Akaiky ve ny “Fandehan-javatra Vaovao” Aorin’ny Olombelona?
1. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoana ny faniriana fahafahana ara-politika bebe kokoa tao anatin’ireo taona faramparany?
AMIN’IZAO andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no andevozin’ny fivavahan-diso, ary maro no mifidy ny hijanona ao anatin’izany tarehin-javatra izany. Miaraka amin’izay koa anefa dia mitombo ihany ireo izay mitaky fahafahana ara-politika. Ireo fisehoan-javatra niavaka dia niavaka nandritra ireo taona vitsivitsy farany tany Eoropa Atsinanana sy tany amin’ny tany hafa, dia nampiseho fa maniry karazam-pitondram-panjakana manome fahafahana kokoa ny olona. Ho vokatr’izany, dia maro no milaza fa efa antomotra ny vanim-potoam-pahafahana vaovao. Niantso azy io hoe “fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao” ny prezidàn’i Etazonia. Ireo mpitondra eo amin’ny tany hatraiza hatraiza tokoa dia nilaza fa nifarana ny Ady Mangatsiaka sy ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana, ary koa fa efa manangasanga ny vanim-potoam-piadanana vaovao ho an’ny taranak’olombelona. — Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3.
2, 3. Toe-piainana manao ahoana avy no manohitra ny fisian’ny tena fahafahana?
2 Kanefa, na dia nitarika ho amin’ny fihenan’ny isan’ny fitaovam-piadiana sy ho amin’ny karazam-panapahana manome fahafahana kokoa aza ireo fiezahan’ny olombelona, moa ve hisy tokoa ny tena fahafahana? Tsia, satria mbola eo ireo zava-manahirana mahatsiravina any amin’ny firenena rehetra, anisan’izany ireo firenena demokratika, izay ahitana fitomboan’ny isan’ny mahantra ary olona an-tapitrisany maro miady mafy mba hahafahana hivelona eo amin’ny ara-bola. Ny tatitra iray nataon’ny Firenena Mikambana dia manambara fa, na dia eo aza ireo fandrosoana vitan’ny siansa sy ny fitsaboana, isan’andro, maneran-tany, dia misy ankizy 40 000 amin’ny antsalany maty noho ny tsy fahampian-tsakafo na ny aretina azo sorohina. Nilaza toy izao ny manam-pahaizana manokana iray momba io sahan’asa io: “Maka endrika izay tena mandrahona tokoa ny hoavin’ny taranak’olombelona ny fahantrana.”
3 Fanampin’izany, dia maro kokoa noho ny hatramin’izay ireo olona iharam-pahavoazana noho ny heloka bevava izay tsy mitsaha-mitombo sady mihamampiseho habibiana hatrany. Mampisaratsaraka tany samihafa ireo fankahalana ara-pirazanana, ara-politika ary ara-pivavahana. Any amin’ny toerana sasany, ny tarehin-javatra dia tsy lavitra ilay fotoana amin’ny hoavy voalazalaza ao amin’ny Zakaria 14:13, rehefa ‘hisafotofoto sy hatahotra aoka izany ny olona, hany ka samy hisambotra ny tanan’ilay eo akaikiny avy izy rehetra ka hamely azy.’ (Today’s English Version). Mihanaka ny fampiasana zavatra mahadomelina sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana. An-tapitrisany maro ireo olona voan’ny SIDA; any Etazonia fotsiny, dia maherin’ny 120 000 ireo olona efa maty noho io aretina io.
Fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana
4, 5. Na manao ahoana na manao ahoana fahafahana misy amin’izao andro izao, karazana fanandevozana inona no mangeja ny rehetra?
4 Kanefa, na dia tsy ho eo aza ireo toe-piainana ratsy rehetra ireo, dia mbola tsy hanana ny tena fahafahana ihany ny olona. Mbola ho ao anatin’ny fanandevozana ihany izy rehetra. Nahoana? Mba hampisehoana izany, ahoana moa raha hanandevo ny olona rehetra eto an-tany ny mpanapaka tsy refesi-mandidy iray, ka hamono azy ireo tsirairay? Raha ny tena izy, dia izany no nitranga tamin’ny taranak’olombelona rehefa nikomy tamin’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany ka nanjary nandevozin’ny fanapahana mampahorin’ny Devoly. — 2 Korintiana 4:4.
5 Rehefa namorona ny olombelona Andriamanitra, ny fikasany dia ny hiainan’izy ireo eto an-tany mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana, ao amin’ny paradisa iray, araka ny asehon’ny Genesisy toko voalohany sy faharoa. Kanefa, noho ny fikomian’i Adama razambentsika tamin’Andriamanitra, isika rehetra dia eo ambany fanamelohana ho faty raha vao teraka: “Izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama, loham-pianakavian’ny taranak’olombelona] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana.” Araka ny nolazain’ny Baiboly, dia ‘nanjaka ny fahafatesana’. (Romana 5:12, 14). Koa, na manao ahoana na manao ahoana fahafahana mety hananantsika, ny rehetra dia eo ambanin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana.
6. Nahoana no tsy nisy fihatsarana firy teo amin’izay azo antenaina fa ho halavan’ny fiainana, hatramin’ny fotoana nanoratana ny Salamo 90:10?
6 Ankoatra izany, ny fiainantsika izao dia voafetra dia voafetra. Na dia ho an’ireo ambinina kokoa aza, dia am-polony taona vitsivitsy monja izany. Ho an’ireo tsy ambinina kokoa, dia taona vitsivitsy monja, na latsaka. Ary milaza toy izao ny fikarohana vaovao iray: “Ny siansa sy ny fitsaboana dia nanosika izay azo antenaina fa ho halavan’ny fiainan’ny olombelona ho amin’ny fetrany voajanahary.” Izany dia satria raiki-tampisaka ao amin’ny rafi-pandovan-toetra (système génétique) ao amintsika ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana, izay vokatry ny fahotan’i Adama. Mampalahelo tokoa izany hoe tonga hatramin’ny 70 na 80 taona izany, rehefa tokony hanjary ho hendry kokoa sy hahay hankafy kokoa ny fiainana isika, dia mihasimba ny vatantsika ary miafara amin’ny vovoka isika! — Salamo 90:10.
7. Nahoana ny olombelona no tsy afaka na oviana na oviana ny ho loharanon’ireo tena fahafahana irintsika sady ilaintsika?
7 Karazam-panapahan’olombelona inona no afaka manakana io fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana io? Tsy misy na dia iray aza! Tsy misy manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana, mpanao siansa na mpitsabo na aiza na aiza afaka manafaka antsika amin’ny ozona nitondra aretina, ny fahanterana sy ny fahafatesana, sady tsy misy na dia iray aza amin’ireo, afaka manafoana ny fananana ahiahy, ny tsy rariny, ny heloka bevava, ny hanoanana ary ny fahantrana. (Salamo 89:48). Na mety ho tsara fikasa toy inona aza ny olombelona, dia tsy afaka ny ho loharanon’ireo tena fahafahana irintsika sady ilaintsika izy ireo. — Salamo 146:3.
Fampiasana ny safidy malalaka amin’ny fomba ratsy
8, 9. Inona no nametraka ny taranak’olombelona ho eo amin’ny tarehin-javatra misy azy ankehitriny?
8 Ao anatin’izany tarehin-javatra mampalahelo izany ny fianakavian’olombelona satria nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidiny malalaka i Adama sy i Eva. Milaza toy izao ny 1 Petera 2:16, araka Ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy): “Mitondrà tena toy ny olona afaka, ary aza mampiasa mihitsy ny fahafahanareo ho toy ny fialan-tsiny ho an’ny fanaovan-dratsy.” Noho izany, dia mazava fa tsy fikasan’Andriamanitra ny haha-tsy hisy fetrany ny fahafahan’ny olombelona. Natao hampiasaina ao anatin’ny faritra noferan’ireo lalàn’Andriamanitra, izay marina sady mitondra soa ho an’ny rehetra, izy io. Ary ireo faritra voafetra ireo dia ampy fahalalahana mba hamela fahafahana lehibe hanaovana safidy manokana, hany ka tsy afaka ny hampahory na oviana na oviana ny fanapahan’Andriamanitra. — Deoteronomia 32:4.
9 Kanefa ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nanapa-kevitra ho an’ny tenany ny amin’izay tsara sy ratsy. Koa satria ninia niala ho any ivelan’ny fanapahan’Andriamanitra izy ireo, dia nanaisotra taminy ny fanohanany izy. (Genesisy 3:17-19). Nanjary tsy tanteraka àry izy ireo, ka aretina sy fahafatesana no vokany. Tsy tafiditra tao amin’ny fahafahana ny taranak’olombelona fa tao amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana kosa. Nanjary niankina tamin’izao fanirian’ny mpanapaka olombelona tsy tanteraka sy matetika no lozabe, rehetra izao koa izy ireo. — Deoteronomia 32:5.
10. Tamin’ny fomba ahoana no nandaminan’i Jehovah tamim-pitiavana ilay raharaha?
10 Tsy namela ny olombelona hanandrana io noheveriny fa fahafahana feno io afa-tsy mandritra ny vanim-potoana voafetra ihany Andriamanitra. Fantany fa ireo vokatra ho azo dia hanaporofo tsy hisy fahafahana hisalasala na dia kely akory aza, fa tsy afaka ny hahomby ny fanapahan’olombelona tsy miankina amin’Andriamanitra. Koa satria harena sarobidy aoka izany ny safidy malalaka ampiasaina amin’ny fomba tsara, noho ny fitiavany, Andriamanitra dia namela, tamin’ny fomba tsy naharitra, ny hisian’ireo zava-nitranga, fa tsy nanala ny fanomezany ny safidy malalaka akory.
‘Tsy afaka ny hahalavorary ny diany ny olombelona’
11. Ahoana no nanohanan’ny tantara ny maha-marina ny Baiboly?
11 Ny tantara dia nampiseho ny maha-marina ny Jeremia toko faha-10, andininy faha-23 sy faha-24, izay milaza hoe: “Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho.” Ny tantara koa dia nampiseho ny maha-marina ny Mpitoriteny 8:9 (MN), izay manambara hoe: “Nanapaka teo amin’ny olombelona ny olona ka nitondra loza ho azy.” Endrey ny fahamarinan’izany! Ny fianakavian’olombelona dia nandia loza lehibe nisesisesy, ka ny fasana no fiafarana ho an’ny rehetra. Nilazalaza momba izany tarehin-javatra izany tamin’ny fomba araka ny tena izy marina ny apostoly Paoly rehefa nanambara toy izao, araka ny Romana 8:22: “Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny.” Eny, ny tsy fiankinana amin’ireo lalàn’Andriamanitra dia niteraka loza.
12. Inona no lazain’ny fakàn-teny tsy ara-pivavahana sasany momba ny fahafahana feno?
12 Ny boky hoe Inquisition and Liberty dia manome izao fanazavana izao momba ny fahafahana: “Tsy voatery ho zavatra tsara aminy fotsiny akory ny tsy fiankinana: tsy zavatra tokony hireharehana ny fananana azy io irery. Raha ny marina, dia mety ho iray amin’ireo endriky ny fitiavan-tena ambany kokoa fotsiny izy io (...) Tsy zavaboary mahaleo tena amin’ny fomba feno akory ny tenan’ny olombelona, ary tsy afaka ny haniry ny ho toy izany ka tsy hiseho ho mahatsikaiky.” Ary ny “Prince” Philip any Angletera dia nilaza toy izao indray mandeha: “Mety hanintona ny fahafahana hanaram-po amin’izao faniriana sy fitiavana rehetra izao, nefa ny zava-mitranga dia mampianatra miverimberina, fa ny fahafahana tsy misy zavatra mametra ny tena mihitsy (...) ary ny fitondrantena tsy misy fiheverana ny hafa, no fomba azo antoka indrindra hanimbana ny hatsaran’ny fiainan’ny fiaraha-monina iray, na manao ahoana na manao ahoana harena ananany.”
Iza no mahalala tsara indrindra?
13, 14. Iza ihany no afaka manome ny tena fahafahana ho an’ny fianakavian’olombelona?
13 Iza no mahalala tsara indrindra ny fomba tokony handaminana ny tokantrano iray — ray aman-dreny be fitiavana, mahay ary za-draharaha, sa ankizy kely? Mazava ho azy ny valiny. Mitovy amin’izany koa fa ilay Mpamorona ny olombelona, ilay Raintsika any an-danitra, dia mahalala izay tsara indrindra ho antsika. Fantany ny fomba tokony handaminana sy hanapahana ny olombelona miara-miaina. Fantany ny fomba tokony hitarihana ny safidy malalaka araka ny fitsipika mba hitondran’izy io ireo soa avy amin’ny tena fahafahana ho an’ny rehetra. Tsy misy afa-tsy ilay Andriamanitra Tsitoha, dia i Jehovah, ihany no mahalala ny fomba hanandratana ny fianakavian’olombelona hiala amin’ny fanandevozana misy azy sy hanomezana ny tena fahafahana ho an’ny rehetra. — Isaia 48:17-19.
14 Ao amin’ny Teniny, ao amin’ny Romana 8:21, i Jehovah dia manome izao fampanantenana izao: “Izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Eny, mampanantena ny hanafaka ny fianakavian’olombelona amin’ny fomba feno amin’izao toe-piainana mahafadiranovana izao Andriamanitra. Hamelabelatra ny amin’ny fomba hitrangan’izany ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no Havalinao?
(Famerenana ny pejy faha-3 ka hatramin’ny pejy faha-8)
◻ Nahoana ny olombelona no mahatsiaro ho voakasika erỳ raha ny amin’ny fahafahana?
◻ Tamin’ny fomba ahoana ny olona no nanjary nandevozina nandritra ny tantara manontolo?
◻ Nahoana i Jehovah no namela ny fampiasana ratsy ny safidy malalaka nandritra ny ela be toy izao?
◻ Iza ihany no afaka mitondra tena fahafahana ho an’ny taranak’olombelona rehetra, ary nahoana?
[Sary, pejy 7]
Ny halavan’ny fiainan’ny olona dia mitovy tsy misy hafa amin’izay voalaza 3 500 taona lasa izay, ao amin’ny Salamo 90:10
[Sary nahazoan-dalana]
Noho ny fanomezan-dalana avy amin’ny British Museum