Nosoratan’i Lioka
15 Ary tonga nitangorona teo amin’i Jesosy ny mpamory hetra sy ny mpanota rehetra mba hihaino azy.+ 2 Dia nimenomenona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: “Mandray tsara an’ireo mpanota ilehity sady miara-mihinana aminy.” 3 Dia nilaza an’izao fanoharana izao tamin’izy ireo i Jesosy: 4 “Iza aminareo moa raha manana ondry 100 ka very ny iray, no tsy hamela ny 99 any an-tany efitra, dia handeha hitady an’ilay very mandra-pahitany azy?+ 5 Ary rehefa hitany ilay izy, dia hataony eo an-tsorony sady ho faly izy. 6 Dia hovoriny ny namany sy ny mpiara-monina aminy rehefa tonga any an-tranony izy, ka hilazany hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay ondriko very.’+ 7 Lazaiko aminareo koa fa hahafaly kokoa ny any an-danitra ny mpanota iray mibebaka,+ noho ny olo-marina 99 tsy mila mibebaka.
8 “Ary iza moa no vehivavy manam-bola madinika drakma* folo ka very ny anankiray, no tsy handrehitra jiro sy hamafa trano ka hitady tsara an’ilay izy mandra-pahitany azy? 9 Rehefa hitany ilay izy, dia hovoriny ny namany* sy ny mpiara-monina aminy, ka hilazany hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay vola* very.’ 10 Lazaiko aminareo fa faly hoatr’izany koa ny anjelin’Andriamanitra, rehefa misy mpanota iray mibebaka.”+
11 Hoy izy avy eo: “Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. 12 Dia hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada a, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy.’ Koa nozarain-drainy tamin’izy roa lahy ny fananany. 13 Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra, ary lasa nankany an-tany lavitra izy. Naditra be mihitsy* izy tany, ka lanilany foana ny fananany. 14 Rehefa laniny daholo ny fananany, dia nisy mosary mafy nanerana an’ilay tany ka lasa nahantra izy. 15 Lasa mihitsy aza izy nankany amin’ny tompon-tany anankiray tao amin’izany tany izany, ka nisisika hiasa tao aminy. Koa nirahin’izy io hiandry kisoa+ tany an-tsaha izy. 16 Tena tiany raha mba vokin’ny hanin-kisoa* izy. Tsy nisy nanome azy na inona na inona anefa.
17 “Dia tonga saina izy, ka niteny hoe: ‘Be dia be erỳ izao ny olona karamain’i Dada no tsy ory sakafo, nefa izaho ity ho faty mosary eto! 18 Handeha hiverina any amin’ny raiko aho, dia hiteny aminy hoe: “Dada a, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. 19 Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho, fa mba ataovy hoatran’ny iray amin’ireo olona karamainao.”’ 20 Dia niainga izy ka nankany amin’ny rainy. Mbola lavitra anefa izy, dia efa tazan’ny rainy. Nangoraka azy ny rainy dia nihazakazaka ary namihina azy* sady nanoroka azy tamim-pitiavana. 21 Dia hoy ilay zanany taminy: ‘Dada a, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho.+ Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho.’ 22 Fa hoy ny rainy tamin’ny mpanompony: ‘Mandehana haingana! Makà akanjo lava, ilay tsara indrindra, dia ampanaovy azy, ary asio peratra ny tanany dia asio kapa ny tongony. 23 Alaivo koa ilay zanak’omby mifahy, dia vonoy. Ary andao isika hihinana sy hanao fety, 24 satria efa maty ity zanako ity nefa velona indray,+ ary efa very nefa hita indray.’ Dia nanomboka nifaly izy ireo.
25 “Tany an-tsaha ilay zokiny tamin’izay. Rehefa nody izy ka tonga teny akaikin’ny trano, dia naheno mozika sy olona nandihy. 26 Koa niantso mpanompo anankiray izy, dia nanontany azy hoe inona no nitranga. 27 Hoy ilay mpanompo: ‘Tonga ny rahalahinao, dia namono an’ilay zanak’omby mifahy ny rainao, satria tafaverina eto aminy izy sady salama tsara.’* 28 Tezitra anefa ilay zokiny, ka tsy nety niditra. Dia nivoaka ny rainy ka niangavy azy mba handroso. 29 Hoy anefa izy tamin’ny rainy: ‘Hitanao! Taona maro izay no nanompoako anao, ary mbola tsy nandika ny didinao mihitsy aho, na indray mandeha aza. Mbola tsy nanome ahy zanak’osy iray akory anefa ianao, na indray mandeha aza, mba hifalifaliako miaraka amin’ny namako. 30 Fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay nandanilany ny fanananao tamin’ny mpivaro-tena, dia namonoanao an’ilay zanak’omby mifahy.’ 31 Dia hoy ny rainy: ‘Ianao ange, anaka, teto amiko foana e! Ary anao daholo izay rehetra ananako! 32 Tsy maintsy manao fety sy mifaly anefa isika, satria efa maty io rahalahinao io nefa velona indray, ary efa very nefa hita indray.’”