Ny haben’ny hatsaram-pon’i Jehovah
“Akory re ny haben’ny zava-tsoanao [hatsaram-ponao, MN] voarakitrao ho an’ny matahotra Anao!” — SALAMO 31:19.
1, 2. a) Asa goavana inona no notontosain’i Jehovah tamin’ny fotoana iray taloha ela be? b) Ahoana no nilazalazan’i Jehovah ny vokatry ny asa famoronana nataony?
NISY fotoana nanombohan’Andriamanitra namorona ny ‘lanitra ho seza fiandrianany ary ny tany ho fitoeran-tongony’. (Isaia 66:1). Tsy mampahafantatra ny fotoana nitrangan’izany ny fitantarana nomen’Andriamanitra. Izao fotsiny no ambarany: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Nandritra ny vanim-potoan’ny famoronana, dia niforona ny vahindanitra tsy fantatra hoe firy tapitrisa, ka maro no mirakitra kintana an’arivony tapitrisa maro. Eo akaikin’ny morony ivelan’ny vahindanitra iray toy izany, dia misy kintana manjopiaka iray ihodinkodinan’ny planeta matroka maromaro somary madinika ihany. Ny iray amin’ireny dia nanjary nantsoina hoe: ny tany. Raha oharina amin’ireo kintana lehibe mamirapiratra, ny tany dia tsinontsinona. Io anefa no nokasain’i Jehovah hatao fitoeran-tongony.
2 Araka izany dia nampiasa ny fahaizany mamorona tamin’ny planeta Tany i Jehovah. Teo anilany tamin’ny naha-Mpità-marika ilay “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” rehefa novana io vainga madinika matroka io nandritra ny “andro” famoronana enina lava be. Ara-panoharana, izy io dia nanjary toeram-pitsaharana mety ho an’ny tongotr’Andriamanitra. (Kolosiana 1:15; Eksodosy 20:11; Ohabolana 8:30). Teo no nokasain’Andriamanitra hametrahana endri-piainana manan-tsaina vaovao iray: ny olombelona. Ilay mpivady olombelona voalohany, noforonina avy tamin’ny foto-javatra hita teo amin’ny tany, dia napetraka teo amin’ny tontolo kanto miendrika paradisa iray. (Genesisy 1:26, 27; 2:7, 8). Lavorary aoka izany sady tsara tarehy aoka izany ny vokany farany tamin’io asa famoronana niavaka io ka nambaran’ny Baiboly toy izao ny fihetseham-pon’Andriamanitra nony maraina — ny tapany farany — tamin’ny andro famoronana fahenina: “Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” — Genesisy 1:31.
Ny hatsaram-pon’Andriamanitra
3. Toetran’Andriamanitra miavaka inona no miharihary eo amin’ny famoronana?
3 An’arivony taona maro tatỳ aoriana, dia nisy taranak’io mpivady voalohany io nitodika tany amin’ilay fotoana namoronana ary nanoratra hoe: “Ny fombany [ny an’Andriamanitra] tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. (Romana 1:20). Eny, ny hafatratry ny hatsaran’ny tany sy ny zavaboary eo aminy dia tena taratra mahatalanjon’ny toetran’Andriamanitra tsy hita tokoa — anisan’izany indrindra ny haben’ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Mety àry ny nilazan’Andriamanitra fa ny zavatra noforoniny rehetra dia tsara! — Salamo 31:19, MN.
4, 5. Inona no atao hoe hatsaram-po?
4 Ny hatsaram-po dia lafiny fahenina amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra voalazalazan’ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatiana 5:22 (MN). Ireo fianarana tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana teo aloha dia namakafaka ny amin’ireo vokatry ny fanahy dimy voalohany, nampiseho ny maha-zava-dehibe izany eo amin’ny fambolena toetra kristiana matotra.a Iankinan’ny aina tokoa anefa ny tsy hanadinoantsika ny hatsaram-po! Mifanaraka amin’izany, dia handinika io toetra io isika izao.
5 Inona no atao hoe hatsaram-po? Izy io dia toetra tsara na toetran’izay tsara. Izy io dia toe-pitondrantena tsara, fahatsaran-toetra. Noho izany, izy io dia toetra tsara manorina izay miseho amin’ny fanaovana asa tsara sy mahasoa ho an’ny hafa. Ahoana no ahafahantsika mampiseho io toetra tsara mahafinaritra io? Amin’ny fanahafana an’i Jehovah indrindra. Noho izany, alohan’ny hiresahana bebe kokoa ny amin’ny fomba ahafahantsika kristiana tsirairay maneho hatsaram-po, dia aoka isika handinika ny hatsaram-po nasehon’i Jehovah, Andriamanitsika be fitiavana, tamin’ny fanomezana izay ilain’ny fianakavian’olombelona sy tamin’ny fifampiraharahana taminy.
Hatsaram-po miseho eo amin’ny famoronana
6. Inona no nanesika an’i Jehovah hamorona endri-piainana manan-tsaina hafa?
6 Inona no nanesika ny Raintsika any an-danitra tamin’ny voalohany hizara ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana tamin’ny zavaboary velona sy manan-tsaina? Namaly io fanontaniana io ny apostoly Jaona rehefa nilaza hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Eny, ny fitiavana tsy mitady tombony no nanosika ilay Loharanon’ny fiainana lehibe hamorona endri-piainana hafa, tamin’ny fanomezana ho an’ny sasany, fonenana tany an-danitra, ary ho an’ny hafa, fonenana eto an-tany. Marina aloha fa kely no fantatsika ny amin’ny hoe toy inona ny lanitra na ny zavaboary any an-danitra. Fanahy (esprit) izy ireo — tsy hitan’ny mason’olombelona — ary ny fonenany dia any amin’ny faritra ara-panahy. Jereo anefa ny fonenana eto an-tany manodidina anao izay nomen’i Jehovah ny zanany olombelona. Ary diniho ny olombelona mihitsy. Amin’izay dia hanomboka ho hitan’ny masonao ny porofo maherin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra.
7-9. Ahoana no isehoan’ny hatsaram-pon’Andriamanitra eo amin’ny fomba namoronany ny tany sy ny olona eo amboniny?
7 Nanome fiainana ny ray aman-drenintsika voalohany i Jehovah. Mihoatra noho izany, fa nataony izay hahatonga ny fiainana ho faran’izay mahafinaritra sy ahitam-pifaliana. Voalohany amin’izany, dia noforoniny ny fonenan’izy ireo, dia ny tany, nisy fihodinana sy fiovaovana eo amin’ny maripana ary atmôsfera izay araka ny ilàna azy indrindra. Nataony izay hampandeha ny fihodinkodinana eo amin’ny rano sy ny nitrôzenina ary ny ôksizenina izay miasa amin’ny fomba tonga lafatra mba hahasoa sy hampiadana ny olombelona. Norakofany karipetra ny vohon’ny tany tamin’ny karazan-javamaniry an’arivony maro, ny sasany ho sakafon’ny olona, ary ny sasany izay maharavoravo ny maso indrindra. Ny lanitra dia nofenoiny voro-manidina izay manome fahafinaretana aoka izany amin’ny lokony sy ny siotsiokany. Nofenoiny andiana trondro maro be ny ranomasina, ary ny tany dia nofenoiny karazam-biby maro be, ny sasany dia, ary ny hafa azo ompiana. Endrey izany fahalalahan-tanana mahagaga! Ary porofon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra toy inona moa izany! — Salamo 104:24.
8 Jereo izao ny fomba nanaovan’Andriamanitra ny olona. Ny sandriny sy ny ranjony ary ny tanany dia ao amin’ny ilàna azy indrindra mba hahafahany mijoro tsara sy mivezivezy mora foana. Araka izany, avy amin’ireo zavatra tondraka hita manodidina azy eto amin’ny tany, dia afaka mahazo sakafo sy ny zavatra ilainy hafa izy. Nanome ireo marokoroko amin’ny lela mahatonga hahatsapa tsiro i Jehovah ka amin’izany ny fihinanana sy ny fisotroana dia tsy fanaovan-javatra mandeha ho azy, atao hahazoana hery fotsiny — toy ny fampifandraisana fitaovana elektrika iray amin’ny pirizin’aratra amin’izao andro izao. Tsia, ny fihinanana sy fisotroana dia natao mba hahitana fahafinaretana, noho izy ireo tsy mameno ny vavony fotsiny, fa manaitra ny fahatsapana tsiron-javatra koa. Nanome sofina ho an’ny olombelona koa i Jehovah ary nohodidininy tamin’ny feo tsy tambo isaina izy mba hampiravoravo ireo sofina ireo. Fahafinaretana toy inona moa ny mihaino ny fimonomonona mampitonin’ny renirano kely mikoriana, ny bakobakorò ataon’ny domohina, na ny kakakaka malefaky ny zazakely iray! Eny, noho ny hatsaram-pon’i Jehovah, na dia eo aza ireo zava-dratsy rehetra nitranga hatramin’ny famoronana, dia mbola fifaliana ihany ny miaina.
9 Jereo koa ireo vavahadin-tsaintsika hafa. Firy moa ny loko mahafinaritra isan-karazany misy mba hifalian’ny masontsika! Ary fahafinaretana toy inona moa no tsapa mifoka ny fameroveron’ny voninkazo iray! Tsy mahagaga raha nihiaka toy izao tamin’i Jehovah ny mpanao salamo: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao”! — Salamo 139:14.
Ny fahalavoan’ny olombelona sy ny famonjena azy
10. Ahoana no nandraisan’ny ankamaroan’ny olona ny hatsaram-pon’Andriamanitra, kanefa ahoana no anohizany mandray soa avy amin’izany?
10 Nampalahelo fa, rehefa nandeha ny fotoana, ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nampiseho tsy fahampiam-pankasitrahana noho ny hatsaram-po rehetra nasehon’Andriamanitra tamin’izy ireo. Nasehon’izy ireo izany rehefa tsy nankatoaviny ny didin’i Jehovah ary nodikainy ilay hany fandrarana nomeny. Ho vokatr’izany, dia nanjary nahita alahelo, fahoriana ary fahafatesana izy ireo sy ny taranany. (Genesisy 2:16, 17; 3:16-19; Romana 5:12) Nandritra ireo arivo taona maromaro lasa hatramin’io asa tsy fankatoavana io, dia nampiseho tsy firaharahana na tsy fahampiam-pankasitrahana noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Na izany aza anefa, dia mbola mandray soa avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra ihany ny olona tsy mahay misaotra sy tsy mankasitraka. Amin’ny fomba ahoana? Nanazava toy izao tamin’ireo mponina tany Lystra, any Atsinanana Afovoany, ny apostoly Paoly: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy [Andriamanitra]; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy fifaliana.” — Asan’ny apostoly 14:17.
11. Amin’ny fomba ahoana ny hatsaram-pon’Andriamanitra no lasa lavitra kokoa noho ny fanomezana fonenana maharavoravo ho an’ny taranak’olombelona?
11 Ny hatsaram-pon’Andriamanitra anefa dia tsy voafetra ho amin’ny fanohizana manome vatsy fitanana aina sy maharavoravo izay tondraka eto an-tany fotsiny. Tsia, lasa lavitra kokoa izy. Nasehon’i Jehovah fa vonona ny tenany hamela ny fahotan’ireo taranak’i Adama ary hanohy hitana fifandraisana amin’ireo tsy mivadika eo amin’ny olombelona. Nampahafantarina an’i Mosesy io lafiny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra io rehefa nampanantena azy i Jehovah fa hampandalo ‘ny fahatsarany rehetra eo anatrehan’i [Mosesy]’. Avy eo i Mosesy dia nandre ilay fanambarana hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo [hatsaram-po miharo fitiavana, MN] sy fahamarinana, mitahiry famindrampo [hatsaram-po miharo fitiavana, MN] ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana”. — Eksodosy 33:19; 34:6-7.
12. Fepetra ara-dalàna inona tao amin’ny Lalàn’i Mosesy no nampiseho ny hatsaram-pon’Andriamanitra?
12 Tamin’ny andron’i Mosesy, i Jehovah dia nanorina ho an’ny firenena vaovaon’ny Isiraely, fandaharana ara-dalàna iray izay ahafahan’ireo mpanota tsy nahy hahazo famelan-keloka vonjimaika, na ara-panoharana. Tamin’ny alalan’ny faneken’ny Lalàna izay i Mosesy no mpanelanelana, ireo Isiraelita dia nanjary firenena voafidin’Andriamanitra manokana ary nampianarina ny hanolotra ho an’i Jehovah fanatitra biby isan-karazany izay hanonitra ny fahotany sy ny asa ratsiny. Araka izany, na dia teo aza ny toetrany tsy lavorary, ireo Isiraelita nibebaka dia afaka nanohy nanatona an’i Jehovah tamin’ny fomba azo nekena, ary nahafantatra fa nankasitrahany ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. I Davida mpanjaka, anisan’io firenena teo ambanin’ny Lalàna io, dia nilaza toy izao ny fahafantarany ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’io lafiny io: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao [hatsaram-ponao, MN] Jehovah ô”. — Salamo 25:7.
13. Ahoana no nanomezan’i Jehovah fomba iray mandaitra kokoa noho ny sorona biby ho an’ny famelana ny fahotana?
13 Rehefa nandeha ny fotoana, ny hatsaram-pon’i Jehovah dia nanosika azy hanome fomba iray mandaitra kokoa sy maharitra mba hamelana ny fahotana. Izany dia tamin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesosy izay taranak’i Davida mpanjaka. (Matio 1:6-16; Lioka 3:23-31). Tsy nanota i Jesosy. Noho izany, rehefa maty izy, ny fiainany natolotra ho sorona dia nisy vidiny lehibe, ary neken’Andriamanitra izany ho avotra izay azo ampiharina amin’ny taranak’i Adama mpanota rehetra. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana”. — Romana 3:23-26.
14. Fanantenana mahatalanjona inona no nanjary nisy ho an’ny olombelona tamin’ny alalan’ny sorom-panavotana?
14 Mahavita zavatra betsaka ho an’ny kristiana ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, be lavitra noho izay nataon’ireny sorona biby teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna ireny ho an’ireo Isiraelita. Izany dia nahatonga kristiana voafetra isa ho nohamarinina sy natsangana tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra mba ho tonga zanany. Tamin’izany izy ireo dia tonga rahalahin’i Jesosy ary nahazo fanantenana ny hatsangana ho zavaboary ara-panahy mba handray anjara miaraka aminy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. (Lioka 22:29-30; Romana 8:14-17). Mba eritrereto ange fa Andriamanitra dia nanokatra fanantenana ny ho any an-danitra toy izany ho an’ny zavaboary velona eto amin’ity planeta kely ity, dia ny tany izany! Mbola misy sisa tavela amin’ny antokon’olom-bitsy mamelona izany fanantenana izany. Ho an’ny kristiana hafa an-tapitrisany maro kosa, ny fanehoana finoana ny avotra dia manokatra ny lalana mba hahazoana izay verin’i Adama sy Eva — fiainana mandrakizay ao amin’ny tany toy ny zaridaina, paradisa iray. Ny faneken’ny Lalàna irery dia tsy afaka nanolotra ho an’ireo nifikitra taminy, na ny fanantenana ny ho any an-danitra na ny ho etỳ an-tany
15. Inona no tafiditra ao amin’ny vaovao tsara?
15 Mety tokoa ny iantsoana hoe “filazantsara [vaovao tsara, MN]” io hafatra momba ny fandaharana vaovao nanomboka nampandehanin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy io, noho izy manome taratry ny hatsaram-pon’Andriamanitra. (2 Timoty 1:9, 10). Ao amin’ny Baiboly, ny vaovao tsara dia antsoina indraindray hoe “vaovao tsaran’ny fanjakana”. Amin’izao andro izao izy io dia mifototra amin’ny fahamarinana hoe: efa niorina ilay Fanjakana eo ambany fanapahan’i Jesosy natsangana tamin’ny maty. (Matio 24:14, MN; Apokalypsy 11:15; 14:6, 7). Na dia izany aza, dia mahafaoka betsaka kokoa ny vaovao tsara. Araka ny asehon’ny tenin’i Paoly ho an’i Timoty vao notononina teo, izy io dia mahatafiditra ny fahalalana fa nanolotra sorom-panavotana ho antsika i Jesosy. Raha tsy nisy an’io sorona io, dia tsy ho azo natao mihitsy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, na ny famonjena antsika mihitsy aza, ary tsy lazaina intsony ny amin’ny Fanjakan’i Jesosy sy ny mpisorona sady mpanjaka 144 000 nalaina avy teto an-tany. Fampiharihariana mahatalanjona ny hatsaram-pon’Andriamanitra toy inona moa ny avotra!
Ny hatsaram-pon’Andriamanitra ankehitriny
16, 17. Ahoana no nahatanterahan’ny Hosea 3:5 a) tamin’ny 537 al.fan.ir.? b) tamin’ny 1919 am.fan.ir.?
16 Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly rehefa nijery mialoha ny “andro farany”: “Ny olona (...) tsy tia ny tsara [hatsaram-po, NW]”. (2 Timoty 3:1-3). Na dia ny fanehoana hatsaram-po mahazatra toy ny fahalalahan-tanana sy ny hatsaram-panahy amin’ny mpiara-monina aza dia tsy hankasitrahana. Koa mampahery tokoa àry ny faminaniana manatanjaka ao amin’ny Hosea 3:5 hoe: “Hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany [hatsaram-pony, MN] izy, raha mby any am-parany.”
17 Tanteraka voalohany io faminaniana io tamin’ny 537 al.fan.ir., fony niverina tany amin’ny Tany nampanantenaina ny Jiosy avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona. Tamin’izao andro izao, izy io dia nanomboka tanteraka tamin’ny taona 1919, rehefa nivoaka avy tao amin’ny fandaminan’i Satana ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy ka nanomboka nitady fatratra an’i Jehovah sy ny hatsaram-pony. Hitan’izy ireo fa ny tenan’i Jesosy Kristy dia nanjaka tamin’ny naha-“Davida mpanjakany” tao amin’ny fahefana any an-danitra hatramin’ny 1914. Teo ambany fanaraha-masony avy any an-danitra, izy ireo dia nanaiky tamin-kafanam-po ny andraikitra amin’ny fanambarana io vaovao tsara io any amin’ireo firenena. Araka izany, izy ireo dia nanomboka nanatanteraka ilay fanirahana voalaza ao amin’ny Matio 24:14 (MN) hoe: “Hotorina any amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana [efa miorina] ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.”
18. Iza no niaraka tamin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy tamin’ny fanambarana ny vaovao tsara?
18 Amin’izao andro izao, ny sisa voahosotra dia miaraka amin’ny “olona betsaka” izay mihoby ny hatsaram-pon’i Jehovah toy izany koa. (Apokalypsy 7:9). Amin’izao fotoana izao dia maherin’ny efatra tapitrisa no mampanakoako ny feon’ilay anjely hitan’ny apostoly Jaona tao anatin’ny fahitana, rehefa manambara amin’ny firenena rehetra izy ireo hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” — Apokalypsy 14:7.
19. Lazao ny iray amin’ireo porofon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra lehibe indrindra.
19 Iray amin’ireo porofon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra lehibe indrindra, ny namelany antsika hiara-miasa aminy amin’io asa mahatratra ny tampony io. Tombontsoa toy inona moa ny nanankinana tamintsika “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”! (1 Timoty 1:11, MN). Amin’ny fitoriana sy fampianarana izany amin’ny hafa, no ampiharihariantsika amin’ny ambaratonga avo dia avo io vokatry ny fanahin’Andriamanitra lehibe io, dia ny hatsaram-po. Amin’izay isika dia manana ny fihetsik’i Davida, mpanompon’Andriamanitra fahiny, izay nilaza hoe: “Ho safononoky ny fanononana ny haben’ny hatsaram-ponao izy ireo, ary hihoby noho ny fahamarinanao.” — Salamo 145:7, NW.
20. Fanazavana fanampiny mikasika ny hatsaram-po inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Kanefa, moa ve ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara no hany fomba ampiharihariana ny hatsaram-po eo amin’ny fiainantsika? Tsia dia tsia! Ampirisihina isika mba “hanahaka an’Andriamanitra tahaka ny zanaka malala”. (Efesiana 5:1). Miharihary amin’ny fomba isan-karazany ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Noho izany, dia tokony hisy akony eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainantsika koa ny hatsaram-pontsika. Hodinihina ny sasany amin’izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo vokatry ny fanahy tsirairay dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no anomezan’ny famoronana taratry ny hatsaram-pon’Andriamanitra?
◻ Fandaharana inona no nataon’i Jehovah mba hamelana ny fahotan’ny olombelona mibebaka?
◻ Ho fahatanterahan’ny Hosea 3:5, oviana ireo sisa voahosotra no nanatona an’i Jehovah sy ny hatsaram-pony, ary nitarika azy ireo ho amin’inona izany?
◻ Inona no iray amin’ireo porofon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra lehibe indrindra amin’izao andro izao?
[Sary, pejy 15]
Manome porofon’ny haben’ny hatsaram-pon’Andriamanitra ny famoronana
[Sary, pejy 16]
Ny famelana antsika handray anjara amin’ny asa fitoriana dia porofo miavaka ny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra