TOKO 3
“Manetry Tena Am-po Aho”
1-3. Ahoana no fomba nidiran’i Jesosy tao Jerosalema, ary nahoana izany no mety ho nahagaga ny olona sasany?
TSINDRIAN-DAONA ny mponina eran’i Jerosalema. Hisy olona ambony ho avy mantsy! Nitangorona teny an-tsisin-dalana ny olona teny ivelan’ny tanàna. May erỳ izy ireo hitsena an’io lehilahy io, satria mpandova an’i Davida Mpanjaka, hono, izy io sady manana ny zo ho Mpitondra ny Israely. Maromaro no nitondra sampana palmie mba hahofahofa hiarahabana azy. Ny hafa namelatra akanjo sy sampan-kazo teny amin’ny arabe, mba hampitovy tantana ny lalana hodiaviny. (Matio 21:7, 8; Jaona 12:12, 13) Azo inoana fa maro no nanontany tena hoe hanao ahoana ny fidirany ao an-tanàna.
2 Nisy angamba nanantena fa hiditra tao Jerosalema amin’ny fomba manetriketrika izy. Azo antoka fa efa ren’izy ireo hoe nisy olona ambony nanao toy izany. Rehefa nanao ny tenany ho mpanjaka, ohatra, i Absaloma zanak’i Davida, dia nasiany lehilahy mpihazakazaka 50 nialoha lalana ny kalesiny. (2 Samoela 15:1, 10) Nanao fihetsiketsehana be noho izany aza i Jules César, filoha romanina, indray mandeha. Nasiany filaharam-be tao an-tanàna noho ny fandresen’ny tafiny. I César no nitarika ary nasiany elefanta 40, izay samy nilanja jiro be, teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay filaharana, mandra-pahatongan’izy ireo tany amin’ny lapan’ny antenimieran-doholona romanina! Olona ambony lavitra noho izy anefa ilay nandrasan’ny vahoaka tao Jerosalema. Na fantatr’izy ireo na tsia, dia io no Mesia, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Mety ho gaga anefa ny sasany, rehefa nahatazana an’io lehilahy ho lasa Mpanjaka io.
3 Tsy nahita kalesy izy ireo, na mpihazakazaka, na soavaly, mainka moa fa elefanta. Ampondra kosa no nitaingenan’i Jesosy, izany hoe biby mpitondra entana sy tsy mba misy mampiavaka azy.a Tsy mba nahitana lamba mirenty teny aminy, na teo ambonin’ilay ampondra. Tsy lasely lafo vidy koa no teo an-damosin’izy io, fa akanjo vitsivitsy napetrak’ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Nahoana i Jesosy no niditra tao Jerosalema tamin’izany fomba tsotra izany, nefa ny olona ambony sasany izay mbola ambany lavitra noho izy aza, tsy nanaiky raha tsy niditra tao an-tanànany tamin’ny fomba nanetriketrika?
4. Inona no efa nolazaina mialoha tao amin’ny Baiboly, momba ny fomba hidiran’ny Mesia Mpanjaka ao Jerosalema?
4 Nanatanteraka an’ity faminaniana ity i Jesosy tamin’izay: “Mifalia! ... Manaova horakora-pandresena, ry Jerosalema zanakavavy ô! Iny tonga atỳ aminao iny ny mpanjakanao. Manao ny marina izy sady mamonjy. Manetry tena izy ka mitaingina ampondra. Zanak’ampondra no taingenany, dia zanaky ny ampondravavy.” (Zakaria 9:9) Nasehon’io faminaniana io fa indray andro any ilay Mesia, na Voahosotr’Andriamanitra, dia hampahafantatra amin’ny mponin’i Jerosalema fa izy ilay Mpanjaka notendren’Andriamanitra. Ho hita amin’ny fomba hampisehoany an’izany fahefana izany sy ilay biby hofidiny koa ny toetra tsara iray, izay latsa-paka tao am-pony. Tsy inona izany fa ny fanetren-tena.
5. Nahoana no tena manohina ny fo ny fanetren-tenan’i Jesosy, ary nahoana isika no tena mila mianatra manetry tena toa azy?
5 Anisan’ny toetran’i Jesosy manintona indrindra ny fanetren-tenany. Tena manohina ny fo izy io. Hitantsika tao amin’ilay toko teo aloha, fa i Jesosy irery ihany no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.” (Jaona 14:6) Noho izany, dia tsy misy ambony noho ny Zanak’Andriamanitra amin’ireo olona an’arivony tapitrisa niaina teto an-tany. Tsy nisy hambom-po na avonavona mihitsy anefa tao aminy na dia kely aza, ary tsy nanambony tena toy ny olona maro tsy lavorary izy. Mora resin’ny hambom-po isika, nefa mila miady amin’izany raha te ho mpanara-dia an’i Kristy. (Jakoba 4:6) Tadidio fa halan’i Jehovah ny avonavona. Tena mila mianatra manetry tena toa an’i Jesosy àry isika.
Efa hatry ny ela izy no nanetry tena
6. Inona no atao hoe manetry tena, ary ahoana no nahalalan’i Jehovah fa hanetry tena ny Mesia?
6 Ny hoe manetry tena dia midika hoe tsy be hambo na miavonavona. Manomboka ao am-po izy io, ary miseho amin’ny teny sy ny atao ary ny fomba itondrana ny hafa. Ahoana no nahalalan’i Jehovah fa hanetry tena ny Mesia? Satria fantany fa nanahaka ny modelim-panetren-tena tonga lafatra nomeny ny Zanany. (Jaona 10:15) Efa hitany nanetry tena koa izy io. Oviana?
7-9. a) Ahoana no nanehoan’i Mikaela fanetren-tena, rehefa nifanditra tamin’i Satana izy? b) Ahoana no azon’ny Kristianina anehoana fanetren-tena toa an’i Mikaela?
7 Misy ohatra iray tena mahaliana ao amin’ny bokin’ny Joda. Izao no voalaza ao: ‘I Mikaela arkanjely rehefa nifamaly tamin’ny Devoly momba ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy nanameloka azy na nanaratsy azy. Hoy mantsy izy: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah!”’ (Joda 9) Mikaela no anarana iantsoana an’i Jesosy, taloha sy taorian’ny niainany tetỳ an-tany, rehefa mandray ny andraikiny amin’ny maha arkanjely azy izy, izany hoe filohan’ny tafika anjelin’i Jehovah any an-danitra.b (1 Tesalonianina 4:16) Mariho anefa ny fomba nandaminan’i Mikaela an’io fifandirany tamin’i Satana io.
8 Tsy resahin’ny bokin’ny Joda hoe saika hataon’i Satana Devoly inona ny fatin’i Mosesy, nefa azo antoka fa nanana teti-dratsy izy. Naniry hampirisika ny olona angamba izy mba hampiasa ny fatin’io lehilahy manam-pinoana io tamin’ny fivavahan-diso. Nifehy tena mafy i Mikaela tamin’izay, na dia nanohitra ny teti-dratsin’i Satana aza. Azo antoka fa mendrika ny hotenenina mafy i Satana, nefa nino i Mikaela fa i Jehovah Andriamanitra irery ihany no tokony hitsara azy. Mbola tsy nankinina taminy rahateo “ny fitsarana rehetra” tamin’io fotoana nampifanditra azy tamin’i Satana io. (Jaona 5:22) Marina fa nanana fahefana lehibe i Mikaela, satria arkanjely. Tsy nitady handrombaka fahefana bebe kokoa anefa izy, fa nanankina an’ilay raharaha tamin’i Jehovah. Sady nanetry tena àry izy tamin’izay, no niaiky hoe voafetra ny zavatra azony atao.
9 Misy antony matoa nasain’Andriamanitra nanoratra an’io zava-nitranga io i Joda. Nampalahelo fa nisy Kristianina tsy nanetry tena tamin’ny androny. Niavonavona izy ireo, ary ‘nanaratsy ny zava-drehetra tsy takatry ny sainy akory.’ (Joda 10) Mora resin’ny hambom-po tokoa isika olombelona tsy lavorary! Ahoana no ataontsika, rehefa misy zavatra tsy mazava amintsika eo anivon’ny fiangonana kristianina, angamba zavatra mifandray amin’ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy? Azo lazaina hoe manetry tena ve isika, raha manao teny manambany na manakiana, nefa tsy fantatsika akory ny lafin-javatra rehetra nahatonga izany fanapahan-kevitra izany? Azo inoana fa tsia. Aoka àry isika tsy hanao toy izany fa hanahaka an’i Mikaela, izany hoe i Jesosy, ka hifehy tena tsy hitsaratsara zavatra tsy nanomezan’Andriamanitra fahefana antsika.
10, 11. a) Nahoana no tena mahavariana ny naneken’ny Zanak’Andriamanitra hirahina ho etỳ an-tany? b) Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena toa an’i Jesosy isika?
10 Nanetry tena koa ilay Zanak’Andriamanitra, rehefa nanaiky hirahina ho etỳ an-tany. Eritrereto izay tsy maintsy nafoiny. Arkanjely izy, sady natao hoe “ny Teny”, na Mpitondra Tenin’i Jehovah. (Jaona 1:1-3) Nipetraka tany an-danitra koa izy, tany amin’ny ‘fonenana avo [misy an’i Jehovah], izay sady masina no be voninahitra.’ (Isaia 63:15) “Nafoiny [anefa] ny zava-drehetra, dia lasa hoatran’ny mpanompo izy ary lasa olombelona.” (Filipianina 2:7) Eritrereto koa ny zavatra niainany, mba hamitany ilay asa nanirahana azy tetỳ an-tany! Nafindra tao an-kibon’ny virjiny jiosy iray izy, ary nitombo tao nandritra ny sivy volana. Zaza menavava sy marefo izy rehefa teraka, ary notezaina teo anivon’ny fianakavian’ny mpandrafitra iray nahantra. Nihalehibe toy ny ankizy rehetra izy tatỳ aoriana: Zazakely, dia avy eo ankizilahikely, ary tovolahy. Marina fa lavorary izy, nefa nankatò foana an’ireo ray aman-dreniny, izay olombelona tsy lavorary. (Lioka 2:40, 51, 52) Fanetren-tena lehibe tokoa izany!
11 Afaka ny hanetry tena toa an’i Jesosy ve isika, ka hanaiky an-tsitrapo izay rehetra asaina ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, na dia toa asa mampietry aza ilay izy indraindray? Mety ho toa mampietry, ohatra, ny fanirahana antsika hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa tsy miraika ny olona, na maneso, na manohitra. (Matio 28:19, 20) Mety hamonjy aina anefa isika, raha manohy foana an’io asa io. Na izany na tsy izany, raha manohy mitory isika dia hiana-javatra betsaka momba ny fanetren-tena, sady hanaraka ny dian’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Nanetry tena i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany
12-14. a) Ahoana no nanehoan’i Jesosy fanetren-tena, rehefa noderain’ny olona izy? b) Ahoana no ahitana fa nanetry tena izy teo amin’ny fomba nitondrany ny olona? d) Nahoana no azo lazaina fa tsy fanarahana fitsipika na fahalalam-pomba fotsiny ny fanetren-tenan’i Jesosy?
12 Nisongadina tamin’ny fotoana rehetra nanaovan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany ny fanetren-tenany. Hita taratra izany rehefa natolony ho an’ny Rainy ny dera sy ny voninahitra rehetra. Noderain’ny olona i Jesosy indraindray, noho ny fahendrena hita tamin’ny teniny, ny hery niseho tamin’ny fahagagana nataony, ary noho ny hatsaran’ny toetrany mihitsy aza. Tsy noraisiny ho azy anefa izany voninahitra izany, fa nomeny an’i Jehovah foana.—Marka 10:17, 18; Jaona 7:15, 16.
13 Nanetry tena i Jesosy teo amin’ny fomba nitondrany ny olona. Nohazavainy tsara fa tonga tetỳ an-tany izy mba hanompo, fa tsy hotompoina. (Matio 20:28) Hita fa nanetry tena izy, satria nalemy fanahy ary nahay nandanjalanja teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa. Tsy nibedy ny mpianany izy rehefa nandiso fanantenana azy izy ireo. Niezaka foana kosa izy hanohina ny fon’izy ireo. (Matio 26:39-41) Teo am-pitadiavana toerana mangina sy mitokana mba hakana aina izy indray mandeha, no nisy vahoaka tonga nanatona azy. Tsy nandroaka azy ireo anefa izy, fa mbola nahafoy tena ka nampianatra azy “zavatra be dia be.” (Marka 6:30-34) Nisy koa vehivavy tsy Israelita niangavy an’i Jesosy mba hanasitrana ny zanany vavy. Nasehon’i Jesosy tamin’ny voalohany fa tsy nazoto hanao an’izany izy. Tsy nanda tamin-katezerana anefa izy. Nekeny ihany aza ny fangatahan’ilay vehivavy, rehefa hitany fa nanana finoana lehibe izy io, araka ny ho hitantsika ao amin’ny Toko faha-14.—Matio 15:22-28.
14 Noporofoin’i Jesosy tamin’ny fomba maro fa marina ilay teniny hoe: “Malemy fanahy sy manetry tena am-po aho.” (Matio 11:29, f.a.p.) Tsy toetra ivelany fotsiny ny fanetren-tenan’i Jesosy. Tsy fanarahana fitsipika na fahalalam-pomba fotsiny izy io, fa tena vokatry ny fony. Tsy mahagaga àry raha anisan’ny zava-dehibe indrindra nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy ny fanetren-tena!
Nampianariny hanetry tena ny mpanara-dia azy
15, 16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy tokony hitovy amin’ny toe-tsain’ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity ny toe-tsain’ny mpanara-dia azy?
15 Elaela ny mpianatr’i Jesosy vao nahay nanetry tena. Tsy maintsy niezaka imbetsaka izy mba hanampiana azy ireo hanana an’io toetra io. Naniraka ny reniny, ohatra, i Jakoba sy Jaona indray mandeha, mba hiangavy an’i Jesosy hanome azy ireo toerana ambony ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanetry tena i Jesosy ary namaly hoe: ‘Tsy anjarako ny manendry an’izay hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, fa izay nofidin’ny Raiko ihany no hahazo an’izany toerana izany.’ Tena “tezitra” tamin’i Jakoba sy Jaona ny apostoly folo lahy tamin’izay. (Matio 20:20-24) Ahoana no nandaminan’i Jesosy an’ilay olana?
16 Nananatra azy rehetra tamin-katsaram-panahy izy hoe: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra fahefana ireo lehibe. Tsy tokony ho toy izany kosa eo aminareo. Fa izay te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary izay te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.” (Matio 20:25-27) Azo inoana fa efa hitan’ireo apostoly hoe tena be hambom-po sy fatra-paniry fahefana ary tia tena ny “mpitondra” teo amin’ireo firenena. Nilaza kosa i Jesosy fa tsy tokony hitovy amin’ireny mpanao didy jadona ireny ny mpanara-dia azy. Nila nanetry tena izy ireo. Azon’ireo apostoly ve ny lesona nampitain’i Jesosy?
17-19. a) Inona no lesona tsy hay hadinoina momba ny fanetren-tena, izay nampitain’i Jesosy tamin’ny apostoliny ny alina talohan’ny hahafatesany? b) Inona no lesona mafonja indrindra nampitain’i Jesosy momba ny fanetren-tena, tamin’izy tetỳ an-tany?
17 Tsy mora tamin’izy ireo ny nanaraka an’ilay torohevitra. Tsy io no voalohany nanomezan’i Jesosy azy ireo lesona momba ny fanetren-tena, ary tsy io koa no farany. Efa nifanditra izy ireo talohan’io hoe iza amin’izy ireo no lehibe indrindra. Naka ankizikely i Jesosy tamin’izay ary nametraka azy io teo afovoan’izy ireo. Nampirisika azy ireo izy mba hiezaka hitovy kokoa amin’ny zaza, satria ny zaza tsy mba be hambom-po, na fatra-paniry fahefana, na sahiran-tsaina momba ny hoe iza no ambony amin’izy samy izy, toy izay hita matetika eo amin’ny olon-dehibe. (Matio 18:1-4) Mbola hitan’i Jesosy niady mafy mba handresy ny hambom-po ihany anefa ny apostoliny, ny alina talohan’ny hahafatesany. Nampita lesona tsy hay hadinoina izy tamin’izay. Nisikina servieta izy ary nanao asa iray noheverina ho tena ambany, izay fanaon’ny mpanompo ho an’ny vahiny. Nanasa ny tongotry ny apostoliny tsirairay i Jesosy, anisan’izany ny tongotr’i Jodasy, izay efa hamadika azy!—Jaona 13:1-11.
18 Hoy i Jesosy, mba hanasongadinana ilay lesona tiany hampitaina: “Modely no nomeko anareo.” (Jaona 13:15) Nanohina ny fon’ireo mpianany ve izany lesona izany? Tamin’io alina io ihany, dia nifanditra indray izy ireo hoe iza no lehibe indrindra! (Lioka 22:24-27) Mbola naneho faharetana tamin’izy ireo ihany anefa i Jesosy, ary nampianatra azy ireo tamim-panetren-tena. Nanome ny lesona mafonja indrindra izy taorian’izay: “Nanetry tena [izy] ary nankatò ka nanaiky ho faty mihitsy aza, izany hoe ho faty teo amin’ny hazo fijaliana.” (Filipianina 2:8) Nanaiky an-tsitrapo ny ho faty tamin’ny fomba nanala baraka i Jesosy. Voaheloka ho mpanao heloka bevava sy mpanevateva an’Andriamanitra izy, nefa tsy nanan-tsiny. Niavaka tokoa àry ilay Zanak’Andriamanitra, satria amin’ireo zavaboary rehetra nataon’i Jehovah, dia izy no naneho fanetren-tena be indrindra sy tamin’ny fomba tonga lafatra indrindra.
19 Io no lesona farany nampitain’i Jesosy momba ny fanetren-tena tamin’izy tetỳ an-tany, ary io angamba no nahatonga an’io toetra io ho latsa-paka tanteraka tao am-pon’ireo apostoliny nahatoky. Milaza ny Baiboly fa nanompo tamim-panetren-tena izy ireo nandritra ny taona maro, ary am-polony taona tatỳ aoriana mihitsy aza. Ary ahoana ny amintsika?
Hanaraka ny modely nomen’i Jesosy ve ianao?
20. Ahoana no ahafantarantsika raha manetry tena am-po isika?
20 Mampirisika antsika tsirairay i Paoly hoe: ‘Miezaha foana hanana an’izany toe-tsaina nananan’i Kristy Jesosy izany.’ (Filipianina 2:5) Mila manetry tena am-po toa an’i Jesosy isika. Ahoana no ahalalantsika raha manana an’io toetra io tokoa isika ao am-pontsika ao? Mampahatsiahy antsika i Paoly hoe: “Aza tia ady na mirehareha, fa manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa.” (Filipianina 2:3) Ny fomba fiheverantsika ny olon-kafa raha oharina amin’ny tenantsika àry no tena ahitana raha manetry tena isika. Mila mihevitra azy ireny ho ambony kokoa noho ny tenantsika isika. Hampihatra izany torohevitra izany ve ianao?
21, 22. a) Nahoana ny mpiandraikitra kristianina no mila manetry tena? b) Ahoana no ahitana raha mitafy fanetren-tena tokoa isika?
21 Mbola nihevitra ny maha zava-dehibe ny fanetren-tena foana ny apostoly Petera, taona maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nampianatra ny mpiandraikitra kristianina mba hanao ny andraikiny amim-panetren-tena izy, ary nananatra azy ireo mba tsy hanjakazaka amin’ny ondrin’i Jehovah mihitsy. (1 Petera 5:2, 3) Tsy hoe rehefa manana andraikitra akory ny olona iray dia mahazo mihevi-tena ho ambony. Rehefa mahazo andraikitra aza izy no vao mainka tokony haneho ny tena fanetren-tena. (Lioka 12:48) Mazava ho azy anefa fa tsy ny mpiandraikitra ihany no mila manana an’io toetra io, fa ny Kristianina rehetra.
22 Azo antoka fa tsy hadinon’i Petera mihitsy ny nanasan’i Jesosy ny tongony indray alina, na dia nanda mafy an’izany aza izy! (Jaona 13:6-10) Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina i Petera: “Ianareo rehetra kosa mitafia fanetren-tena rehefa mifandray ianareo samy ianareo.” (1 Petera 5:5) Ilay teny hoe “mitafia” dia mampahatsiahy ny ataon’ny mpanompo iray, izay manao aron’akanjo alohan’ny hanaovana raharaha. Tsaroantsika amin’izany angamba i Jesosy, izay naka servieta hisikinany sy nandohalika talohan’ny hanasany ny tongotry ny mpianany. Raha manaraka ny dian’i Jesosy àry isika, moa ve misy asa ampanaovin’Andriamanitra tokony hoheverintsika ho tsy mendrika antsika? Tokony hiharihary amin’ny rehetra, toy ny fitafiana eny amintsika, fa manetry tena am-po isika.
23, 24. a) Nahoana isika no tokony hiezaka mba tsy hiavonavona? b) Inona no hevi-diso momba ny fanetren-tena izay hahitsy ao amin’ny toko manaraka?
23 Toy ny poizina ny avonavona. Mety ho ratsy be ny vokatr’izy io. Na ny olona manan-talenta indrindra aza dia tsy ho azon’Andriamanitra ampiasaina, raha miavonavona. Kanefa na ny olona tsy mahay indrindra aza dia tena ho azon’i Jehovah ampiasaina tsara, rehefa manetry tena. Hahazo valisoa faran’izay tsara isika, raha miezaka manaraka ny dian’i Kristy amim-panetren-tena, ka maneho an’io toetra sarobidy io isan’andro. Hoy i Petera: “Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony.” (1 Petera 5:6) Azo antoka fa nanandratra an’i Jesosy i Jehovah, noho izy nanetry tena tanteraka. Afaka matoky koa ianao fa ho faly hamaly soa anao ilay Andriamanitsika, raha manetry tena ianao.
24 Mampalahelo fa misy mihevitra hoe ny olona tsy manana ny maha izy azy no manetry tena. Hitantsika amin’ny modely nomen’i Jesosy anefa fa tena diso izany, satria izy no nanetry tena indrindra amin’ny olona rehetra, nefa izy ihany koa no be herim-po indrindra. Izany no ho foto-kevitry ny toko manaraka.
a Araka ny boky iray miresaka momba ny zava-nitranga tamin’io fotoana io, ny biby resahina eto dia “biby fiompy heverin’ny olona ho ambany, ... miadam-pandeha, mafy loha, fampiasan’ny mahantra amin’ny asany, ary tsy dia tsara bika.”
b Mba hahitana porofo bebe kokoa fa i Jesosy no antsoina hoe Mikaela, dia midira ao amin’ny jw.org, tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary jereo ao amin’ilay hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” ilay lahatsoratra hoe “Iza i Mikaela Arkanjely?”