Aoka isika hiara-hiasa amin’ny Kolejy foibe ankehitriny
“Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” − LIOKA 12:44.
1. Tao amin’ny fanjakana inona no nanombohan’i Kristy nanjaka tamin’ny 33 am. fan. ir., ary tamin’ny alalan’ny inona?
TAMIN’NY PENTEKOSTA taona 33 am.fan.ir., i Jesosy Kristy, Lohan’ny kongregasiona, dia nanomboka nanapaka marina tao amin’ny fanjakan’ireo mpanompony voahosotry ny fanahy. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny fanahy masina sy ireo anjely ary ny kolejy foibe hita maso iray. Araka ny nanondroan’ny apostoly Paoly azy, Andriamanitra dia ‘nahafaka ireo voahosotra tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra azy ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany’. — Kolosiana 1:13-18; Asan’ny apostoly 2:33, 42; 15:2; Galatiana 2:1, 2; Apokalypsy 22:16.
2. Tao amin’ny Fanjakana lehibe kokoa inona no nanombohan’i Kristy nanjaka tamin’ny 1914?
2 Tamin’ny faran’ny “andro voafetra ho an’ireo firenena”, dia nampitomboin’i Jehovah ny fahefan’ny mpanjaka nananan’i Kristy, ka nanitatra izany hihoatra noho ny kongregasiona kristiana izy (Lioka 21:24, MN ). Eny, tamin’ny 1914, dia nomen’Andriamanitra ny Zanany ny fahefan’ny mpanjaka eo amin’ireo “firenena”, “ny Fanjakana amin’izao tontolo izao”, eo amin’ny taranak’olombelona manontolo. — Salamo 2:6-8; Apokalypsy 11:15.
Voatendry ho “mpanapaka ny fananany rehetra”
3, 4. a) Tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ireo farantsa, iza no asehon’ilay andriandahy? b) Zava-nitranga inona avy nifandray tamin’ilay Fanjakana no hita tamin’ny 1918 sy 1919?
3 Mahaliana ny manamarika eto ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ny andriandahy iray (Lioka 19:11-27). Talohan’ny nankanesany ho any an-tany lavitra mba handraisana fahefana hanjaka, dia nanome vola (farantsa) ny mpanompony ilay lehilahy mba hampiasany izany. Rehefa niverina io lehilahy io, izay mampiseho an’i Kristy, dia nantsoiny hankeo aminy “izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ny fandrantoana.” (Lioka 19:15.) Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’izany taorian’ny nandraisan’i Jesosy fahefana hanjaka?
4 Tamin’ny 1918, ilay Mpanjaka nandray fiandrianana, Jesosy Kristy, dia nahita antokona kristiana vitsy izay vao avy nandao ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ary teo am-pikarakarana ny tombontsoan’ny Tompony teto an-tany. Rehefa avy nanadio ireo mpanompony toy ny tamin’ny afo i Jesosy dia nampitombo ny fahefany, tamin’ny 1919 (Malakia 3:1-4; Lioka 19:16-19). Notendreny “ho mpanapaka ny fananany rehetra izy”. — Lioka 12:42-44.
“Anjara hanina amin’ny fotoana”
5, 6. a) Andraikitra lehibe kokoa inona no azon’ilay mpitandrin-draharahan’i Kristy? b) Faminaniana inona avy no tsy maintsy tanteraka taorian’ny 1914, ary tamin’ny fomba ahoana no tokony handraisan’ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha anjara marisika amin’ny fahatanterahany?
5 Ilay Mpanjaka efa manapaka, Jesosy Kristy, dia nanome andraikitra betsaka kokoa ny mpitandrin-draharahany, na mpiadidy ny tranony, eto an-tany. Ireo kristiana voahosotra dia tokony ho ‘irak’Andriamanitra’ solon’ny mpanjaka iray nahazo ny satroboninahitra sy ny fahefana hanapaka eo amin’ny vahoaka rehetra maneran-tany (2 Korintiana 5:20; Daniela 7:14). Ny andraikitr’izy ireo miaraka dia tsy ny fanomezana “anjara hanina amin’ny fotoana” ho an’ny fitambaran’ireo mpanompon’i Kristy, voahosotry ny fanahy, fotsiny intsony. (Lioka 12:42.) Nanomboka hatreo izy dia tokony handray anjara amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana tsy maintsy ho to taorian’ny nanorenana ilay Fanjakana tamin’ny 1914.
6 Raha teo amin’ny fampiharana azy, dia inona no dikan’izany? Izany dia nidika ho fanitarana ny asa fitoriana ‘ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo.’ (Matio 24:14, MN.) Ambonin’izany, ny dikany koa dia hoe fanambarana hafatra mahery fanamelohana ny fandehan-javatra ratsin’i Satana sy ireo mpanohana azy. Izany dia nitarika ny ‘fampihorohoroana ny firenena’. Araka izany, dia nanomboka tonga ‘izay irina’, dia ireo “ondry hafan’ ”i Kristy. (Hagay 2:7; Jaona 10:16). Nanomboka tamin’ny 1935, dia tonga nirohotra tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra maneran-tany ny “olona betsaka” (Apokalypsy 7:9, 10). Izany dia nitaky fanatsarana niandalana teo amin’ny fandaminana. Raha lazaina ara-panoharana, dia nosoloana vy ny vato, varahina ny hazo, volafotsy ny vy, ary volamena ny varahina (Isaia 60:17). Izany rehetra izany dia nitranga tamin’ny 1919 teo ambanin’ny fitarihana akaiky sy marisik’i Jesosy Kristy, izay nanolotra ny tombontsoan’ilay Fanjakana rehetra teto an-tany, na koa hoe ny fananany, ho an’ny kilasin’ny mpanompony mahatoky sy ny Kolejy foibeny mba hokarakarainy.
7. Inona no tafiditra tao amin’ireo andraikitra nitombon’ilay mpitandrin-draharaha?
7 Takatsika mora foana fa nila asa fanoratana sy fanontana betsaka izany fitomboan’ny andraikitra mavesatra nafindra tamin’ny mpanompon’ny Tompo, na mpitandrin-draharaha, na mpiadidy ny trano, izany. Tsy maintsy navoaka tsy tapaka ary tamin’ny fotoana mety tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ireo anjara hanina ara-panahy. Tamin’ny 1919 dia nanomboka navoaka Ny Taona Volamena (gazety naman’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay tonga hoe Consolation, ary avy eo Réveillez-vous! tatỳ aoriana), mba hamoha ny fahalianan’ny vahoaka ary koa mba hampahatanjaka ireo “mpanompo”. (Matio 24:45.) Boky sy bokikely ary taratasy mivalona be dia be no natonta tao anatin’ireo taona maro.
Fanatsarana tsy an-kijanona
8. Nampifangaroina tamin’inona ireo anisan’ny Kolejy foibe tamin’ny voalohany, ary inona no fanambarana nataon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1944?
8 Raha mitodika any am-piandohan’ny “andro farany” isika dia tsy gaga raha toa, tany am-boalohany, ka nampifangaroina tamin’ny mpanoratra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower ireo anisan’ny Kolejy foibe. (Daniela 12:4) Ilay lahatsoratra hoe “Ny fanarahana ny fandaharana teokratika ankehitriny”, navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 janoary 1946, dia nilaza hoe: “Azo ekena fa nety ny niheverana ireo izay nanankinana ny famoahana an-tsoratra ireo fahamarinana ara-baiboly naharihary ho toy ny kolejy foibe nofidin’ny Tompo mba hitarika izay rehetra naniry ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana sy ny hanompo azy ao anatin’ny firaisan-tsaina amin’ny fizarana ireo fahamarinana naharihary ireo amin’ny olon-kafa izay noana sy mangetaheta ny amin’izany.”
9. Nampifangaroina tamin’inona tatỳ aoriana ny Kolejy foibe, ary nahoana?
9 Nisy lalàna tsy maintsy narahina raha ny amin’ny famoahana ireo gazety sy boky fianarana ny Baiboly hafa. Noho izany no nanorenana sy nanoratana ny Watch Tower and Tract Society ho ara-dalàna tao amin’ny fanjakan’i Pennsylvania, any Etazonia. Nandritra ny taona maro, ny Kolejy foibe hita maso dia nampifangaroina tamin’ny filan-kevi-pitondrana nisy mpikambana fito tao amin’io fikambanana io naorina mba hamoaka fitaovana fanampiana amin’ny fianarana ny Baiboly ilaina sady ampiasain’ny vahoakan’ny Tompo maneran-tany.
10, 11. Fanatsarana inona no natao tamin’ny 1944, ary inona no fanambarana nataon’ny Ny Tilikambo Fiambenana momba izany?
10 Kristiana mahatoky avokoa ireo mpitondra fiton’ny Fikambanana ireo. Kanefa ny anjara asany ao amin’ny fikambanana eken’ny lalàna iray dia nety ho nahatonga hihevitra fa ny toerany tao amin’ny Kolejy foibe dia azony noho izy nofidin’ny mpikambana eken’ny lalàna ao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Ambonin’izany, araka ny lalàna, ny naha-mpikambana sy ny tombontsoa hifidy tamin’ny voalohany dia nomena ireo izay nanao fanomezana ho an’ny Fikambanana ihany. Nilaina ny nanova izany fandaharana izany. Ary tamin’ny fivoriana fanaon’ny Fikambanana Watch Tower any Pennsylvania isan-taona tamin’ny 2 oktobra 1944 no nanaovana izany. Novana ireo fitsipika nitondrana ny Fikambanana, hany ka tsy hatao araka ny fananana ara-bola intsony ny fifidianana ireo ho mpikambana. Hofidina avy amin’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah àry ireo ho mpikambana, ary mpanompo manontolo andro maro ao amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn, any New York (Etazonia) sy avy any amin’ireo sampany maro eran’izao tontolo izao no tonga anisan’izy ireo.
11 Niresaka ny amin’io fanatsarana io Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 novambra 1944 ka nilaza hoe: “Ny vola, toy ny fanomezana an-tsitrapo, dia tsy tokony hanan-danja lehibe indrindra, raha ny marina, tsy tokony hisy hifandraisana mihitsy amin’ny fitadiavana mpikambana ho an’ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-tany. (...) Ny fanahy masina, ny hery miasan’i Jehovah Andriamanitra izay alatsany avy any ambony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, no tokony hanapa-kevitra sy hitarika amin’io raharaha io.”
Hafa noho ny filan-kevi-pitondrana
12. Inona no mampiseho fa notahin’i Jehovah ireo fanatsarana natao teo ambany fitarihan’ny Kolejy foibe?
12 Ny fandrosoana hita teo amin’ny asa fitoriana nandritra ireo folo taona maro nanaraka dia mampiseho fa notahin’i Jehovah ireo fanatsarana teo amin’ny fahatakarana ny amin’ny Kolejy foibe noresahina teo aloha ireo (Ohabolana 10:22). Ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana manerana ny tany dia nitsambikina nahatratra 1483430 tamin’ny 1970 avy tamin’ny latsaka ny 130000 tamin’ny 1944! Nisy fanatsarana fanampiny mbola ho avy anefa.
13. a) Nanao ahoana ny tarehin-javatra raha ny amin’ny Kolejy foibe hatreo amin’ny 1971? b) Inona no nitranga tamin’ny fivoriana fanaon’ny Fikambanana isan-taona tamin’ny 1971?
13 Hatreo amin’ny 1971, ireo anisan’ny Kolejy foibe dia mbola nampifangaroina tamin’ny ireo mpikambana fiton’ny filan-kevi-pitondran’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ihany. Ny prezidàn’ny fikambanana no nanana ny andraikitra mavesatra indrindra hanao ireo fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fomba fiasan’ireo sampan’ny Fikambanana eran’izao tontolo izao. Nisy lahateny maro nanokatra vanim-potoana vaovao anefa izay natao tamin’ny fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 1 oktobra 1971. Niresaka ny amin’ny fotokevitra hoe “Averina ho amin’ny tarehin-javatra tokony hisy azy ny Fitoerana Masina” ny prezidàn’ny Fikambanana, ary ny prezidà lefitra dia niresaka momba ny fotokevitra hoe “Ny Kolejy foibe iray — hafa noho ny fikambanana iray eken’ny lalàna”. Inona no maha-samy hafa ny Kolejy foibe sy ny fikambanana eken’ny lalàna?
14. Inona avy ireo fahasamihafana misy eo amin’ny fikambanana misoratra araka ny lalàna iray sy ny Kolejy foibe?
14 Araka ny efa voalaza, ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia manana filan-kevi-pitondrana izay voafetra ho fito ny mpikambana ao aminy. Isaky ny telo taona, ireo lehilahy kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra ireo dia fidin’ireo anisan’ilay fikambanana eken’ny lalàna izay tsy mihoatra ny 500 ny isany ka ny ankamaroany dia kristiana tsy voahosotra. Ambonin’izany, koa satria ny fisian’io fikambanana io dia araka ny lalàna fotsiny ihany, izay mitoetra eo amin’ny toerana voafetra iray, dia azon’i Kaisara, izany hoe ny Fanjakana, atao ny manafoana azy. (Marka 12:17) Ny Kolejy foibe kosa anefa dia tsy fitaovana araka ny lalàna. Tsy fidina ireo mpikambana ao aminy. Voatendrin’ny fanahy masina tarihin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izy ireo. (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 20:28.) Ambonin’izany, ireo izay mahaforona ny Kolejy foibe dia lehilahy voahosotry ny fanahy izay tsy voatery hitoetra ao amin’ny faritra na foibe voafetra iray.
15. Fanambarana inona momba ny fandaminan-javatra no nataon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 desambra 1971, ary inona no azo lazaina ny amin’ny Kolejy foibe ankehitriny?
15 Raha ny amin’io fahatakaran-javatra nihatsara io, dia nilaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 marsa 1972: “Amim-pankasitrahana no aneken’ny Vavolombelona kristian’i Jehovah sy anantitranterany fa tsy fandaminana ara-pivavahana voaforon’ny lehilahy iray akory ny azy, fa manana kolejy foibe iray misy kristiana voahosotry ny fanahy maromaro izy.” Ny Kolejy foiben’ny kilasin’ny mpanompo voahosotra sady an’ireo namany an-tapitrisany maro voaforon’ny ondry hafa dia nampiana miandalana mba hanatontosa ny asa fiandraiketany.
16. Nanao ahoana ny fitomboan’ny fananan’i Kristy eto an-tany hatramin’ny 1971, ary inona no sasany amin’izy ireo izay natolony ho an’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, manana ny Kolejy foibe ho solontenany, mba hokarakarainy?
16 Tsy nitsaha-nitombo ny fananan’i Jesosy Kristy Mpanjaka eto an-tany. Tamin’ny 1971, ny isan’ny Vavolombelona dia mbola latsaka ny 1 600 000, nefa dia nitsambikina nahatratra 3700000 mahery izany tamin’ny 1989. Endrey izany porofon’ny fitahian’i Jehovah! (Isaia 60:22) Izany fitomboana izany dia nitaky ny fanitarana ireo toeram-piasana any amin’ny foiben’ny Fikambanana sy any amin’ireo sampany maro be, ary koa ny fanaovana izay haha-araka ny toetr’andro ireo fomba ampiasaina amin’ny famoahana sy fizarana ireo zavatra vita an-tsoratra. Izany dia nitarika ny fanaovana Efitrano Fanjakana sy Efitrano fanaovana fivoriambe maro maneran-tany. Nandritra izany fotoana izany, ny Kolejy foibe dia tsy nitsahatra koa nanatontosa ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso ny asa fitoriana, ny famoahana fitaovana fianarana ny Baiboly, ary ny fanendrena mpiandraikitra ao amin’ireo sampana, distrika, fizaran-tany, ary kongregasiona. Ireo no tombontsoan’ilay Fanjakana izay natolotr’i Kristy hokarakarain’ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, manana ny Kolejy foibe ho solontenany.
17. Fanatsarana fanampiny inona avy raha ny amin’ny fanaraha-maso no natao tamin’ny 1971, 1974, ary 1976?
17 Ny Kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany dia nitarina ka nahafaoka mihoatra noho ireo apostolin’i Jesosy. Rehefa natao ny fanapahan-kevitra momba ny famorana, dia niharihary fa nahafaoka ‘ireo apostoly sy loholona tany Jerosalema’ izany kolejy izany. (Asan’ny apostoly 15:1, 2.) Mifanaraka amin’izany, ny Kolejy foibe dia nitarina tamin’ny 1971 ary avy eo koa tamin’ny 1974. Mba hahamora ny asa fanaraha-mason’ny Kolejy foibe, izy io dia nanao izay hanombohan’ny komity dimy hiasa tamin’ny 1 janoary 1976. Ny komity tsirairay dia voaforona mpikambana telo ka hatramin’ny enina, izay mitovy fahefana avokoa eo am-pandinihana raharaha. Ny mpitari-draharahan’ny komity tsirairay avy dia manao ny asany mandritra ny herintaona, ary ny tsirairay avy ao amin’ny Kolejy foibe dia afaka ny ho anisan’ny iray na maromaro amin’ireo komity ireo. Ny tsirairay avy amin’ireo komity dimy ireo dia mandinika manokana ny lafiny iray amin’ny fananan’i Kristy eto an-tany. Misy komity fahenina — ny Komitin’ny mpitari-draharaha, izay miova isan-taona ny mpikambana ao aminy, mikarakara ireo raharaha maika.
Aoka isika hiara-hiasa amim-paharisihana amin’ny Kolejy foibe
18. Manao ahoana ny fiasan’ny Kolejy foibe, ary inona no fomba iray hampisehoantsika ny fiaraha-miasantsika aminy?
18 Manao fivoriana isan-kerinandro ireo komitin’ny Kolejy foibe mba hijery indray ireo raharaha lehibe, hanao fanapahan-kevitra aorian’ny fandinihana amim-bavaka, ary hanao fandaharana ny amin’ny asa teokratika ho avy. Araka ny nomarihina tetsy aloha, ny Asan’ny apostoly toko faha-15 dia mampiseho fa nentina teo anatrehan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany mba hodinihiny ny raharaha lehibe iray izay nitaky fanapahan-kevitra. Toy izany koa ankehitriny, ireo raharaha lehibe dia entina eo anatrehan’ny Kolejy foibe manontolo, izay mivory isan-kerinandro na imbetsaka kokoa aza raha ilaina izany. Ny mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe, izay miisa ho 12 amin’izao fotoana izao, dia mitady ny fitarihan’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Soratra masina amin’ny alalan’ny vavaka. Ny fomba iray hampisehoantsika fa miara-miasa amin’ny Kolejy foibe isika dia amin’ny fahatsiarovantsika ireo olona voatendry manokana ireo ao amin’ireo vavaka ataontsika isan’andro. — Romana 12:12.
19. Amin’ny fomba ahoana no ahatongavan’ireo toromariky ny Kolejy foibe any amin’ireo kongregasiona?
19 Amin’ny fomba ahoana no ahatongavan’ireo toromarika sy fanapahan-kevitry ny Kolejy foibe any amin’ireo kongregasiona? Rehefa avy nanao ny fanapahan-keviny noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra ireo mpikambana tao amin’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany, dia nandefa taratasy ho any amin’ireo kongregasiona. (Asan’ny apostoly 15:22-29) Kanefa ny fomba lehibe indrindra ampiasainy ankehitriny dia ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana.
20. a) Fanatsarana fanampiny inona eo amin’ny fandaminan-javatra no natao tamin’ny 1976? b) Amin’ny fomba ahoana no iarahan’ireo komitin’ny sampana miasa amin’ny Kolejy foibe?
20 Nanomboka tamin’ny 1 febroary 1976, ny sampana tsirairain’ny Fikambanana Watch Tower dia manana komitin’ny sampana voaforona lehilahy mahay tendren’ny Kolejy foibe. Amin’ny maha-solontenan’ny Kolejy foibe azy ireo ao amin’ny tany na ireo tany eo ambany fanaraha-masony, ireo rahalahy ireo dia tsy maintsy ho mahatoky sy tsy mivadika. Izany dia mampahatsiahy antsika ireo lehilahy nahay, sy natahotra an’Andriamanitra ary azo nitokiana izay nanampy an’i Mosesy mba hitsara ny vahoaka teo amin’ny Isiraely fahizay (Eksodosy 18:17-26). Ireo anisan’ny komitin’ny sampana iray dia manatanteraka ireo toromarika voaray amin’ny alalan’ny ireo boky sy gazetin’ny Fikambanana ary koa Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, ary ao amin’ireo taratasy natao ho an’ny rehetra sy taratasy manokana izay mikasika raharaha eo an-toerana. Ireo komitin’ny sampana dia mampahafantatra ny Kolejy foibe tsy tapaka ny amin’ny fandrosoan’ny asa eo amin’ny tany misy azy tsirairay ary koa ny amin’ny zava-manahirana izay mety hitranga. Ireny filazana avy any amin’ny tany rehetra ireny dia manampy ny Kolejy foibe hanapa-kevitra ny amin’izay lohateny hodinihina ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana.
21. Amin’ny fomba ahoana no anendrena ireo mpiandraikitra mpitety faritany, ary inona avy no anisan’ireo andraikiny?
21 Eo ambany fitarihan’ny fanahy masina, ireo komitin’ny sampana dia manolotra lehilahy matotra sy araka ny fanahy ho amin’ny asan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika. Rehefa avy nahazo fanendrena mivantana avy amin’ny Kolejy foibe ireo, dia manompo amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany azy. Ireo rahalahy ireo dia mitsidika ireo fizaran-tany sy kongregasiona mba hampahery azy ireo eo amin’ny ara-panahy ary hanampy azy ireo hampihatra ireo toromarika voarainy avy amin’ny Kolejy foibe. (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 16:4; Romana 1:11, 12.) Ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia manolotra filazana an-tsoratra amin’ny komitin’ny sampana. Miaraka amin’ny fanampian’ny fanahy masina sy ny Soratra masina azo tamin’ny tsindrimandry, izy ireo dia miara-miasa amin’ireo loholona eo an-toerana ka manolotra rahalahy mahafeno fepetra mba hotendren’ny Kolejy foibe na ireo solontenany ho amin’ny toeran’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa. — Filipiana 1:1; Titosy 1:5; ampitahao amin’ny 1 Timoty 3:1-13; 4:14.
22. a) Amin’ny fomba ahoana no iarahan’ireo loholona miasa amin’ny Kolejy foibe? b) Inona no manaporofo fa tahin’i Jehovah io fandaharana teokratika io?
22 Ireo mahaforona ny kolejin’ny loholona kosa dia ‘mitandrina ny tenany sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny fanahy masina azy ho mpitandrina [mpiandraikitra, MN ]’. (Asan’ny apostoly 20:28.) Ireny mpiandraikitra ireny dia miezaka amim-pahatokiana mba hampihatra ireo toromarika azo avy amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina sy ny Kolejy foibeny. Mitahy io fandaharana teokratika io i Jehovah, satria ‘mihamahery finoana ireo fiangonana [kongregasiona, MN ] sady mihamaro isan’andro’. — Asan’ny apostoly 16:5.
23. Raha ny amin’ny Kolejy foibe, dia tokony ho vonona ny hanao inona isika?
23 Endrey ny maha-tsara ny hanehoan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Tompo, Jesosy Kristy, ny fanohanany ny vahoakany amin’ny alalan’ny Kolejy foibe! (Salamo 94:14) Amin’ny maha-anisan’ny fandaminan’i Jehovah antsika, isika tsirairay avy dia mandray soa avy amin’io fanohanana io. (Salamo 145:14) Izany dia tokony hanamafy ny fahavononantsika ny hiara-hiasa amin’ireo fandaharan’Andriamanitra. Eny tokoa, enga anie isika ka hiara-hiasa foana amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah raha mbola mandroso manatona ny fotoana ‘hahahenika ny fahalalana an’i Jehovah ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 11:9.
Hevitra fototra tokony hotadidina
◻ Andraikitra betsaka kokoa inona avy no azon’ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha tamin’ny 1919?
◻ Nandritra ny taona maro, dia nampifangaroina tamin’inona ny Kolejy foibe hita maso?
◻ Fanatsarana miandalana inona avy no natao raha ny amin’ny fanendrena ireo ho anisan’ny Kolejy foibe?
◻ Inona no sasany amin’ireo fananan’i Kristy eto an-tany izay natolony ho an’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina sy ny Kolejy foibeny mba hokarakarainy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika miara-miasa amin’ny Kolejy foibe?
[Sary, pejy 16, 17]
Avy eo amin’ny foibeny maneran-tany any Brooklyn (New York), ny Kolejy foibe dia manara-maso ny asa fanontana sy fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo sampana 93 an’ny Fikambanana Watch Tower.
Alemaina
Japon
Afrika atsimo
Brésil