona tsy tanteraka, izy ireo”, hoy ny nomarihiny. Inona ilay “rakitra”? “Izany dia ny fanompoantsika kristiana”, hoy ny fanazavany. (2 Korintiana 4:1). Ary inona no tokony hatao amin’io rakitra io? “Tsy tokony hotahirizina ho an’ny tenantsika ilay rakitra nankinin’i Jehovah tamintsika. Koa ianareo misionera malalanay, zarao any amin’izay rehetra halehanareo àry izany rakitra izany, ary mampianara ny maro hafa koa mba hizara azy io.”
Fotoana nampanembona rehefa nanomboka niteny i Albert D. Schroeder, satria izy no mpitantsoratry ny Sekolin’i Gileada fony izy io vao nanomboka. “Fampiofanana Teokratika Naharitra Antsasaka Taonjato” no foto-kevitra novelabelariny. “Hain’i Jehovah ny manolotra fampiofanana mandaitra, ary izany no nataony”, hoy ny nambarany. Ahoana izany? Niresaka ny amin’ny fampiofanana voaray nandritra ireo sekoly roa naorina 50 taona lasa izay, dia ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Sekolin’i Gileada, ny Rahalahy Schroeder. Nomarihiny fa ny fitaovana sarobidy iray tamin’ny fanomezana fahalalana marina dia ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Nanome izao toky izao ho an’ireo vao nahazo diplaoma izy: “Afaka mankany amin’ilay tany nanendrena anareo ianareo amin’ny fananana fatokiana lehibe fa hanome anareo fahalalana marina ampy tsara momba ireo fikasan’i Jehovah, ny Fikambanana.”
I Milton G. Henschel, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, dia niresaka momba ilay foto-kevitra hoe “Manoatra Noho ny Mpandresy”. Ny Rahalahy Henschel dia naka ny foto-keviny avy tamin’ny teny fototra ho an’ny taona 1943 hoe: “Manoatra noho ny mpandresy amin’ny alalan’Ilay tia antsika”. (Romana 8:37). Teny nifanentana tsara ho an’ny taona io, hoy ny fanazavany, satria teo afovoan’ny Ady Lehibe Faharoa, ireo rahalahintsika tany amin’ny tany maro dia niharan’ny fanenjehana be. Namaky tapany sasany avy tamin’ilay Ny Tilikambo Fiambenana nivaofy io teny ho an’ny taona io ny Rahalahy Henschel ary avy eo dia nanazava hoe: “Ity lahatsoratra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ity [15 Janoary 1943, anglisy] dia nianaran’ny kilasin’i Gileada voalohany tamin’ny volana Febroary, ary nanomana azy ireo ho amin’izay niandry azy ireo.” Maro amin’ireo nahazo diplaoma nandritra ireo 50 taona lasa no efa niseho ho mpandresy, hoy ny fanazavany. Ahoana ny amin’ny kilasy faha-94? “Mitoera ho akaiky an’i Jehovah, mitoera ho akaiky ny fitiavany, dia ho azo antoka ny fandresenareo.”
Taorian’ireo lahateny tamin’ny maraina, dia nampita firarian-tsoa sasany avy tany amin’ny tany samihafa ny mpitari-draharaha. Avy eo dia tonga ny fotoana nandrasan’ireo mpivady 24 tamim-pahadodonana — ny fizarana ny diplaoma. Eny tokoa, nahazo diplaoma avy amin’i Gileada amin’ny fomba ofisialy izao ireo mpianatr’i Gileada ireo! Avy tany amin’ny tany 5 izy ireo, fa hotendrena ho any amin’ny tany 17 kosa, anisan’izany i Hong-Kong, Taïwan, Mozambika ary faritra any Eoropa Atsinanana.
Taorian’ny fiatoana iray, dia nanomboka tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina, notarihin’i Robert L. Butler, ny fandaharana tamin’ny tolakandro. Avy eo ireo vao nahazo diplaoma dia nampiseho an-tsehatra ny sasany tamin’ireo fanandraman-javatra niavaka hitany fony izy ireo nitory teny akaikin’i Wallkill, any New York. Ilay fandaharana dia nanome taratry ny iray tamin’ireo zavatra izay tsy isalasalana fa nitarika azy ireo ho any Gileada — ny fitiavany lalina ny asa fanompoana.
Taorian’ny fandaharana natolotr’ireo mpianatra, dia maro tamin’ny mpanatrika no nanontany tena raha hisy zavatra manokana hatao ho fahatsiarovana ireo 50 taona nisian’ny Sekolin’i Gileada ny fandaharana. Tsy diso fanantenana izy ireo! — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fitodihana any Amin’ireo 50 Taona Nisian’ny Sekolin’i Gileada”.
Dimampolo taona lasa izay, ny Rahalahy Knorr dia nampiseho fa lehilahy nanam-pinoana sy fahaiza-mahita zavatra mialoha izy. Ny fiekeny mafy fa hahomby ny Sekolin’i Gileada dia nasehony tamin’ny lahateny fanokafana nataony tamin’ny kilasy voalohany, tamin’ny fanambarana hoe: “Mino izahay fa, araka ny anarany, dia hisy ‘antontam-panambarana’ hiala avy eto amin’ity toerana ity ka hahatratra ny faritra rehetra amin’ny tany, ary koa fa izany fanambarana izany dia ho toy ny tsangambato ho fankalazana an’Andriamanitra ka tsy ho azo ravana na oviana na oviana. Ianareo, amin’ny maha-minisitra voatokana anareo, dia hitoky tanteraka amin’ny Tsitoha, noho ny fahafantarana fa hitarika sy hitondra anareo izy amin’ny fotoan-tsarotra rehetra, ary dia ho fantatrareo koa fa Andriamanitra manome fitahiana koa izy.”a
Dimampolo taona atỳ aoriana, dia mbola miroborobo ihany ny Sekolin’i Gileada! Ireo vao nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-94 izao dia manana tombontsoa hanara-dia an’ireo 6 500 nahazo diplaoma teo alohany. Enga anie izy ireo ka hitoky tanteraka amin’ny Tsitoha eo am-panatontosana ny anjarany amin’ny fanangonana “antontam-panambarana” izay ho toy ny tsangambato ho fankalazana an’i Jehovah Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny teny hebreo ny teny hoe “Gileada” dia midika hoe “Antontam-panambarana”. — Genesisy 31:47, 48, NW.
[Efajoro, pejy 25]
Ny Antontan’isa Momba Ilay Kilasy
Tontalin’isan’ny mpianatra: 48
Isan’ny tany niaviany: 5
Isan’ny tany nandefasana azy: 17
Antsalan’ny taonany: 32
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 15,3
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 9,6
[Efajoro, pejy 26, 27]
FITODIHANA ANY AMIN’IREO 50 TAONA NISIAN’NY SEKOLIN’I GILEADA
Moa ve misy fomba tsara kokoa hitodihana any amin’ny lasan’i Gileada noho ny amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra hitan’ireo izay nandia azy io — ireo nahazo diplaoma teo aloha sy mpampianatra ary olon-kafa nanampy mba handaminana azy? Ravoravo ny mpanatrika teo am-pihainoana ilay tapany hoe “Fitodihana any Amin’ireo 50 Taona Nisian’ny Sekolin’i Gileada”, notarihin’i Theodore Jaracz.
Inona avy ireo toe-javatra nitarika ho amin’ny fanorenana ilay sekoly? Nanazava ny Rahalahy Schroeder fa tsy nanana afa-tsy efa-bolana monja izy sy ny rahalahy roa hafa mba handaminana ilay sekoly. “Kanefa tamin’ny alatsinainy 1 Febroary 1943, dia vonona ho amin’ny fitokanana izahay.”
Nanao ahoana izany hoe nalefa tany an-tany hafa izany ho an’ireo misionera voalohany izay nirahina? Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Henschel: “Nasainay nataon’ny sampan-draharaha fandefasana entan’ny Fikambanana tao anaty kesika lehibe ny fananana rehetra tiany hoentina. Rehefa tonga ireo kesika, dia nosokafany tamim-pitandremana ary navoakany ny fananany. Kanefa avy eo dia nampiasaina mba hanaovana fanaka ireo kesika ireo.” Tatỳ aoriana, hoy ny nomarihiny, dia nataon’ny Fikambanana izay hananany trano misionera misy fanaka mendrika kokoa.
Nanaraka izay, tamin’ny fandaharana, dia nisy nahazo diplaoma tamin’ireo kilasin’i Gileada tany am-boalohany, izay mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betelan’i Etazonia ankehitriny, nitantara ireo fahatsiarovany, fihetseham-pony ary fanandraman-javatra hitany. Tena nampihetsi-po ny rehetra nanatrika ny teny nataon’izy ireo.
“Rehefa nahazo ny fanasana hanatrika ny kilasy voalohany aho, dia nampahafantarina fa voan’ny homamiadana ny reniko. Kanefa satria izy efa nanao ny asan’ny mpisava lalana hatramin’ny faha-16 taonany, dia nanoro hevitra ahy mafy mba hanaiky ilay fanasana. Koa sady faly aho no nalahelo ary nitoky tamin’i Jehovah rehefa nanao ny dia ho any South Lansing. Nankafiziko tanteraka ny fampiofanan’i Gileada sady nankasitrahako lalina. Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany fotoana fohy taorian’ny nahazoako ny diplaomako ny reniko.” — Charlotte Schroeder, nanompo tany Meksika sy El Salvador.
“Koa satria i Jehovah efa nikarakara ahy tany amin’ilay faritra tamin’ny tany nisy ahy, dia nihevitra aho fa na aiza na aiza halehako dia mbola ho taniny ihany, ka hikarakara ahy any izy. Tena faly aoka izany àry aho nanaiky ny fanasana hanatrika ny kilasy voalohany.” — Julia Wildman, nanompo tany Meksika sy El Salvador.
“Tena nahafinaritra mihitsy ilay izy! Afaka niresaka izahay isaky ny varavarana. Tamin’ny volana voalohany aho dia nahapetraka boky 107 ary nitarika fampianarana Baiboly 19. Tamin’ny volana faharoa aho dia nanana fampianarana Baiboly 28. Mazava ho azy fa nisy zavatra sasany tsy maintsy nianarana ny nizatra taminy — ny hafanana, ny toetr’andro mando, ny bibikely. Kanefa tombontsoa nahafinaritra ny tany. Zavatra hankamamiko mandrakariva iny.” — Mary Adams, kilasy faharoa, momba an’i Cuba nanendrena azy.
“Ny toetr’andro no iray tamin’ireo vato nisakana lehibe tsy maintsy nozakainay tany Alaska. Tany avaratra dia tena nangatsiaka aoka izany, ka nahatratra [50°C. ambanin’ny zéro] ny maripana ary nangatsiaka kokoa aza. Ireo tanàna kely indiana sy ireo toerana kely nitokana tany amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Alaska dia tsy azo naleha afa-tsy tamin’ny lakana na tamin’ny fiaramanidina.” — John Errichetti, kilasy fahatelo.
“Tamiko, i Gileada dia fanasana avy tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany eto an-tany mba hanatanjahana antsika ara-panahy sy hampisehoana amintsika ny fomba fiaina iray mahatalanjona.” — Mildred Barr, kilasy faha-11, nanompo tany Irlanda.
Taorian’izay dia mbola nisy fanadinadinana nahafinaritra — Lucille Henschel (kilasy faha-14, nanompo tany Venezoela), Margareta Klein (kilasy faha-20, nanompo tany Bolivia), Lucille Coultrup (kilasy faha-24, nanompo tany Peroa), Lorraine Wallen (kilasy faha-27, nanompo tany Brezila), William sy Sandra Malenfant (kilasy faha-34, nanompo tany Maroka), Gerrit Lösch (kilasy faha-41, nanompo tany Aotrisy), ary i David Splane (kilasy faha-42, nanompo tany Senegal).
Ahoana ny amin’ireo rahalahy izay mpampianatra tao amin’ilay sekoly? Nisy nadinadinina koa ny sasany taminy — Russell Kurzen, Karl Adams, Harold Jackson, Fred Rusk, Harry Peloyan, Jack Redford ary Ulysses Glass. Nahatsiaro ny tombontsoany izy ireo ary nilaza fa mbola misy akony eo aminy hatramin’izao ihany izany.
Ny fanamarinana mampientana ny amin’ny vokatra mandaitra aterak’ireo misionera voaofana tao Gileada dia natolotr’i Lloyd Barry, izay nanompo tany Japana. Tamin’ny 1949, fony nisy misionera 15 nalefa tany, dia latsaka ny 10 ny mpitory nanerana an’i Japana manontolo. Kanefa 44 taona atỳ aoriana, dia misy mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 175 000 any amin’io tany io! Avy eo i Robert Wallen dia niresaka momba ny fahombiazana niavaka hitan’ny misionera sasany tamin’ny fanampiana olona hahita ny fahamarinana, anisan’izany ny anabavy misionera iray izay tany Panama nandritra ny 45 taona mahery ary nanampy olona 125 ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa.
Tratra ny fara tampony tamin’ny fandaharana manontolo rehefa nasaina hiakatra teny amin’ny lampihazo ireo rehetra anisan’ny mpanatrika ka nahazo diplaoma avy tamin’i Gileada teo aloha. Tena fotoana nampihetsi-po mihitsy tamin’izay. Filaharana rahalahy sy anabavy nila tsy ho tapitra — 89 ao amin’ny fianakavian’ny Betela niampy ireo nahazo diplaoma tonga nitsidika — nidina ireo lalantsara ka niakatra ireo tohatra ho eny amin’ny lampihazo. Narahin’ireo rahalahy izay mpampianatra tao amin’ilay sekoly tao anatin’ireo taona maro izy ireo, ary avy eo dia ny kilasy faha-94 — olona teo amin’ny 160 tamin’ny fitambarany!
“Moa ve nambinina ny asan’ny Sekolin’i Gileada mba hampiofana misionera ho any an-tany hafa?”, hoy ny fanontanian’ny Rahalahy Jaracz. “Ny porofo atolotr’ireo 50 taona lasa dia hoe ‘eny’ manakoako!”
[Sary, pejy 25]
Ny Kilasy Faha-94 Nahazo Diplaoma avy tao Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia isaina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) De La Garza, C.; Borg, E.; Arriaga, E.; Chooh, E.; Purves, D.; Fosberry, A.; Delgado, A.; Drescher, L. 2) Scott, V.; Fridlund, L.; Kettula, S.; Copeland, D.; Arriaga, J.; Thidé, J.; Olsson, E.; Widegren, S. 3) Delgado, F.; Keegan, S.; Leinonen, A.; Finnigan, E.; Fosberry, F.; Halbrook, J.; Berglund, A.; Jones, P. 4) Watson, B.; Frias, C.; Chooh, B.; Halbrook, J.; Purves, J.; Finnigan, S.; Jones, A.; Cuccia, M. 5) Scott, G.; Copeland, D.; Drescher, B.; De La Garza, R.; Leinonen, I.; Keegan, D.; Watson, T.; Kettula, M. 6) Widegren, J.; Borg, S.; Cuccia, L.; Berglund, A.; Olsson, B.; Frias, J.; Fridlund, T.; Thidé, P.