Ny Tena Fahafahana — Avy Amin’ny Loharano Inona?
“Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany. Jehovah ô, anaro aho.” — JEREMIA 10:23, 24.
1, 2. Ahoana no andraisan’ny ankamaroan’ny olona ny hoe fahafahana, kanefa zavatra hafa inona no mila ny hodinihina?
TSY isalasalana fa mankasitraka ny tena fahafahana ianao. Maniry ny ho afaka ianao mba hilaza ny fomba fihevitrao manokana, afaka mba hanapa-kevitra ny amin’ny toerana honenanao sy ny fomba hiainanao. Maniry ny hifidy ny asa ataonao ianao, hifidy ny sakafonao, ny mozikanao, ireo namanao. Manana ireo fitiavanao manokana momba ny zavatra maro, na kely na lehibe, ianao. Tsy misy olona salama saina maniry ny ho andevon’ny mpanapaka tsy refesi-mandidy, ka tsy hanana safidy malalaka firy, na tsy hanana safidy mihitsy aza.
2 Kanefa, moa ve ianao tsy haniry koa tontolo iray hahitan’ny tenanao sy ny hafa koa, soa avy amin’ny tena fahafahana? Moa ve ianao tsy haniry tontolo iray hahavoaro ny fahafahana ka hahazoan’ny tsirairay haneho ny fiainany amin’ny fomba feno indrindra? Ary raha toa ka mety izany, moa ve ianao tsy haniry koa tontolo iray afaka amin’ny tahotra, ny hanoanana, ny fandotoana ny tontolo iainana, ny aretina ary ny ady? Tena zavatra faniry indrindra ny fahafahana toy izany!
3. Nahoana isika no mihevitra ny fahafahana ho sarobidy?
3 Nahoana isika olombelona no mahatsiaro ho voakasika erỳ raha ny amin’ny fahafahana? Nanambara toy izao ny Baiboly: “Izay itoeran’ny fanahin’ny Tompo [Jehovah, MN] no itoeran’ny fahafahana.” (2 Korintiana 3:17). Koa i Jehovah àry no Andriamanitry ny fahafahana. Ary noho izy namorona antsika ‘araka ny endriny sy mitovy aminy’, dia nomeny safidy malalaka isika mba hahafahantsika hankasitraka ny fahafahana sy handray soa avy aminy. — Genesisy 1:26, MN.
Nampiasaina tamim-panararaotana ny fahafahana
4, 5. Tamin’ny fomba ahoana no nampiasana ny fahafahana tamim-panararaotana tao anatin’ny tantara manontolo?
4 Nandritra ny tantara manontolo, dia olona an-tapitrisany maro no nandevozina, nampijalina na novonoina satria nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidiny malalaka ny hafa. Ny Baiboly dia mitantara fa, tokony ho 3 500 taona lasa izay, dia “nampanompoin’ny [nandevozin’ny, MN] Egyptiana fatratra ny Zanak’Isiraely, ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana [fanandevozana, MN] mafy.” (Eksodosy 1:13, 14). Milaza ny The Encyclopedia Americana fa, tamin’ny taonjato fahefatra al.fan.ir., dia maherin’ny 4 isaky ny mponina afaka iray ny isan’ireo andevo tany Atena sy tany amin’ny tanàn-dehibe grika roa hafa. Milaza toy izao koa io boky io: “Tany Roma, dia tsy nanana zo na inona na inona ny andevo tany am-boalohany. Azo novonoina ho faty noho ny heloka kely indrindra izy.” Nanamarika toy izao ny Compton’s Encyclopedia: “Tany Roma, dia ny asa an-tery vozona no fototry ny fitondram-panjakana. (...) Tany an-tsaha, ireo andevo mazàna dia niasa nisy gadra. Tamin’ny alina, dia nafatotra niaraka izy ireo ary nohidiana tao anaty tranomaizina lehibe izay nilevina tao ambanin’ny tany ny antsasany.” Koa satria olona afaka ny maro tamin’ireny andevo ireny taloha, dia alao sary an-tsaina ny hangidin’ny fiainany rava!
5 Nandritra ny taonjato maro, dia nandray anjara tamin’ny fanaovana varotra andevo nampahory ny fivavahana lazaina fa kristiana. Milaza toy izao ny Firaketan’ireo bokin’izao tontolo izao (anglisy): “Nanomboka tamin’ireo taona 1500 ka hatramin’ireo taona 1800, ireo Eoropeana dia nanondrana andevo mainty hoditra tokony ho 10 tapitrisa avy tany Afrika nankany amin’ny ila bolantany andrefana.” Tamin’ity taonjato faharoapolo ity, dia olona babo an-tapitrisany maro no noterena hiasa hatramin’ny fahafatesana na novonoina tany amin’ireo toby fitanana nazia, ho fanarahana tetik’asan’ny fitondram-panjakana. Anisan’ireo niharam-pahavoazana tamin’izany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah maro, izay natao an-tranomaizina satria nanda tsy hanohana ny fitondrana Nazia mpamono olona izy ireo.
Fanandevozan’ny fivavahan-diso
6. Tamin’ny fomba ahoana no nanandevozan’ny fivavahan-diso ny olona tany Kanana fahizay?
6 Misy karazana fanandevozana hafa koa izay vokatry ny fifikirana amin’ny fivavahan-diso. Ohatra, tany Kanana fahizay, dia novonoina ho sorona ho an’i Moloka ireo ankizy. Voalaza fa nisy lafaoro nivaivay tao anatin’ny sary goavana nampiseho io andriamani-diso io. Natsipy velona tao anatin’ny sandry nitsotran’ilay sary ireo ankizy, ka izany dia nandroboka azy ireo tao anatin’ilay afo tao ambany. Nisy Isiraelita koa aza nanaraka io fanompoam-pivavahan-diso io. Milaza Andriamanitra fa ‘nampandeha ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo ho an’i Moloka izy, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko [am-poko, MN] akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy.’ (Jeremia 32:35). Soa inona no nomen’i Moloka ireo nanompo azy? Aiza ankehitriny ireny firenena kananita ireny sy ny fanompoam-pivavahana ho an’i Moloka? Samy efa nanjavona avokoa. Fanompoam-pivavahan-diso ireny, fanompoam-pivavahana niorina, tsy tamin’ny fahamarinana, fa tamin’ny lainga. — Isaia 60:12.
7. Fanao naharikoriko inona no anisan’ny nahaforona ny fivavahana “aztèque”?
7 Taonjato maro lasa izay, tany Amerika afovoany, ireo “Aztèques” dia nandevozin’ny fanompoam-pivavahan-diso. Nisy andriamanitr’olona manokana, notompoina toy ny andriamanitra ireo herin’ny natiora, ny asa samihafa teo amin’ny fiainana andavanandro dia samy nanana ny andriamaniny, ireo zavamaniry dia nanana ny andriamaniny, ary na dia ny famonoan-tena aza dia nanana andriamanitra. Mitantara toy izao ny boky Ireo fanjakan’ny masoandro fahizay tany amin’ireo Amerika (anglisy): “Ny fandaminan’ny fitondram-panjakan’i Meksika “aztèque” iray manontolo, hatrany ambony ka hatrany ambany, dia natao mba hampaharitra, ary avy amin’izany dia mba hampitony, ireo hery tsy hita maso, amin’ny alalan’ny fon’olombelona betsaka araka izay azo natao izay nomena azy ireo. Ra no fisotron’ireo andriamanitra. Mba hahazoana olona babo nety ho amin’ny fanaovana sorona ho an’ireo andriamanitra, dia nisy ady madinika tsy an-kijanona natao.” Rehefa nitokanana tamin’ny 1486 ny tempoly lehibe iray niendrika rirakitso, ireo azo babo an’arivony maro dia “nalahatra nahaforona laharana teo am-piandrasana ny namelarana ny tongony sy ny tanany teo ambonin’ilay vato fanaovana sorona. Notapahina ary nesorina ny fon’izy ireo ary naseho vetivety tamin’ny masoandro” mba hampitonena ny andriamanitra masoandro. Milaza toy izao ny The World Book Encyclopedia: “Ireo mpanolotra fanompoam-pivavahana indraindray dia nihinana tapany tamin’ny tenan’ilay babo.” Kanefa, tsy nahavonjy an’ilay empira “aztèque” na ny fivavahan-disony ireny fanao ireny.
8. Inona no nolazain’ny mpitarika fitsidihana iray momba ny famonoana olona lehibe lavitra noho izay natao teo amin’ireo “Aztèques”?
8 Indray mandeha, dia nisy mpitsidika trano fitahirizana rakitry ny ela iray nisy faritra nampiseho mpisorona “aztèque” nanapaka sy namoaka ny fon’ny zatovolahy iray. Rehefa nanazava ny amin’ilay sary fampisehoana ny mpitarika ilay fitsidihana, dia toa tsy avy niaina ny sasany tamin’ilay antokon’olona mpitsidika. Nilaza ilay mpitarika tamin’izay hoe: ‘Hitako fa mahatezitra anareo ny fanaon’ireo “Aztèques” nanao sorona zatovolahy ho an’andriamanitra sampy. Kanefa, tamin’ity taonjato faha-20 ity, dia zatovolahy an-tapitrisany maro no natolotra ho sorona ho an’i Marsa, ilay andriamanitry ny ady. Moa ve izany tsara kokoa?’ Tena zava-misy ny fanaovan’ireo mpitondra fivavahan’ny firenena rehetra vavaka ho amin’ny fandresena sy ny fitsofany rano ireo tafika amin’ny fotoan’ny ady, na dia olona anisan’ny fivavahana mitovy ihany aza matetika no mifamono amin’ireo andaniny roa mifanohitra. — 1 Jaona 3:10-12; 4:8, 20, 21; 5:3.
9. Fanao inona no maka ain’ny tanora betsaka noho izay hafa rehetra natao nandritra ny tantara?
9 Ny fanaovana sorona ireo tanora ho an’i Moloka, ho an’ireo andriamanitra “aztèques”, na ho an’ny ady dia nihoaran’ny famonoana zazakely tsy mbola teraka akory amin’ny alalan’ny fanalana zaza, izay eo amin’ny 40 na 50 tapitrisa eo ho eo isan-taona maneran-tany. Ny isan’ireo zazakely novonoina tamin’ny alalan’ny fanalana zaza tao anatin’ireo telo taona lasa monja dia lehibe kokoa noho ireo olona zato tapitrisa novonoina tamin’ireo ady rehetra natao tamin’ity taonjato faha-20 ity! Isan-taona, dia avo imbetsaka heny noho ny isan’ireo voavono tao anatin’ny 12 taona nanapahan’ny Nazia ny isan’ireo zazakely vonoina amin’ny alalan’ny fanalana zaza! Tao anatin’ireo folo taona faramparany, dia avo an’arivony maro heny noho ny isan’ireo olona rehetra natao sorona ho an’i Moloka, na ho an’ireo andriamanitra “aztèques”, ny isan’ireo zazakely novonoina tamin’ny alalan’ny fanalana zaza! Kanefa ny maro amin’ireo manala zaza, na ireo mampihatra izany, (raha tsy ny ankamaroany), dia mihambo ho manana fivavahana.
10. Fomba hafa inona no anandevozan’ny fivavahan-diso ny olona?
10 Manandevo ny olona amin’ny fomba maro hafa koa ny fivavahan-diso. Ohatra, misy olona maro mino fa velona any amin’ny tontolo ara-panahy ireo maty. Ny iray amin’ireo vokatr’izany finoana diso izany dia ny tahotra sy ny fanompoana ireo razana efa maty mba hahazoana izay heverina ho soa avy amin’izy ireo. Izany dia manandevo ny olona amin’ireo mpanao ody ratsy, ireo mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty ary ireo mpitondra fivavahana izay antsoina noho ny fiheverana fa afaka hanampy ny velona hampitony ny maty izy ireo. Azo atao tsara àry ny manontany hoe: Mety hisy fahafahana hivoaka avy amin’izany fanandevozana izany ve? — Deoteronomia 18:10-12; Mpitoriteny 9:5, 10.
[Sary, pejy 4, 5]
Nandritra ny tantara manontolo, dia nisy nampiasa ny safidiny malalaka tamin’ny fomba ratsy mba hanandevozana ny hafa