Fanontanian’ny Mpamaky
Koa satria avy tamin’i Jese sy i Davida i Jesosy, nahoana izy no antsoina hoe “ny fakan’i” Jese sy i Davida?
Heverinao, ary ara-dalàna izany, fa ny fakan’ny hazo iray na ny an’ny zavamaniry iray dia miseho alohan’ny vatany na ny sampany. Koa toa tokony ho i Jese (na i Davida zanany lahy) no tokony holazaina ho ny faka izay nipoiran’i Jesosy tamin’ny farany. Kanefa, nilaza mialoha ny Isaia 11:10 (NW ) fa ho “ny fakan’i Jese” ilay Mesia ho avy, ary nampiharin’ny Romana 15:12 (NW ) tamin’i Jesosy Kristy io faminaniana io. Tatỳ aoriana ny Apokalypsy 5:5 dia niantso azy hoe “ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny [fakan’i, NW ] Davida”. Misy antony ireo anarana miavaka ireo.
Mampiasa matetika zavamaniry, toy ny hazo, ny Baiboly mba hilazana fanoharana. Indraindray izany dia avy amin’ny zava-misy hoe: Rehefa mitsimoka ka mitombo ny voa nafafy iray, dia mitombo ny fakany alohan’ny itondran’izy io ireo rantsany, sampany hafa, na voankazo. Ohatra, amakiana toy izao ao amin’ny Isaia 37:31: “Izay sisa amin’ny taranak’i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.” — Joba 14:8, 9; Isaia 14:29.
Raha misy fahavoazana manjo ny fakany, dia iharan’ny vokany ny sisa amin’ilay hazo. (Ampitahao amin’ny Matio 3:10; 13:6.) Mifanaraka amin’izany, dia nanoratra toy izao i Malakia: “Avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany.” (Malakia 3:19). Mazava ny hevitr’izany: famongorana tanteraka. Hofongorana ireo ray aman-dreny (fakany), ary koa ireo zanany (sampany).a Manantitrantitra ny andraikitr’ireo ray aman-dreny eo amin’ireo zanany madinika izany; azo faritana amin’ny alalan’ny toerana tanan’ny ray aman-dreniny eo anatrehan’Andriamanitra ny hoavy maharitra miandry an’ireo zanaka madinika. — 1 Korintiana 7:14.
Avy amin’ny zava-misy hoe mahazo ny fahavelomany avy amin’ny fakany ireo sampan-kazo (sy ny voankazo eo amin’ny sampahony), no nakana ilay fitenenana ao amin’ny Isaia 37:31 sy ny Malakia 3:19. Fanazavana mba hahazoana ny hevitry ny fomba maha-“fakan’i Jese” sy “fakan’i Davida” an’i Jesosy izany.
Amin’ny heviny ara-nofo, dia razamben’i Jesosy i Jese sy i Davida; izy ireo no fakany, izy no sampany na rantsany. Nilaza toy izao ny Isaia 11:1 momba ilay Mesia ho avy: “Hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ny fàkany”. Toy izany koa, ao amin’ny Apokalypsy 22:16 (NW ), i Jesosy dia miantso ny tenany hoe “taranak’i Davida”. Kanefa miantso ny tenany koa hoe ‘ny fakan’i Davida’ izy. Fa nahoana?
Ny fomba iray maha-“fakan’i” Jese sy i Davida an’i Jesosy dia izao: Mbola velona amin’ny alalany ny tetirazan’izy ireo. Tsy misy olombelona amin’ny andro ankehitriny afaka manaporofo fa avy amin’ny fokon’i Levy, i Dana, na i Joda mihitsy aza, izy. Kanefa afaka mahazo antoka isika fa velona ny tetirazan’i Jese sy i Davida, satria velona any an-danitra izao i Jesosy. — Matio 1:1-16; Romana 6:9.
Nandray ny toeran’ny Mpanjaka any an-danitra koa i Jesosy. (Lioka 1:32, 33; 19:12, 15; 1 Korintiana 15:25). Misy heviny amin’ny fifandraisany, na dia amin’ireo razambeny, aza izany. Niantso an’i Jesosy hoe Tompony i Davida, tamin’ny alalan’ny faminaniana iray. — Salamo 110:1; Asan’ny Apostoly 2:34-36.
Farany, i Jesosy Kristy dia nomena fahefana ho Mpitsara. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ho avy, ireo soa hoentin’ny avotra naloan’i Jesosy dia hiitatra amin’i Jese sy i Davida koa. Hiankina amin’i Jesosy, izay hiasa amin’ny maha-‘Rain’izy ireo mandrakizay’, amin’izay ny fiainan’izy ireo eto an-tany. — Isaia 9:5.
Noho izany, na dia nipoitra avy tamin’ny tetirazan’i Jese sy i Davida aza i Jesosy, izay toerana noraisiny sy izay mbola hataony dia mahatonga azy hahafeno fepetra mba hantsoina hoe “ny fakan’i Jese” sy “ny fakan’i Davida”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nampiasa fitenenana toy izany ny soratra fenisiana tranainy iray natao tamin’ny fandevenana. Izao no nolazain’izy io tamin’izay nanokatra ny toeram-pandevenana: “Enga anie ka tsy hanam-paka na voa izy ireo!” — Vetus Testamentum, Aprily 1961.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.