-
‘Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2022 | Septambra
-
-
6. Inona no hitranga rehefa tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny vahoaka be? Hazavao. (Jereo koa ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity, momba ny fananganana ny maty eto an-tany.)
6 Vakio ny Daniela 12:2. Inona no hitranga rehefa tafavoaka velona amin’io fotoam-pahoriana io ny vahoaka be? Nieritreritra isika taloha hoe an’ohatra, izany hoe fitsanganana ara-panahin’ny mpanompon’Andriamanitra, ilay fitsanganana amin’ny maty resahin’io andininy io, ary mandritra ny andro farany ilay izy no hitranga.c Tsy izany anefa ilay izy. Fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao no tiana horesahina amin’izy io. Fa maninona isika no milaza an’izany? Ampiasaina ao amin’ny Joba 17:16 koa ilay teny hoe “vovoka.” Ilazana ny “Fasana” izy io ao. Izany no mampiseho hoe fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny ilay resahin’ny Daniela 12:2. Hitranga izy io rehefa tapitra ny andro farany, sy aorian’ilay ady Aramagedona.
7. a) Inona no dikan’ny hoe hatsangana mba “hahazo fiainana mandrakizay” ny olona sasany? b) Nahoana izany no “fitsanganana tsara kokoa”?
7 Inona anefa no tian’ny Daniela 12:2 horesahina amin’ilay hoe hisy olona hatsangana mba “hahazo fiainana mandrakizay”? Hoe ho velona mandrakizay amin’ny farany izay hatsangana amin’ny maty ka lasa mahafantatra an’i Jehovah sy Jesosy, na manohy mamantatra azy ireo, sady mankatò azy ireo mandritra ny 1 000 taona. (Jaona 17:3) Ho “fitsanganana tsara kokoa” izany raha oharina amin’izay nitranga taloha. (Heb. 11:35) Fa maninona? Satria maty indray ireny olombelona tsy lavorary ireny tatỳ aoriana.
8. Nahoana ny olona sasany no hatsangana mba “ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay”?
8 Tsy izay rehetra hatsangana amin’ny maty anefa no hanaiky ny fampianaran’i Jehovah. Milaza ny faminanian’i Daniela hoe hatsangana mba “ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay” ny olona sasany. Ho hita hoe tia mikomy mantsy ry zareo, ka tsy hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany sady tsy hahazo fiainana mandrakizay izy. “Hatao tsinontsinona mandrakizay” kosa izy, izany hoe horinganina. Izay hiafaran’ny olona rehetra hatsangana amin’ny maty, arakaraka izay nataony taorian’ny nananganana azy, àry no resahin’ny Daniela 12:2.d (Apok. 20:12) Ny sasany hahazo fiainana mandrakizay, fa ny hafa kosa tsy hahazo.
-
-
‘Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2022 | Septambra
-
-
a Hanitsy ny fahazoantsika ny Daniela 12:2, 3 isika ato. Miresaka momba an’ilay asa fampianarana lehibe io andininy io. Hodinihintsika hoe rahoviana izany no hitranga, ary iza avy no tafiditra amin’izany. Ho hitantsika ato koa fa manomana ny olombelona eto an-tany io asa fampianarana io, mba hiatrika an’ilay fitsapana farany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.
-
-
‘Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2022 | Septambra
-
-
c Ity dia fanitsiana ny fanazavana ao amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela! toko 17 sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1987, p. 21-25.
-
-
‘Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2022 | Septambra
-
-
d Mifanohitra amin’izany kosa fa ny fitondran-tenan’ireo olona hatsangana amin’ny maty talohan’ny nahafatesany no tiana hasongadina amin’ilay hoe “ny marina” sy “ny tsy marina” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15, ary ilay hoe “izay nanao ny tsara” sy “izay zatra nanao ratsy” ao amin’ny Jaona 5:29.
-