Toko 111
Famantarana ny andro farany
EFA talata tolakandro izao. Nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy ary nitazana ny tempoly terỳ ambany rehefa nanatona azy nitokana i Petera sy i Andrea ary i Jakoba sy i Jaona. Nanahy ny amin’ilay tempoly izy ireo satria vao avy nilaza mialoha i Jesosy fa tsy havela hisy vato hifanongoa eo aminy.
Toa nanan-javatra betsaka lavitra tao an-tsainy anefa izy ireo rehefa nanatona an’i Jesosy. Herinandro vitsivitsy talohan’izay dia niresaka ny amin’ny “fanatrehany”, dia ny fotoana “hampiharihariana ny Zanak’olona”, izy. Ary talohan’izay, dia nilaza tamin’izy ireo ny amin’ny “fahataperan’izao tontolo izao” izy. Liana ta hahafantatra àry ireo apostoly.
“Lazao aminay”, hoy izy ireo, “rahoviana no hahatongavan’izany [izay hifarana amin’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny], ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra.” Raha ny tena izy, dia nizara telo ny fanontanian’izy ireo. Voalohany, dia tian’izy ireo hofantarina ny amin’ny fiafaran’i Jerosalema sy ny tempoliny, avy eo dia ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana, ary farany, ny amin’ny faran’ny fandehan-javatra manontolo.
Tao amin’ny valinteny lava nataony, i Jesosy dia namaly ireo tapany telo tamin’ilay fanontaniana. Nanome famantarana izay hampahafantatra hoe rahoviana no hifarana ny fandehan-javatra jiosy, izy; nanome mihoatra noho izany anefa izy. Nanome famantarana koa izy izay hampiomana ny mpianany ho avy fa miaina mandritra ny fanatrehany sady akaikin’ny faran’ny fandehan-javatra manontolo, izy ireo.
Rehefa nandeha ireo taona, dia nahamarika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ireo apostoly. Eny, ireo zavatra nambarany mialoha ireo dia nanomboka nitranga tamin’ny andro niainan’izy ireo. Noho izany, dia tsy nanampoka ireo kristiana mbola velona 37 taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny taona 70 am.fan.ir., ny fandravana ny fandehan-javatra jiosy sy ny tempoliny.
Kanefa tsy nitranga tamin’ny taona 70 am.fan.ir. ny fanatrehan’i Kristy. Lavitra be atỳ aoriana vao tonga ny fanatrehany rehefa mahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy. Oviana anefa? Mampiharihary izany ny fandinihana ny faminanian’i Jesosy.
Nanambara mialoha i Jesosy fa hisy “ady sy filazana ady”. “Hisy firenena hitsangana hamely firenena”, hoy izy, ary hisy mosary sy horohorontany ary areti-mandringana. Hankahalaina sy hovonoina ny mpianany. Hisy mpaminany sandoka hitsangana ka hamitaka ny maro. Hitombo ny fandikan-dalàna, ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Mandritra izany fotoana izany koa dia hotorina ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.
Na dia nisy fahatanterahany voafetra talohan’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.fan.ir. aza ny faminanian’i Jesosy, ny fahatanterahany amin’ny ambaratonga lehibe dia hitranga mandritra ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Ny fandinihana amim-pitandremana indray ireo zava-niseho hatramin’ny 1914 dia mampiharihary fa nahita ny fahatanterahany lehibe nanomboka tamin’io taona io ny faminaniana lehibe nataon’i Jesosy.
Ny tapany hafa iray amin’ny famantarana nomen’i Jesosy dia ny fisehoan’ilay “zavatra maharikoriko mahatonga fahafoanana”. Tamin’ny 66 am.fan.ir., dia niseho io zavatra maharikoriko io tamin’ny endriky ny ‘tafika romana nitoby’ nanodidina an’i Jerosalema ary nandrava tsikelikely ny rindrin’ny tempoly. Nitsangana teo amin’ny toerana tsy tokony ho nisy azy ilay ‘zavatra naharikoriko’.
Ao amin’ny fahatanterahan’ilay famantarana amin’ny ambaratonga lehibe, ilay zavatra maharikoriko dia ny Fikambanam-pirenena ary ny Firenena mikambana nandimby azy. Heverin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho ny solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra io fandaminana ho amin’ny fandriampahalemana maneran-tany io. Maharikoriko tokoa izany! Noho izany, amin’ny fotoany, dia hiodina hamely ny fivavahana lazaina fa kristiana (nasehon’i Jerosalema) ireo hery ara-politika tafaraka amin’ny Firenena mikambana, ka hanafoana azy.
Nanambara mialoha toy izao àry i Jesosy: “Hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” Tena fahoriana lehibe tokoa ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 70 am.fan.ir., satria maherin’ny iray tapitrisa no voalaza fa maty. Mbola ho lehibe lavitra noho izany anefa ny fahatanterahan’io tapany amin’ny faminanian’i Jesosy io amin’ny ambaratonga lehibe.
Fahazoana toky mandritra ny andro farany
Nadiva hifarana ny talata 11 Nisana ary mbola nanohy ny resaka nifanaovany tamin’ny mpianany i Jesosy momba ny famantarana ny fanatrehany rehefa mahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy sy momba ny faran’ny fandehan-javatra. Nampitandrina azy ireo ny amin’ny fanarahana Kristy sandoka izy. Hisy hanandrana “hamitaka na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao”, hoy izy. Kanefa, toy ny voromahery matsilo maso, ireo olom-boafidy ireo dia hiangona eo amin’ny toerana hahitany ny tena sakafo ara-panahy, izany hoe miaraka amin’ilay tena Kristy amin’ny fotoan’ny fanatrehany tsy hita maso. Tsy ho voafitaka ka hoe hangonina ho eo amin’ny Kristy sandoka iray izy ireo.
Tsy afaka ny hiseho afa-tsy amin’ny fomba hita maso ny Kristy sandoka. Ny fanatrehan’i Jesosy kosa, mifanohitra amin’izany, dia ho tsy hita maso. Nilaza i Jesosy fa aorian’ilay fahoriana, dia ‘hohamaizinina ny masoandro, ary ny volana tsy hahazava’. Eny, izany dia ho ny vanim-potoana maizina indrindra eo amin’ny fiainan’ny taranak’olombelona. Izany dia ho toy ny hoe nohamaizinina ny masoandro nandritra ny andro, ary ho toy ny hoe tsy nanazava ny volana nandritra ny alina.
“Ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny. Nanondro tamin’izany izy fa ny lanitra ara-bakiteny dia haka endrika milaza loza. Ny tahotra sy ny herisetra dia hihoatra izay nety ho hitan’ny olombelona hatramin’izay teo amin’ny tantarany.
Ho vokatr’izany, hoy i Jesosy, dia “hisy fahorian’ny firenena, tsy mahafantatra ny ho fiafarany noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ary ny fon’ny olona dia ho reraka noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana.” Eny tokoa, rehefa mihamanatona ny farany io vanim-potoana maizina indrindra eo amin’ny fisian’ny olombelona io, dia “hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany”, araka ny filazan’i Jesosy.
Tsy hitomany avokoa akory ny olona rehetra rehefa ‘avy amin-kery ny Zanak’olona’ mba handringana ity fandehan-javatra ratsy ity. Ireo “olom-boafidy”, dia ireo 144 000 izay hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, dia tsy hitomany, ary ho toy izany koa ireo namany, dia ireo izay nantsoin’i Jesosy teo aloha hoe ny ‘ondriny hafa’. Na dia miaina mandritra ny vanim-potoana maizina indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona aza izy ireo, dia manaraka izao fampaherezan’i Jesosy izao: “Raha vao manomboka mitranga izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo, satria manakaiky ny fanavotana anareo.”
Mba hahafahan’ireo mpianany izay hiaina mandritra ny andro farany hamaritra ny fahakekezan’ny farany, dia nanome izao fanoharana izao i Jesosy: “Jereo ny aviavy sy ny hazo hafa rehetra: Rehefa manomboka manaroka ireo, amin’ny fandinihana izany, dia fantatrareo fa akaiky izao ny lohataona. Tahaka izany koa ianareo, rehefa hitanareo fa mitranga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Milaza aminareo marina tokoa aho: Tsy ho lany velively ity taranaka ity mandra-pitrangan’izany rehetra izany.”
Araka izany, rehefa hitan’ireo mpianany fa tanteraka ireo tapany maro samy hafa amin’ilay famantarana, dia tokony ho takany fa efa akaiky ny faran’ny fandehan-javatra ary koa fa hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela ny faharatsiana rehetra. Raha ny marina, ny farany dia hitranga mandritra ny fiainan’ireo izay hahita ny fahatanterahan’ireo zavatra rehetra nolazain’i Jesosy mialoha fa hitranga! Raha nananatra ireo mpianany izay ho velona mandritra ireo andro farany voamarika ireo i Jesosy dia nilaza hoe:
“Tandremo ny tenanareo, mba tsy hovesaran’ny fisakafoana tafahoatra sy ny fisotroan-toaka be ary ny fanahian’izao fiainana izao na oviana na oviana ny fonareo, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Koa miambena àry, amin’ny fivavahana mandrakariva, mba hahafahanareo handositra izany zavatra tsy maintsy ho avy rehetra izany, ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”
Ireo virjiny hendry sy ireo virjiny adala
I Jesosy dia teo am-pamaliana ny fangatahan’ny apostoliny famantarana ny fanatrehany rehefa mahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakany izy. Nilaza lafiny hafa amin’ilay famantarana izy izao tamin’ny alalan’ny fanoharana na sary telo.
Ho azon’ireo velona mandritra ny fanatrehany atao ny manamarika ny fahatanterahan’ireo fanoharana tsirairay ireo. Nampiditra ny voalohany tamin’izany tamin’izao teny izao izy: “Ary ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo, izay naka ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa malina.”
Tamin’ny fitenenana hoe “ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo”, dia tsy te hilaza akory i Jesosy hoe ny antsasak’ireo izay handova ny Fanjakan’ny lanitra dia olona adala fa ny antsasany kosa dia olona malina! Tsia, fa te hilaza kosa izy hoe, raha ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia misy lafiny mitovy amin’izao na izatsy, na koa hoe hitovy amin’ny zavatra toy izao sy toy izao ny raharaha sasany misy ifandraisana amin’ilay Fanjakana.
Mampiseho ny kristiana rehetra izay mendrika na mihambo ho mendrika ny Fanjakan’ny lanitra ireo virjiny folo. Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. ny kongregasiona kristiana no natolotra ho fofombadin’i Jesosy Kristy, ilay Mpampakatra natsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra. Fa ny fampakaram-bady kosa dia hitranga any an-danitra amin’ny fotoana tsy voafaritra amin’ny hoavy.
Tao amin’ilay fanoharana, dia nivoaka mba hitsena ilay mpampakatra sy hanaraka ny filaharan’ny mpanambady ireo virjiny folo. Rehefa tonga ny mpampakatra, dia hanazava amin’ny fanalany ny lalana halehan’ilay filaharana ireo virjiny ka amin’izany dia hanome voninahitra azy rehefa hitondra ny ampakariny ho any amin’ny trano voaomana ho azy izy. Nanazava anefa i Jesosy hoe: “Ny adala naka ny fanalany, nefa tsy naka solika, fa ny malina kosa naka solika tao anatin’ny fitondrany ary koa ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia rendrehana avokoa izy rehetra, ka dia natory.”
Ny fahelan’ny fahatongavan’ilay mpampakatra dia nanondro fa tsy maintsy ho amin’ny hoavy lavitra ny fanatrehan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka mitana ny fanapahana. Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany izy tamin’ny farany tamin’ny taona 1914. Nandritra ny alina lava be talohan’izay, dia natory avokoa ny virjiny rehetra. Tsy nomelohina noho izany anefa izy ireo. Ny fanamelohana ireo virjiny adala dia avy amin’ny tsy nananany solika tao amin’ny fitondrany. Nohazavain’i Jesosy ny fomba nifohazan’ireo virjiny talohan’ny nahatongavan’ny mpampakatra: “Tamin’ny mamaton’alina indrindra, dia nisy antso hoe: ‘Indro ny mpampakatra! Mandehana ka mivoaha mba hitsena azy’. Dia nitsangana ireo virjiny rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Hoy ireo adala tamin’ireo malina: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay’. Fa ireo malina namaly ka nanao hoe: ‘Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo. Mandehana mankany amin’ny mpivarotra kosa ianareo, ka mividiana ho anareo’.”
Ny solika dia mampiseho izay mahatonga ny kristiana marina tsy hitsahatra ny hamirapiratra toy ny mpanome fahazavana. Izany dia ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry, izay ifikirany mafy, miaraka amin’ny fanahy masina, izay manampy azy ireo hahatakatra io Teny io. Ny solika ara-panahy dia mahatonga ny virjiny malina ho afaka hampiely fahazavana eo am-pandraisana ny mpampakatra mandritra ny filaharana hatrany amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady. Ny kilasin’ireo virjiny adala kosa dia tsy nanana tao aminy, tao amin’ny fitondrany, ilay solika ara-panahy nilaina. Nilazalaza izay nitranga toy izao àry i Jesosy:
“Raha lasa nividy [solika ireo virjiny adala], dia tonga ny mpampakatra, ary ireo virjiny izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady; ary dia narindrina ny varavarana. Tatỳ aoriana, dia tonga koa ireo virjiny hafa ka nanao hoe: ‘Tompoko ô, Tompoko ô, vohay izahay!’ Ho valin’izany dia hoy izy hoe: ‘Lazaiko aminareo ny marina: Tsy fantatro ianareo’.”
Taorian’ny nahatongavan’i Kristy tao amin’ny Fanjakany any an-danitra, ny kilasin’ireo virjiny malina voaforon’ny tena kristiana voahosotra dia nifoha ka nahatsapa ny tombontsoany hampiely fahazavana eto amin’ity tontolo rakotry ny haizina ity, ho fiderana ilay Mpampakatra tafaverina. Tsy niomana mba hanome izany fandraisana feno fiderana izany kosa anefa ireo izay asehon’ireo virjiny adala. Noho izany, rehefa tonga ny fotoana, dia tsy vohan’i Kristy ho azy ireo ny varavarana ho amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady any an-danitra. Avelany any ivelany izy ireo, ao amin’ny haizim-piton’ny alin’izao tontolo izao, mba ho faty miaraka amin’ireo tsy mpankatò lalàna hafa rehetra. “Noho izany, dia miambena hatrany ianareo”, hoy i Jesosy namarana ny teniny, “satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
Ny fanoharana ny amin’ireo talenta
Nanohy ny resaka nifanaovany tamin’ny apostoliny teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy tamin’ny filazana fanoharana hafa iray tamin’izy ireo, dia ny faharoa tamin’ireo telo nataony. Andro vitsivitsy talohan’izay, fony izy tany Jeriko, dia nanome ny fanoharana ny amin’ireo farantsa izy mba hampisehoana fa mbola any amin’ny ho avy ela any ilay Fanjakana. Ny fanoharana notantarainy izao, na dia nampiseho fitoviana sasantsasany tamin’io aza, dia nilazalaza fa, amin’ny fahatanterahany, dia hisy asa hatao mandritra ny fanatrehan’i Kristy nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana. Asehon’izy io fa, raha mbola eto an-tany ireo mpianany, dia tsy maintsy miasa mba hampitombo “ny fananany”.
Nanomboka ny teniny toy izao i Jesosy: “Fa izy io [izany hoe ireo toe-javatra mifandray amin’ilay Fanjakana] dia tahaka ny lehilahy iray madiva handeha ho any an-tany hafa ka niantso ireo mpanompony, ary nanankina taminy ny fananany.” I Jesosy io lehilahy io, izay nanankina ny fananany tamin’ny mpanompony — ireo mpianany mendrika ilay Fanjakana any an-danitra — talohan’ny handehanany ho any an-tany hafa, izany hoe any an-danitra. Tsy zavatra ara-nofo akory ireo fananana ireo, fa mampiseho ny saha efa voasa iray izay nanorenany fahafahana hamokatra mpianatra betsaka kokoa.
Nankinin’i Jesosy tamin’ny mpanompony ny fananany, fotoana fohy talohan’ny niakarany tany an-danitra. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovany izany? Tamin’ny fanomezana toromarika azy ireo mba tsy hitsahatra hiasa amin’io saha efa voasa io, amin’ny fitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray hafa roa, ary ny iray hafa koa iray, samy araka ny fahaizan’ny tenany avy, dia nandeha ho any an-tany hafa izy.”
Ireo talenta valo ireo — ireo fananan’i Kristy — àry dia nozaraina araka ny fahaizana, na fahafahana ara-panahin’ireo mpanompo. Ireo mpanompo dia nampiseho kilasina mpianatra. Tamin’ny taonjato voalohany, ilay kilasy nahazo ireo talenta dimy dia niharihary fa nisy ireo apostoly. Nanohy nitantara i Jesosy fa ireo mpanompo izay nahazo ireo talenta dimy sy ireo talenta roa dia samy nampitombo ny azy avo roa heny avy tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana ary tamin’ny fanaovana mpianatra. Fa ilay mpanompo nahazo talenta iray kosa dia nanafina izany tao anaty lavaka tao anatin’ny tany.
“Rehefa afaka fotoana ela”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nandamina ny toe-bolany tamin’izy ireo.” Tsy niverina mba handamina ny toe-bolany i Kristy raha tsy tamin’izao taonjato faha-20 izao, 1 900 taona teo ho eo tatỳ aoriana, eny, tena “rehefa afaka fotoana ela” tokoa. Avy eo i Jesosy dia nanazava hoe:
“Nanatona ilay nandray ny talenta dimy sady nitondra talenta dimy fanampiny ka nanao hoe: ‘Tompo ô, talenta dimy no natolotrao ahy; jereo, nahazo tombony talenta dimy hafa aho’. Hoy ny tompony taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin’ny zavatra vitsy ianao. Hanendry anao ho mpanapaka zavatra maro aho. Midira ao amin’ny fifalian’ny tomponao’.” Ilay mpanompo nandray talenta roa dia nampitombo ny talentany avo roa heny toy izany koa, ary dia nahazo teny fiderana sy valisoa nitovy tamin’izany.
Amin’ny ahoana anefa no idiran’ireo mpanompo ireo ao amin’ny fifalian’ny Tompony? Ny fifalian’ilay Tompony, i Jesosy Kristy, dia ny fahazoana ilay Fanjakana rehefa nandeha ho any an-tany hafa, ho any amin’ny Rainy any an-danitra, izy. Ireo mpanompo mahatoky amin’izao androntsika izao kosa dia mahatsapa fifaliana lehibe rehefa anankinana andraikitra betsaka kokoa mifandray amin’ilay Fanjakana, ary rehefa tapitra ny fihazakazahany eto an-tany, dia hahazo ny fifaliana tampony izy rehefa hatsangana amin’ny maty ho ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Fa ahoana ny amin’ilay mpanompo fahatelo?
“Tompo ô, fantatro fa olona sarotiny ianao”, hoy io mpanompo io nitaraina. “Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ny tany. Indro ny anao.” Ninia nanda ny hiasa tao amin’ilay saha efa voasa tamin’ny fitoriana ary fanaovana mpianatra io mpiasa io. Niantso azy hoe “ratsy fanahy sady malaina” àry ny tompony ary nanambara izao fanamelohana izao: “Alao aminy ny talenta (...) Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany io mpanompo tsinontsinona io. Any no hisy ny fitomaniany sy ny fikitrohany nify.” Ireo anisan’ny kilasin’ilay mpanompo ratsy dia tsy manana fifaliana na inona na inona eo amin’ny ara-panahy, noho izy ireo noroahina any ivelany.
Mampahafantatra lesona mahery tokoa izany ho an’izay rehetra mihambo ho mpanara-dia an’i Kristy. Raha maniry ny hahazo teny fiderana sy valisoa avy aminy izy ireo ary maniry ny tsy hatsipy any amin’ny maizina any ivelany ary avy eo dia any amin’ny fandringanana amin’ny farany, dia tsy maintsy miasa mba hampitombo ireo fananan’ny Tompony any an-danitra, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba feno amin’ny asa fitoriana. Miezaka amim-pitandremana hanao izany ve ianao?
Rehefa ho tonga sady mahazo fahefana ao amin’ilay Fanjakany i Kristy
Mbola nipetraka niaraka tamin’ny apostoliny teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy. Ho famaliana ny fangatahan’izy ireo famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra, izao izy dia nilaza tamin’izy ireo ny farany tamin’ny fitohitohizana fanoharana telo. “Rehefa tonga ao amin’ny voninahiny ny Zanak’olona arahin’ny anjely rehetra”, hoy i Jesosy nanomboka ny teniny, “dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy.”
Hitranga izany fahatongavana izany, rehefa ho efa tena akaiky ny faran’ny fandehan-javatra. Noho ny fikendrena inona anefa? Hoy ny fanazavan’i Jesosy: “Ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka ny olona izy, tsy misy hafa amin’ny fanavahan’ny mpiandry ondry ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo amin’ny tanany ankavanana izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.”
Nilazalaza izay hitranga amin’ireo navahana mba ho eo amin’ny andaniny hankasitrahana i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Avy eo ny mpanjaka dia hilaza amin’ireo eo amin’ny ankavanany hoe: ‘Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao’.” Tsy hiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra akory ny ondry ao amin’io fanoharana io, fa handova ny Fanjakana amin’ny heviny hoe ho anisan’ny vahoakan’io Fanjakana io eto an-tany. Ny “nanorenana izao tontolo izao” dia nitranga rehefa nanomboka nanan-janaka ho afaka handray soa avy amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanavotana ny taranak’olombelona i Adama sy i Eva.
Nahoana anefa ny ondry no navahana mba ho eo amin’ny andaniny hankasitrahana eo an-tanana ankavanan’ny Mpanjaka? “Fa noana aho”, hoy ny navalin’ilay mpanjaka, “dia nomenareo hanina; nangetaheta aho, dia nomenareo zavatra hosotroina. Nivahiny aho, dia noraisinareo tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny; nitanjaka aho, dia notafianareo. Narary aho, dia nokarakarainareo. Tao an-tranomaizina aho, dia nohatoninareo.”
Koa satria etỳ an-tany ny ondry, dia maniry hahafantatra izy ireny hoe ahoana no nahafahany nanao zavatra tsara toy izany ho an’ny Mpanjakany any an-danitra. “Tompo ô, oviana no hitanay noana ianao ka nomenay hanina”, hoy ireo nanontany, “na nangetaheta ka nomenay zavatra hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny ianao ka noraisinay tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny, na nitanjaka ka notafianay? Oviana no hitanay narary ianao na tao an-tranomaizina ka nohatoninay?”
“Milaza aminareo marina tokoa aho”, hoy ny navalin’ilay Mpanjaka, “araka izay nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra amin’ny rahalahiko ireto no nataonareo tamiko.” Ny rahalahin’i Kristy dia ireo sisa tavela eto an-tany amin’ireo 144 000 hiara-manjaka aminy any an-danitra. Ary ny fanaovana soa ho azy ireny, hoy i Jesosy, dia toy ny fanaovana soa ho azy.
Nanaraka izany, dia niteny tamin’ny osy ilay Mpanjaka. “Mandehana ka mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny Devoly sy ny anjeliny. Fa noana aho, nefa tsy mba nomenareo hanina, ary nangetaheta aho, nefa tsy mba nomenareo na inona na inona hosotroina. Nivahiny aho, nefa tsy mba noraisinareo tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny; nitanjaka aho, nefa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina aho, nefa tsy mba nokarakarainareo.”
Nitaraina toy izao anefa ny osy: “Tompo ô, oviana no hitanay noana ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na nitanjaka, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanolotra ny fanampianay ho anao izahay?” Ny osy dia melohina mifototra amin’ny zavatra itsarana koa ny ondry ankasitrahana. “Araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra [amin’ny rahalahiko] ireto”, hoy i Jesosy namaly azy ireo, “no tsy mba nataonareo tamiko”.
Koa hahafaoka fotoam-pitsarana àry ny fanatrehan’i Kristy nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakany, alohan’ny famaranana ny fandehan-javatra ratsy amin’ny fahoriana lehibe avy hatrany. Ny osy dia “hiala ho any amin’ny fanesorana mandrakizay, fa ny marina [ny ondry] ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” Matio 24:2 ka hatramin’ny 25:46, MN; Marka 13:3-37, MN; Lioka 21:7-36, MN; Lk 19:43, 44, MN; Lk 17:20-30, MN; 2 Timoty 3:1-5; Jaona 10:16; Apokalypsy 21:1-3.
▪ Inona no nanosika ny apostoly hanao ny fanontaniany, nefa zavatra hafa inona koa no toa tao an-tsain’izy ireo?
▪ Tapany inona amin’ny faminanian’i Jesosy no tanteraka tamin’ny 70 am.fan.ir., nefa inona no tsy nitranga tamin’izay?
▪ Oviana no tanteraka voalohany ny faminanian’i Jesosy, nefa rahoviana izy io no ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe?
▪ Inona ilay zavatra maharikoriko teo amin’ny fahatanterahany voalohany sy farany?
▪ Nahoana no tsy nahita ny fahatanterahany farany tamin’ny fandravana an’i Jerosalema ny fahoriana lehibe?
▪ Tarehin-javatra maneran-tany inona avy no manamarika ny fanatrehan’i Kristy?
▪ Rahoviana ‘ny foko rehetra ambonin’ny tany no hamely tena ao anatin’ny fitomaniana’, kanefa inona no hataon’ireo mpanara-dia an’i Kristy?
▪ Fanoharana inona no nomen’i Jesosy mba hanampiana ireo mpianany ho avy hahatakatra fa efa akaiky ny farany?
▪ Fananarana inona no nomen’i Jesosy ireo mpianany izay ho velona mandritra ny andro farany?
▪ Iza no asehon’ireo virjiny folo?
▪ Oviana ny kongregasiona kristiana no natolotra ho fofombadin’ny mpampakatra, nefa oviana ilay mpampakatra no tonga naka ny ampakariny ho amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady?
▪ Mampiseho inona ny solika, ary mahatonga ny virjiny malina hanao inona ny fananana azy?
▪ Aiza no atao ny fanasana amin’ny fampakaram-bady?
▪ Valisoa kanto inona no nafoin’ireo virjiny adala, ary inona no anjaran’izy ireo?
▪ Fianarana inona no omen’ny fanoharana ny amin’ny talenta?
▪ Iza moa ireo mpanompo, ary inona ireo fananana nankinina taminy?
▪ Oviana no tonga handamina ny toe-bolany ilay tompo, ary inona no hitany?
▪ Inona ilay fifaliana idiran’ireo mpanompo mahatoky, ary inona no manjo an’ilay mpanompo fahatelo, dia ilay mpanompo ratsy fanahy?
▪ Ao anatin’ny fanatrehany, asa fitsarana inona moa no hataon’i Kristy?
▪ Amin’ny heviny ahoana ny ondry no handova ny Fanjakana?
▪ Oviana no nitranga ny “nanorenana izao tontolo izao”?
▪ Amin’ny fototra inona no itsarana ireo olona na ho ondry na ho osy izy?