Ray Sady Loholona — Fanatanterahana Ireo Anjara Asa Roa Ireo
“Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, [ahoana no hikarakarany ny kongregasionan’Andriamanitra?, NW ]” — 1 TIMOTY 3:5.
1, 2. a) Tamin’ny taonjato voalohany, ahoana no nahafahan’ireo mpiandraikitra mpitovo sy mpiandraikitra nanambady fa tsy nanan-janaka, nanompo ireo rahalahiny? b) Amin’ny ahoana i Akoila sy i Prisila no ohatra ho an’ireo mpivady maro amin’izao andro izao?
IREO mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, dia nety ho mpitovo, na lehilahy nanambady fa tsy nanan-janaka, na raim-pianakaviana. Tsy isalasalana fa afaka nanaraka ilay torohevitra nomen’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, toko faha-7, mba hitoetra ho mpitovo, ny sasany tamin’ireny Kristiana ireny. Efa nilaza toy izao i Jesosy: “Misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 19:12). Ny mpitovo toy izany, tahaka an’i Paoly sy angamba ny sasany tamin’ireo namany mpitety faritany, dia afaka nanao dia lavitra mba hanampiana ireo rahalahiny.
2 Tsy milaza ny Baiboly na mpitovo ry Barnabasy sy Marka sy Silasy sy Lioka sy Timoty ary Titosy, na tsia. Raha nanambady izy ireo, dia niharihary fa afaka tamin’ny fetra ampy tamin’ny andraikiny ara-pianakaviana, mba hahafahany hanao dia lavitra tamin’ireo fanendrena maro samihafa. (Asan’ny Apostoly 13:2; 15:39-41; 2 Korintiana 8:16, 17; 2 Timoty 4:9-11; Titosy 1:5). Nety ho niaraka tamin’ny vadiny izy ireo, tahaka an’i Petera sy “ny Apostoly sasany”, izay toa nitondra ny vadiny niaraka taminy fony izy nandeha nitety toerana. (1 Korintiana 9:5). I Akoila sy i Prisila dia ohatra iray ny amin’ny mpivady izay vonona ny hifindrafindra toerana, tamin’ny fanarahana an’i Paoly avy tao Korinto nankany Efesosy, avy eo dia nifindra tany Roma, ary niverina indray tany Efesosy. Tsy milaza ny Baiboly raha nanan-janaka izy ireo na tsia. Ny fanompoana feno fandavan-tena nataon’izy ireo ho an’ireo rahalahiny, dia nahazoany ny fankasitrahan’ny ‘[kongregasiona, NW ] rehetra tany amin’ny jentilisa’. (Romana 16:3-5; Asan’ny Apostoly 18:2, 18; 2 Timoty 4:19). Amin’izao andro izao, dia misy mpivady maro izay tahaka an’i Akoila sy i Prisila, afaka manompo any amin’ny kongregasiona hafa, angamba amin’ny fifindrana any amin’izay ilana fanampiana kokoa.
Ray sady loholona
3. Inona no toa mampiseho fa lehilahy nanambady aman-janaka ny loholona maro tamin’ny taonjato voalohany?
3 Hita fa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ny ankamaroan’ireo loholona kristiana dia lehilahy nanambady aman-janaka. Rehefa nilaza ireo fepetra takina amin’ny lehilahy iray “maniry ny asan’ny [mpiandraikitra, NW ]” i Paoly, dia nanambara fa izany Kristiana izany dia tokony ‘hanapaka tsara ny ankohonany, hampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana rehetra’. — 1 Timoty 3:1, 4.
4. Inona no notakina tamin’ireo loholona nanambady aman-janaka?
4 Araka ny efa hitantsika, dia tsy notakina tamin’ny mpiandraikitra ny hananany zanaka, na ny hananany vady akory aza. Kanefa, raha nanambady ny Kristiana iray, mba hahafenoany ireo fepetra hahatongavana ho loholona, na ho mpanampy amin’ny fanompoana, dia tsy maintsy nampihatra ny maha-loha araka ny mety sy tamim-pitiavana tamin’ny vadiny izy, ary nampiseho fa hainy ny nampanaiky ireo zanany, araka ny tokony ho izy. (1 Korintiana 11:3; 1 Timoty 3:12, 13). Izay nety ho fahalemena lehibe teo amin’ny fitantanana ny ankohonany dia nahatonga ny rahalahy iray tsy hahafeno fepetra ho amin’ny tombontsoa manokana ao amin’ny kongregasiona. Nahoana? Manazava toy izao i Paoly: “Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, [ahoana no hikarakarany ny kongregasionan’Andriamanitra?, NW ]” (1 Timoty 3:5). Raha tsy vonona hanaiky ny fiandraiketany ireo anisan’ny fianakavian’ny tenany, ahoana no ho fihetsiky ny hafa?
“Manana zanaka mino”
5, 6. a) Inona no zavatra notakina momba ny zanaka, nolazain’i Paoly tamin’i Titosy? b) Inona no antenaina amin’ireo loholona manan-janaka?
5 Fony nanome toromarika an’i Titosy mba hanendry mpiandraikitra tao amin’ireo kongregasionan’i Kreta i Paoly, dia namaritra toy izao: “Raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manam-bady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. Fa ny [mpiandraikitra, NW ] dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’Andriamanitra”. Fa inona marina no tiana holazaina amin’ny hoe “manana zanaka mino”? — Titosy 1:6, 7.
6 Ilay fitenenana hoe “zanaka mino” dia manondro tanora izay efa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ary vita batisa, na tanora izay mandroso ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Antenain’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona fa ho hendry sy hankato amin’ny ankapobeny, ireo zanaka loholona. Tokony hiharihary fa manao izay rehetra azony atao ny loholona mba hampiorenana ny finoana ao amin’ny zanany. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6). Kanefa ahoana raha mandà tsy hanompo an’i Jehovah, na manao fahadisoana lehibe mihitsy aza ny tanora iray izay nahazo fampiofanana toy izany?
7. a) Nahoana no miharihary fa tsy manambara fitsipika hentitra ny Ohabolana 22:6? b) Raha mifidy ny tsy hanompo an’i Jehovah ny zanaka loholona iray, nahoana io loholona io no tsy hamoy avy hatrany ireo tombontsoany?
7 Miharihary fa tsy manambara fitsipika hentitra iray akory io ohabolana voalaza etsy ambony io. Tsy manafoana ilay fotopoto-pitsipika momba ny safidy malalaka izy io. (Deoteronomia 30:15, 16, 19). Rehefa tonga amin’ny taona handraisany andraikitra ny zanakalahy na ny zanakavavy iray, dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra manokana izy, mahakasika ny fanoloran-tena sy ny batisa. Raha hita mazava fa nanome ny fanampiana sy ny tari-dalana ara-panahy ary ny fifehezana nilaina ny loholona iray, fa ilay tanora kosa no tsy mifidy ny hanompo an’i Jehovah, dia tsy hoe tsy mahafeno fepetra avy hatrany mba hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra ilay ray. Etsy an-danin’izany, raha manan-janaka maromaro tsy ampy taona ao an-tokantranony ny loholona iray, ary mifandimby marary ara-panahy sy tafiditra amin’ny fahasahiranana izy ireo, dia mety hoheverina fa tsy “manapaka tsara ny ankohonany” intsony izy. (1 Timoty 3:4). Ny hevi-dehibe amin’izany dia izao: Tokony hiharihary fa ny mpiandraikitra iray dia manao izay tsara indrindra mba hananana “zanaka mino izay tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra”.a
Manambady “tsy mino”
8. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny loholona iray amin’ny vadiny tsy mpino?
8 Mahakasika ireo lehilahy kristiana manambady tsy mpino, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. (...) Fa (...) ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy. Fa (...) ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjena ny vadinao, na tsia?” (1 Korintiana 7:12-14, 16). Ilay teny hoe “tsy mino” eto dia tsy manondro vehivavy iray tsy manan-javatra ara-pivavahana inoana, fa manondro kosa vehivavy iray tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nety ho Jiosy izy io, na olona nino ireo andriamanitra sampy. Amin’izao andro izao, ny loholona iray dia mety ho manambady vehivavy izay manaraka fivavahana hafa, na misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra, na tsy mino an’Andriamanitra mihitsy aza. Raha vonona hiara-mitoetra aminy izany vehivavy izany, dia tsy tokony hialany izy noho ireo zavatra inoana tsy mitovy fotsiny. Mbola tokony ‘hitoetra aminy araka ny marina ihany izy, hanaja azy tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana’, amin’ny fanantenana ny hamonjy azy. — 1 Petera 3:7; Kolosiana 3:19.
9. Any amin’ny tany izay anomezan’ny lalàna ho an’ny mpivady, ny zo hanao izay handraisan’ny zanany an’ireo zavatra ara-pivavahana inoan’izy ireo avy, ahoana no tokony ho fihetsiky ny loholona iray, ary amin’ny ahoana izany no hisy fiantraikany eo amin’ny tombontsoany?
9 Raha manan-janaka ny mpiandraikitra iray, dia hampihatra ny maha-loha araka ny mety izy, amin’ny maha-vady sady ray azy, ka hitaiza azy ireo “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ). Any amin’ny tany maro, ny lalàna dia manome ho an’ny mpivady ny zo hanolotra fampianarana ara-pivavahana ho an’ny zanak’izy ireo. Amin’izay, ilay vehivavy dia mety hitaky ny zony hanao izay handraisan’ireo ankizy ny zavatra inoany sy ny fanaony ara-pivavahana, izay mety hahatafiditra ny fitondrany azy ireo any am-piangonany.b Mazava ho azy, fa tokony hanaraka ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly ireo ankizy raha ny amin’ny tsy fandraisana anjara amin’ireo fombafomba ara-pivavahan-diso. Amin’ny maha-loham-pianakaviana azy, ilay ray dia hampihatra ny zony manokana mba hiara-mianatra amin’ireo zanany sy hitondra azy ireny hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa azo atao izany. Rehefa ho tonga amin’ny taona hahafahany handray fanapahan-kevitra manokana izy ireny, dia ny tenany ihany no hanapa-kevitra ny amin’izay lalana harahiny. (Josoa 24:15). Raha hitan’ireo loholona tahaka azy sy ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona fa manao izay rehetra avelan’ny lalàna ataony izy mba hampianarana ny zanany araka ny tokony ho izy ao amin’ny lalan’ny fahamarinana, dia tsy hoe tsy hahafeno fepetra mba hahatongavana ho loholona izy akory.
‘Manapaka tsara ny ankohonany’
10. Raha loholona ny raim-pianakaviana iray, inona no ho adidiny voalohany?
10 Na dia ho an’ny loholona iray izay sady ray no manana vady kristiana tahaka azy aza, dia tsy asa mora ny fitsinjarana araka ny tokony ho izy ny fotoanany sy ny fiheverany, amin’ireo vady aman-janany sy ireo andraikiny ao amin’ny kongregasiona. Tena mazava ny Soratra Masina raha ny amin’ny hoe ny ray kristiana dia manana adidy hikarakara ireo vady aman-janany. Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Tao amin’io taratasy io ihany i Paoly dia nilaza fa ireo lehilahy nanambady izay efa nampiseho ny tenany ho vady sady ray tsara ihany no tokony hatolotra mba hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra. — 1 Timoty 3:1-5.
11. a) Eo amin’ny lafiny inona avy ny loholona no tokony ‘hamelona ny azy’? b) Amin’ny ahoana izany no afaka manampy ny loholona hiatrika ireo andraikiny ao amin’ny kongregasiona?
11 Ny loholona dia tokony ‘hamelona’ ny azy, tsy amin’ny lafiny ara-nofo ihany, fa amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pihetseham-po koa. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Amboary ny asanao any ivelany, ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; ka rehefa izany, dia [tsy maintsy mampiorina ny ankohonanao, NW ] hianao.” (Ohabolana 24:27). Noho izany, ny mpiandraikitra dia sady manolotra izay ilain’ireo vady aman-janany amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-pihetseham-po ary ara-pialam-boly, no tokony hampiorina azy ireo koa amin’ny lafiny ara-panahy. Mitaky fotoana izany — fotoana izay tsy ho azony atokana ho an’ny raharahan’ny kongregasiona. Izany anefa dia fotoana mety hahazoana valisoa tondraka eo amin’ny fahasambarana sy ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana. Rehefa mandeha ny fotoana, raha matanjaka amin’ny lafiny ara-panahy ny fianakaviany, dia mety ho fotoana kely kokoa no hilain’ilay loholona holanina mba hikarakarana ireo zava-manahirana ara-pianakaviana. Izany dia hanome azy fahafahana bebe kokoa mba hikarakarana ireo raharahan’ny kongregasiona. Handraisan’ny kongregasiona soa ara-panahy ny ohatra omeny amin’ny maha-vady tsara sy ray tsara azy. — 1 Petera 5:1-3.
12. Amin’ny raharaham-pianakaviana inona no tokony hanomezan’ny ray sady loholona, ohatra tsara dia tsara?
12 Ny hoe manapaka tsara ny ankohonana, dia mahatafiditra ny fandaharana fotoana mba hitarihana ny fianaram-pianakaviana. Tena zava-dehibe indrindra ny hanomezan’ny loholona ohatra tsara amin’io lafiny io, satria ireo fianakaviana matanjaka dia mahatonga kongregasiona matanjaka. Tsy tokony ho fenon’ireo tombontsoam-panompoana hafa, amin’ny fomba tsy tapaka, ny fotoanan’ny mpiandraikitra, hany ka tsy hanam-potoana hiaraha-mianatra amin’ireo vady aman-janany, izy. Raha izany no mitranga, dia tokony hodinihiny indray ny fandaharam-potoanany. Mety ho voatery handamina indray ny fandaharam-potoanany izy na hampihena ny fotoana atokany ho an’ireo raharaha hafa izy, na handa tombontsoa sasany mihitsy aza, indraindray.
Fiandraiketana voalanjalanja
13, 14. Inona no torohevitra nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ho an’ny loholona izay raim-pianakaviana?
13 Tsy zava-baovao akory ny torohevitra ny amin’ny hampifandanjana ireo andraikitra ara-pianakaviana sy ny an’ny kongregasiona. Hatramin’ny taona maro “ny mpanompo mahatoky sy malina” dia nanome torohevitra an’ireo loholona momba io raharaha io. (Matio 24:45, NW ). Maherin’ny 37 taona lasa izay, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Septambra 1959, pejy faha-553 sy 554, dia nanoro hevitra toy izao: “Moa ve izy io, raha ny marina, tsy raharaha mahakasika ny fampifandanjana ireo fitakiana rehetra atao amin’ny fotoanantsika ireo? Amin’izany fahaiza-mandanjalanja izany, dia aoka homena ny lanja sahaza azy ny tombontsoan’ny fianakavianao manokana. Azo inoana fa i Jehovah Andriamanitra dia tsy manantena ny hampiasan’ny lehilahy iray ny fotoanany rehetra amin’ny asan’ny kongregasiona, amin’ny fanampiana ireo rahalahiny sy mpiara-belona aminy mba hahazo famonjena, kanefa tsy hikarakara ny famonjena ny ankohonan’ny tenany manokana. Ny vady aman-janany no andraikitry ny lehilahy voalohany indrindra.”
14 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1987, pejy faha-22, dia nanoro hevitra toy izao: “Hanamafy ny fatoranareo ny fitoriana miaraka amin’ny fianakaviana. Kanefa, ny ilain’ireo zanakao manokana dia mitaky ny hanomezanao azy ireny amin’ny fotoananao sy ny firaiketam-ponao. Noho izany antony izany, dia ilaina ny maneho fahaiza-mandanjalanja mba hamerana ny hoe fotoana toy inona no azonao atokana (...) amin’ireo andraikitrao eo anivon’ny kongregasiona, mba hahafahana hikarakara koa ‘ny ankohonanao’ eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-piraiketam-po sy ara-nofo. [Ny Kristiana] dia tokony ‘hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony aloha’. (1 Timoty 5:4, 8).”
15. Nahoana no mila fahendrena sy fahaiza-manavaka ny loholona manambady aman-janaka?
15 Milaza toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Soratra Masina: “Fahendrena no anaovana trano; ary [fahaiza-manavaka, NW ] no mampaharitra azy”. (Ohabolana 24:3). Eny, mba hanatanterahan’ny mpiandraikitra iray ireo adidiny teokratika ary koa hampiorenana ny ankohonany, dia azo inoana tanteraka fa mila fahendrena sy fahaiza-manavaka izy. Araka ny Soratra Masina, dia manana saha fiandraiketana mihoatra ny iray izy. Tafiditra amin’izany ny fianakaviany sy ireo andraikiny ao amin’ny kongregasiona. Mila fahaiza-manavaka izy mba hihazonana fahaiza-mandanjalanja eo amin’ireo zavatra ireo. (Filipiana 1:9, 10, NW ). Mila fahendrena izy mba hamerana ireo laharam-pahamehana. (Ohabolana 2:10, 11). Kanefa, na dia mety hahatsapa ho tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny tombontsoany ao amin’ny kongregasiona aza izy, dia tokony ho takany fa amin’ny maha-vady sady ray azy, dia ny fikarakarana sy ny famonjena ny fianakaviany no andraikitra voalohany nomen’Andriamanitra azy.
Sady ray tsara no loholona tsara koa
16. Inona no tombony ananan’ny loholona iray raha ray koa ny tenany?
16 Mety ho tena harena ny loholona izay manan-janaka hendry. Raha nianatra nikarakara tsara ny fianakaviany izy, dia ho tsara toerana mba hanampy fianakaviana hafa ao amin’ny kongregasiona. Ho takany tsara kokoa ny zava-manahirana azy ireny, ary ho azony atao ny hanome torohevitra izay hahitana taratry ny zavatra niainan’ny tenany manokana. Mahafaly ny fisian’ireo loholona an’arivony maro, manerana ny tany, izay mahavita zavatra tsara dia tsara amin’ny maha-vady sady ray ary mpiandraikitra, azy ireo.
17. a) Inona no tsy tokony hohadinoin’ny lehilahy izay sady ray no loholona mihitsy? b) Ahoana no tokony hampisehoan’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa?
17 Mba hahatongavana ho loholona, ny raim-pianakaviana iray dia tsy maintsy ho Kristiana matotra izay, sady mikarakara ny vady aman-janany no afaka mandamina ny raharahany koa, mba hahafahany hanokana fotoana sy fiheverana ho an’ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Tsy tokony hohadinoiny mihitsy fa ny asan’ny mpiandry ataony, dia manomboka ao an-tokantrano. Noho ny fahafantaran’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona fa manana andraikitra amin’ny fianakaviany sy amin’ireo adidiny ao amin’ny kongregasiona ny loholona manambady aman-janaka, dia hiezaka izy mba tsy hitaky be loatra amin’ny fotoanan’izy ireo. Ohatra, ny loholona izay manan-janaka tsy maintsy handeha hianatra ny ampitso maraina, dia mety tsy ho afaka hijanona ela aorian’ireo fivoriana amin’ny takariva. Tokony hahatakatra izany ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona ka haneho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. — Filipiana 4:5, NW.
Tokony homentsika voninahitra ireo loholona eo amintsika
18, 19. a) Namela antsika hahatakatra ny amin’inona ny fandinihantsika ny 1 Korintiana, toko faha-7? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny lehilahy kristiana toy izany?
18 Ny fandinihantsika ny toko faha-7 amin’ny taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana, dia namela antsika hahita fa, noho ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly, dia misy mpitovo maro mampiasa ny fahafahany mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Misy koa rahalahy an’arivony maro manambady fa tsy manan-janaka izay, sady manome ny fiheverana sahaza ho an’ny vadiny no manompo amin’ny maha-mpiandraikitra tsara dia tsara azy, ao amin’ny distrika sy ny fizaran-tany sy ny kongregasiona ary any amin’ireo sampan’ny Watch Tower, noho ny fiaraha-miasa mendri-piderana avy amin’ny vadin’izy ireo. Farany, any amin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah efa miisa 80 000, dia ao ireo ray maro izay tsy vitan’ny hoe mikarakara amim-pitiavana ireo vady aman-janany, fa manokana fotoana koa mba hanompoana ireo rahalahiny amin’ny maha-mpiandry be fiahiana azy ireo. — Asan’ny Apostoly 20:28.
19 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.” (1 Timoty 5:17). Eny, ireo loholona izay manapaka amin’ny fomba tsara dia tsara ao amin’ny tokantranony sy ao amin’ny kongregasiona, dia mendrika ny fitiavantsika sy ny fanajantsika. Tokony ‘hanome voninahitra izay olona tahaka izany’ marina tokoa isika. — Filipiana 2:29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1978, pejy 31-32.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Aogositra 1961, pejy 251, 256.
Ho Famerenana
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa raim-pianakaviana ny loholona maro tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
◻ Inona no takina amin’ny loholona manambady aman-janaka, ary nahoana?
◻ Inona no tiana holazaina amin’ny hoe manana “zanaka mino”, kanefa ahoana raha tsy mifidy ny hanompo an’i Jehovah ny zanaka loholona iray?
◻ Amin’ny lafiny inona avy ny loholona no tokony ‘hamelona ny azy’?
[Sary, pejy 23]
Ireo fianakaviana matanjaka dia mahatonga kongregasiona matanjaka koa