Fomba Itandrovana Fihavanana ny Fialan-tsiny
“MANAN-KERY ny fialan-tsiny. Mandamina ady amim-pilaminana, mandravona ny tsy fifanarahan’ireo firenena, mahatonga ny fanjakana hiaiky fa mijaly ny vahoakany, ary mampifandray tsara indray ny olona tsy nifankahazo.” I Deborah Tannen, manam-pahaizana any amin’ny Oniversite Georgetown, any Washington, no nanoratra ireo teny ireo.
Hamafisin’ny Baiboly fa matetika ny fialan-tsiny avy amin’ny fo no ahafahana mampihavana indray ny olona tsy nifankahazo. Diniho, ohatra, ilay fanoharan’i Jesosy mahakasika ilay zanaka adala. Tena nandray azy an-tanan-droa ny rainy rehefa nody sy niala tsiny tamin’ny fony manontolo izy. (Lioka 15:17-24) Tsy tokony ho be hambom-po loatra àry isika, fa ho vonona hiala tsiny sy hangataka famelan-keloka. Azo antoka fa tsy sarotra loatra amin’ny olona tena manetry tena ny miala tsiny.
Ny herin’ny fialan-tsiny
Misongadina amin’ny zavatra nataon’i Abigaila, vehivavy hendry teo amin’ny Isiraely fahiny, fa tena manan-kery ny fialan-tsiny, na dia niala tsiny noho ny fahadisoan’ny vadiny aza izy. Tany an’efitra niaraka tamin’ny olony i Davida, izay lasa mpanjakan’ny Isiraely tatỳ aoriana. Niaro ny andian’ondrin’i Nabala, vadin’i Abigaila, izy ireo tamin’izay fotoana izay. Nampody maina ny zatovon’i Davida anefa i Nabala rehefa mba nangataka mofo sy rano ireo. Niteny ratsy azy ireo mihitsy aza izy. Tezitra àry i Davida ka nitarika 400 lahy teo ho eo hiakatra hamely an’i Nabala sy ny ankohonany. Nandeha nitsena an’i Davida i Abigaila raha vao nahafantatra izany, ary niankohoka teo an-tongony rehefa nahita azy, ka nilaza hoe: “Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna hianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ny ankizivavinao.” Nanazava ny zava-nitranga izy avy eo ary nanome sakafo sy rano an’i Davida, izay nilaza hoe: “Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao hianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako hianao.”—1 Samoela 25:2-35.
Voatsimbina ny ankohonan’i Abigaila satria nanetry tena izy ary niala tsiny noho ny haratsiam-panahin’ny vadiny. Nisaotra azy mihitsy aza i Davida, noho izy nisakana azy tsy hivesatra trosan-dra. Marina fa tsy i Abigaila no nanao ratsy tamin’i Davida sy ny olony, nefa nekeny ny tsiny izay tokony ho an’ny fianakaviany ary nataony izay hihavanana tamin’i Davida.
Nahay tsara ny fotoana tokony hialan-tsiny koa ny apostoly Paoly. Tsy maintsy niaro tena teo anatrehan’ny Synedriona, na ny fitsarana avo jiosy, izy indray mandeha. Tezitra be i Ananiasy mpisoronabe noho ny fahatsoran’i Paoly, ka nodidiany hamely ny vavany ny olona nijoro teo. Hoy i Paoly tamin’izay: “Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa hianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?” Rehefa nolazain’ny olona fa nanevateva ny mpisoronabe i Paoly, dia niaiky ny fahadisoany avy hatrany izy, ary nanambara hoe: “Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: ‘Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao.’”—Asan’ny Apostoly 23:1-5.
Marina ny tenin’i Paoly fa tsy tokony hampiasa herisetra ny mpitsara. Niala tsiny ihany anefa izy, satria sendra nanao teny tsy nanaja, araka ny fiheveran’ny sasany.a Nanjary nihaino an’i Paoly ny Synedriona noho izy niala tsiny. Fantany ny adihevitra nifanaovan’ny mpikambana tao amin’ny fitsarana, ka nambarany fa ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty no itsarana azy. Nahatonga fifandirana be teo amin’ireo olona ireo izany, ary niandany tamin’i Paoly ny Fariseo.—Asan’ny Apostoly 23:6-10.
Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara roa ara-baiboly ireo? I Abigaila sy Paoly dia samy nampiseho fa tena nanenina izy, ka afaka nifampiresaka tamin’ny olona nanana alahelo taminy. Afaka manampy antsika mba hitandro ny fihavanana àry ny fialan-tsiny. Afaka hifampiresaka tsara tokoa isika raha miaiky ny fahadisoantsika sady miala tsiny noho ny voka-dratsin’izany.
‘Fa izaho ange tsy diso e!’
Rehefa fantatsika fa nahasosotra olona ny teny na ny zavatra nataontsika, dia mety hihevitra isika fa sarotiny na mora tohina ilay olona. Hoy anefa i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.”—Matio 5:23, 24.
Mety hieritreritra, ohatra, ny rahalahy iray fa nanota taminy ianao. Nilaza i Jesosy fa tokony hanao izay ‘hihavanana amin’ny rahalahinao’ ianao rehefa misy toe-javatra toy izany mitranga, na mihevi-tena ho diso ianao na tsia. Ny teny grika ilazana ny tenin’i Jesosy eto dia ‘midika hoe mifandefitra rehefa avy nifanditra.’ (Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, anglisy) Mety ho samy diso tokoa mantsy ny olona roa tsy mifanaraka, satria samy tsy lavorary izy ary matetika manao fahadisoana. Mazàna àry no tsy maintsy mifandefitra ny roa tonta.
Ny zava-dehibe dia tsy hoe iza no manana ny rariny ary iza no diso, fa kosa hoe iza no hanao ny dingana voalohany mba hitandrovana ny fihavanana. Rehefa tsikaritr’i Paoly fa nitory ny mpiara-manompo taminy teny amin’ny fitsarana ny Kristianina tany Korinto, noho ny adiady ara-bola, ohatra, dia nanitsy azy ireo toy izao izy: “Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” (1 Korintianina 6:7) Marina fa nilaza izany tamin’ny Kristianina namany i Paoly mba tsy handehanan’izy ireo eny amin’ny fitsarana rehefa handamina ny adiadiny. Mazava anefa ny toro lalana raketin’izany, dia hoe: Ny fihavanana amin’ny mpiray finoana no zava-dehibe noho ny manaporofo hoe iza no manana ny rariny ary iza no diso. Raha mitadidy io toro lalana io isika dia ho mora kokoa ny hiala tsiny rehefa misy mihevitra fa tsy rariny ny nataontsika taminy.
Tokony ho avy amin’ny fo ny fialan-tsiny
Ampiasaina befahatany anefa ny teny fialan-tsiny indraindray. Tsy voaisa intsony, ohatra, ny fampiasan’ny Japoney ny teny fialan-tsiny hoe sumimasen. Azo anehoana fisaorana mihitsy aza io teny io, ka amin’izay dia ilazana koa fa sadaikatra ny tena, satria tsy afaka mamaly ny soa noraisina. Miovaova ny dikan’io teny io, ka misy mihevitra fa ampiasaina matetika loatra izy io. Manontany tena izy ireo raha avy amin’ny fo tokoa no ilazana azy. Mety hatao toy izany koa ny teny fialan-tsiny any amin’ny firenen-kafa.
Ilaina hatao amin’ny fo ny fialan-tsiny, na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona. Tokony ho hita taratra amin’ny teny ampiasaina sy ny fomba ilazana azy fa tena manenina noho ny zavatra nataony ilay olona. Tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nampianatra ny mpianany i Jesosy Kristy hoe: “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy.” (Matio 5:37) Aza atao am-bava fotsiny àry ny fialan-tsiny! Indro misy ohatra: Niala tsiny ny ramose iray tany amin’ny seranam-piaramanidina, rehefa nandona ramatoa niara-nilahatra taminy ny entany. Voadonan’ilay entana indray ilay ramatoa rehefa nandroso ilay filaharana, taoriana kelin’izay. Niala tsiny indray ity ramose. Raha mbola nitranga ihany izany dia nilaza taminy ny naman’ilay ramatoa fa raha tena miala tsiny izy dia tokony hitandrina tsara mba tsy ho voadonan’ny entany indray ilay ramatoa. Araka izany, dia tokony ho tapa-kevitra ny tsy hamerina ny fahadisoana nataontsika isika rehefa miala tsiny.
Raha miala tsiny avy amin’ny fo isika dia tokony hanaiky ny fahadisoantsika, hangataka famelan-keloka ary hiezaka hanonitra araka izay azo atao ny ratsy vitantsika. Ilay olona ialana tsiny kosa tokony ho vonona hamela ny helok’ilay mifona. (Matio 18:21, 22; Marka 11:25; Efesiana 4:32; Kolosiana 3:13) Koa satria samy tsy lavorary ny andaniny sy ny ankilany, dia mety tsy ho mora foana ny fitadiavana fihavanana. Tena manan-kery hitandrovana izany anefa ny fialan-tsiny.
Tsy mety indraindray ny miala tsiny
Marina fa mampitony sy mampihavana ny teny maneho nenina sy alahelo. Tsy manao izany anefa ny olona hendry rehefa tsy mety izany. Raiso, ohatra, ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra. Fony tetỳ an-tany i Jesosy Kristy, dia “nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” (Filipiana 2:8) Tsy niala tsiny anefa izy na hoe niaiky fa diso ny zavatra ninoany, mba hanamaivanana ny fijaliany. Tsy nanao izany koa izy rehefa nanontany azy ny mpisoronabe hoe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” Tsy menamenatra izy na niala tsiny fa nisikina herim-po kosa ary nanambara hoe: “Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.” (Matio 26:63, 64) Tsy tonga tao an-tsain’i Jesosy mihitsy ny hoe aleo mitandro fihavanana amin’ilay mpisoronabe toy izay tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra Rainy.
Manaja sy manome voninahitra an’ireo manam-pahefana ny Kristianina. Na izany aza, dia tsy mila miala tsiny izy, na miaiky fa diso na manaiky lembenana, rehefa misy mandidy azy tsy hankatò an’Andriamanitra sy tsy ho tia ny rahalahiny.—Matio 28:19, 20; Romana 13:5-7.
Tsy hisy hisakana ny fihavanana intsony
Manao fahadisoana isika ankehitriny, satria nandova ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana tamin’i Adama razambentsika. (Romana 5:12; 1 Jaona 1:10) Ny fikomian’i Adama tamin’ny Mpamorona no nahatonga azy ho mpanota. Lavorary sady tsy mpanota anefa izy sy i Eva tany am-boalohany, ary nampanantena Andriamanitra fa hataony lavorary toy izany indray ny olombelona. Hanaisotra ny fahotana sy ny vokany rehetra izy.—1 Korintiana 15:56, 57.
Eritrereto ange izany e! Rehefa nanome torohevitra momba ny fampiasana ny lela i Jakoba rahalahin’i Jesosy, dia hoy izy: “Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.” (Jakoba 3:2) Mahafehy ny lelany ny olona lavorary ka tsy ho voatery hiala tsiny. “Mahafehy ny tenany rehetra” izy. Tena hahafinaritra tokoa ny fiainana rehefa ho lavorary isika! Tsy hisy zavatra hanimba ny fihavanan’ny olona intsony amin’izay fotoana izay. Mandra-pahatongan’izany anefa aloha dia mila miala tsiny avy amin’ny fo isika rehefa manao fahadisoana, satria tena mitandro ny fihavanana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Noho i Paoly tsy nahita tsara angamba no nahatonga azy tsy hahafantatra ilay mpisoronabe.
[Sary, pejy 5]
Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Paoly?
[Sary, pejy 7]
Tsy hisy hisakana ny fihavanana intsony rehefa ho lavorary ny rehetra