Mianara Fankatoavana Amin’ny Fanekena Fifehezana
ALAO sary an-tsaina ny tenanao mijoro eo an-tampon’ny tendrombohitra avo dia avo misy hantsana iray, mahatsiaro tena ho eo amin’ny tampon’izao tontolo izao ara-bakiteny. Fahatsapana fahafahana mahafaly toy inona moa izany!
Tena voafetra tanteraka anefa ny fahafahanao. Ny lalàna momba ny fanintonan’ny tany dia manisy fetra amin’ny fihetsikao tsirairay; ny fibolisarana kely monja dia mety hiteraka loza amin’antambo. Etsy an-danin’izany, dia mahafaly toy inona moa ny mahafantatra fa io lalàna momba ny fanintonan’ny tany io ihany dia manakana anao tsy ho voasintona tsy afa-manoatra ho any amin’ny habakabaka tsy taka-maso any. Koa miharihary fa ny lalàna dia natao mba hahasoa ny tenanao. Ny fanekena ireo fetra izay apetrany eo amin’izay fihetsika ataonao eo amin’io tendron’ny tendrombohitra io dia mahasoa, mamonjy aina mihitsy aza.
Eny, indraindray ny lalàna sy ny fankatoavana izany dia mety hametra ny fahafahantsika, kanefa moa ve izany mahatonga ny fankatoavana ho tsy faniry?
Fomba fiheveran’Andriamanitra ny fankatoavana
Amin’ny maha-“Mpamorona Lehibe” azy, dia “loharanon’aina” i Jehovah. Noho io antony io, dia manana adidy ara-drariny ny hankatò azy ny zavaboariny rehetra. Naneho ny fihetsika mety ny mpanao salamo tamin’ny fanoratana hoe: “Aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika; fa Izy no Andriamanitsika; ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika”. — Mpitoriteny 12:1, NW; Salamo 36:9; 95:6, 7.
Hatramin’ny voalohany i Jehovah dia nitaky fankatoavana tamin’ny zavaboariny. Ny fitohizan’ny fahaveloman’i Adama sy Eva tao amin’ny Paradisa dia niankina tamin’ny fankatoavana. (Genesisy 2:16, 17). Ny fankatoavana dia nantenaina toy izany koa tamin’ireo anjely, na dia endri-piainana ambony noho ny olombelona aza izy ireo. Koa satria ny sasany tamin’ireny zavaboary ara-panahy ireny dia “tsy nanaiky [“tsy nankatò”, NW ] fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa”, dia nosazina izy ireny tamin’ny fandefasana azy tao “an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana”. — 1 Petera 3:19, 20; 2 Petera 2:4.
Voalaza mazava tsara fa Andriamanitra dia mihevitra ny fankatoavana ho fepetra iray takina mba hahazoana ny fankasitrahany. Izao no vakintsika: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka [“mankatò”, NW ] no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy”. — 1 Samoela 15:22.
Tsy maintsy ianarana izy io — Nahoana ary amin’ny fomba ahoana?
Ny fankatoavana dia mitarika olona iray hanana ny toeran’olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra, koa tena ilaina tokoa àry ny hianarantsika izany! Toy ny fianarana fiteny vahiny iray, ny fahazarana mankatò dia azo ianarana dieny mbola kely isika. Izany no antony anantitranteran’ny Baiboly ny fampiofanana ny ankizy raha vao eo amin’ny fahazazany. — Josoa 8:35.
Misy olona maoderina sasany manohitra ny fomba fihevitry ny Baiboly, amin’ny filazana fa ny fitakiana fankatoavana amin’ny ankizy dia mitovy amin’ny fanaovana an-keriny ara-tsaina. Manizingizina izy ireo fa ny ankizy dia tokony havela hampitombo ny heviny sy ny fari-pitsipiny manokana izay iainany, tsy misy fisalovanan’ny olon-dehibe etỳ ivelany.
Tamin’ireo taona 1960 anefa, fony nisy ray aman-dreny maro nanana izany fomba fihevitra izany, dia tsy niray hevitra tamin’izany i Wilhelm Hansen, mpandahateny, mpampanonta boky, sady profesora momba ny psikolojia. Nanoratra toy izao izy: “Ho an’ny ankizy eo amin’ny ambaratonga voalohany amin’ny fitomboany, eo amin’ny fotoana mbola ananan’ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny hery manapaka, ny ‘ratsy’ dia izay andraran’ny ray aman-dreny, ary ny ‘tsara’ dia izay asain’izy ireo atao na derainy. Ny fankatoavana ihany àry no mitarika ny ankizy ho eo amin’ny lalan’ny fitsipi-pitondrantena sy ny fahatsaran-toetra lehibe indrindra, ka miankina amin’ny fisian’izany ny fifandraisany eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena.” — Ampitahao amin’ny Ohabolana 22:15.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manantitrantitra ny ilana ianarana ny fankatoavana. Izao no vakintsika: “Fantatro, TOMPO ô, fa tsy anjaran’ny olona ny misafidy ny lalany; na ho an’ny olona ny hamaritra izay ho lalan’ny fiainany.” (Jeremia 10:23, The New English Bible). Ny tantara dia feno ohatra maro ny amin’ny namaritan’ny olombelona ny lalan’ny fiainany araka ny fari-pitsipika nataon’ny tenany, ka nidirany tao anatin’ny fahasahiranana lehibe noho ny nanaovany izany. Nahoana izany no mateti-pitranga aoka izany? Satria ny olombelona dia tsy manana ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fahatakarana mba hamaritana ny lalan’ny fiainany tsy misy mpanampy. Mbola ratsy kokoa noho izany, izy ireo dia nandova fironana hanao fanapahan-kevitra diso. Taorian’ny Safodrano avy hatrany, dia izao no nolazain’i Jehovah momba ny olombelona: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. — Genesisy 8:21.
Noho izany, dia tsy misy olona nandova fironana hankatò an’i Jehovah. Tsy maintsy mandentika izany ao amin’ireo zanatsika isika ary manohy mianatra izany mandritra ny fiainantsika manontolo. Ny tsirairay amintsika dia mila ny mamboly toe-po mitovy amin’ny an’i Davida Mpanjaka izay nanoratra hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” — Salamo 25:4, 5.
Mampianara fankatoavana amin’ny fisehoana ho mpankatò
Nahafantatra tsara ireo toe-javatra nanodidina ny nahaterahan’i Jesosy ny reniny sy ny ray nitaiza azy. Takatr’izy ireo, noho izany, fa handray anjara lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah izy. (Ampitahao amin’ny Lioka 1:35, 46, 47.) Tamin’izy ireo, dia nanana heviny manokana ilay teny hoe “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro”. (Salamo 127:3). Nanaiky tanteraka ny andraikitra lehibe nananany izy ireo, ary mailaka, araka izany, ny hankatò ireo fitarihan’Andriamanitra, toy ny fony izy ireo nasaina nandositra tany Egypta, na nankany Galilia tatỳ aoriana. — Matio 2:1-23.
Ny ray aman-drenin’i Jesosy koa dia nanaiky ny andraikiny mikasika ny fifehezana. Marina fa, nandritra ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy, dia nankatò foana i Jesosy. Fony izy tetỳ an-tany anefa, dia nianatra nankatò tao anatin’ny toe-javatra vaovao tanteraka izy. Voalohany, dia tsy maintsy nankatò ray aman-dreny tsy tanteraka izy, satria na dia ny ankizy tanteraka iray aza dia mila fifehezana amin’ny endriky ny fampianarana sy ny fitaizana. Nanome izany ireo ray aman-dreniny. Tetsy an-danin’izany, ny fifehezana tamin’ny endriky ny famaizana dia tsy nilaina. Nankatò foana i Jesosy; tsy mba voatery notenenina indroa mihitsy izy. Izao no vakintsika: “Ary niara-nidina taminy [ny ray aman-dreniny] nankany Nazareta Izy ka nanoa azy.” — Lioka 2:51.
Hain’i Josefa sy i Maria koa ny nampianatra an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny ohatra. Vakintsika, ohatra, fa “ny ray aman-dreniny [dia] nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska”. (Lioka 2:41). Tamin’ny fanaovana fandaharana mba hitondrana ny fianakaviany niaraka taminy, dia nasehon’i Josefa fa niahy ny amin’izay hahasoa azy ireo ara-panahy izy ary nihevitra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ho zava-dehibe. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ireo ray aman-dreny dia afaka mampianatra fankatoavana an’ireo zanany amin’izao fotoana izao, amin’ny fankatoavan’ny tenan’izy ireo eo amin’ny raharaha mahakasika ny fanompoam-pivavahana.
Noho ny fifehezana tsara dia tsara tao amin’ny fahamarinana nataon’i Josefa sy i Maria, dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona” i Jesosy. Ohatra tsara dia tsara tokoa re izany mba harahin’ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao! — Lioka 2:52.
‘Mankatò (...) amin’ny zavatra rehetra’
“Hianareo zanaka, maneke [“mankatoava”, NW ] ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20). Afaka nankatò ny ray aman-dreniny tamin’ny zavatra rehetra i Jesosy satria ny fankatoavan’izy ireo an’i Jehovah dia nanakana azy ireo tsy hitaky tamin’i Jesosy — na tamin’ireo rahalahy na anabaviny iray reny taminy — zavatra izay nifanohitra tamin’ny sitrapon’i Jehovah.
Misy ray aman-dreny maro koa amin’izao fotoana izao, mahita fahombiazana eo amin’ny fampianarana ny zanany hankatò amin’ny zavatra rehetra. Henoy ireto raim-pianakaviana telo ireo, izay manompo ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower amin’izao fotoana izao, rehefa avy nahalehibe zanaka.
Miresaka ny amin’ny fomba nitaizan’izy mivady zanakalahy dimy i Theo. Hoy izy: “Zava-dehibe ny hamelana ireo ankizy hahafantatra hatrany am-piandohany mihitsy fa isika lehibe koa dia manao fahadisoana. Mampalahelo fa mamerina izany mihitsy aza isika, ary voatery mangataka famelan-keloka sy fanampiana foana any amin’ny Raintsika any an-danitra. Avelanay mihitsy ireo zanakay hahita fa, toy ny iadian’izy ireo amin’ireo fanahian’ny tanora, dia mba miady amin’ny fanahian’ny olon-dehibe koa izahay.”
Raha tsy maintsy mianatra fankatoavana ny ankizy iray, dia zava-dehibe ny isian’ny fifandraisana feno fitiavana eo aminy sy ny ray aman-dreniny. Niteny toy izao ny amin’ny vadiny i Hermann: “Tsy renin’ireo ankizilahy fotsiny izy fa namany koa. Tian’izy ireo izany, ka tsy sarotra tamin’izy ireo ny nankatò.” Avy eo, rehefa nanampy torohevitra mandaitra mikasika ny fomba fanatsarana ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka izy, dia niteny hoe: “Ninianay mihitsy ny tsy hanana milina fanasana lovia nandritra ny taona maromaro, amin’izay dia tsy maintsy natao tanana ny fanasana sy ny famafana lovia. Notendrena hanao ny famafana ireo zanakay lahy, nifandimby. Tsy nisy fotoana tsara toy izany mba hifampiresahana tamin’ny fomba malalaka.”
Ny fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia natao ho modely ho an’ny fifandraisana tsy maintsy ananan’ny Kristiana amin’i Jehovah. Nanazava ny fomba nisahiranan’izy mivady teo amin’ny fanampiana ny zanany roa lahy mba hanorenana fifandraisana toy izany i Rudolf: “Ny fototra niainganay dia ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Nomenay foto-kevitra mifanentana maromaro hanaovany fikarohana ireo ankizy. Nanao ny famakiana ny Baiboly niaraka izahay ary avy eo dia nidinidinika ny amin’ilay foto-kevitra. Afaka nahita ireo zanakay lahy fa manantena fankatoavana avy amin’ireo ray aman-dreny i Jehovah, fa tsy avy amin’ireo zanaka ihany.”
Takatr’ireo ray aman-dreny kristiana fa ilay fitenenana ara-tsindrimandry hoe “làlan’aina ny anatra famaizana”, dia mihatra amin’izy ireo koa toy ny amin’ireo zanany. Koa, raha manana adidy ny hankatò ny ray aman-dreniny amin’ny zavatra rehetra ireo zanaka, ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy mankatò koa an’i Jehovah amin’izay zavatra rehetra takiny amin’izy ireo. Ankoatra ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny ray aman-dreny sy ireo zanaka dia ho tia ny hanamafy ny fifandraisany amin’Andriamanitra. — Ohabolana 6:23.
Jereo amin’ny fomba manorina ny fankatoavana
Afaka miseho ho mankasitraka tokoa lahy isika noho ny nanomezan’ny Tenin’Andriamanitra torohevitra azo ampiharina toy izany momba ny fitaizana ankizy! (Jereo ny faritra voafefy.) Ireo ankizy izay mianatra fankatoavana avy amin’ny ray aman-dreny mifehy azy amim-pahamarinana dia tena loharanom-pifaliana tokoa eo amin’ny firahalahiana kristiana manontolo.
Koa satria ny fankatoavana an’Andriamanitra dia midika ho fiainana, dia tokony hohalavirintsika na dia ny fisaintsainana fotsiny ny hampiato — na dia vetivety monja aza — ireo fameperana izay apetraky ny didin’Andriamanitra eo amin’ny fahafahantsika manokana. Eritrereto, ohatra, hoe afaka mampiato vetivety ny lalàna ny amin’ny fanintonan’ny tany isika. Ho toy inona moa ny fientanam-po hahazo antsika avy amin’ny fahataitairana noho ny fisidinana avy eo amin’ny tendron’ny tendrombohitra iray miakatra mankany amin’ny lanitra, tsy misy na inona na inona misakana ny fahafahantsika! Inona anefa no hitranga rehefa miverina amin’ny ara-dalàna indray ny zava-drehetra? Eritrereto ny amin’ilay fianjerana izay hiandry antsika!
Ny fianarana fankatoavana amin’ny fanekena ny fifehezana dia mandray anjara amin’ny fampitomboana toetra mahay mandanjalanja ary manampy antsika hahafantatra ny fetran’ny tenantsika. Izany dia manampy antsika tsy hitaky be loatra amin’ny hafa na tsy hihontsina amin’ny zon’ny hafa sy izay ilainy. Izany dia manampy antsika hanalavitra ny famelezan’ny fisalasalana. Raha lazaina amin’ny teny fohy, izany dia mitondra fahasambarana.
Koa, na olon-dehibe ianao na ankizy, mianara fankatoavana amin’ny fanekena ny fifehezana mba “hahita soa hianao” ka “ho maro andro ambonin’ny tany”. (Efesiana 6:1-3). Iza moa no maniry hampisetra loza ny fanantenany hiaina mandrakizay amin’ny tsy fianarana fankatoavana amin’ny fandavana fifehezana? — Jaona 11:26.
[Efajoro, pejy 29]
RY RAY AMAN-DRENY, MAMPIANARA FANKATOAVANA AMIN’NY FIFEHEZANA AMIM-PAHAMARINANA
1. Mampihara fifehezana miorina amin’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina.
2. Mampihara fifehezana tsy amin’ny fitakiana fankatoavana fotsiny fa amin’ny fanazavana hoe nahoana ny fankatoavana no lalam-pahendrena. — Matio 11:19b.
3. Aza mampihatra fifehezana mihitsy ao anatin’ny fahatezerana na amin’ny fivazavazana. — Efesiana 4:31, 32.
4. Mampihara fifehezana ao anatin’ny fifandraisana mafana feno fitiavana sy feno fiahiana. — Kolosiana 3:21; 1 Tesaloniana 2:7, 8; Hebreo 12:5-8.
5. Mampihara fifehezana amin’ny ankizy hatramin’ny fahazazany. — 2 Timoty 3:14, 15.
6. Mampihara fifehezana miverimberina ary tsy miovaova. — Deoteronomia 6:6-9; 1 Tesaloniana 2:11, 12.
7. Mampihara aloha fifehezana amin’ny tenanao ary amin’izay dia mampianara amin’ny ohatra. — Jaona 13:15; ampitahao amin’ny Matio 23:2, 3.
8. Mampihara fifehezana amin’ny fianteherana tanteraka amin’i Jehovah, amin’ny fangatahana ny fanampiany ao amin’ny vavaka. — Mpitsara 13:8-10.
[Sary, pejy 28]
“Làlan’aina ny anatra famaizana”