Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana no Nifindra Toerana ny Namana Tsy Foiko?
‘TAHAKA ny ankizy nilaozan-tsakaiza ianao izany.’ Izany no holazain’ny olona rehefa misy toa somary malahelohelo na kivikivy. Maka heviny vaovao tanteraka anefa ilay fitenenana rehefa tena namoy ny namanao tsy foinao ianao.
Rehefa heverina mantsy, dia zavatra miavaka sy sarobidy ny fisakaizana marina. Hoy ny Baiboly: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17). Manome antsika fiarahana amin-javatra maro sy fanohanana ireo namana tsara. Manampy antsika hitombo ara-pihetseham-po sy ara-panahy izy ireo. Raha mety ho betsaka ny namana tsotra na ny olom-pantatra, dia mazàna tsy fahita firy ireo olona tena azo itokiana sy ianteherana marina.
Koa raha nifindra toerana ny namana tsy foinao, dia mora ny mahatakatra fa mety hahatsiaro ho tototry ny alahelo ny tenanao. Tsaroan’ny tanora iray atao hoe Bryan izay tsapany rehefa nifindra ny namana tsy foiny. “Natahotra aho, nanirery, ary ory dia ory”, hoy izy. Angamba tahaka izany koa no tsapanao.
Fiatrehana ny zava-misy
Ny fieritreretana ireo antony nahatonga ny namanao hifindra dia mety hanampy. Azo antoka fa tsy noho ny tsy fahampiam-pankasitrahana ny fisakaizanareo izany. Ny fifindrana dia nanjary anisan’ny fiainana maoderina efa ekena. Isan-taona, any Etazonia fotsiny, dia olona maherin’ny 36 tapitrisa no mifindra! Araka ny Sampan-draharaha Amerikana Momba ny Fanisam-bahoaka, dia hifindra in-12 ny Amerikana tsotra iray ao anatin’ny androm-piainany.
Inona no mahatonga izany fifindrana rehetra izany? Isan-karazany ny antony. Fianakaviana maro no mifindra mba hahazoana asa sy trano tsara kokoa. Any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, ny ady sy ny fahantrana dia nanery fianakaviana an-tapitrisany maro hifindra. Ary rehefa manjary olon-dehibe ireo tanora, dia maro no mifidy ny hifindra mba hiaina samirery. Lasa mandeha ny sasany mba hanambady. (Genesisy 2:24). Kanefa, ny hafa dia mety hifindra mba hikatsahana tombontsoa ara-panahy. (Matio 19:29). Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia maro no mandao ny fiadanana omen’ny toe-piainana mahazatra mba hanompoana tany amin’ny faritra — angamba aza any amin’ny tany hafa — izay ilana mpitory kristiana bebe kokoa. Mifindra ao amin’ny faritry ny tany niaviany ihany ny sasany mba hanompo any amin’ny Betela, araka ny iantsoana ireo trano ho amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Eny, na dia tiantsika aza ireo namantsika, dia tsy maintsy heverintsika ho zava-misy eo amin’ny fiainana ny hoe, rehefa mandeha ny fotoana, dia azo inoana fa hifindra izy ireny.
Na inona na inona antony nahatonga ny namanao hifindra, dia mety hanontany tena ianao ny amin’ny fomba hiarenanao amin’ilay famoizana. Na dia ara-dalàna aza anefa ny hahatsiarovana ho manirery na ho kivy kely mandritra ny fotoana fohy, dia azo inoana fa takatrao fa tsy hahatsara zavatra mihitsy ny manjonitra eran’ny trano. (Ohabolana 18:1). Koa aoka isika hijery zavatra sasany izay afaka manampy.
Fihazonana ny fifandraisana
“Aoka ho takatrao fa tsy tapitra teo ny fisakaizanareo”, hoy ny torohevitr’i Bryan tanora. Eny, tsy isalasalana fa hanova ny fifandraisanareo ny fifindran’ny namana tsy foinao, nefa tsy midika izany fa tsy maintsy hitsahatra ny fisakaizanareo. Hoy ny Dr. Rosemarie White, mpanolo-tsaina ho an’ny zatovo: “Tena sarotra ny famoizana olona na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona eo amin’ny fiainana, nefa ny fomba hahazakana izany dia ny mieritreritra fotsiny momba azy io ho toy ny fiovana, fa tsy fikatonan’ny varavarana.”
Inona no azonao atao mba hihazonana ny varavaran’ny fisakaizana hivoha? Hevero ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’i Davida sy i Jonatana. Na dia teo aza ny elanelan-taona be, dia mpinamana tena akaiky izy ireo. Rehefa nanery an’i Davida handositra hankany an-tsesitany ny toe-javatra, dia tsy nisaraka tsy nifampiteny akory izy ireo. Nifanohitra tamin’izany, fa nohamafisiny ny fisakaizany tsy nety lefy, ka nanao fanekena na fifanarahana mihitsy aza izy ireo mba hijanona ho mpinamana. — 1 Samoela 20:42.
Tahaka izany koa, dia mety hiara-miresaka amin’ilay namanao ianao alohan’ny hiaingany. Ampahafantaro azy fa heverinao ho sarobidy aoka izany ny fisakaizana, ary fa irinao aoka izany ny hihazona ny fifampiresahana hivoha. Izany indrindra no nataon’i Patty sy i Melina, mpinamana tsy nifankafoy izay nosarahin-tany sy ranomasina maherin’ny 8 000 kilaometatra ankehitriny. “Nanao fandaharana mialoha izahay fa hihazona ny fifandraisana”, hoy ny fanazavan’i Patty. Kanefa, mety tsy hahomby ny fandaharana mialoha toy izany, raha tsy manao fandaharana voafaritra sasany ianareo. — Ampitahao amin’ny Amosa 3:3.
Milaza amintsika ny Baiboly fa rehefa tsy afaka nahita an’i Gaio namany ny apostoly Jaona, dia nihazona ny fifandraisana taminy izy tamin’ny ‘fanoratana taminy tamin’ny ranomainty sy penina’. (3 Jaona 13). Mety hifanaraka koa ianareo hifandefa taratasy na carte postale tsy tapaka, angamba indray mandeha isan-kerinandro na isam-bolana. Ary raha toa ka tsy mampaninona ny ray aman-dreninao ny vola aloa amin’ny antso lavitra an-telefaonina, dia angamba ho afaka hifampiantso ianareo indraindray, ka haharaka ireo zava-niseho farany indrindra teo amin’ny fiainanareo avy. Na mety hifanaraka ianareo hifandefa hafatra hafa izay noraisina tamin’ny cassette na tamin’ny vidéo. Amin’ny hoavy, dia mety ho azo atao mihitsy aza ny hanao fandaharana fitsidihana amin’ny faran’ny herinandro na fiarahana mandeha vakansy. Araka izany, dia afaka mitohy miroborobo ilay fisakaizana.
Famenoana ny banga
Na dia amin’izay aza, dia hamela banga eo amin’ny fiainanao ny fandehanan’ny namana tsy foy iray. Ho vokatr’izany, dia mety hahita ianao fa manana fotoana bebe kokoa eo am-pelatananao ianao. Aza avela ho lanilany foana izany fotoana izany. (Efesiana 5:16). Ampiasao izany mba hanaovana zavatra mamokatra — angamba ianao ho afaka hianatra hitendry zavamaneno iray, hahay tsara fiteny vaovao iray, na hanao zavatra ankafizina manokana. Ny fikarakarana zavatra ho an’ireo mila fanampiana dia fomba mamokatra hafa iray ampiasana ny fotoana. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia afaka mampitombo ny fandraisanao anjara amin’ny asa fitoriana ampahibemaso. (Matio 24:14). Na ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly mahaliana iray ianao.
Ankoatra izany, dia nanoro hevitra ireo Kristiana tao Korinto ny apostoly Paoly mba ‘hihamalalaka’ — izany hoe, handray olon-kafa ho anisan’ireo namany. (2 Korintiana 6:13). Angamba ianao nandany fotoana betsaka aoka izany niarahana tamin’ny namana iray monja, ka tsy niraharaha firy ireo mety ho fisakaizana hafa. Hitan’ny tanora eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa be dia be matetika ireo fahafahana hanao izany ao anatin’ny kongregasionany eo an-toerana. Koa miezaha ho tonga mialoha any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona ary hijanona fotoana fohy aorian’izany. Izany dia hanome fotoana bebe kokoa ho anao hifankahalalana amin’ny olona. Ireo fivoriambe kristiana sy ireo fiaraha-mikorana kely dia manome fahafahana hafa hahazoana namana vaovao.
Mety anefa ny hanaovana teny fampitandremana: Aza maika loatra hahazo namana vaovao, ka hanomboka hifanerasera akaiky amin’ny tanora izay tsy miombona tanjona sy fari-pitsipika sarobidy ara-panahy aminao. Afaka mampihatra fitaomana ratsy eo aminao ny toy ireny ka hanimba kokoa fa tsy hahatsara anao. (Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33). Mifikira amin’ireo tanora mirona ho amin’ny zavatra ara-panahy izay manana laza ho mitondra tena tsara.
Rehefa mahita olona tahaka izany ianao, dia kolokoloy ny fisakaizana, amin’ny fanaovana fandaharana mialoha mba hanao zavatra miaraka. Miaraha misakafo. Mitsidiha tranom-bakoka. Miaraha mitsangantsangana. Manaova fandaharana ny hiaraha-mandany andro iray eny amin’ny fanompoana, mba hitsidihana ny olona amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Afaka mivelatra ilay fisakaizana vaovao, miaraka amin’ny fotoana sy ny ezaka. Koa satria mivelatra ny fitiavana kristiana — ‘mihamalalaka’ izy io mba handray olon-kafa — rehefa mahazo namana vaovao ianao, dia tsy mila ny mahatsiaro hoe nivadika tamin’ilay namanao izay nifindra toerana ny tenanao.
Azonao hararaotina koa ny fahafahana mba ho akaiky kokoa an’ireo izay tia anao indrindra — ny ray aman-dreninao. Afaka ny hanampy betsaka izy ireo, na dia mety hahatsiaro ho hafahafa aza ianao amin’ny voalohany rehefa hiaraka aminy. Hoy ny tanora iray atao hoe Josh: “Saika tsy maintsy nanery tena aho handany fotoana niaraka tamin’izy ireo, satria tsy dia akaiky an’i Dada sy i Neny aho tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny anefa dia izy ireo no namako akaiky indrindra!”
Tadidio koa fa mbola manana namana iray ianao any an-danitra. Araka ny lazain’i Dan 13 taona, dia “tsy tena irery ianao satria mbola manana an’i Jehovah”. Azontsika hatonina foana amin’ny alalan’ny vavaka ilay Raintsika any an-danitra. Hanampy anao hiatrika io tarehin-javatra sarotra io izy raha mitoky aminy ianao. — Salamo 55:22.
Mihazòna fomba fijery manorina
Nanome izao torohevitra izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny?” (Mpitoriteny 7:10). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: aza mieritreritra lava ny lasa; hararaoty ny ankehitriny miaraka amin’ireo fahafahana rehetra omeny. Izany indrindra no nataon’i Bill, izay maherin’ny 20 taona ankehitriny, rehefa namoy ny namana tsy foiny izy. Hoy izy nahatsiaro: “Taorian’ny fotoana fohy dia nanomboka nahazo namana vaovao aho ary tsy nifantoka betsaka tamin’ny lasa. Niezaka aho hiomana ho amin’ny ho avy ary hiaina amin’ny ankehitriny.”
Mety hanampy ireo fanoloran-kevitra ireo, kanefa mbola mampalahelo ihany rehefa mifindra toerana ny namana tsy foinao. Mety hila fotoana elaela ihany vao tsy hampanaintaina anao intsony ny fahatsiarovana ireo fotoana nahafinaritra niarahanareo. Tadidio fotsiny, anisan’ny fiainana ny fiovana ary manome anao fahafahana hihamatotra sy hivelatra izany. Na dia toa tsy mety ho azo atao aza ny manolo tanteraka namana niavaka iray, dia afaka mamboly ireo toetra izay hahatonga anao ho “sady tian’i Jehovah sy ny olona koa” ianao. (1 Samoela 2:26). Rehefa manao izany ianao, dia hanana olona foana hantsoina hoe namanao!
[Sary, pejy 15]
Fanandraman-javatra mampanaintaina ny fanaovam-beloma ny namana tsy foin’ny tena