Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fanoharana ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady
TAMIN’NY fanoharana roa no nanalan’i Jesosy sarona ireo mpanora-dalàna sy lohan’ny mpisorona, ka nikasa hamono azy izy ireo. Tsy namarana ny firesahany tamin’izy ireo velively anefa i Jesosy. Mbola nilaza fanoharana hafa iray tamin’izy ireo izy. Toy izao izany:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zanani-lahy. Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.”
Jehovah Andriamanitra no Mpanjaka izay manomana fanasana amin’ny fampakaram-bady ho an’ny Zanany, Jesosy Kristy. Ny vadin’i Kristy, voaforon’ny mpianatra voahosotra 144 000, amin’ny farany dia ho tafaray aminy any an-danitra. Ny vahoakan’ilay Mpanjaka dia ny Isiraelita izay, rehefa nampidirina tao amin’ny faneken’ny Lalàna tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nahazo ny fahafahana ho tonga “fanjakà-mpisorona”. Tamin’izany fotoana izany àry no natao ho azy ireo ny fanasana ho amin’ny fampakaram-bady.
Tamin’ny fararanon’ny 29 amin’ny fanisan-taona iraisana anefa vao re ny antso voalohany natao tamin’ireo izay nasaina, rehefa nanomboka ny asa fitoriana ilay Fanjakana i Jesosy sy ireo mpianany (ireo mpanompon’ny mpanjaka). Tsy naniry ho tonga anefa ireo Isiraelita ara-nofo izay nandray ny antso nataon’ireo mpanompo, nanomboka tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’ny taona 33. Ary dia nanome fahafahana vaovao ho an’io firenen’ny nasaina io indray Andriamanitra, araka ny nohazavain’i Jesosy toy izao:
“Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’izay efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ny fampakaram-bady hianareo.” Izany fiantsoana faharoa sady farany ireo izay nasaina izany dia natao nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nalatsaka tamin’ireo mpianatr’i Jesosy ny fanahy masina, ka hatreo amin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana.
Tamin’izay koa anefa dia tsy niraharaha ny antso ny ankamaroan’ny Isiraelita tamin’izany fotoana izany. “Nefa tsy nahoany akory izany”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ny varony. Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.” “Ary dia tezitra ilay mpanjaka,” hoy ny nanampin’i Jesosy, “ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.” Izany no nitranga tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa noravan’ny Romana i Jerosalema ka novonoina ireo mpamono olona.
Avy eo i Jesosy dia nanazava izay nitranga teo anelanelan’izany. “Dia hoy izy [ny mpanjaka] tamin’ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy miendrika. Koa mankanesa hianareo any amin’ny sampanan-dàlana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady.” Izany no nataon’ireo mpanompo, ary “dia feno mpihinana ny fampakaram-bady”.
Nanomboka tamin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana izany asa fanangonana olona hita teny an-dalana ivelan’ny tanànan’ireo nasaina izany. I Kornelio, manamboninahitra romana sy ny fianakaviany no tsy jiosy tsy voafora voalohany nangonina. Ny fanangonana ireny tsy jiosy ireny izay hisolo ireo nasaina teo aloha tsy niraharaha ny antso dia nitohy hatramin’izao taonjato faha-20 izao.
Ao anatin’ny taonjato faha-20 vao feno ny efitrano fanaovana fankalazana fampakaram-bady. Notantarain’i Jesosy avy eo izay nitranga taorian’izay: “Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Dia sina izy. Ary dia hoy ny mpanjaka amin’ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.”
Ilay lehilahy tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady dia mampiseho ny kristiana sandoka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay tsy neken’Andriamanitra mihitsy ho toy ny Isiraelita ara-panahy marina. Tsy nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana mba ho tonga mpandova ilay Fanjakana izy ireny. Natsipy any ivelany any amin’ny maizina, izay haharingana azy, àry izy ireny.
Toy izao no namaranan’i Jesosy ny fanoharany: “Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.” Eny, Isiraelita ara-nofo maro be no nasaina ho tonga anisan’ny vadin’i Kristy, nefa vitsy tamin’izy ireo no voafidy. Ny ankamaroan’ireo 144 000 nasaina izay mandray valisoa any an-danitra dia tsy Isiraelita. Matio 22:1-14; Eksodosy 19:1-6; Apokalypsy 14:1-3.
◆ Iza, teo am-piandohana, no nasaina ho amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, ary oviana izy no naharay ny fanasana?
◆ Oviana no re voalohany ny fiantsoana ireo nasaina, ary iza ireo mpanompo nampiasaina ho amin’izany?
◆ Oviana no nalefa ny fiantsoana faharoa, ary taorian’izay, iza no nasaina?
◆ Iza no asehon’ilay lehilahy tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?
◆ Iza ireo maro be nasaina, ary iza ireo vitsy nofidina?