Fanontanian’ny Mpamaky
Ao amin’ny 1 Petera 2:9, ny “Fandikan-teny Malagasy” dia miantso ireo Kristiana voahosotra hoe “taranaka voafidy”. Moa ve izany tokony hisy akony eo amin’ny fiheverantsika ny nampiasan’i Jesosy ny hoe “taranaka” voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:34?
Ilay teny hoe “taranaka” dia tena miseho tokoa ao amin’ny nandikana ireo andalan-teny roa ireo ao amin’ny fandikan-teny sasany. Araka ny Fandikan-teny Malagasy dia nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. Ary nanambara mialoha toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — 1 Petera 2:9; Matio 24:34.
Tao amin’ilay andalan-teny eo aloha, ny apostoly Petera dia nampiasa ilay teny grika hoe geʹnos, fa ao amin’ilay soratra misy ny filazan’i Jesosy kosa, dia mahita ny hoe ge·ne·aʹ isika. Mety ho toa mitovy ireo teny grika roa ireo, ary mifandray noho ny fototeny iombonana; na dia izany aza, dia teny tsy mitovy izy ireo, ary manana heviny tsy mitovy. Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao — Misy Fakan-teny dia milaza toy izao eo amin’ny fanamarihana ambany pejy amin’ny 1 Petera 2:9: “ ‘Firazanana.’ Gr.: geʹnos; tsy mitovy amin’ny hoe ge·ne·aʹ, ‘taranaka’, toy ny ao amin’ny Mt. 24:34.” Misy fanamarihana ambany pejy mifanitsy amin’izany hita eo amin’ny Matio 24:34.
Araka ny asehon’ireo fanamarihana ambany pejy ireo, ny hoe geʹnos dia adika amin’ny fomba mifanentana tsara amin’ilay teny hoe “firazanana”, araka ny fahita ao amin’ireo dikan-teny anglisy. Ao amin’ny 1 Petera 2:9 (NW ), i Petera dia nampihatra ilay faminaniana hita ao amin’ny Isaia 61:6 tamin’ireo Kristiana voahosotra manana fanantenana ny ho any an-danitra. Izy ireo dia nalaina avy tamin’ny firenena sy foko maro, saingy tsy misy heviny intsony ny fiaviany ara-nofo rehefa tonga anisan’ilay firenen’ny Isiraely ara-panahy izy ireo. (Romana 10:12; Galatiana 3:28, 29; 6:16; Apokalypsy 5:9, 10). I Petera dia nampahafantatra azy ireo ho nanjary antokon’olona miavaka, amin’ny heviny ara-panahy — “firazanana voafidy, fisorona-mpanjaka, firenena masina, olona ho fananana manokana”.
Ao amin’ilay soratra grika misy ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 24:34 anefa, dia mahita ilay teny hoe ge·ne·aʹ isika. Ekena hatraiza hatraiza fa i Jesosy dia tsy nanisy fitenenana ny amin’ny ‘firazanan’olona’ na iza na iza, fa ny amin’olona niaina nandritra ny fe-potoana voafaritra iray kosa.
Efa ho zato taona lasa izay, i Charles T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, dia nanazava tsara izany tamin’ny fanoratana hoe: “Na dia azo lazaina aza hoe avy amin’ny fototeny na fiandohana iombonana ny teny hoe ‘taranaka’ sy ‘firazanana’, dia tsy mitovy tsy akory izy ireo; ary ao amin’ny fampiasan’ny Soratra Masina azy, dia miavaka tanteraka ireo teny roa. (...) Ao amin’ireo firaketana an-tsoratra telo samy hafa momba io faminaniana io, dia lazaina fa ny Tompo no niavian’ny fampiasana teny grika iray hafa tanteraka (genea) izay tsy midika hoe firazanana, fa mitovy hevitra amin’ilay tenintsika anglisy hoe taranaka. Ireo fampiasana hafa an’io teny grika (genea) io dia manaporofo fa tsy ampiasaina amin’ny heviny hoe firazanana izy io, fa anondroana olona velona amin’ny fotoana iray ihany.” — The Day of Vengeance, pejy faha-602-603.
Vao haingana kokoa, ny A Handbook on the Gospel of Matthew (1988), natao ho an’ireo mpandika ny Baiboly, dia nilaza hoe: “[Ny New International Version] dia mandika hoe itỳ taranaka itỳ ara-bakiteny, saingy arahiny fanamarihana ambany pejy hoe: ‘Na firazanana’. Ary mino ny manam-pahaizana iray momba ny Testamenta Vaovao fa ‘ny tian’i Matio holazaina dia tsy ilay taranaka voalohany taorian’i Jesosy ihany, fa ireo taranaky ny Jodaisma rehetra izay nanda azy koa’. Tsy misy anefa porofo ara-pitenenana anamarinana ny tsirairay amin’ireo fanatsoahan-kevitra ireo, ary izy ireo dia tsy maintsy ailika ho toy ny fanandramana hiala amin’ilay miharihary fa heviny. Tamin’ny toe-javatra nanodidina azy tany am-boalohany, ilay teny asiana firesahana dia ho an’ireo niara-belona tamin’ny tenan’i Jesosy ihany.”
Araka ny voadinika ao amin’ny pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-15, dia nomelohin’i Jesosy ilay taranaka jiosy tamin’ny androny, ireo niara-belona taminy izay nanda azy. (Lioka 9:41; 11:32; 17:25). Matetika izy no nampiasa mpamari-toetra toy ny hoe “ratsy fanahy sy mijangajanga”, “tsy mino sady efa nivadika”, “sady mijangajanga no manota” rehefa nilazalaza izany taranaka izany. (Matio 12:39; 17:17; Marka 8:38). Rehefa nampiasa farany ny hoe “taranaka” i Jesosy, dia teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy niaraka tamin’ny apostoly efatra. (Marka 13:3). Azo antoka fa tsy nahaforona “taranaka” iray na firazanan’olona iray, ireo lehilahy ireo, izay mbola tsy voahosotra tamin’ny fanahy na anisan’ny kongregasiona kristiana. Izy ireo anefa dia tena nifankazatra tamin’ny fampiasan’i Jesosy an’ilay teny hoe “taranaka” rehefa nanisy fitenenana ny amin’ireo niara-belona taminy. Koa araka ny lojika, dia nahatakatra izay tao an-tsain’i Jesosy izy ireo rehefa nanonona farany ny hoe “ity taranaka ity” izy.a Ny apostoly Petera izay teo, dia nampirisika mafy ireo Jiosy taorian’izay nanao hoe: “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” — Asan’ny Apostoly 2:40.
Matetika izahay no namoaka porofo fa zavatra maro nambaran’i Jesosy mialoha ao amin’io lahateny io ihany (toy ny ady sy ny horohoron-tany ary mosary) no tanteraka teo anelanelan’ny fotoana nitenenany an’ilay faminaniana sy ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Maro no tanteraka, fa tsy izy rehetra. Ohatra, tsy misy porofo fa taorian’ny nanafihan’ny Romana an’i Jerosalema (66-70 am.f.i.), dia niseho “ny famantarana ny Zanak’olona”, ka nahatonga “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” hitomany. (Matio 24:30). Noho izany, dia tsy maintsy ho fahatanterahany voalohany fotsiny io teo anelanelan’ny 33 am.f.i. sy 70 am.f.i. io, fa tsy ilay fahatanterahany feno na amin’ny ambaratonga lehibe izay notondroin’i Jesosy koa.
Ao amin’ny sasin-tenin’ilay fandikan-teny nataony momba ny asa soratr’i Josèphe hoe The Jewish War, dia nanoratra toy izao i G. A. Williamson: “Milaza amintsika i Matio fa ireo mpianatra dia nanontany [an’i Jesosy] zavatra roa sosona — momba ny fandravana ny Tempoly sy momba ny fahatongavany farany — ary nanome azy ireo valiny roa sosona Izy, ka ilay tapany voalohany tamin’izany dia nanambara mialoha tamin’ny fomba faran’izay toy ny hitan’ny maso erỳ ireo fitrangan-javatra izay natao holazalazain’i Josèphe tamin’ny fomba feno aoka izany.”
Eny, tao amin’ilay fahatanterahany voalohany, “ity taranaka ity” dia miharihary fa nanana heviny nitovy tamin’izay nananany tamin’ny fotoana hafa — dia ilay taranaka niara-belona tamin’ireo Jiosy tsy nino. Io “taranaka” io dia tsy ho lany raha tsy mahita izay nambaran’i Jesosy mialoha. Araka ny nohazavain’i Williamson, dia hita fa marina io faminaniana io tao anatin’ireo taona am-polony maro talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, araka ny nilazalazan’i Josèphe, mpanoratra tantara nanatri-maso, azy.
Ao amin’ilay fahatanterahany faharoa na lehibe kokoa, “ity taranaka ity” dia ho araka ny lojika raha olona miara-belona koa. Araka ny voaporofo ao amin’ny fiandohan’ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy faha-16, dia tsy voatery hanatsoaka hevitra isika fa i Jesosy dia nanisy firesahana ny amin’ny isan’ny taona voafetra mahaforona “taranaka” iray.
Mifanohitra amin’izany fa, misy zava-dehibe roa azo lazaina momba izay mety ho fotoana tafiditra amin’ny hoe “taranaka”. 1) Ny taranaka iray eo amin’ny olona dia tsy azo heverina ho toy ny fe-potoana iray misy isan’ny taona voafetra, toy ny atao amin’ireo fanondroana fotoana midika ho isan’ny taona voafetra (am-polony taona, na taonjato). 2) Ny olona ao anatin’ny taranaka iray dia miaina ao anatin’ny fe-potoana somary fohy ihany, fa tsy lava be.
Noho izany, rehefa nandre an’i Jesosy nanisy fitenenana ny amin’“ity taranaka ity” ireo apostoly, dia inona no ho noeritreretiny? Raha mahafantatra isika fa tonga 37 taona tatỳ aoriana ny fandravana an’i Jerosalema tao amin’ny “fahoriana lehibe”, noho isika atỳ aorian’ny nitrangan’izany, dia tsy afaka nahafantatra izany ireo apostoly nandre an’i Jesosy. Ilay fanononany hoe “taranaka” kosa dia ho nampita tamin’izy ireo, tsy ilay hevitra hoe fe-potoana iray lava be, fa olona miaina mandritra ny fe-potoana somary voafetra ihany. Marina koa izany raha ny amintsika. Mifanentana tokoa àry ireo teny nampanarahin’i Jesosy izany manao hoe: “Ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. (...) Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” — Matio 24:36, 44.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ilay fitenenana hoe “ity taranaka ity”, ny endriny iray amin’ny mpisolo anarana manondro hoe houʹtos dia mifanaraka tsara amin’ny teny malagasy hoe “itỳ”. Izy io dia mety hanisy fitenenana ny amin-javatra manatrika eo na manoloana ilay miteny. Mety hanana heviny hafa koa anefa izy io. Manao izao fanamarihana izao ny Exegetical Dictionary of the New Testament (1991): “Ilay teny [houʹtos] dia manondro zava-misy izao ankehitriny izao. Araka izany, ny [aion houʹtos] dia ilay ‘tontolo misy amin’izao fotoana izao’ (...) ary ny [geneaʹ haute] dia ilay ‘taranaka velona ankehitriny’ (oh.: Matio 12:41f.a.p., 45; 24:34).” Nanoratra toy izao ny Dr. George B. Winer: “Indraindray ilay mpisolo anarana [houʹtos] dia manisy fitenenana, tsy ny amin’ilay anarana akaiky azy indrindra, fa ilay [anarana] lavitra kokoa, izay, amin’ny maha-renilazaina azy, dia akaiky indrindra ao an-tsaina, ilay ankehitriny indrindra amin’ny eritreritr’ilay mpanoratra.” — A Grammar of the Idiom of the New Testament, fanontana faha-7, 1897.