Tadiavo izay rehetra manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay
“Izay rehetra nanana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tonga mpino.” — ASAN’NY APOSTOLY 13:48, MN.
1. Raha ny amin’ny fon’olombelona, fahaizana inona no ananan’i Jehovah?
AFAKA mamaky ny fo i Jehovah Andriamanitra. Izany dia naseho mazava rehefa nandeha hanosotra ny iray tamin’ireo zanak’i Jese mba ho mpanjakan’ny Isiraely i Samoela mpaminany. Raha vao nahita an’i Eliaba i Samoela dia “nanao hoe: Ny voahosotr’i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. Fa hoy Jehovah tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” Araka izany, dia notarihina mba hanosotra an’i Davida, izay niseho ho ‘araka ny fon’Andriamanitra’, i Samoela. — 1 Samoela 13:13, 14; 16:4-13.
2. Inona no manana ny fotony ao amin’ny fon’ny olona ara-panoharana, ary araka izany, inona no vakintsika momba izany ao amin’ny Soratra masina?
2 Mampiseho fihetsika iray mampiavaka azy ny olona iray. Manana fironan’ny sainy manokana izay manana ny fotony ao amin’ny fony ara-panoharana izy. (Matio 12:34, 35; 15:18-20). Araka izany, dia mamaky isika ny amin’ny olona iray izay “ady no ao am-pony”. (Salamo 55:21). Ilazana isika fa “ny olona manana fironan’ny saina ho amin’ny fisafoahana dia be fahadisoana.” Ary mamaky koa isika hoe: “Misy mpinamana manana fironan’ny saina hifandringana, fa misy sakaiza tia, izay mifikitra kokoa noho ny rahalahy aza.” (Ohabolana 18:24, MN; 29:22, MN). Mahafaly fa misy olona maro izay miseho ho tahaka ny Jentilisa sasany tany Antiokia any Pisidia fahiny. Raha vao nahare momba ny fandaharan’i Jehovah ho amin’ny famonjena izy ireo, dia “faly (...) ka nankalaza ny tenin’i Jehovah; ary izay rehetra nanana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tonga mpino.” — Asan’ny apostoly 13:44-48, MN.
“Madio am-po” ireo mpino
3, 4. a) Iza moa ireo madio am-po? b) Ahoana no ahitan’ireo madio am-po an’Andriamanitra?
3 Ireo mpino tany Antiokia dia tonga kristiana vita batisa, ary ireo nahatoky teo anivony dia afaka nampihatra tamin’ny tenany ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra”. (Matio 5:8). Iza anefa ireo “madio am-po”? Ary amin’ny ahoana no ‘ahitany an’Andriamanitra’?
4 Ireo madio am-po dia madio anaty. Ny fahadiovany dia ny fahadiovan’ny fahatakaran-javatra, ny firaiketam-po, ny faniriana ary ny antony manosika. (1 Timoty 1:5). Mahita an’Andriamanitra izy izao satria mandinika azy eo am-panaovan-javatra mba hanasoa ireo mitana tsy fivadihana. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 33:20; Joba 19:26, MN; 42:5.) Ny teny grika nadika eto hoe “mahita” dia midika koa hoe “mahita amin’ny saina, mahazo hevitra, mahafantatra.” Koa satria nanome taratry ny toetran’Andriamanitra tamin’ny fomba tanteraka i Jesosy, ny fahatakarana tsara izany toetra izany dia azon’ireo “madio am-po”, izay maneho finoana an’i Kristy sy ny sorony manavotra amin’ny fahotana, mahazo famelana ny helony ary afaka manolotra fanompoam-pivavahana azo ekena amin’Andriamanitra. (Jaona 14:7-9; Efesiana 1:7). Ho an’ireo voahosotra, ny fahitany an’Andriamanitra dia mahatratra ny fara tampony rehefa atsangana amin’ny maty ho any an-danitra izy ireo ka mahita an’Andriamanitra sy Kristy ara-bakiteny. (2 Korintiana 1:21, 22; 1 Jaona3:2). Azon’ireo madio am-po rehetra atao anefa ny mahita an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahalalana marina sy ny fanompoam-pivavahana madio aminy. (Salamo 24:3, 4; 1 Jaona 3:6; 3 Jaona 11). Manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay any an-danitra na eto an-tany lasa paradisa izy ireo. — Lioka 23:43, MN. 1 Korintiana 15:50-57; 1 Petera 1:3-5.
5. Ahoana ihany no ahafahan’ny olona iray ho tonga mpino sy mpanara-dia marina an’i Jesosy Kristy?
5 Ireo izay tsy manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy ho tonga mpino. Tsy afaka maneho finoana izy ireo. (2 Tesaloniana 3:2). Ambonin’izany, dia tsy misy olona afaka ny ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesosy Kristy raha tsy mety ampianariny izy ary koa raha tsy taomin’i Jehovah, izay mahita ny fo, izany olona izany. (Jaona 6:41-47). Mazava ho azy fa, rehefa mitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mitsara na iza na iza mialoha. Tsy afaka mamaky ny fo izy ireo fa mametraka ny ho fiafaran-javatra eo am-pelatanan’Andriamanitra be fitiavana.
6. a) Inona no nolazaina momba ny fifandraisana manokana eo amin’ny fitoriana isan-trano? b) Fandaharana inona avy no natao mba hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah hahita ireo manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay?
6 Nanamarika tsara toy izao ny manam-pahaizana iray: “Nampianatra ny fahamarinana ampahibemaso sy isan-trano [i Paoly]. Tsy teny amin’ny lampihazo ihany, fa tamin’ny fifandraisana manokana tamin’ny olona tsirairay, dia nitory an’i Kristy izy. Matetika ny fifandraisana manokana amin’ny olona dia mitondra vokatra tsara lavitra noho ny fomba na karazam-panao hafa mba hanatratrarana ny fanahin’ny olona.” (August Van Ryn). Ny zavatra vita an-tsoratra toy ny Manuel pour l’école du ministère théocratique, Comment raisonner à partir des Ecritures sy ny Fanompoantsika ilay Fanjakana dia manampy ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fanaovany lahateny sy ny fampiasany ny fifandraisana manokana amin’ny olona eny amin’ny saha fitoriana amin’ny fomba tsara indrindra. Manampy azy ireo koa ireo fampisehoana atao mandritra ny Fivoriana momba ny asa sy ny torohevitra amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Ireo izay manatrika ny sekoly dia mandray fampiofanana sarobidy raha ny amin’ny toetra takina eo amin’ny fahaiza-miteny toy ny fampidiran-dresaka tsara, ny fampiasana ny Soratra masina amin’ny fomba mety, ny famelabelaran-kevitra mirindra, ny fanaporofoan-kevitra mampiaiky, ny fampiasana fanoharana ary ny famaranan-teny misy vokany. Aoka isika hijery ny fomba ampitomboan’ny Baiboly izany fampianarana izany izay afaka mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hahazo vokatra tsara kokoa eo am-pitadiavany ireo izay manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Fampidiran-dresaka mahatonga ny olona hieritreritra
7. Mampianatra inona momba ny fampidiran-dresaka moa ireo teny fanokafana ny Toriteny teny an-tendrombohitra nataon’i Jesosy?
7 Avy amin’ny ohatr’i Jesosy, dia afaka maka fianarana momba ny fampidiran-dresaka manaitra ny fahalianana ireo izay miomana ho amin’ny fanaovana fanambarana isan-trano. Teo am-panombohany ny Toriteniny teny an-tendrombohitra, izy dia nampiasa ny teny hoe “sambatra” intsivy. Hoy izy, ohatra: “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. (...) Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:3-12, MN). Nivantana sady nazava ireo fehezanteny. Ary azo antoka fa nanaitra ny fahalianana izany fampidiran-dresaka izany ka nahatonga ireo mpihaino ho voakasika, satria iza moa no tsy maniry ny ho sambatra?
8. Eo amin’ny fitoriana isan-trano, ahoana no tokony hampidirana ny foto-dresaka iray?
8 Tokony hampidirina amin’ny fomba manorina sy mahafinaritra izay foto-dresaka rehetra ampiasaina eny amin’ny fitoriana isan-trano. Kanefa tsy tokony hisy hampiasa fampidiran-dresaka tafahoatra toy ny hoe “Manana hafatra ho anao avy any amin’ny habakabaka aho.” Avy any an-danitra tokoa ny fiavian’ny vaovao tsara, kanefa ny fampidiran-dresaka toy izany dia mety hahatonga ny tompon-trano hanontany tena raha tokony horaisina ho zava-dehibe ny hafatr’ilay Vavolombelona na tokony hasaina handeha haingana araka izay azony atao izy.
Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra araka ny izy
9. a) Ahoana no tokony hampidirana, hamakiana ary hampiharana ireo andinin-teny eny am-pitoriana? b) Ohatra inona no tononina eto mba hampisehoana ny nampiasan’i Jesosy fanontaniana?
9 Eny amin’ny saha fitoriana, toy ny rehefa eny amin’ny lampihazo koa, dia tokony hampidirina amin’ny fomba mety ireo andinin-teny, hovakina amin’ny fanovam-peo mifanentana ary hampiharina amin’ny fomba mazava sy marina. Ny fanontaniana izay mahatonga ny tompon-trano hieritreritra momba ireo hevitra araka ny Soratra masina koa dia mety hanampy. Eto indray, dia ahitana fianarana koa ireo fomba nampiasain’i Jesosy. Indray mandeha, dia nisy mpahay ny Lalàn’i Mosesy nanontany azy hoe: “Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Ho valiny, dia nanontany i Jesosy hoe: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?” Tsy misy isalasalana fa fantatr’i Jesosy fa fanontaniana hain’ilay lehilahy valiana io. Ary nanome valiny marina tokoa izy nanao hoe: “‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra’ ary ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.” Izany dia nitarika an’i Jesosy hanao teny fiderana, ary ho vokatr’izany, dia nanaraka ny fifanakalozan-kevitra fanampiny. — Lioka 10:25-37.
10. Inona no tokony hotadidina ao an-tsaina raha ny amin’ny foto-dresaka ampiasain’ny tena, ary inona no tokony hohalavirina rehefa manontany ny tompon-trano isika?
10 Ireo izay manao fanambarana isan-trano dia tokony hampisongadina ny lohahevitr’ilay ny foto-dresaka ary hanao izay hahazava ny antony amakiana ireo andininy ao amin’ny Baiboly izay mamelabelatra ilay foto-kevitra. Koa satria miezaka hanohina ny fon’ilay tompon-trano ilay Vavolombelona, dia tokony hanalavitra ny fampiasana fanontaniana mahasanganehana izy. Rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia ‘aoka ny teninao hahafinaritra mandrakariva, ho mamy sira’. — Kolosiana 4:6, MN.
11. Amin’ny fampiasana ny Soratra masina mba hanitsiana fomba fiheverana diso, dia manana ohatra inona isika avy amin’ny nakan’i Satana fanahy an’i Jesosy?
11 Any amin’ny fiverenana mitsidika indrindra, dia mety hisy hilàna ny hanitsiana fomba fiheverana diso amin’ny fampisehoana izay tena lazain’ny Soratra masina na tena heviny. Nanao zavatra toy izany i Jesosy tamin’ny fanilihana an’i Satana izay niteny hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any [avy teny amin’ny tafontranon’ny tempoly, toy ny rehefa hamono tena]; fa voasoratra hoe: ‘Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao’.” Ny Salamo 91:11, 12, notononin’i Satana eto, dia tsy manamarina ny fanaovana izay hahatandindomin-doza ny ain’ny tena, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. Takatr’i Jesosy fa tsy mety ny maka fanahy an’i Jehovah amin’ny fanaovana vy very tsy amin’ny antony ny ain’ny tena, ka hoy izy tamin’i Satana: “Voasoratra hoe koa: ‘Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao’.” (Matio 4:5-7). Mazava ho azy fa tsy mpitady ny fahamarinana i Satana. Kanefa, rehefa maneho fomba fiheverana diso izay hisakana ny fandrosoany ara-panahy ny olona azo iresahana tsara, ilay mpitory ny Tenin’Andriamanitra dia tokony hampiseho amim-pahaiza-mandanjalanja izay tena lazain’ny Soratra masina sy izay tena heviny. Izany dia anisan’ny ‘fampiasana ny tenin’ny fahamarinana araka ny izy’ — dia ny iray amin’ireo lesona lehibe ampianarina amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. — 2 Timoty 2:15, MN.
Manana ny toerany ny fandresen-dahatra
12, 13. Nahoana no mety ny mampiasa fandresen-dahatra eny am-pitoriana?
12 Manana ny toerany manokana eo amin’ny fanompoana kristiana ny fandresen-dahatra. Ohatra, i Paoly dia nampirisika an’i Timoty mpiara-miasa taminy mba haharitra tamin’izay zavatra nianarany sady “nandresen-dahatra azy mba hinoany”. (2 Timoty 3:14, MN). Tany Korinto i Paoly dia “nanao lahateny isan-tsabata tao amin’ny synagoga ka nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika.” (Asan’ny apostoly 18:1-4, MN). Tany Efesosy izy dia ‘nanao lahateny maro ka nampiasa fahaiza-mandresy lahatra momba ny fanjakan’Andriamanitra’ tamim-pahombiazana. (Asan’ny apostoly 19:8, MN). Ary fony tao an-trano nitanana azy tany Roma ilay apostoly dia nampiantso ny olona ho eo aminy ka nanao fanambarana taminy, “tamin’ny fampiasana fahaiza-mandresy lahatra”, ka tonga mpino ny sasany. — Asan’ny apostoly 28:23, 24, MN.
13 Na manao ahoana na manao ahoana fiezahana handresy lahatra mety hataon’ny Vavolombelona iray, dia ireo izay manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay ihany no ho tonga mpino. Mety handresy lahatra azy ireo mba ho tonga mpino ireo fanaporofoan-kevitra mampiaiky sy ireo fanazavana mazava aseho amim-pahaiza-mandanjalanja. Zavatra hafa inona anefa no hanampy mba handresena lahatra azy?
Mahaiza mandrindra hevitra sy mampiaiky
14. a) Mahafaoka inona ny famelabelaran-kevitra mirindra sy mifanaraka? b) Mitaky inona ny fanaporofoan-kevitra mampiaiky?
14 Ny iray amin’ireo toetra takina eo amin’ny fahaiza-miteny ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika dia ny famelabelaran-kevitra mirindra sy mifanaraka. Izany dia mahafaoka ny fametrahana ireo hevi-dehibe rehetra sy ireo fanazavana mifandray aminy amin’ny filaharana azo ekena. Zava-dehibe koa ny fanaporofoan-kevitra mampiaiky, izay mitaky ny hametrahana fototra tsara sy ny hanomezana porofo azo antoka. Mitovy amin’izany ny fanampiana ireo mpihaino hanjohy hevitra amin’ny fihazonana hevitra iombonana, amin’ny famelabelarana ireo hevitra amin’ny fomba mahafa-po ary amin’ny fampiharana azy ireo amin’ny fomba mandaitra. Eto indray, dia manolotra torolalana koa ny Soratra masina.
15. a) Tamin’ny ahoana i Paoly no nisarika sy nitana ny saina sady nametraka hevitra iombonana rehefa niteny teo amin’ny Havoanan’i Marsa izy? b) Tao amin’ny lahatenin’i Paoly, manana porofo inona isika raha ny amin’ny famelabelaran-kevitra mirindra sy mifanaraka?
15 Ireo toetra takina eo amin’ny fahaiza-miteny ireo dia miharihary ao amin’ilay lahateny malaza nataon’ny apostoly Paoly teo amin’ny Havoanan’i Marsa tany Atena fahizay. (Asan’ny apostoly 17:22-31). Nisarika sy nitana ny saina sady nametraka hevitra iombonana iray ny fampidiran-dresaka nataony, satria hoy izy: “Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo.” Ho azy ireo, dia tsy isalasalana fa toa teny fiderana izany. Rehefa avy nanonona ny amin’ny alitara iray izay natao “ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra” i Paoly dia nanohy tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra nirindra sy nifanaraka ary ny fanaporofoan-kevitra nampiaiky. Nohazavainy fa io Andriamanitra tsy fantany io dia “nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra”. Tsy toa an’i Atena sy ireo andriamanitra grika hafa izy fa “tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana, sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona”. Manaraka izany, dia nasehon’ilay apostoly fa io Andriamanitra io dia nanome aina antsika ary tsy mamela antsika hitsapatsapa an-jambany mba hahitana azy. Avy eo i Paoly dia nanjohy hevitra fa ny Mpamorona antsika, izay ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana nanompoan-tsampy, dia ‘mandidy ny olona rehetra hatraiza hatraiza hibebaka’. Izany dia mitarika araka ny fandrindran-kevitra ho amin’ny fanazavana fa ‘Andriamanitra dia hitsara ny mponina rehetra amin’ny tany amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny ary natsangany tamin’ny maty’. Koa satria i Paoly ‘nitory an’i Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty’, ireo Ateniana dia nahafantatra fa io Mpitsara io dia ho i Jesosy Kristy. — Asan’ny apostoly 17:18.
16. Amin’ny ahoana no itondran’ny lahatenin’i Paoly teo amin’ny Havoanan’i Marsa sy ny fampiofanana amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika vokatra amin’ny fanompoana ataon’ny tena?
16 Marina aloha fa tsy nitory isan-trano teny amin’ny Havoanan’i Marsa i Paoly. Kanefa avy amin’io lahateniny io sy ny fampiofanana azon’izy ireo any amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka mianatra zavatra betsaka izay hanome vidiny ny asa fitoriany. Eny, izany rehetra izany dia manampy azy ireo ho mpitory teny mahazo vokatra tsara kokoa, dia tahaka ny nandresen’i Paoly lahatra ny sasany tamin’ireo Ateniana ho tonga mpino tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra nirindra sy ny fanaporofoan-kevitra nampiaiky. — Asan’ny apostoly 17:32-34.
Mampiasà fanoharana ahitana fianarana
17. Karazana fanoharana inona no tokony hampiasaina eny amin’ny fitoriana?
17 Ny Sekolin’ny fanompoana teokratika koa dia manampy ireo mpanompon’Andriamanitra hampiasa fanoharana tsara eo amin’ny fanaovany fanambarana isan-trano sy amin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoany. Mba hampisongadinana ireo hevi-dehibe, dia tokony hampiasaina ny fanoharana tsotra izay voafantina tsara. Tokony haka azy ireny avy amin’ny tarehin-javatra mahazatra ilay Vavolombelona ary hitandrina mba hampahazava tsara ny fampiharana azy. Nahafeno ireo fepetra takina rehetra ireo ny fanoharana rehetra nampiasain’i Jesosy.
18. Amin’ny ahoana no mety hanampian’ny Matio 13:45, 46 eny amin’ny fitoriana?
18 Diniho, ohatra, ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa [perla, MN] [tsara dia tsara, MN]; ary rehefa nahita vato soa [perla, MN] iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.” (Matio 13:45, 46). Ny perla dia vatosoa sarobidy hita ao anatin’ny akoran’ny sifodranomasina sy ny an’ny biby manana tena malemy (mollusques) hafa. Ny perla sasany ihany anefa no “tsara dia tsara”. Nanana ny fahaiza-manavaka nilaina mba hankasitrahana ny vidiny tsy manan-tsahalan’ity perla iray ity ilay mpandranto ka vonona ny hamoy ny zavatra hafa rehetra mba hahazoana azy. Angamba mandritra ny fiverenana mitsidika na ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano iray, dia ho azo ampiasaina io fanoharana io mba hampisehoana fa ny olona iray izay mankasitraka marina ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanao zavatra toy ny nataon’io mpandranto io. Ny olona toy izany dia hanome ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany ho an’ilay Fanjakana, noho ny fahatakarany fa mendrika ny hanaovana ny sorona rehetra izy io.
Farano amin’ny fanomezana antony manosika hanao zavatra
19. Eny amin’ny fitoriana isan-trano, tokony hampiseho inona amin’ny tompon-trano ireo famaranan-teny atao?
19 Ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ny vahoakan’Andriamanitra koa dia mianatra fa tokony hanana fifandraisana mivantana amin’ny lohahevitr’ilay lahateny na ny an’ilay fifanakalozan-kevitra ny famaranan-teny ary tokony hampiseho amin’ny mpihaino izay tokony hatao sy hampirisika azy hanao izany. Eo amin’ny fitoriana isan-trano, dia mila ny hampisehoana aminy amin’ny fomba hentitra ny lalana antenaina fa harahiny ny tompon-trano, toy ny fandraisana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly na ny fanekena fiverenana mitsidika.
20. Manana ohatra tsara dia tsara inona isika ao amin’ny Matio 7:24-27 raha ny amin’ny famaranan-teny manosika hanao zavatra?
20 Ny famaranan-tenin’ny Toritenin’i Jesosy teny an-tendrombohitra dia manome ohatra tsara dia tsara. Tamin’ny alalan’ny fanoharana mora azo iray, i Jesosy dia nampiseho fa ho ny lalan’ny fahendrena ny fanarahana ny teniny. Namarana toy izao izy: “Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy. Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.” (Matio 7:24-27). Endrey ny fampisehoan’izany amin’ny fomba tsara fa tokony hiezaka hanome antony manosika hanao zavatra ny tompon-trano ireo mpanompon’Andriamanitra!
21. Inona no nasehon’ny famelabelarana nataontsika, nefa inona no tsy maintsy ekena?
21 Ireo hevitra voalaza teo aloha ireo dia mampiseho fa afaka manampy olona maro ho tonga mpitory ilay Fanjakana mahafeno fepetra ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Mazava ho azy aloha fa ny mahatonga antsika hahafeno fepetra tsara dia avy amin’Andriamanitra voalohany indrindra. (2 Korintiana 3:4-6, MN). Ary na manao ahoana na manao ahoana ny mety hahafenoan’ilay mpitory teny fepetra, dia tsy misy afaka mandresy lahatra olona ho tonga mpino raha tsy taomin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy izy ireo. (Jaona 14:6). Kanefa, ny vahoakan’Andriamanitra dia azo antoka fa tokony hanararaotra amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy rehetra nataon’i Jehovah eo am-pitadiavan’izy ireo izay manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ahoana no havalinao?
◻ Iza moa ireo “madio am-po”, ary ahoana no ‘ahitany an’Andriamanitra’?
◻ Lafin-javatra inona avy no tokony hodinihina rehefa mampidi-dresaka mitondra ny hafatr’ilay Fanjakana eo amin’ny fitoriana isan-trano?
◻ Amin’ny ahoana no ahafahana mampiasa ny Tenin’Andriamanitra araka ny izy?
◻ Inona no hanampy mba hanaovana fampisehoana mirindra sy mampiaiky eny amin’ny saha fitoriana?
◻ Inona no tokony hotadidina raha ny amin’ireo fanoharana ampiasaina eny amin’ny fanompoana?
◻ Inona no tokony hotanterahin’ny famaranan-teny ampiasaina eny amin’ny fanaovana fanambarana?
[Sary, pejy 16]
Nilaza i Jesosy fa “ny madio am-po” dia “hahita an’Andriamanitra”. Inona no hevitr’izany?
[Sary, pejy 18]
Ireo andinin-teny dia tokony hampidirina amin’ny fomba mety, hovakina amin’ny fanovam-peo mifanentana, ary hampiharina amin’ny fomba mazava sy marina.