Nahoana Izy Ireo no Miala Amin’ny Fivavahana?
TEO antenatenan’ny taonjato faha-19, dia saika tsy fandre tanteraka teo amin’ny mponin’i Prusse (Alemaina avaratra ankehitriny) ny filazana fa tsy anisan’ny fivavahana iray izy. Raha ny marina, ny fiovana finoana fotsiny avy tamin’ny fivavahana lehibe iray ho amin’ny fiangonana iray tsy manaraka foto-pampianarana eken’ny rehetra, dia afaka nahatonga azy ho teo ambany fanaraha-mason’ny polisy. Tena niova mihitsy ny toe-javatra!
Ankehitriny, dia Alemà maro be no mametra-pialana amin’ireo fiangonana. Voalaza fa 1 isaky ny olona 4 no milaza ho tsy anisan’ny fivavahana na inona na inona. Misy fironana mitovy amin’izany koa any Aotrisy sy Soisa. Raha ny isan’ny mpikambana no hery manome aina ny fivavahana iray, dia “eo amim-pialana aina ireo fiangonana any Eoropa”, araka ny nilazan’i Reimer Gronemeyer, mpanoratra alemà azy.
Ny antony andavan’izy ireo ny fivavahana
Nahoana no maro no mandà ireo fivavahana lehibe? Matetika izany dia noho ny antony ara-bola, indrindra fa any amin’ireo tany izay itakiana ny handoavan’ny mpikambana hetram-piangonana. Maro no manontany hoe: ‘Nahoana ny volako izay nisasarako mafy iny no ho lasan’ny fiangonana?’ Misy mahatsapa rikoriko noho ny harena tsy toko tsy forohana sy ny hery lehibe ananan’ny fiangonana. Azo inoana fa izy ireo dia miray hevitra amin’ny Kardinaly Joachim Meisner any Cologne, Alemaina, izay nilaza fa ny harenan’ny fiangonana dia mety ho nitarika azy hanisy fiheverana be loatra ny zavatra ara-nofo sy “tsy hihevitra ny finoana an’i Kristy ho zava-dehibe”.
Mandao ny fiangonany ny olona sasany, satria hitany fa mahasorisorena sy tsy mahaliana, ary tsy afaka manome fahafaham-po amin’ny hanoanany ara-panahy izy io. Mijaly noho ilay mosary nambaran’i Amosa mpaminany mialoha izy ireo, “tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11). Koa satria izy ireo zara raha mahazo izay zavatra ilainy avy amin’ny fivavahany, dia kivy tanteraka noho izy io izy ireo.
Na dia tena misy aza ireo zava-manahirana hita, moa ve fihetsika tsara ny ho kivy tanteraka noho ny fivavahana rehetra? Alao sary an-tsaina ny lehilahy noana iray izay mahita zavatra mitovy amin’ny mofo. Rehefa manandrana mihinana azy io anefa izy, dia hitany fa natao tamin’ny tain-tsofa ilay izy. Moa ve izy ho kivy tanteraka ka tsy hihinana sy tsy hitady fahafaham-po noho ny hanoanany? Tsia, hitady tena sakafo izy. Tahaka izany koa fa, raha tsy manome fahafaham-po amin’ny hanoanana ara-panahin’ny mpikambana ao aminy ny fivavahana iray, moa ve izy ireo tokony ho kivy tanteraka noho ny fivavahana? Sa ho fahendrena kokoa ny hitadiavan’izy ireo fomba iray mba hahafaka ny hanoanany ara-panahy? Izany indrindra no nataon’ny olona maro, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.