“Samy Misy Fotoana Voatendry ho azy avy ny Zavatra Rehetra”
“Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro”. — MPITORITENY 3:1, Fandikan-teny Katolika.
1. Inona no sarotra amin’ny olombelona tsy lavorary, ary nitarika ho amin’ny inona izany tamin’ny toe-javatra sasany?
MATETIKA ny olona no milaza hoe: “Tokony ho nataoko taloha kokoa izy ity.” Na, aorian’ny fisehoan-javatra iray, dia angamba izy hilaza hoe: “Tokony ho niandry aho.” Asehon’ny fihetseham-po toy izany fa sarotra amin’ny olombelona tsy lavorary ny mamaritra ny fotoana tokony hanaovana ny zavatra sasany. Niteraka faharavan’ny fifandraisana tamin’ny hafa izany fetran’ny mety ho vitan’ny olombelona izany. Nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny fahakiviana izany. Ary ny ratsy indrindra aza, dia nampihena ny finoan’ny olona sasany an’i Jehovah sy ny fandaminany izany.
2, 3. a) Nahoana no lalam-pahendrena ny fanekena ny famaritan’i Jehovah ny fotoana voatondro? b) Inona no fomba fijery voalanjalanja tokony hananantsika, raha ny amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly?
2 Manana ny fahendrena sy ny fahaiza-mahataka-javatra tsy ananan’ny olombelona i Jehovah, ka afaka mamantatra mialoha ny hiafaran’ny zavatra atao rehetra, raha izany no tiany. Afaka mamantatra “ny farany hatramin’ny voalohany”, izy. (Isaia 46:10). Noho izany, dia afaka mifidy amin’ny fomba tsy mety diso ny fotoana mety indrindra hanaovana izay rehetra tiany hatao izy. Tsy tonga lafatra kosa ny fahaizantsika mamantatra ny fotoana mety indrindra hanaovan-javatra. Tsy hitoky amin’izany fahaizantsika izany àry isika, fa haneho fahendrena kosa, ka hanaiky ny famaritan’i Jehovah ny fotoana voatondro!
3 Ohatra, miandry amim-pahatokiana ny fotoana voatondron’i Jehovah hahatanterahan’ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly, ny Kristianina matotra. Be atao hatrany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo, no sady mitadidy tsara izao foto-pitsipika ao amin’ny Fitomaniana 3:26 izao: “Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.” (Ampitahao amin’ny Habakoka 3:16.) Etsy an-danin’izany, dia miaiky izy ireo fa “na dia mitaredretra aza” ny fampiharana didim-pitsarana izay efa nambaran’i Jehovah, dia “ho avy tokoa izy ka tsy [ho diso aoriana, NW ]”. — Habakoka 2:3.
4. Amin’ny ahoana ny Amosa 3:7 sy ny Matio 24:45 (NW ) no tokony hanampy antsika hiandry amim-paharetana an’i Jehovah?
4 Etsy an-kilany, raha tsy takatsika amin’ny fomba feno ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly na ny fanazavana sasany omena ao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, moa ve isika manana antony tsy haharetana? Lalam-pahendrena ny miandry ny fotoana voatondron’i Jehovah hanazavana zavatra. “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7). Fampanantenana kanto re izany! Tsy maintsy takatsika anefa fa mampiharihary ny heviny amin’ny fotoana heveriny fa mety izy. Noho izany zava-kendrena izany no nanomezan’Andriamanitra lalana ny “mpanompo mahatoky sy malina”, hanome ny vahoakany “ny sakafony [ara-panahy] amin’ny fotoana mety”. (Matio 24:45, NW ). Tsy manana antony tokony hanahiana tafahoatra àry isika, na antony tokony hampikorontan-tsaina akory aza, raha misy zavatra sasany tsy voazava amin’ny fomba feno. Afaka matoky kosa isika fa raha miandry amim-paharetana an’i Jehovah isika, dia hanome izay ilaina “amin’ny fotoana mety” izy, amin’ny alalan’ilay mpanompo mahatoky.
5. Inona no soa azo avy amin’ny fandinihana ny Mpitoriteny 3:1-8?
5 Niresaka ny amin’ny zavatra 28 samy hafa, izay samy manana ny “fotoana voatendry” ho azy avy, i Solomona Mpanjaka hendry. (Mpitoriteny 3:1-8, Kat.). Ny fahatakarana ny hevitr’izay nolazain’i Solomona sy ny zavatra tafiditra amin’izany, dia hanampy antsika hamantatra ny fotoana mety sy ny fotoana tsy mety hanaovan-javatra sasany, araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra. (Hebreo 5:14). Ho afaka hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany kosa isika rehefa avy eo.
“Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana”
6, 7. a) Inona no antony ‘mampitomany’ ny olona velom-panahiana ankehitriny? b) Ahoana no iezahan’izao tontolo izao anoherana ny maha ratsy ilay toe-javatra misy azy?
6 Na dia ao aza ny “fotoana hitomaniana [sy ny] fotoana hihomehezana”, iza no tsy tia kokoa ity farany noho irỳ voalohany? (Mpitoriteny 3:4, Kat.). Mampalahelo fa miaina eo anivon’ny tontolo iray, izay manome antony mampitomany indrindra, isika. Mahazo vahana eo amin’ny fampitam-baovao ireo vaovao mahaketraka. Mihoron-koditra isika mandre ny amin’ny tanora mitifitra mpiara-mianatra aminy any an-tsekoly, ray aman-dreny mampijaly na mametaveta ny zanany, mpampihorohoro mamono na manakilema olona tsy manan-tsiny, sy loza lazaina fa voajanahary izay mandripaka ain’olona sy fananana. Samy misarika ny saintsika eo amin’ny efijerin’ny televiziona, na ny sarin’ireo ankizy lali-maso mosarena, na ny an’ireo mpitsoa-ponenana voatery mandositra miala amin’ny taniny. Samy miteraka tebiteby ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, amin’ny fomba samy hafa ankehitriny, ireo teny tsy nahazatra teo aloha, toy ny hoe fanadiovana ara-pirazanana, SIDA, ady ampiasana otrikaretina, sy El Niño.
7 Tsy isalasalana fa feno loza sy fahorian-tsaina ny tontolo ankehitriny. Na izany aza, dia toa ta hanamaivana ny maha ratsy ilay toe-javatra ny indostrian’ny fialam-boly, ka tsy mitsahatra mandroso zavatra tsy misy heviny firy, zavatra mitory fahambanian-toetra, ary matetika no zavatra feno fahalotoam-pitondran-tena sy herisetra. Natao hamitahana antsika izy ireny mba hahatonga antsika tsy hiraharaha ny fahorian’ny hafa. Tsy tokony hafangaro amin’ny tena fifaliana anefa ilay toe-tsaina tsy miraharaha ateraky ny fialam-boly toy izany, dia toe-tsaina tia vosoboso-dratsy sy tia mitsikanikany. Zavatra tsy hain’ny tontolon’i Satana omena tsotra izao ilay fifaliana, izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra. — Galatiana 5:22, 23; Efesiana 5:3, 4.
8. Ny fitomaniana sa ny fihomehezana no tokony hataon’ny Kristianina ankehitriny ho laharam-pahamehana? Hazavao.
8 Ekentsika fa mampahonena ny toe-javatra misy an’izao tontolo izao, ka takatsika fa tsy izao mihitsy no fotoana hanaovana ny fihomehezana ho laharam-pahamehana. Tsy izao no fotoana hitadiavana fialam-boly fotsiny, na hamelana ny “fahafinaretana” ho zava-dehibe kokoa noho ny fikatsahana zavatra ara-panahy. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:2-4.) “Ireo izay mampiasa izao tontolo izao”, dia tokony “ho toy izay tsy mampiasa azy amin’ny fomba feno”, hoy ny apostoly Paoly. Nahoana? Satria “eo am-piovana ny sehatr’ity tontolo ity”. (1 Korintiana 7:31, NW ). Mahatakatra amin’ny fomba feno ny maha zava-dehibe ny fotoana iainantsika ankehitriny ny Kristianina marina, ary hita taratra eo amin’ny fiainany isan’andro izany. — Filipiana 4:8.
Tena sambatra, na dia mitomany aza!
9. Inona no toe-javatra nampalahelo nisy tamin’ny andro talohan’ny Safo-drano, ary inona no hevitr’izany ho antsika ankehitriny?
9 Tsy mba nihevitra tamim-pitandremana ny fiainana ny olona velona tamin’ny fotoan’ny Safo-drano naneran-tany. Mbola nanao izay fanaony andavanandro ihany izy ireo, ka tsy nitomany noho ny ‘habetsahan’ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany’, ary tsy niraika akory raha ‘heni-doza ny tany’. (Genesisy 6:5, 11). Nanisy firesahana ny amin’izany toe-javatra nampalahelo izany i Jesosy, ary nanambara mialoha fa hahitana fihetsika toy izany koa eo amin’ny olona amin’izao androntsika izao. Hoy ny fampitandremany: “Tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” — Matio 24:38, 39.
10. Ahoana no nampisehoan’ny Isiraelita niaina tamin’ny andron’i Hagay, fa tsy takatr’izy ireo fa fotoana voatondron’i Jehovah tamin’izay?
10 Tamin’ny andron’i Hagay, tokony ho 1 850 taona taorian’ny Safo-drano, dia Isiraelita maro no naneho fihetsika toy izany koa, ka tsy nihevitra ho zava-dehibe ny zavatra ara-panahy. Variana nikatsaka ny tombontsoan’ny tenany manokana izy ireo, ka tsy nahay nanavaka ny hoe fotoana tokony ho nanaovana ny tombontsoan’i Jehovah ho laharam-pahamehana tamin’izay. Izao no vakintsika: “Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’i Jehovah. Dia tonga ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany nanao hoe: Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity? Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny làlanareo.” — Hagay 1:1-5.
11. Fanontaniana inona avy no tsara hapetratsika amin’ny tenantsika?
11 Manana andraikitra sy tombontsoa eo anatrehan’i Jehovah, toy ny an’ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Hagay, isika, amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah antsika ankehitriny. Haneho fahendrena koa àry isika raha mihevitra ny lalantsika, ka manao izany amim-pitandremana fatratra. Moa ve isika ‘mitomany’ noho ny toe-javatra maneran-tany sy ny fanalam-baraka entin’izany eo amin’ny anaran’Andriamanitra? Moa ve isika malahelo rehefa misy olona mandà ny fisian’Andriamanitra na tsy miraharaha amim-pahasahisahian-dratsy ny foto-pitsipiny marina? Moa ve ny fihetsitsika toy ny an’ireo olona voaisy marika, hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana iray, 2 500 taona lasa izay? Izao no vakintsika momba azy ireo: “Hoy Jehovah [tamin’ilay lehilahy nanana fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra]: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.” — Ezekiela 9:4.
12. Inona no hevitry ny Ezekiela 9:5, 6 ho an’ny olona ankehitriny?
12 Manjary miharihary ny hevitr’io fitantarana io ho antsika ankehitriny, rehefa vakintsika ny toromarika nomena ireo lehilahy enina nitondra fitaovam-piadiana hoenti-mandringana, nanao hoe: “Mandehana manaraka azy hianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy. Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ny fitoerako masina izany.” (Ezekiela 9:5, 6). Ny fahatafitantsika velona amin’ilay fahoriana lehibe mihamanatona haingana, dia miankina amin’ny fanekentsika fa izao indrindra no fotoana tokony hitomaniana.
13, 14. a) Karazan’olona manao ahoana no nolazain’i Jesosy hoe sambatra? b) Hazavao ny antony iheveranao fa mifanentana tsara amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany filazalazana izany.
13 Mazava ho azy fa tsy misakana ny mpanompon’i Jehovah tsy ho sambatra ny ‘fitomaniany’ noho ny toe-javatra mampalahelo mahakasika ny raharahan’ny tany. Mifanohitra amin’izany aza, fa izy ireo no antokon’olona sambatra indrindra eto an-tany, raha ny marina. Nanome ny fitsipika amaritana ny tena fahasambarana i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “[Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, NW ]; (...) ny ory; (...) ny malemy fanahy; (...) ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; (...) ny miantra; (...) ny madio am-po; (...) ny mpampihavana; (...) [ireo] izay enjehina noho ny fahamarinana”. (Matio 5:3-10). Misy porofo be dia be mampiseho fa izany filazalazana izany dia mifanentana tsara kokoa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fitambarany, noho ny amin’ny fivavahana hafa rehetra.
14 Tena manana antony tokony ‘hihomehezana’ ny vahoakan’i Jehovah sambatra, indrindra fa nanomboka tamin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina, tamin’ny 1919. Teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia nientam-po koa izy ireo tahaka an’ireo izay niverina avy tany Babylona, tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., nanao hoe: “Fony Jehovah nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany, dia tahaka izay nanonofy isika. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika sy fihobiana ny lelantsika (...). Eny, zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika.” (Salamo 126:1-3). Na dia ao anatin’ny fihomehezana ara-panahy aza anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mitadidy amim-pahendrena fa zava-dehibe izao fotoana misy azy izao. Rehefa ho tonga ny tontolo vaovao ka ‘hihazona ny tena fiainana’ ny mponina eto an-tany, dia ho tonga ny fotoana hanoloana ny fitomaniana amin’ny fihomehezana ho mandrakizay doria. — 1 Timoty 6:19; Apokalypsy 21:3, 4.
“Fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana”
15. Nahoana ny Kristianina no mifantina izay ho namany?
15 Mifantina ny olona raisiny ho namana ny Kristianina. Mitadidy izao fampitandreman’i Paoly izao izy ireo: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Ary hoy ny nomarihin’i Solomona Mpanjaka hendry: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” — Ohabolana 13:20.
16, 17. Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fiarahana amin’ny namana, ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy, sy ny fanambadiana, ary nahoana?
16 Ny fidin’ny mpanompon’i Jehovah ho namana, dia ireo olona tia an’i Jehovah sy ny fahamarinany toa azy ireo koa. Ankasitrahan’izy ireo sy ankafiziny ny fiarahany amin’ny namany. Na izany aza, dia halavirin’izy ireo amim-pahendrena ny fomba fihevitra milefitra loatra momba ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy, dia fomba fihevitra mahazo vahana any amin’ny tany sasany ankehitriny. Tsy manaram-po amin’ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy izy ireo, toy ny hoe lalao tsy mampaninona izany. Mihevitra kosa izy ireo fa dingana lehibe ho amin’ny fanambadiana izany, ka tsy tokony hatao raha tsy rehefa vonona ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy hiditra amin’ny fifandraisana maharitra ny tena, ary afaka manao izany, araka ny Soratra Masina. — 1 Korintiana 7:36.
17 Mety hisy hihevitra fa lany andro ny fomba fihevitra toy izany momba ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy sy momba ny fanambadiana. Tsy avelan’ny Vavolombelon’i Jehovah hitaona azy ireo anefa ny hafa, raha ny amin’ny fifidianany namana, na ny amin’ny fanapahan-keviny momba ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy sy momba ny fanambadiana. Fantatr’izy ireo fa “ny fahendrena dia hamarinin’ny asany”. (Matio 11:19). Fantatr’i Jehovah foana izay tsara indrindra ho antsika, koa heverin’izy ireo ho zava-dehibe ny torohevitr’i Jehovah mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39; 2 Korintiana 6:14). Halavirin’izy ireo ny mirotoroto ho amin’ny fanambadiana, amin’ny fananana hevi-diso hoe safidy azo ekena ny fisaraham-panambadiana na ny fisarahan-toerana, raha toa ka miharatsy ny fifandraisana. Maka fotoana hitadiavana vady sahaza izy ireo, satria takany fa raha vantany vao natao ny voadim-panambadiana, dia mihatra izao lalàn’i Jehovah izao: “Ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” — Matio 19:6; Marka 10:9.
18. Inona no azo atao ho fiaingana ho amin’ny fanambadiana sambatra?
18 Fanekena maharitra mandritra ny androm-piainana ny fanambadiana, ka mendrika ny hanaovana fandaharana mialoha amim-pitandremana. Mety àry raha manontany tena toy izao ny lehilahy iray: ‘Izy tokoa ve no vady sahaza ho ahy?’ Zava-dehibe toy izany koa izao fanontaniana izao, izay tokony hapetrany amin’ny tenany: ‘Izaho tokoa ve no vady sahaza ho azy? Moa ve aho Kristianina matotra afaka mikarakara izay ilainy ara-panahy?’ Manana adidy eo anatrehan’i Jehovah ireo izay hivady, dia adidy ny ho matanjaka ara-panahy, ho afaka hanorina fatoram-panambadiana mafy izay mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra. Mpivady kristianina an’arivony maro no afaka manamarina fa fiaingana tsara dia tsara ho amin’ny fanambadiana sambatra ny fanompoana manontolo andro, noho izy io manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny manome, fa tsy ny mandray.
19. Nahoana ny Kristianina sasany no mitoetra ho mpitovo?
19 ‘Mifady fifamihinana’ ny Kristianina sasany, amin’ny fifidianany ny hitoetra ho mpitovo noho ny vaovao tsara. (Mpitoriteny 3:5, Kat.). Ny hafa kosa miandry any aoriana vao manambady, mandra-pahatsapany fa mahafeno fepetra ara-panahy ny tenany mba hanintona vady sahaza. Aoka koa anefa tsy hohadinointsika ireo mpitovo kristianina izay maniry fatratra ny fifankahazoana am-po sy ny soa ao amin’ny fanambadiana, kanefa tsy mety mahita vady. Azontsika antoka fa mahafaly an’i Jehovah ny tsy faneken’izy ireo hampandefitra ny foto-pitsipik’Andriamanitra eo am-pitadiavana vady. Maneho fahendrena koa isika raha mankasitraka ny tsy fivadihan’izy ireo sy manolotra fampaherezana mifanentana aminy, satria mendrika izany izy ireo.
20. Nahoana indraindray no ‘mifady ny fifamihinana’, na dia ny mpivady aza?
20 Moa ve indraindray tokony ‘hifady ny fifamihinana’, na dia ny mpivady aza? Miharihary fa izany no izy, amin’ny lafiny sasany, satria izao no nomarihin’i Paoly: “Izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’izao sisa izao”. (1 Korintiana 7:29). Araka izany, indraindray dia tsy maintsy ampandeferina eo anoloan’ny andraikitra teôkratika, ny fifaliana sy ny fitahiana entin’ny fanambadiana. Tsy hampigoragora ny fanambadiana akory ny fomba fijery voalanjalanja amin’io lafiny io, fa vao mainka aza hanatanjaka ny fanambadiana, satria manampy ny mpivady hitadidy fa i Jehovah foana no tsy maintsy antony lehibe indrindra mampiorina mafy ny fifandraisan’izy ireo. — Mpitoriteny 4:12.
21. Nahoana isika no tsy tokony hitsara ny mpivady, raha ny amin’ny fiterahana?
21 Ankoatra izany, dia misy mpivady sasany nifehy tena tsy hiteraka, mba hananana fahafahana bebe kokoa hanatontosana ny fanompoany an’Andriamanitra. Nidika ho fanaovan’izy ireo sorona izany, ary hamaly soa azy ireo noho izany i Jehovah. Marihina kely eto fa na dia mampirisika ny hitoerana ho mpitovo noho ny vaovao tsara aza ny Baiboly, dia tsy milaza mivantana ny amin’ny tsy tokony hiterahana noho izany antony izany koa. (Matio 19:10-12; 1 Korintiana 7:38; ampitahao amin’ny Matio 24:19 sy ny Lioka 23:28-30.) Araka izany, ny mpivady dia tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny manokana, miorina amin’ny toe-javatra misy azy sy ny fihetseham-pony mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany. Na inona na inona ilay fanapahan-kevitra, dia tsy tokony hokianina ny mpivady.
22. Zava-dehibe ny hamantarantsika ny inona?
22 Eny, “samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro”. Misy aza “fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana”. (Mpitoriteny 3:1, 8, Kat.). Hohazavain’ny lahatsoratra manaraka ny antony maha zava-dehibe ny hamantarantsika hoe fotoana iadiana izao sa fotoana ihavanana.
Hainao Hazavaina Ve?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny hahafantarantsika fa “samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra”?
◻ Nahoana no ‘fotoana itomaniana’ indrindra izao?
◻ Nahoana no tena sambatra ny Kristianina, na dia ‘mitomany’ aza?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina sasany fa mihevitra ny fotoana ankehitriny ho ‘fotoana ifadiana ny fifamihinana’ izy ireo?
[Sary, pejy 6]
Na dia ‘mitomany’ aza ny Kristianina noho ny toe-piainana maneran-tany...,
[Sary, pejy 7]
... dia izy ireo no olona sambatra indrindra eto an-tany, raha ny marina
[Sary, pejy 8]
Fototra tsara dia tsara ho amin’ny fanambadiana sambatra ny fanompoana manontolo andro