Ilay Fandresena Farany ho Azon’i Mikaela, Andrian-dehibe
“Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao”. — DANIELA 12:1.
1. Fihetsika manao ahoana eo anoloan’ny fiandrianan’i Jehovah no nasehon’ny mpanapaka maro eo amin’izao tontolo izao, ary tamin’ny ahoana ny mpanjakan’ny avaratra no nitovy tamin’izy ireo?
“IZA moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely?” (Eksodosy 5:2). Ireo dia teny fihaikana nataon’i Farao tamin’i Mosesy. Tsy nety niaiky ny naha-Andriamanitra fara tampony an’i Jehovah i Farao, ka tapa-kevitra ny hitana ny Isiraely tao anatin’ny fanandevozana. Nisy mpanapaka hafa nampiseho fanamavoana toy izany an’i Jehovah, ary tsy maningana amin’izany ireo mpanjaka ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Isaia 36:13-20). Marina tokoa fa lasa lavitra kokoa aza ny mpanjakan’ny avaratra. Hoy ilay anjely: “Hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’Andriamanitry ny andriamanitra (...) Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.” — Daniela 11:36, 37.
2, 3. Tamin’ny fomba ahoana no nanarian’ny mpanjakan’ny avaratra “ny andriamanitry ny razany” mba hanolorana fanompoam-pivavahana ho an’ny “andriamanitra” hafa iray?
2 Ho fanatanterahana ireo teny ara-paminaniana ireo, ny mpanjakan’ny avaratra dia nanary “ny andriamanitry ny razany”, na ireo andriamanitra sampin’i Roma izany, na ilay andriamanitra Telo Izay Irain’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nampiasa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’izay tiany i Hitler, kanefa miharihary fa nitetika ny hanolo azy io tamin’ny anankiray vaovao izy, dia ny fiangonana alemanina. Ilay mpandimby azy dia nampandroso ny tsy finoana tanteraka ny fisian’Andriamanitra. Araka izany, ny mpanjakan’ny avaratra dia nanao ny tenany ho andriamanitra, ‘nanandra-tena noho ny hafa rehetra’.
3 Izao no tohin’ilay faminaniana: “Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.” (Daniela 11:38). Raha ny marina, ny mpanjakan’ny avaratra dia nametraka ny fitokiany tamin’ny fahaizana ara-tafika miankina amin’ny siansa maoderina, dia “ny andriamanitry ny fiarovana mafy”. Nandritra ny andro farany iray manontolo, dia nitady famonjena tamin’io “andriamanitra” io izy, ka nanao sorona harena tsy toko tsy forohana teo amin’ny alitarany.
4. Fahombiazana inona no hitan’ny mpanjakan’ny avaratra?
4 “Dia homban’ny andriamani-kafa izy ka hamely [amin’ny fomba mandaitra, NW ] ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.” (Daniela 11:39). Noho izy nitoky tamin’ilay “andriamani-kafa” ara-tafika, dia nanao zavatra tamin’ny fomba ‘nandaitra’ indrindra ny mpanjakan’ny avaratra, ka niseho ho herim-panjakana ara-tafika mampitolagaga amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Ireo izay nanohana ny firehan-keviny dia nomena valim-pitia tamin’ny fanohanana ara-politika sy ara-bola ary ara-tafika indraindray.
“Amin’ny faran’ny andro”
5, 6. Tamin’ny ahoana ny mpanjakan’ny atsimo no ‘nanoto’, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra?
5 Izao no vakintsika ao amin’ny Daniela 11:40a: “Ary amin’ny faran’ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ny atsimo”. Io sy ilay andininy manaraka azy dia noheverina fa manana fahatanterahany mbola amin’ny hoavy. Raha mitovy heviny amin’ilay ao amin’ny Daniela 12:4, 9 anefa ilay “faran’ny andro” eto, dia tsy maintsy mitady ny fahatanterahan’ireo teny ireo mandritra ny andro farany isika. Moa ve ny mpanjakan’ny atsimo ‘nanoto’ ny mpanjakan’ny avaratra nandritra izao andro izao? Eny, tokoa. Taorian’ny ady lehibe voalohany, dia azo antoka fa ilay fanekem-pihavanana fanasaziana dia ‘fanotoana’, fanosehana hamaly faty. Taorian’ny fandreseny tamin’ny ady lehibe faharoa, ny mpanjakan’ny atsimo dia nampitodika fitaovam-piadiana niokleary mampivarahontsana nikendry an’ilay rafiny ary nanangana fifanekena ara-tafika matanjaka iray, ny OTAN. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ny ‘fanotoany’ dia nahatafiditra asam-pitsikilovana nampiasana teknolojia faran’izay ary fomba, ary koa fanafihana diplaomatika sy ara-tafika.
6 Nanao ahoana no fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra? “Ary ny mpanjakan’ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.” (Daniela 11:40b). Ny tantaran’ny andro farany dia nilazalaza ilay foto-kevitra fanitaram-paritany nilofosan’ny mpanjakan’ny avaratra. Nandritra ny ady lehibe faharoa, ny “mpanjaka” nazia dia nanafotra nihoatra ireo sisin-taniny, nankany amin’ireo tany nanodidina. Tamin’ny faran’io ady io, ilay “mpanjaka” mpandimby dia nanorina empira mahery iray tany ivelan’ny sisin-taniny manokana. Nandritra ny Ady Mangatsiaka, ilay mpanjakan’ny avaratra dia nanao ady an-kolaka tamin’ilay rafiny tamin’ny fiasana tao ambadik’ireo ady sy fikomiana tany Afrika sy Azia ary Amerika Latina. Nanenjika ireo tena Kristiana marina izy io, ka nametra (fa tsy nampitsahatra velively) ny asan’izy ireo. Ary ny fanafihany ara-tafika sy ara-politika dia nahatonga tany maromaro ho eo ambany fifehezany. Izany dia araka ny faminanian’ilay anjely indrindra hoe: “Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra [ilay toe-piainana ara-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra] koa izy, ary [tany, NW] maro no ho ripaka”. — Daniela 11:41a.
7. Hatraiza ny fetran’ilay foto-kevitra fanitaram-paritany nilofosan’ny mpanjakan’ny avaratra?
7 Na dia izany aza, dia tsy naharesy an’izao tontolo izao akory ny mpanjakan’ny avaratra na dia nandrahona toy ny loza mitatao aza izy io — eny, fa na dia teo imason’ilay rafiny aza. “Fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona.” (Daniela 11:41b). Fahiny, dia azo lazaina hoe teo anelanelan’i Egypta sy i Syria no nisy an’i Edoma sy i Moaba ary i Amona. Izy ireo dia azo heverina ho nampiseho ireo firenena sy fandaminana amin’izao andro izao izay nokendren’ny mpanjakan’ny avaratra saingy tsy voataonany.
‘Tsy ho afa-mandositra i Egypta’
8, 9. Tamin’ny ahoana ny hery fitaoman’ny mpanjakan’ny avaratra no tsapa, na dia teo amin’ilay rafiny lehibe indrindra aza?
8 Nanohy ny teniny toy izao ilay anjely: “Haninjitra ny tànany amin’ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. Fa hahalasa ny [“hanam-pahefana amin’ny”, NW ] rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.” (Daniela 11:42, 43). Na dia i “Egypta”, mpanjakan’ny atsimo aza, dia tsy afa-nandositra tamin’ny vokatry ny foto-kevitra fanitaram-paritany nilofosan’ny mpanjakan’ny avaratra. Nizaka faharesena lehibe, ohatra, ny mpanjakan’ny atsimo tany Vietnam. Ary ahoana ny amin’ny “Libyana sy ny Etiopiana”? Ireo tany nifanila tamin’i Egypta fahiny ireo dia mety hampiseho tsara ireo firenena izay mifanila ara-jeografia amin’ilay “Egypta” maoderina ka indraindray dia ‘nanaraka’ ny mpanjakan’ny avaratra.
9 Moa ve ny mpanjakan’ny avaratra nanam-pahefana tamin’ny ‘rakitr’i Egypta’? Azo antoka fa tsy naharesy ny mpanjakan’ny atsimo izy, ary hatramin’ny 1993, dia asehon’ny tarehin-javatra maneran-tany fa toa tsy azo inoana fa hahavita izany izy. Kanefa izy dia nanana fitaomana mahery teo amin’ny fomba nampiasan’ny mpanjakan’ny atsimo ny fananany ara-bola. Noho ny fahatahorana ny rafiny, dia nanokana vola tsy toko tsy forohana isan-taona ny mpanjakan’ny atsimo mba hikojakojana tafika an-tanety sy an-dranomasina ary ana habakabaka mampitolagaga. Tamin’izany lafiny izany no azo lazaina fa ‘nanam-pahefana’, na nifehy ny fitantanana ny harenan’ny mpanjakan’ny atsimo ny mpanjakan’ny avaratra.
Fanafihana farany ataon’ny mpanjakan’ny avaratra
10. Amin’ny fomba ahoana no ilazalazan’ilay anjely ny faran’ilay fifandrafiana eo amin’ireo mpanjaka roa?
10 Moa ve ny fifandrafiana eo amin’ireo mpanjaka roa ireo hitohy tsy hisy farany? Tsia. Nilaza toy izao tamin’i Daniela ilay anjely: “Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana [“amin’ny fiposahan’ny masoandro”, NW ] sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy [ny mpanjakan’ny avaratra], ka dia hivoaka amin’ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro. Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina [lehibe, NW ] sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.” — Daniela 11:44, 45.
11, 12. Fisehoan-javatra ara-politika vao haingana inona avy no nisy nifandraisany tamin’ilay fifandrafiana teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, ary inona no tsy maintsy mbola hianarantsika?
11 Mbola ho amin’ny hoavy ireo fisehoan-javatra ireo, koa tsy azontsika lazaina amin’ny antsipiriany ny fomba hahatanterahan’ilay faminaniana. Tsy ela izay, dia niova ny tarehin-javatra ara-politika misy ireo mpanjaka roa ireo. Nihanangatsiaka ilay fifandrafiana feno fankahalana teo amin’i Etazonia sy ireo tanin’i Eoropa Atsinanana. Ankoatra izany, dia rava tamin’ny 1991 ny Firaisana Sovietika ary tsy misy intsony. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1992, pejy faha-4, 5.
12 Koa iza àry ny mpanjakan’ny avaratra amin’izao fotoana izao? Moa ve izy io tokony hampitovina amin’ny iray amin’ireo tany izay anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha? Sa niova anarana tanteraka izy io, toy ny efa nataony imbetsaka taloha? Tsy afaka milaza isika. Iza no ho mpanjakan’ny avaratra rehefa ho tanteraka ny Daniela 11:44, 45? Hirehitra indray ve ny fifandrafiana eo amin’ireo mpanjaka roa? Ary ahoana ny amin’ireo tahirim-pitaovam-piadiana niokleary tsy toko tsy forohana izay mbola any amin’ny tany maromaro? Ny fotoana ihany ny hanome no valin’ireo fanontaniana ireo.
13, 14. Inona no fantatsika mikasika ny hoavin’ireo mpanjaka roa?
13 Misy zavatra iray fantatsika. Tsy ho ela ny mpanjakan’ny avaratra dia hanao fanafihana izay hohetsehin’ny “siosion-teny avy any [amin’ny fiposahan’ny masoandro, NW ] sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy”. Io fanafihana io dia hialoha avy hatrany ny “hiafarany”. Ho afaka hahafantatra bebe kokoa ny amin’ireo “siosion-teny” ireo isika raha mandinika faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly.
14 Mariho anefa aloha fa ireo zavatra ataon’ny mpanjakan’ny avaratra ireo dia tsy voalaza fa ataony amin’ny mpanjakan’ny atsimo. Tsy hifarana eo an-tanan’ilay rafiny lehibe izy. Toy izany koa fa ny mpanjakan’ny atsimo dia tsy horinganin’ny mpanjakan’ny avaratra. Ny mpanjakan’ny atsimo (izay asehon’ny faminaniana hafa ho ilay tandroka farany hiseho eo amin’ny biby dia iray) dia horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra “tsy hisy tànana [an’olombelona] hamely azy”. (Daniela 7:26; 8:25). Raha ny marina, ireo mpanjakan’ny tany rehetra amin’ny farany dia horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny adin’ny Haramagedona, ary miharihary fa izany no hitranga amin’ny mpanjakan’ny avaratra. (Daniela 2:44; 12:1; Apokalypsy 16:14, 16). Milazalaza fisehoan-javatra izay mitarika ho amin’io ady farany io ny Daniela 11:44, 45. Tsy mahagaga raha “tsy hisy hamonjy” rehefa hiatrika ny fiafarany ny mpanjakan’ny avaratra!
15. Fanontaniana lehibe inona avy no mbola tokony horesahina?
15 Inona àry ireo faminaniana hafa izay manazava ireo “siosion-teny” izay manosika ny mpanjakan’ny avaratra hanandrana “handringana maro”? Ary iza moa ireo “maro” izay hiriny haringana?
Siosion-teny avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro
16. a) Fisehoan-javatra miavaka inona no tsy maintsy mitranga alohan’ny Haramagedona? b) Iza moa ireo “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”?
16 Alohan’ilay ady farany, Haramagedona, dia misy fahavalo lehiben’ny fanompoam-pivavahana marina iray tsy maintsy horavana — i Babylona Lehibe toy ny vehivavy janga, dia ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 18:3-8). Ny fandravana azy dia nanana ho tandindona ny fandrarahana izay tao anatin’ilay lovian’ny fahatezeran’Andriamanitra fahenina teo amin’ny ony Eofrata ara-panoharana. Ritra ilay ony mba “hanamboarana ny làlan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”. (Apokalypsy 16:12). Iza moa ireo mpanjaka ireo? Tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy!a
17. a) Inona no lazain’ny Baiboly amintsika mikasika ny fandravana an’i Babylona Lehibe? b) Mety ho inona ilay siosion-teny “avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”?
17 Ny fandravana an’i Babylona Lehibe dia lazalazaina an-tsary toy izao ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy: “Ary ny tandroka folo [ireo ‘mpanjaka’ manapaka amin’ny andro farany] sy ny bibi-dia [ilay biby dia mivolon-jaky, mampiseho ny fandaminan’ny Firenena Mikambana] izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:16). Marina tokoa fa ireo firenena dia ‘mandringana nofo be’! (Daniela 7:5, NW). Fa nahoana ireo mpanapaka, anisan’izany ny mpanjakan’ny avaratra, no handringana an’i Babylona Lehibe? Satria ‘Andriamanitra dia manome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny’. (Apokalypsy 17:17). Ilay siosion-teny “avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro” dia tena mety hanondro io asan’i Jehovah io, rehefa hanosika ny fon’ireo mpitondra olombelona izy, amin’ny fomba iray fidiny, mba handringana ilay vehivavy janga ara-pivavahana lehibe. — Daniela 11:44.
Siosion-teny avy any avaratra
18. Zavatra hafa inona no kendren’ny mpanjakan’ny avaratra, ary hametraka azy aiza izany rehefa ho tonga amin’ny fiafarany izy?
18 Misy anefa zavatra hafa iray kendren’ny fahatezeran’ny mpanjakan’ny avaratra. Milaza ilay anjely fa izy dia “haoriny eo anelanelan’ny ranomasina [lehibe, NW ] sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany”. (Daniela 11:45). Tamin’ny andron’i Daniela, ny ranomasina lehibe dia i Mediterane, ary ny tendrombohitra masina dia i Ziona, toerana nisy ny tempolin’Andriamanitra taloha. Noho izany, ao amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana, ilay mpanjakan’ny avaratra tezitra mafy dia mitarika fanafihana ara-tafika hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra! Amin’ny heviny ara-panahy amin’izao andro izao, ny hoe “eo anelanelan’ny ranomasina [lehibe, NW ] sy ny tendrombohitra masina” dia mametraka ny mpanjakan’ny avaratra ho eo amin’ilay toe-piainana ara-panahy ananan’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra, izay nivoaka avy tao amin’ny “ranomasina”, dia ny ranomasin’olombelona feno fankahalana. Ary ireo voahosotra ireo dia manana fanantenana ny hanjaka any amin’ilay Tendrombohitra Ziona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Kristy. — Isaia 57:20; Hebreo 12:22; Apokalypsy 14:1.
19. Araka ny asehon’ny faminanian’i Ezekiela, ahoana no mety hamantarantsika ilay siosion-teny izay manosika an’i Goga hanafika? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
19 Naminany ny amin’ny fanafihana ny vahoakan’Andriamanitra “any am-parany” koa i Ezekiela, olona niara-belona tamin’i Daniela. Nilaza izy fa ilay ady dia hatombok’i Goga avy any Magoga, izay mampiseho an’i Satana Devoly. (Ezekiela 38:16). Avy aiza, raha lazaina ara-panoharana, no iavian’i Goga? Tamin’ny alalan’i Ezekiela, dia niteny toy izao i Jehovah: “Ary ho tonga avy any amin’ny fonenanao avy any amin’ny farany avaratra hianao”. (Ezekiela 38:15). Noho izany, ilay siosion-teny “avy any avaratra” dia mety ho fampielezan-kevitr’i Satana handrisika ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjaka hafa rehetra hanafika ny vahoakan’i Jehovah.b — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 16:13, 14; 17:14.
20, 21. a) Nahoana i Goga no hanosika ireo firenena, anisan’izany ny mpanjakan’ny avaratra, hanafika ny vahoakan’Andriamanitra? b) Hahomby ve ny fanafihana hataony?
20 Mandamina io fanafihana ampiasany ny herin’ny tafiny manontolo io i Goga noho ny fanambinana azon’ny “Isiraelin’Andriamanitra” mbamin’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa izay tsy anisan’ny tontolony intsony. (Galatiana 6:16; Jaona 10:16; 17:15, 16; 1 Jaona 5:19). I Goga dia manao jery vilana ilay “firenena izay nangonina avy tany amin’ny jentilisa sady nihary omby sy fananana [ara-panahy]”. (Ezekiela 38:12; Apokalypsy 5:9; 7:9). Ho fahatanterahan’ireo teny ireo, dia nahazo fanambinana mbola tsy nisy toy izany ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Afaka manao fanompoam-pivavahana amin-kalalahana izy ireo izao any amin’ny tany maro any Eoropa sy Afrika ary Azia izay nandrarana azy ireo taloha. Teo anelanelan’ny 1987 sy 1992, dia maherin’ny iray tapitrisa ny “zavatra faniry” avy tany amin’ireo firenena nankao amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah. Manankarena sy mandry feizay ara-panahy izy ireo. — Hagay 2:7, NW; Isaia 2:2-4; 2 Korintiana 8:9.
21 Mihevitra ny toe-piainana ara-panahin’ny Kristiana ho toy ny “tanàna tsy mimànda” mora tafihina i Goga, ka manao izay tratran’ny heriny mba hanafoanana io vato misakana ny fifehezany tanteraka ny taranak’olombelona io. (Ezekiela 38:11). Tsy mahomby anefa izy. Rehefa manafika ny vahoakan’i Jehovah ireo mpanjakan’ny tany, dia “ho tonga ao amin’izay hiafarany” izy ireo. Amin’ny fomba ahoana?
Mpanjaka fahatelo
22, 23. Rehefa hanafika i Goga, iza no hitsangana hiaro ny vahoakan’Andriamanitra, ary inona no ho vokany?
22 Nilaza i Ezekiela fa ny fanafihan’i Goga dia famantarana ho an’i Jehovah Andriamanitra mba hitsanganany hiaro ny vahoakany ary handringanany ny tafik’i Goga “any an-tendrombohitry ny Isiraely”. (Ezekiela 38:18; 39:4). Izany dia mampahatsiaro antsika an’izay nolazain’ilay anjely tamin’i Daniela hoe: “Amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izany dia ho afaka [mandositra, NW ] ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.” — Daniela 12:1.
23 Tamin’ny 1914, dia tonga Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy — i Mikaela, ilay mpiady any an-danitra. (Apokalypsy 11:15; 12:7-9). Hatramin’izay izy, dia nitsangana mba ‘hiaro ireo zanaky ny firenen’i Daniela’. Tsy ho ela anefa, dia ‘hitsangana’ amin’ny anaran’i Jehovah izy, amin’ny maha-Mpanjaka Mpiady tsy mety resy azy, ka “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. (2 Tesaloniana 1:8). Ireo firenena rehetra eto an-tany, anisan’izany ireo mpanjaka ao amin’ny faminanian’i Daniela, dia “hiteha-tratra amin-dranomaso”. (Matio 24:30, NW ). Mbola misy sain-dratsy momba ny ‘firenen’i Daniela’ ao am-pon’izy ireo rehefa handringana azy mandrakizay ny tanan’i “Mikaela, andrian-dehibe”. — Apokalypsy 19:11-21.
24. Inona no tokony ho vokatr’itỳ fianarana ny faminanian’i Daniela itỳ eo amintsika?
24 Moa ve isika tsy maniry mafy ny hahita izany fandresena lehibe ho azon’i Mikaela sy i Jehovah Andriamaniny izany? Izany fandresena izany dia hidika ho ‘fahafahana mandositra’, na fahatafitana velona ho an’ny Kristiana marina. (Ampitahao amin’ny Malakia 3:19-21.) Noho izany, amin’ny fibanjinana ny hoavy amim-panantenana fatratra, dia ataontsika ao an-tsaina ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Mitoria ny teny, mazotoa amin’izany na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra”. (2 Timoty 4:2, NW ). Aoka isika hifikitra mafy amin’ny Tenin’ny fiainana ary hitady amim-pitandremana ireo ondrin’i Jehovah raha mbola mitohy ny vanim-potoana mora. Eo amin’ny fiolahana farany alohan’ny fahatongavana isika amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Efa manangasanga ny valisoa. Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny hiaritra hatramin’ny farany ary amin’izany dia ho anisan’ireo izay hovonjena. — Matio 24:13, NW; Hebreo 12:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-229-230.
b Mety ho heviny hafa iray koa ny hoe, ilay siosion-teny “avy any avaratra” dia mety ho avy any amin’i Jehovah noho ireo teny nataony tamin’i Goga hoe: “Hanisy masom-by ny valanoranonao [Aho], ary ho entiko mivoaka hianao”. “Hitondra anao hiakatra avy any amin’ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely hianao.” — Ezekiela 38:4; 39:2; ampitahao amin’ny Salamo 48:2.
Takatrao Ve?
◻ Tamin’ny ahoana ny mpanjakan’ny atsimo no nanoto ny mpanjakan’ny avaratra nandritra ny andro farany manontolo?
◻ Inona no tsy maintsy mbola hianarantsika mikasika ny fiafaran’ilay fifandrafiana eo amin’ireo mpanjaka roa ireo?
◻ Fisehoan-javatra roa alohan’ny Haramagedona inona avy no azo antoka fa hahatafiditra ny mpanjakan’ny avaratra?
◻ Ahoana no hiarovan’i “Mikaela, andrian-dehibe” ny vahoakan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no tokony ho fihetsitsika vokatry ny fianarantsika ny faminanian’i Daniela?
[Sary, pejy 19]
Nanompo andriamanitra tsy mitovy amin’ny andriamanitr’ireo teo alohany ny mpanjakan’ny avaratra
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Ambony havia sy afovoany: UPI/Bettmann; ambany havia: Reuters/Bettmann; ambany havanana: Jasmin/Gamma Liaison