Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ahafahako Miatrika Aretina Mafy?
VAO 18 taona monja i Jason, nefa ny tanjony rehetra teo amin’ny fiainana dia toa tsy azo notratrarina izao. Nanantena ny hanompo manontolo andro amin’ny maha-minisitra kristiana izy, kanefa fantany avy eo, fa voan’ny aretin’i Crohn — aretin-tsinay manaintaina sy mahaosa — izy. Amin’izao andro izao anefa, dia miatrika amim-pahombiazana ny toe-javatra misy azy i Jason.
Angamba koa ianao miatrika aretina mafy. Tao amin’ny nomerao teo aloha, ny Mifohaza! dia nandinika ireo zava-tsarotra atrehin’ny tanora toa anao.a Andeha isika izao hijery ny fomba ahafahanao mizaka amim-pahombiazana ny tarehin-javatra misy anao.
Toe-tsaina manorina
Tafiditra amin’ny fiatrehana amim-pahombiazana ny aretina na inona na inona, ny toe-tsaina manorina. Hoy ny Baiboly: “Ny faharariany dia zakan’ny fanahin’ny olona ihany; fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?” (Ohabolana 18:14). Mahatonga ny fahasitranana ho sarotra kokoa ny eritreritra sy ny fihetseham-po manjombona sy tsy mijery ny lafy tsaran-javatra. Hitan’i Jason fa marina izany.
Tamin’ny voalohany, dia voatery niady tamin’ny fihetseham-po tsy manorina, toy ny hatezerana, izay nahaketraka azy mafy, i Jason. Inona no nanampy azy? Nanazava toy izao izy: “Ireo lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! momba ny fahaketrahana dia tena nanampy ahy hihazona fihetsika manorina. Ankehitriny, dia miezaka aho hiatrika ny tarehin-javatra isaky ny ipoirany.”b
I Carmen, 17 taona, dia nianatra toy izany koa nijery ny lafy tsaran-javatra. Na dia voan’ny drépanocytose (tsy fahampian-dra isian’ny sela mena mifaraingo) aza izy, dia nieritreritra ireo fitahiana azony. “Eritreretiko ny hafa izay ao anatin’ny toe-javatra ratsy kokoa noho ny ahy, sy izay tsy afaka manao ny zavatra azoko atao”, hoy izy. “Ary mahatsapa ho velom-pankasitrahana aho ka tsy mitsetra tena loatra.”
Milaza toy izao ny Ohabolana 17:22: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara”. Mety hihevitra ny olona sasany fa tsy mety ny hehy eo anoloan’ny aretina mafy. Mamelombelona ny sainao sy mampitombo ny fanirianao ho velona anefa ny toe-tsaina falifaly lava sy ny fiarahana mahafinaritra. Raha ny marina, ny fifaliana dia toetra araka an’Andriamanitra, ary iray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22). Afaka manampy anao hahatsapa fifaliana io fanahy io, na dia miady amin’ny aretina aza ianao. — Salamo 41:3.
Fahitana dokotera mahazo ny fihevitry ny hafa
Tena manampy ny fananana dokotera izay mahatakatra ny fihevitry ny tanora. Mazàna dia tsy mitovy ny zavatra ilain’ny olon-dehibe sy ny tanora, eo amin’ny ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. Vao folo taona monja i Ashley rehefa voatery nankany amin’ny hopitaly mba hitsaboana fivontosana mety hahafaty, tao amin’ny atidohany. Nitondra azy tamim-pangoraham-po sy nampiasa teny nety ho takatry ny sain’i Ashley ny dokoterany. Nolazainy taminy hoe tamin’ny ahoana ny aretina nahazo azy tamin’ny fahazazany no nanosika azy ho tonga dokotera. Nohazavainy tamin-katsaram-panahy, kanefa tamin’ny fomba mazava, ny fitsaboana nokasaina hatao tamin’i Ashley, hany ka fantany izay tokony hampoizina.
Haniry hitady mpiasan’ny fitsaboana izay hanaja anao sy hahatakatra ny zavatra ilainao ianao sy ny ray aman-dreninao. Raha toa, noho ny antony sasany ka tsy dia azoazonao ny fikarakarana azonao, dia aza misalasala milaza ny fanahianao amin’ny ray aman-dreninao.
Miadia ho an’ny fahasalamanao!
Tena ilaina koa ny hiadianao amin’ny aretinao amin’ny fomba rehetra azonao atao. Ohatra, fantaro izay farany azonao fantarina momba ny aretinao. “Mitombo hery ny olona manam-pahalalana”, hoy ny fanamarihan’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 24:5). Manala ny tahotra ny tsy fantatra, ny fahalalana.
Fanampin’izany, ny tanora iray nahazo fanazavana dia mety handray anjara bebe kokoa amin’ny fitsaboana azy ary tsara toerana kokoa izy mba hiaraha-miasa amin’ny mpitsabo azy. Mety hianarany, ohatra, fa tsy tokony hampiato ny fampiasana fanafody iray nasaina hampiasaina izy raha tsy nisy torohevitry ny dokoterany. Namaky boky momba ny drépanocytose i Carmen, voalaza tetsy ambony, toy ny nataon’ny ray aman-dreniny. Izay nianaran’izy ireo dia nanampy azy hahazo ny fitsaboana izay afaka nanampy be indrindra an’i Carmen.
Mametraha fanontaniana voafaritra tsara amin’ny dokoteranao — mihoatra ny indray mandeha raha ilaina — raha misy zavatra sasany tsy mazava aminao. Aza milaza izay zavatra heverinao fa irin’ilay dokotera ho re, fa hazavao amim-pahamarinana kosa izay heverinao sy tsapanao. Araka ny lazain’ny Baiboly, dia “ho foana ny fikasana, raha tsy misy [resaka tsiambaratelo, NW ]”. — Ohabolana 15:22.
Tamin’ny fotoana iray dia toa tena tsy naniry hiresaka momba ny aretiny i Ashley. Tamin’ny reniny ihany no niresahany momba azy io. Nanontany azy manokana ny mpanao asa sosialy mahay mahataka-javatra iray hoe: “Mihevitra ve ianao fa angamba nisy zavatra tsy nolazaina taminao?” Namboraka taminy i Ashley fa izany no izy. Koa nasehon’ilay ramatoa azy sy nohazavainy taminy ny firaketana an-tsoratra ara-pitsaboana momba azy. Nangataka an’ireo dokotera koa izy mba handany fotoana bebe kokoa hiresahana amin’i Ashley mivantana, fa tsy hiresaka momba azy fotsiny. Tamin’ny nanehoany ny heviny, tamin’ny farany, no nahafahan’i Ashley nahazo ny fanampiana nilainy.
Fanampiana avy amin’ny manodidina anao
Rehefa misy mpianakavy iray marary mafy, dia manjary raharaham-pianakaviana izany, ka mitaky fiaraha-mientana. Nifarimbona nanohana an’i Ashley ny fianakaviany sy ny kongregasiona kristiana. Nampahatsiahivina ny kongregasiona tsy tapaka fa tany amin’ny hopitaly izy. Nitsidika azy tsy tapaka ny mpikambana tao amin’ilay kongregasiona, ary nanampy ny fianakaviana tamin’ny asa tao an-tokantrano sy ny fikarakarana sakafo mandra-pahafaky ny fianakaviana niverina tamin’ny fahazarany indray. Nitsidika an’i Ashley tany amin’ny hopitaly ireo ankizy tao amin’ny kongregasiona, rehefa tsy dia narary loatra izy ka azo notsidihina. Tsy ho an’i Ashley ihany izany no tsara, fa ho an’ireo namany tanora koa.
Alohan’ny hahafahan’ny hafa hanolotra fanampiana anao anefa, dia ilain’izy ireo ny mahalala fa mila izany ianao. Miantehitra amin’ny ray aman-dreniny sy ny loholon’ny kongregasiona i Carmen mba hahazoana fanohanana ara-pihetseham-po sy ara-panahy. Miantehitra koa amin’ireo any am-pianarana izay miray finoana aminy izy, mba hanohana azy. “Miahy ahy izy ireo, ary mahatsapa ho voakarakara aho”, hoy i Carmen.
Mety ho afaka hanome torohevitra mahasoa ara-pitsaboana sy momba ny ara-bola ny sekoly ianaranao, ary mety hanolotra fanohanana manokana mihitsy aza. Ohatra, ny mpampianatra an’i Ashley dia nampirisika ny mpianany mba hanoratra ho an’i Ashley sy mba hitsidika azy. Raha tsy mahatakatra ny zava-manahirana atrehinao ireo mpampianatra anao, dia mety ho tena ilain’ny ray aman-dreninao ny miresaka amim-panajana momba ny tarehin-javatra misy anao amin’ny tompon’andraikitra ao an-tsekoly.
Ampiasao amim-pahendrena ny saina amam-batanao
Rehefa marary be ianao, dia mety tsy ho afaka hanao na inona na inona afa-tsy ny mampifantoka ny hery anananao mba hahasalama anao kokoa. Raha tsy tena reraka be ianao, dia misy zavatra mampiorina maro azonao atao. Rehefa nanao fikarohana momba ilay bokiny hoe How It Feels to Fight for Your Life ilay mpanoratra atao hoe Jill Krementz, dia nanazava toy izao momba izay nomarihiny: “Nampalahelo ahy ny nandaniako roa taona namakivakiana ireo lalantsaran’ny hopitaly ka nahatazanako ankizy maro be aoka izany mibanjina ny televiziona. Mila mampirisika an’ireo tanora ireo hamaky teny bebe kokoa isika. Toerana tsara indrindra hampiasana ny sain’ny tena ny farafaran’ny hopitaly.”
Na ao an-trano ianao, na any amin’ny hopitaly, ny fampiasana ny fahaizanao ara-tsaina dia matetika no afaka manampy anao hahatsapa ho metimety kokoa. Efa nanandrana nanoratra taratasy na tononkalo ve ianao? Nanao sary na sary hoso-doko? Ahoana ny amin’ny fianarana mitendry zavamaneno raha mamela hanao izany ny toe-pahasalamanao? Na dia eo aza ny fahasalamana voafetra, dia maro ny zavatra azo atao. Azo antoka fa ny zavatra tsara indrindra azonao atao dia ny mampitombo ny fahazarana mivavaka amin’Andriamanitra sy mamaky ny Teniny, dia ny Baiboly. — Salamo 63:6.
Raha mamela izany ny toe-pahasalamanao, dia afaka manampy anao koa hahatsapa ho metimety kokoa ny fampiasan-tena araka ny mety. Noho izany antony izany matetika no anaovan’ny trano fitsaboana maro fandaharana fitsaboana ara-batana ho an’ny marary tanora. Amin’ny toe-javatra maro, dia tsy vitan’ny hoe mampandroso ny fahasitranana ara-batana fotsiny ny fampiasan-tena araka ny mety, fa manampy koa mba hampahatanja-tsaina anao hatrany.
Aza milavo lefona!
Teo anoloan’ny fijaliana mafy, i Jesosy dia nivavaka tamin’Andriamanitra sy natoky Azy ary nifantoka tamin’ny hoaviny mahafaly, fa tsy tamin’ilay fanaintainana. (Hebreo 12:2). Niana-javatra avy tamin’ny zavatra mafy niainany izy. (Hebreo 4:15, 16; 5:7-9). Nanaiky handray fanampiana sy fampaherezana izy. (Lioka 22:43). Nifantoka tamin’izay mahasoa ny hafa izy, fa tsy tamin’ny fahoriany manokana. — Lioka 23:39-43; Jaona 19:26, 27.
Na dia mety harary be aza ianao, dia mety hisy heriny eo amin’ny hafa. Mba hanaovana tatitra iray tany an-tsekoly, dia nanoratra toy izao i Abigail, rahavavin’i Ashley: “Ny olona mampiaiky volana ahy indrindra dia ny rahavaviko. Na dia voatery mankany amin’ny hopitaly sy ampidirana fanafody amin’ny lalan-dra ary mahazo tsindrona betsaka aza izy, dia mbola mitsiky ihany mivoaka avy ao!”c
Tsy nahafoy ny tanjony i Jason, fa nanitsy kely izany fotsiny. Ankehitriny, dia ny hanompo any amin’izay ilana mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra bebe kokoa no tanjony. Toy ny miseho amin’i Jason, dia mety tsy ho afaka hanao izay rehetra tianao ianao. Ny zava-dehibe indrindra dia ny mianatra miaina mifanaraka amin’ny fetran’ny tenanao manokana, ka tsy mikenakena be loatra na manao tsirambina ny tenanao. Miantehera amin’i Jehovah mba hanomezany anao ny fahendrena sy ny hery hanaovana ny tsara indrindra azonao atao. (2 Korintiana 4:16; Jakoba 1:5). Ary tadidio fa ho avy ny fotoana hahatonga itỳ tany itỳ ho paradisa, izay ‘tsy hisian’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho’. (Isaia 33:24). Eny, indray andro any dia ho salama indray ianao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! 8 May 1997, pejy faha-24-26.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1992, pejy faha-15; 1 Jona 1990, pejy faha-3-9; sy ny Mifohaza! (frantsay) 22 Oktobra 1987, pejy faha-2-16; 8 Novambra 1987, pejy faha-12-16.
c Jereo koa Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-116-127.
[Sary, pejy 26]
Mampiaiky volana an’i Abigail ny herim-pon’i Ashley