TOKO 9
Inona no Vokatr’ilay Asa Fijinjana?
1, 2. a) Nahoana no gaga ny mpianatr’i Jesosy? b) Fijinjana inona no tian’i Jesosy holazaina?
HOY i Jesosy tamin’ny mpianany: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” Rehefa nijery an’ilay saha notondroin’i Jesosy anefa izy ireo, dia gaga satria tsy vary efa masaka no hitany fa vary mbola maitso be. Mety ho lasa saina àry ry zareo hoe: ‘Ireo ve dia efa azo jinjaina sahady? Fa angaha tsy mbola afaka efa-bolana ny fijinjana?’—Jaona 4:35.
2 Tsy fijinjana ara-bakiteny anefa no tian’i Jesosy holazaina, fa fijinjana ara-panahy. Olona mantsy no angonina amin’ilay izy, izany hoe ampiana ho lasa mpanompon’i Jehovah. Niresaka an’io fijinjana io i Jesosy, satria nisy zavatra roa lehibe tiany hampianarina ny mpianany. Inona izany?
Asa maika nefa mahafaly
3. a) Inona no mety ho nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe: “Jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra”? b) Inona no noteneniny mba hanazavana ny tiany holazaina?
3 Faramparan’ny taona 30 tamin’izay. Teny akaikin’i Sykara, tanànan’ny Samaritanina, i Jesosy sy ny mpianany. Nankao amin’ilay tanàna ny mpianany, fa i Jesosy kosa nijanona teo amin’ny lavadrano iray. Nisy vehivavy tonga teo, ka nitoriany. Nahagaga an’ilay vehivavy ny zavatra noresahin’i Jesosy, sady tonga dia azony hoe tena zava-dehibe ilay izy. Lasa haingana àry izy nody tany Sykara, mba hitantara an’ilay izy tamin’ny mpiray tanàna taminy. Nahaliana azy ireo izany, ka maro no nihazakazaka nankeny amin’ilay fantsakana, mba hahita an’i Jesosy. Efa niverina ny mpianatr’i Jesosy tamin’izay. Nahatazana an’ireo Samaritanina tonga hiresaka taminy angamba i Jesosy, ka mety ho tamin’izay izy no nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” Nohazavainy avy eo ny tena tiany holazaina, ka hoy izy: ‘Mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay ny mpijinja.’—Jaona 4:5-30, 36.
4. a) Inona ireo zavatra roa tian’i Jesosy hampianarina? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?
4 Inona àry ireo zavatra roa tian’i Jesosy hampianarina? Voalohany, maika ilay asa fijinjana. Te hampirisika ny mpianany hijinja avy hatrany izy matoa niteny hoe “efa masaka hojinjaina ny vokatra.” Nilaza mihitsy aza izy hoe: “Efa mahazo karama sahady ny mpijinja.” Efa nanomboka àry ny fijinjana tamin’izay, ka tsy tokony hangataka andro izy ireo. Faharoa, mahafaly ny manao an’ilay asa. Nilaza i Jesosy fa “hiara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja.” (Jaona 4:35b, 36) Azo antoka fa faly i Jesosy satria ‘maro ny Samaritanina nino azy.’ Ho faly be koa àry ny mpianany, raha manao an’ilay asa fijinjana amin’ny fo manontolo. (Jaona 4:39-42) Mbola mahasoa antsika io tantara io, satria misy fijinjana ara-panahy koa ankehitriny, sady lehibe lavitra noho ny nataon’i Jesosy sy ny mpianany ilay izy. Oviana no nanomboka izany fijinjana izany? Iza no manao azy io? Ary inona no vokany?
I Jesosy no mitarika an’ilay asa fijinjana
5. a) Iza no mitarika an’ilay asa fijinjana atao maneran-tany? b) Inona ny porofo fa mila atao haingana ilay asa fijinjana, rehefa jerena ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy?
5 Nolazain’i Jehovah tao amin’ny fahitana iray fa i Jesosy no notendreny hitarika an’ilay asa fijinjana eran-tany. (Vakio ny Apokalypsy 14:14-16.) Voalaza ao fa nisy “satroboninahitra volamena” teo amin’ny lohan’i Jesosy. Midika izany fa efa Mpanjaka izy. Nisy “antsy fijinjana maranitra” koa anefa teny an-tanany. Izy àry no nasain’i Jehovah hijinja. Hita koa hoe maika ilay asa matoa i Jehovah naniraka anjely hilaza hoe “masaka tanteraka ny vokatry ny tany.” Efa “tonga ny ora fijinjana”, ka mila atao haingana ilay izy. Nilaza tamin’i Jesosy àry i Jehovah hoe: “Arosoy ny antsy fijinjanao.” Nankatò i Jesosy vao naheno an’izany, ka “voajinja ny tany.” Oviana anefa no nanomboka izany fijinjana izany, rehefa jerena io fahitana ao amin’ny Apokalypsy io?
6. a) Oviana no nanomboka ny “fotoam-pijinjana”? b) Oviana vao tena nijinja i Jesosy? Hazavao.
6 Zava-nitranga taorian’ny 1914 no resahin’ilay fahitana. Hitantsika ao mantsy fa manao satroboninahitra i Jesosy. (Dan. 7:13, 14; Apok. 14:14) Izy efa nanjaka àry no nasaina nijinja. (Apok. 14:15) Marina izany rehefa jerena ilay fanoharana momba ny vary. Nilaza i Jesosy ao hoe: “Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Nanomboka tamin’ny 1914 ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Tamin’io koa àry no nanomboka ny fotoam-pijinjana. Tsy tonga dia nijinja anefa i Jesosy tamin’izay. Tsy nilaza daty voafaritra tsara mantsy izy fa nilaza fotsiny hoe “amin’izay fotoana izay”, izany hoe mandritra an’ilay fotoam-pijinjana. (Mat. 13:30, 39) Izany tokoa no nitranga, rehefa jerena ny tantara. Mbola nanadio an’ireo voahosotra teo amin’ny lafiny ara-panahy aloha izy, tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919. (Mal. 3:1-3; 1 Pet. 4:17) Tamin’ny 1919 izy vao tena nanomboka “nijinja ny tany.” Nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana izy tamin’izay, ary tonga dia nasainy nampirisika ny vahoakan’i Jehovah izy io hoe tena maika ny asa fitoriana.
7. a) Inona no nanampy ny mpanompo mendri-pitokisana hahatakatra hoe tena ilaina ny mitory? b) Nampirisihina hanao inona ny vahoakan’i Jehovah?
7 Izao, ohatra, no nolazain’ireo rahalahy anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 1920: “Misy asa lehibe asaina ataon’ny fiangonana, rehefa dinihina ny Soratra Masina. Tsy inona izany fa ny hitory momba ilay fanjakana.” Nandinika ny faminanian’i Isaia ireo rahalahy ireo, ka nahita fa tena mila torina eran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Isaia 49:6; 52:7; 61:1-3) Mbola tsy hain’izy ireo anefa hoe ahoana no hahavitana izany, fa natoky fotsiny ry zareo hoe hanampy azy i Jehovah. (Vakio ny Isaia 59:1.) Nampirisihin’izy ireo hazoto kokoa hitory àry ny fiangonana. Inona no vokany?
8. Inona no lasa takatry ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1921?
8 Hoy Ny Tilikambo Fiambenana Desambra 1921: “Ity no taom-panompoana tsara indrindra hatramin’izay. Tamin’ity taona 1921 ity no betsaka indrindra ny olona nahare ny fahamarinana.” Nilaza koa anefa ilay gazety hoe: ‘Mbola be dia be ny olona mila itoriantsika. Mitoria foana àry, ary miezaha ho falifaly rehefa manao izany.’ Lasa nazava tamin’ny mpanompo mendri-pitokisana àry fa maika ny asa fitoriana, nefa koa mahafaly, araka ny efa nampianarin’i Jesosy ny apostoliny.
9. a) Inona no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1954, ary nahoana? b) Nanao ahoana ny isan’ny mpitory tato anatin’ny 50 taona? (Jereo ilay hoe “Isan’ny Mpitory.”)
9 Vao mainka nazoto nitory ny vahoakan’i Jehovah, taoriana kelin’ny 1930. Lasa nazava tamin’izy ireo mantsy fa hisy vahoaka be hihaino tsara rehefa hitoriana. Ho anisan’ny ondry hafan’i Kristy io vahoaka be io. (Isaia 55:5; Jaona 10:16; Apok. 7:9) Lasa 500 000 àry ny mpitory tamin’ny 1953, raha 41 000 tamin’ny 1934. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1954: “Nahazo vokatra be dia be isika maneran-tany. Tsy ho nahavita an’izany isika raha tsy teo ny fanahin’i Jehovah sy ny Teniny.”a—Zak. 4:6.
Firenena |
1962 |
1987 |
2013 |
---|---|---|---|
Aostralia |
15 927 |
46 170 |
66 023 |
Brezila |
26 390 |
216 216 |
756 455 |
Frantsa |
18 452 |
96 954 |
124 029 |
Italia |
6 929 |
149 870 |
247 251 |
Japon |
2 491 |
120 722 |
217 154 |
Meksika |
27 054 |
222 168 |
772 628 |
Nizeria |
33 956 |
133 899 |
344 342 |
Philippines |
36 829 |
101 735 |
181 236 |
Etazonia |
289 135 |
780 676 |
1 203 642 |
Zambia |
30 129 |
67 144 |
162 370 |
1950 |
234,952 |
1960 |
646,108 |
1970 |
1,146,378 |
1980 |
1,371,584 |
1990 |
3,624,091 |
2000 |
4,766,631 |
2010 |
8,058,359 |
Hoatran’ny ahoana ny vokatra azo?
10, 11. Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy?
10 Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana nataony hoe hanao ahoana ilay asa fijinjana. Andeha isika hijery roa amin’izany. Ho hitantsika fa tanteraka amin’izao andro farany izao izy ireo.
11 Fanoharana momba ny voan-tsinapy: Nisy lehilahy namboly voan-tsinapy. Naniry ilay izy ka lasa hazo be, ary nialokaloka teo ny vorona. (Vakio ny Matio 13:31, 32.) Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’io fanoharana io? 1) Naniry be ilay voan-tsinapy. Tena mahavariana izany satria io no “bitika indrindra amin’ny voa rehetra”, nefa lasa hazo lehibe “misy rantsany vaventy.” (Mar. 4:31, 32) 2) Tena naniry ilay voan-tsinapy, ary tsy nisy nahasakana izany. Tsy nilaza i Jesosy hoe mety haniry ilay izy, fa hoe ‘maniry ilay izy rehefa voafafy.’ 3) Tian’ny “voro-manidina” ilay hazo, ka ‘mialokaloka’ eo izy ireo. Tanteraka tokoa ve ireo?
12. Tanteraka ve ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy ankehitriny? Hazavao. (Jereo koa ilay hoe “Isan’ny Fampianarana Baiboly.”)
12 1) Naniry be ilay voan-tsinapy: Be dia be ny olona mandre ny vaovao tsara, ka mitombo isa foana ny mpitory voangona eo anivon’ny fiangonana. Vitsy kely izy ireo tamin’ny 1919 rehefa avy nanadio ny fiangonana i Kristy, nefa vetivety dia lasa be dia be. Tena mahavariana ilay izy! (Isaia 60:22) 2) Tena naniry ilay voan-tsinapy: Tsy nisy nahasakana ny fiangonana kristianina tsy hitombo. Toy ny voa bitika kely voatsindrin’ny vato be dia be izy io, satria nenjehin’ny fahavalon’Andriamanitra foana. Voatosiny anefa izay vato rehetra teo amboniny, ka naniry izy ary lasa hazo be. (Isaia 54:17) 3) Mialokaloka eo ny vorona: Ireo olona an-tapitrisany tia ny vaovao tsara ka mankatò ny lalàn’ilay Fanjakana, no mitovy amin’ireo “voro-manidina.” Any amin’ny tany 240 eo ho eo no misy azy ireo. Mialokaloka eo amin’ilay hazo izy ireo, izany hoe mankao amin’ny fiangonana kristianina. (Ezek. 17:23) Ampianarin’i Jehovah sy ampahereziny ary arovany izy ireo ao.—Isaia 32:1, 2; 54:13.
13. Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’ilay fanoharana momba ny lalivay?
13 Fanoharana momba ny lalivay: Nisy vehivavy naka lafarinina, dia nasiany lalivay ilay izy. Lasa nitombo be ilay lafarinina manontolo, rehefa nifangaro tamin’ilay lalivay. (Vakio ny Matio 13:33.) Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’io fanoharana io? 1) Lasa niova ilay lafarinina rehefa nasiana lalivay. 2) Ny lafarinina rehetra no nitombo, izany hoe ilay lafarinina “intelon’ny famarana lehibe.” Tanteraka koa ve ireo?
14. Tanteraka ve ilay fanoharana momba ny lalivay? Hazavao.
14 1) Niova ilay lafarinina rehefa nasiana lalivay: Ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no tiana holazaina amin’ilay lalivay. Mitovy amin’ilay lafarinina kosa ny olona itoriana. Niova ilay lafarinina rehefa nafangaro tamin’ilay lalivay. Toy izany koa fa miova ny olona rehefa avy mihaino ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ka lasa Kristianina. (Rom. 12:2) 2) Ny lafarinina rehetra no nitombo: Nanenika an’ilay lafarinina manontolo ilay lalivay. Toy izany koa fa miely eran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ka tonga hatrany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asa. 1:8) Misy zavatra hafa mampahery koa avy amin’io fanoharana io. Tsy nisy nahita ilay lalivay rehefa nanenika an’ilay lafarinina manontolo. Toy izany koa fa mahare ny vaovao tsara, na dia ny olona any amin’ny tany tsy azo itoriana aza, ary matetika izany no tsy hita miharihary.
15. Inona ny porofo fa tanteraka ny Isaia 60:5, 22? (Jereo ilay hoe “Tsy Misy Zavatra Tsy Hain’i Jehovah”, pejy 93, sy ilay hoe “Ny Vitsy ho Lasa Arivo”, pejy 96-97.)
15 Valonjato taona teo ho eo talohan’ny nilazan’i Jesosy an’ireo fanoharana ireo, dia efa nohazavain’i Jehovah tsara tao amin’ny faminanian’i Isaia hoe hanao ahoana ilay fijinjana ara-panahy, ary inona no ho vokatr’izy io.b Misy vehivavy iray iresahany ao. Ny voahosotra mbola eto an-tany no tiana holazaina amin’ilay vehivavy ao amin’ilay faminaniana. Nilaza taminy i Jehovah fa hisy olona “avy lavitra” hirohotra ao amin’ny fandaminany. Hoy izy: “Hahita izany ianao amin’izay fotoana izay ka ho miramirana. Ho ravoravo ny fonao sady ho dibo-kafaliana, satria hankany aminao ny harenan’ny ranomasina, ary ho tonga any aminao ny fananan’ny firenena.” (Isaia 60:1, 4, 5, 9) Tanteraka tokoa izany! “Miramirana” ireo olona efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela, satria lasa be dia be izao ny mpitory ao amin’ny taniny, nefa vitsy kely taloha.
Miara-miravoravo isika rehetra
16, 17. Inona no antony voalohany mahatonga antsika ho faly? (Jereo koa ilay hoe “Voa Bitika Kely Roa Lasa Hazo Be”, pejy 94.)
16 Niteny tamin’ny apostoliny i Jesosy hoe: ‘Mamory ny vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay ny mpijinja, mba hiara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja.’ (Jaona 4:36) Nahoana no hoe ‘miara-miravoravo’ isika, na mpamafy na mpijinja? Ireto misy antony telo.
17 Voalohany, faly isika satria hitantsika hoe manampy antsika i Jehovah. Toy ny hoe mamafy voa isika rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mat. 13:18, 19) Toy ny hoe mijinja isika rehefa manampy an’ilay olona ho lasa mpianatr’i Kristy. I Jehovah anefa no ‘nampaniry sy nampitombo’ an’ilay voa. (Mar. 4:27, 28) Mahavariana antsika izany ka faly be isika. Matetika mantsy no maniry ihany ny voa afafintsika, na dia tsy eo no ho eo aza, fa olon-kafa no mijinja an’ilay izy. Efa nitranga taminao angamba ny zavatra nolazain’ity anabavy any Grande-Bretagne ity. Joan no anarany, ary efa 60 taona izy no vita batisa. Hoy izy: “Efa maromaro ny olona niteny tamiko hoe izaho, hono, no nitory taminy, dia namafy ny voan’ny fahamarinana tao am-pony. Dia avy eo nisy mpitory nampianatra azy, dia lasa mpanompon’i Jehovah izy. Faly aho fa naniry ihany kay ny voa nafafiko sady nisy nijinja.”—Vakio ny 1 Korintianina 3:6, 7.
18. Nahoana isika no faly, araka ny 1 Korintianina 3:8?
18 Faharoa, faly foana isika satria tadidintsika ity tenin’i Paoly ity: “Ny tsirairay aminy dia samy hahazo ny valisoany araka ny asa mafy nataony.” (1 Kor. 3:8) Ny asa nataontsika àry no anomezana valisoa antsika, fa tsy ny isan’ny olona nampiantsika ho lasa mpanompon’i Jehovah. Tena mampahery antsika izany, indrindra raha mitory any amin’ny faritany tsy dia misy olona liana isika. Efa toy ny hoe “mamoa be” isika amin’i Jehovah, raha manompo amin’ny fontsika manontolo. Tena mahafaly izany!—Jaona 15:8; Mat. 13:23.
19. a) Inona no antony fahatelo mahafaly antsika? b) Inona no tokony hotadidintsika, raha tsy mety manana mpianatra mandroso isika?
19 Fahatelo, faly isika satria tanteraka ny faminaniana iray nolazain’i Jesosy, rehefa mitory isika. Nanontany azy ny apostoliny, indray mandeha, hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Nilaza zavatra iray anisan’ilay famantarana àry i Jesosy. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:3, 14) Mariho fa tsy nilaza izy hoe hisy olona hampianatra maneran-tany, fa hoe hisy hitory maneran-tany. Manatanteraka ny faminanian’i Jesosy àry ianao sady ‘miara-miasa amin’Andriamanitra’ rehefa mitory, na mihaino anao ny olona na tsia. (1 Kor. 3:9) Tadidio foana hoe efa mijoro ho “vavolombelona amin’ny firenena rehetra” ianao, na dia tsy mety manana mpianatra mandroso aza.c Mahafaly izany, sa ahoana?
“Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany”
20, 21. a) Inona no mitranga ankehitriny, araka ny Malakia 1:11? b) Inona no tianao hatao mba handraisana anjara amin’ny asa fijinjana, ary nahoana?
20 Nataon’i Jesosy izay hahatakaran’ny apostoliny fa nila namita haingana ny asa fitoriana izy ireo. Nampian’i Jesosy toy izany koa ny vahoakan’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1919, ka lasa takatr’izy ireo hoe maika ny fitoriana. Vao mainka nazoto nitory àry izy ireo, ary tsy nisy nahasakana azy. Mbola mitohy izany hatramin’izao. Mitory “hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany” isika. (Mal. 1:11) Miara-miasa sy miara-mifaly isika rehetra, na mpamafy na mpijinja, ary na aiza na aiza misy antsika. Tsy mangataka andro koa isika fa mitory foana.
21 Tena vitsy kely ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny vao nanomboka ny fotoam-pijinjana, 100 taona teo ho eo izay. Efa lasa “firenena mahery” anefa isika izao, ka ‘ravoravo sy dibo-kafaliana.’ (Isaia 60:5, 22) Mitoria foana àry, mba ho vita hatramin’ny farany ilay asa fijinjana. Ho hita koa amin’izay fa tiantsika i Jehovah, ilay “Tompon’ny vokatra.”—Lioka 10:2.
a Jereo ny boky Mpitory, pejy 425-520, raha te hahalala ianao hoe nanao ahoana ny asa fijinjana nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1992.
b Manazava bebe kokoa an’io faminaniana io ny boky Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II, pejy 303-320.
c Efa nahatakatra an’izany ny Mpianatra ny Baiboly voalohandohany. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1895: “Na dia kely aza ny vary voangontsika, dia mba efa nahavita namafy be aloha isika, fara faharatsiny. Efa be dia be mantsy ny olona nitoriantsika ny fahamarinana. ... Afaka mitory ny vaovao tsara daholo isika.”