Ahoana no Andaminanao Ireo Tsy Fifanarahana?
Nisy fihetsika nitavozavoza — ary nianjera avy teo amin’ny talantalan’ny cheminée ny fahatelo tamin’ireo elefanta bakoly dimy mitandahatra. Tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ilay elefanta bakoly. Raha tsy izany, dia ho very ny firindrana asehon’ny fitambaran’ireo elefanta dimy manontolo. Kanefa, sarotra ilay fanaovana azy, ary tsy mahatsiaro tena ho ampy fahaizana ianao. Ho voatery hitady torohevitra na hangataka manam-pahaizana manokana mihitsy aza ianao mba hanao ilay asa.
SAROBIDY lavitra noho ny ravaka fotsiny ny firindrana eo amin’ireo rahalahy sy anabavy ara-panahy. Nihira tamin’ny fomba nifanentana toy izao ny mpanao salamo: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” (Salamo 133:1). Mety ho raharaha sarotra indraindray ny fandaminana tsy fifanarahana amin’ny namana kristiana iray. Ambonin’izany, ny sasany dia tsy manao izany araka ny tokony ho izy. Mampanaintaina amin’ny fomba tsy ilaina na tsy tena marim-pototra matetika ilay “famerenana amin’ny laoniny”, ka mamela marika tsy mahafinaritra.
Misy Kristiana sasany mitady ny hampiditra amin’ny fomba tsy ilaina ireo loholona voatendry, ao amin’ny raharaha izay azon’ny tenan’izy ireo karakaraina. Mety ho izany no izy satria tsy mahazo antoka ny amin’izay hataony izy ireo. “Maro amin’ireo rahalahintsika no tsy mahafantatra ny fomba hampiharana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly mba handaminana ireo tsy fifanarahany”, hoy ny fanazavan’ny rahalahy iray ampy fanandraman-javatra amin’ny fanomezana torohevitra ao amin’ny Baiboly. “Matetika tokoa”, hoy izy nanohy ny teniny, “dia tsy manaraka ny fomba fanaovan’i Jesosy zavatra izy ireo.” Koa inona moa, raha ny marina, no nolazain’i Jesosy ny amin’ny fomba tokony handaminan’ny Kristiana iray ireo tsy fifanarahany amin’ny rahalahiny? Nahoana no zava-dehibe ny hahafantarana tsara io torohevitra io sy ny hianarana ny fomba hampiharana azy io?
Tsy fifanarahana madinika
“Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” — Matio 5:23, 24.
Tamin’ny fotoana nilazan’i Jesosy ireo teny ireo, ireo Jiosy dia nanana fahazarana nanatitra sorona na nampiseho fanatitra teo amin’ny alitaran’ny tempoly tao Jerosalema. Raha nanisy ratsy Isiraelita iray toa azy ny Jiosy iray, dia afaka nanatitra fanatitra dorana manontolo na fanatitra noho ny ota ilay nanafintohina. Tonga eo amin’ny dingana lehibe indrindra ilay ohatra notantarain’i Jesosy. Rehefa eo amin’ny alitara ilay olona ary efa hanatitra ny fanatiny ho an’Andriamanitra, dia mahatsiaro izy fa manana alahelo aminy ny rahalahiny. Eny, nila ny nahatakatra ilay Isiraelita fa tokony hialoha ny fanatanterahana adidy ara-pivavahana toy izany ny fihavanana amin’ny rahalahiny.
Na dia zavatra notakin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny fanatitra toy ireny, dia tsy nanana ny vidiny lehibe indrindra teo imason’Andriamanitra tamin’ny naha-izy azy fotsiny izy ireny. Hoy i Samoela mpaminany tamin’i Saoly Mpanjaka tsy nahatoky: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.” — 1 Samoela 15:22.
Teo amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia naverin’i Jesosy io filaharan’ny zavatra mitana ny toerana voalohany io ary nasehony tamin’ireo mpianany fa tsy maintsy mandamina ireo tsy fifanarahany izy ireo, alohan’ny hanaovana ny fanatiny. Amin’izao andro izao, ny fanatitra takina amin’ireo Kristiana dia karazany ara-panahy — “fanati-piderana (...), dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”. (Hebreo 13:15). Na dia izany aza, dia mbola manan-kery ilay fotopoto-pitsipika. Nampiseho toy izany koa ny apostoly Jaona fa ho zava-poana ho an’ny olona iray ny hihamboana ho tia an’Andriamanitra raha mankahala ny rahalahiny izy. — 1 Jaona 4:20, 21.
Mahaliana fa ilay olona izay mahatadidy fa manana alahelo aminy ny rahalahiny no tokony hanao ny dingana voalohany. Mety hiteraka vokatra tsara ny fanetren-tena izay asehony amin’izany. Azo inoana fa ny olona iray nasian-dratsy dia tsy handa ny hiara-miasa amin’ny olona iray tonga eo aminy ka miaiky ny fahadisoany manokana. Nanambara ny Lalàn’i Mosesy fa na inona na inona nalaina tsy ara-drariny dia tokony haverina amin’ny fomba feno ary tokony hanampiana izany ny ampahadiminy fanampiny. (Levitikosy 5:24). Ho vita moramora kokoa toy izany ny famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana tsy misy raorao sy mirindra raha toa ilay nanafintohina ka mampiseho ny faniriany hanao mihoatra noho izay takina, amin’ny heviny marina indrindra, dia ny hanonitra ny fahavoazana rehetra nety ho naterany.
Kanefa, tsy mahomby foana akory ireo fiezahana hamerina amin’ny laoniny fifandraisana tsy misy raorao. Mampahatsiahy antsika ny bokin’ny Ohabolana fa sarotra ny mandamina tsy fifanarahana amin’olona izay mahita fa tsy mora ny mandray tsara ilay dingana. Hoy ny Ohabolana 18:19: “Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.” Amakiana toy izao ny fandikan-teny hafa: “Manoatra ny tanàna mimanda, ny rahalahy miady amin’ny rahalahiny; ary tahaka ny hidin’ny lapa ny fifandiran’izy ireo.” (Kat.). Amin’ny farany anefa, dia azo inoana fa tokony hahomby ireo fiezahana amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena raha sendra mpiray finoana maniry ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Kanefa, rehefa antitranterina fa misy fahotana lehibe, dia mila ny hampiharina ny torohevitr’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 18 toko faha-18.
Fandaminana tsy fifanarahana lehibe
“Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.” — Matio 18:15-17.
Ahoana raha tojo zava-manahirana lehibe tamin’ny mpiara-nivavaka tamin’i Jehovah ny Jiosy iray (na tatỳ aoriana, ny Kristiana iray)? Ilay nihevitra fa nanotana no tokony hanao ny dingana voalohany. Tokony hidinika ny amin’ilay raharaha miaraka amin’ilay nanafintohina ao amin’ny toerana mitokana izy. Tamin’ny tsy fanandramana ny hanangona fanohanana ho an’ny andaniny nisy azy tao amin’ilay tarehin-javatra, dia azo antoka fa azo inoana kokoa ny hahazoany ny rahalahiny, indrindra raha tsy nisy afa-tsy tsy fifankahazoan-kevitra izay azo nalamina haingana. Voalamina mora foana ny zava-drehetra raha toa ireo tafiditra nivantana no hany nahafantatra ilay raharaha.
Kanefa mety ho tsy ampy ilay dingana voalohany. Mba hiatrehana ilay tarehin-javatra, dia hoy i Jesosy: “Ento (...) ny olona iray na roa”. Tena nety ho vavolombelona nivantana izy ireo. Angamba nandre ny anankiray nanendrikendrika ilay hafa izy ireo, na angamba vavolombelona tamin’ny fifanekena an-tsoratra izay tsy ifanarahan’ireo andaniny roa izao, ireo entina. Etsy an-danin’izany, ireo izay entina dia mety ho tonga vavolombelona rehefa aroso ireo anton-javatra rehetra toy ny fanamarinana an-tsoratra na am-bava, mba hanaporofoana ny anton’ilay zava-manahirana. Eto indray, dia ny vitsy an’isa indrindra araka izay azo atao — “olona iray na roa” — no tokony hahafantatra ilay raharaha. Hisakana ny fiharatsian’ny toe-javatra izany raha toa ka tsy fifankahazoan-kevitra fotsiny ilay raharaha.
Antony manosika inona avy no tokony hananan’ilay tafintohina? Tokony hanandrana ny hampietry ilay namany kristiana ve izy ka haniry ny hanambaniany tena? Raha jerena ny torohevitra nomen’i Jesosy, ireo Kristiana dia tsy tokony ho mailaka ny hanameloka ireo rahalahiny. Raha miaiky ny fahadisoany ilay nanota, sady mifona ary manandrana ny hanitsy ny tarehin-javatra, dia ‘hahazo ny rahalahiny’ ilay nanotana. — Matio 18:15.
Raha tsy azo alamina ilay raharaha, dia tokony hoentina ho any amin’ny kongregasiona. Tany am-boalohany, izany dia nidika ho ireo loholon’ireo Jiosy, kanefa tatỳ aoriana, dia ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana. Mety ho voatery horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona ilay manao ratsy tsy mibebaka. Izay no tiana holazaina amin’ny fiheverana azy “tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra”, olona izay nohalavirin’ireo Jiosy. Tsy azon’ny Kristiana isam-batan’olona iantsorohana ny fanaovana io dingana lehibe io. Ireo loholona voatendry, izay mampiseho ny kongregasiona, no hany nomena lalana hiantsoroka fanaovan-javatra toy izany. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 5:13.
Ny mety hahavoaroaka izay manao ratsy tsy mibebaka dia mampiseho fa tsy mikasika tsy fifanarahana madinika ny Matio 18:15-17. Nanisy firesahana ny amin’ny fanaovan-dratsy lehibe i Jesosy, kanefa amin’ny karazana izay mety halamina eo amin’ireo olona roa voakasika ihany. Ohatra, ilay fanaovan-dratsy dia mety ho fanendrikendrehana, izay misy fiantraikany lehibe eo amin’ny lazan’ilay iharam-pahavoazana. Na mety hahakasika raharaha ara-bola izany, satria mirakitra fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ilay mpanompo tsy namindra fo izay namoizana trosa be dia be, ireo andininy manaraka. (Matio 18:23-35). Ny vola nosamborina tsy naverina tao anatin’ny fotoana nomena dia mety ho zava-manahirana mandalo fotsiny izay azo alamina mora foana eo amin’ireo olona roa. Kanefa dia mety hanjary fahotana lehibe, izany hoe halatra, izany raha toa ka mikiry tsy mety mamerina izay notrosainy ilay mpisambotra.
Misy fahotana hafa tsy azo alamina eo amin’ny Kristiana roa fotsiny. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia tokony hambara ireo fahotana lehibe. (Levitikosy 5:1; Ohabolana 29:24). Toy izany koa, ireo fahotana lehibe mahatafiditra ny fahadiovan’ny kongregasiona dia tokony hambara amin’ireo loholona kristiana.
Kanefa, tsy tonga amin’izany fanaovan-javatra izany ny ankamaroan’ireo fifandonana eo amin’ny samy Kristiana.
Tsy ho afaka ny hamela heloka fotsiny ve ianao?
Vao avy nanazava ny fomba fandaminana tsy fifanarahana lehibe i Jesosy, raha nanome fianarana lehibe iray hafa. Izao no vakintsika: “Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:21, 22). Tamin’ny fotoana hafa dia nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy mba hamela heloka “impito indray andro”. (Lioka 17:3, 4). Mazava àry fa takina amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy ny handaminana tsy fifanarahana amin’ny fifamelan-keloka malalaka.
Izany dia lafiny iray mitaky fiezahana lehibe. “Tsy fantatry ny rahalahy sasany tsotra izao ny fomba hamelan-keloka”, hoy ilay olona noresahina teo am-piandohana. Izao ny nanampiny: “Toa gaga izy ireo rehefa misy olona manazava aminy fa afaka mifidy ny hamela heloka izy ireo voalohany indrindra, mba hitsimbinana ny fihavanana ao anatin’ny kongregasiona kristiana.”
Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13). Noho izany, alohan’ny handehanana ho any amin’ny rahalahy iray izay nety ho nanafintohina antsika, dia ho tsara ny hieritreretana ireto fanontaniana manaraka ireto: Mendrika ny horesahina aminy ve ilay fanaovan-dratsy? Tena tsy mety amiko mihitsy ve ny hamela ny lasa homba ny lasa amin’ny tena toe-tsaina mampiavaka ny Kristianisma? Raha izaho no teo amin’ny toerany, tsy ho tiako ve ny ho voavela heloka? Ary raha mifidy ny tsy hamela heloka aho, azoko antenaina ve ny hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataoko sy ny hamelany ny heloko? (Matio 6:12, 14, 15). Mety hanampy antsika tsara hamela heloka ireo fanontaniana ireo.
Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia iray amin’ireo andraikitsika lehibe ny mitsimbina ny fihavanana ao anatin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah. Noho izany, aoka isika hampihatra ny torohevitra nomen’i Jesosy. Hanampy antsika hamela heloka malalaka izany. Handray anjara amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, izay marika mampiavaka ireo mpianatr’i Jesosy, ny toe-tsaina tia mamela heloka toy izany. — Jaona 13:34, 35.
[Sary, pejy 23]
Afaka mandamina ireo tsy fifanarahany ny Kristiana amin’ny fanarahana ny torohevitra nomen’i Jesosy