Toko 13
Fantatra Amin’ny Fitondran-tenantsika
MARO ny olona tsy miraharaha intsony ny fitsipi-pitondran-tena narahina hatramin’izay. Nanao izany koa ny ankamaroan’ny Kristianina Anarana, satria tia milefitra, na milaza fa hafa ny taloha, ary tsy fady intsony ireo zavatra fady taloha. Nolazain’i Samuel Miller, avy ao amin’ny Sekoly Teolojikan’i Harvard toy izao, ny vokatr’izany: “Tsy manana hazon-damosina ny fiangonana, ka narahiny ny kolontsaina amin’ny androntsika.” Ratsy be ny vokatr’izany, teo amin’ireo nanantena ny fiangonana hitari-dalana azy.
Tsy toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah, satria “miavaka ny fitsipi-pitondran-tenany”, hoy ny Fiangonan’i Montréal (frantsay), gazety mpiseho isan-kerinandro, avoakan’ny arsidiosezin’ny Katolika any Montréal, Kanada. Miray hevitra amin’izany ny mpampianatra sy mpampiasa ary mpitondra maro. Inona no mahatonga izany laza izany?
Tsy ampy ho an’izay te ho Vavolombelon’i Jehovah ny manana foto-pinoana voafaritra tsara sy mitory momba izany. Nantsoina hoe “Ny Lalana” ny Kristianisma voalohany, ary fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa zavatra iainana mihitsy ny fivavahana marina. (Asa. 9:2) Toy ny zava-nitranga hafa ihany anefa ny fahatakaran’ny Vavolombelona momba izany.
“Toetra sa Fifanekena?”
Nahazo torohevitra avy amin’ny Soratra Masina ireo Mpianatra ny Baiboly, mahakasika ny tokony hanahafana an’i Kristy. Nanjary tsy noheverin’izy ireo anefa ny lafiny sasany amin’ny Kristianisma marina, vokatry ny “fampitomboana toetra”, araka ny niantsoany azy. Nisy nilaza fa azo antoka ny fidirany any an-danitra, rehefa olona mahafinaritra izy, izany hoe tsara fanahy sy tsara toetra foana, miteny malefaka, tsy mampiseho fahatezerana mihitsy, ary mamaky Baiboly isan’andro. Tsy tsaroany anefa fa nisy asa nasain’i Kristy hataon’ny mpianany.
Noresahina tamin’ny fomba hentitra izany, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Mey 1926, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Toetra sa Fifanekena?”a Nasehon’izy io fa nisy kivy, vokatry ny fiezahana hanana “toetra lavorary”, dieny izy mbola eto an-tany. Nisy koa nanjary nihevi-tena ho masina noho ny namany, ka tsy nijery ny fahamendrehan’ny soron’i Kristy. Nohamafisin’ilay lahatsoratra ny finoana ny ra nalatsak’i Kristy, ary nasongadiny avy eo fa zava-dehibe ny ‘manao zavatra’ eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hanaporofoana fa sitrak’Andriamanitra ny fomba fiaina. (2 Pet. 1:5-10) Nihambo ho nanaraka ny fitondran-tena resahin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny Kristianisma Anarana tamin’izany, fa ny fanasongadinana ny asa kosa no nampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao mainka hita ilay tsy fitoviana, rehefa tsy maintsy niatrika raharaha momba ny fitondran-tena ireo rehetra milaza ho Kristianina.
‘Fadio ny fijangajangana’
Efa ela be no noresahin’ny Baiboly mazava ny fitsipi-pitondran-tena tokony harahin’ny Kristianina. “Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana ... Fa Andriamanitra tsy niantso antsika mba hilefitra amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana kosa. Koa izay tsy miraharaha àry, dia tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra.” (1 Tes. 4:3-8) “Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Heb. 13:4) “Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, ... na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”—1 Kor. 6:9, 10.
Efa tamin’ny Novambra 1879 Ny Tilikambo Fiambenana no niresaka momba izany fitsipika ho an’ny Kristianina marina izany. Tsy noresahina matetika na lava be anefa izany, mba tsy hiheverana hoe olana lehibe teo anivon’ireo Mpianatra ny Baiboly ilay izy. Nihanilefitra hatrany kosa izao tontolo izao, ka tsy maintsy naverina noresahina ireny fitsipika ireny, indrindra fa taloha sy taorian’ny Ady Lehibe II. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nihevitra mantsy fa anjarany ihany ny manapa-kevitra momba ny firaisana, raha mbola betsaka koa ny fitoriana ataony. Efa nilaza mazava Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1935 fa tsy mety ny maloto fitondran-tena, na dia mandray anjara amin’ny fitoriana aza ilay olona. Tsy ny rehetra anefa no nampihatra izany. Noresahina be indray àry izany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Mey 1941, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Andron’i Noa.” Noresahiny fa ny olona nanaram-po tamin’ny firaisana no nahatonga an’Andriamanitra handrava ilay tontolo tamin’ny andron’i Noa, ary mampiseho izay hataon’Andriamanitra ankehitriny koa izany. Voalaza tao fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika, ny manao ny sitrapon’Andriamanitra ny alahady, ary manaram-po amin’ny “asan’ny nofo” kosa mandritra ny herinandro. (Gal. 5:17-21) Namerina niresaka azy io koa ny lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1942, izay nanameloka ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ho an’ny manambady sy ny tsy manana. Tsy misy Vavolombelon’i Jehovah tokony hihevitra hoe afaka manaram-po amin’ny fitondran-tena ratsy izy, satria mitory ilay Fanjakana. (1 Kor. 9:27) Hisy fepetra hentitra kokoa horaisina, mba hiarovana ny fahadiovan’ny fandaminana.
Samihafa koa ny kolontsain’ireo te ho Vavolombelon’i Jehovah: Nisy efa zatra nahita fanambadiana andrana, fandeferana amin’ny firaisana ataon’ny olona hivady, na nihevitra fa mety ny miara-monina, rehefa nifanekena, na dia tsy mivady ara-dalàna aza. Nisy mpivady vitsivitsy nifidy tsy hanao firaisana mihitsy. Nisy kosa nisintaka tamin’ny vadiny, na dia tsy nisaraka tanteraka aza. Nanome toromarika momba izany Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ireo taona 1950. Noresahina ireo toe-javatra ireo sy ny andraikitry ny mpivady; nantitranterina fa raran’ny Baiboly ny fijangajangana, ary nohazavaina ny dikan’io teny io, mba tsy hisian’ny fifandisoan-kevitra.b—Asa. 15:19, 20; 1 Kor. 6:18.
Noheverina manokana izany, raha tsy nandray tsara ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly ny olona niaraka tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Nanao lahateny momba ny fitondran-tena kristianina, tany Costa Rica, i N. Knorr, prezidà fahatelon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1945. Hoy izy: “Manoro hevitra anareo aho, raha misy aminareo eto miara-mipetraka amin’ny vehivavy tsy vadinareo misoratra ara-dalàna aminareo. Mandehana any amin’ny Eglizy Katolika, dia misorata anarana any, satria any ianareo no afaka manao izany. Fandaminan’i Jehovah kosa ity, ka tsy azonareo anaovana an’izany.”
Nampiseho ny fitondran-tenany ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, nanomboka tamin’ireo taona 1960. Maro ny fiangonana niresaka momba azy ireo, ary nanaiky azy ireny ho ao aminy. Misy aza mamela an’ireny lehilahy ireny ho mpitondra fivavahana mihitsy. Noresahina tao amin’ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, mba hanampiana ny olona tso-po. Tsy nisalasala mihitsy anefa ny Vavolombelona, raha ny tokony hiheverana ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy no resahina. Nahoana? Satria tsy hevitr’olona fahiny no niheverany ny Baiboly. (1 Tes. 2:13) Faly izy ireo mampianatra Baiboly an’ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, mba hahalalany ny fitsipik’i Jehovah; azon’ireny atao koa ny manatrika fivoriana, nefa tsy afaka ny ho Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy ireny, raha tsy manova ny fomba fiainany.—1 Kor. 6:9-11; Joda 7.
Nanjary betsaka koa eran-tany ny zatovo manao firaisana. Nahatsiaro ho voatery hanao izany ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah, ary nisy nanaraka fomba fiainan’izao tontolo izao. Ahoana ny hevitry ny fandaminana momba izany? Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny lahatsoratra momba ny hevitry ny Soratra Masina. Naseho tamin’ny fivoriambe ny tantara tena nisy, mba hanampiana ny rehetra hahita ny vokatry ny tsy fanarahana ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly, sy ny soa azo avy amin’ny fanarahana ny didin’Andriamanitra. Anisan’ny voalohany tamin’izany ilay fampisehoana tamin’ny 1969 hoe “Tsilo sy Fandrika no eo Amin’ny Lalan’ny Tia Fahaleovan-tena.” Nisy boky nomanina manokana mba hanampiana ny tanora hahatakatra hoe fahendrena ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Anisan’izany ny boky Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany (1976) sy ny Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra (1989). Nanome torohevitra ny tsirairay sy ny fianakaviana koa ny anti-panahy. Voaro ny fiangonan’ny Vavolombelona, satria roahina ny mpanao ratsy tsy mibebaka.
Tsy nanjary nilefitra loatra ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia niharatsy aza ny fitondran-tenan’izao tontolo izao. Vao mainka aza nohamafisin’ny Filan-kevi-pitantanany fa ilaina ny manalavitra ny firaisana maloto, ary nolazainy ny zavatra manimba ny fitondran-tena. Nandritra izay telopolo taona lasa izay, dia nanome toromarika izy ireo mba hananan’ny tsirairay hery hiadiana amin’ny “ota miafina”, toy ny fanafosafoana ny filahiana na fivavian’ny tena mba hahazoana fahafinaretana, ny loza ateraky ny boky sy sary vetaveta, tantara mitohy sy mozika manimba. Nihatsara foana àry ny fitondran-tenan’ny Vavolombelona, na dia niharatsy aza ny an’izao tontolo izao.
Fiainam-pianakaviana anjakan’ny fitsipik’Andriamanitra
Tena nahasoa ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah ny fanarahana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Misy olana ihany anefa any an-tokantranon’izy ireo, indraindray. Mino mafy koa anefa izy ireo fa ny Tenin’Andriamanitra no misy torohevitra tsara indrindra iatrehana izany. Maro ny zavatra nomen’ny fandaminana azy ireo mba hanampiana azy hampihatra izany torohevitra izany, ary tena mahasoa ny manaraka azy ireny.
Niresaka betsaka momba ny andraikitry ny mpivady sy ny ray aman-dreny ny boky fahenina amin’ny Fianarana ny Soratra Masina, tamin’ny 1904. An-jatony ireo lahatsoratra navoaka sy lahateny natao taorian’izay tany amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny mpianakavy hahatakatra ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Tsy ho an’ny mpivady vao ihany ireny fampianarana ireny, fa fandaharana mitohy ho an’ny fiangonana manontolo.—Efes. 5:22–6:4; Kol. 3:18-21.
Ekena ve ny fananana vady maro?
Tsy mitovy ny fombam-panambadiana any amin’ny tany maro, nefa eken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa mihatra eran-tany ny fitsipiky ny Baiboly. Nandroso tany Afrika ny asa fitoriana tamin’ny taonjato faha-20, ka nampianarin’izy ireo, toy ny nataony tany an-tany hafa, fa iray ihany ny vady tokony hananan’ny Kristianina. (Matio 19:4, 5; 1 Kor. 7:2; 1 Tim. 3:2) Maro ireo nanaiky izay voalazan’ny Baiboly momba ny fanompoan-tsampy sy ny Fanjakan’Andriamanitra, ka natao batisa, na dia mbola nanana vady maro aza. Nanitsy izany Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Janoary 1947, ka nanamafy fa tsy eken’ny Kristianina ny fananana vady maro, na ahoana na ahoana fomba eo an-toerana. Nisy taratasy nalefa ho an’ny fiangonana, nilaza fa omena enim-bolana ireo milaza ho Vavolombelon’i Jehovah, nefa manana vady maro, mba hampifanarahany ny fiainany amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Nanamafy izany koa ny lahateny nataon’ny Rahalahy Knorr tamin’ny fitsidihany an’i Afrika tamin’io taona io.
Tsy vitsy ny olona tany Nizeria nilaza fa handrava ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanafoanana ny fananana vady maro. Nisy tokoa ireo nanana vady maro mbola tsy nanova ny fiainany ihany tamin’ny 1947. Mpiandraikitra mpitety faritany i Asuquo Akpabio, ary nitsidika tany Ifiayong. Nofohazin’ilay Vavolombelona nampiantrano azy izy, tamin’ny misasakalina, ary nilazany fa tokony hovany ilay fampandrenesana hoe takina ny hananana vady tokana. Tsy nanaiky izany ilay mpiandraikitra, ka noroahin’ilay nampiantrano azy, na dia avy be aza ny orana.
Tia an’i Jehovah anefa ny hafa, ka sahy nankatò ny didiny. Ohatra amin’izany ireto: Katolika nanana vady maro ny lehilahy iray tany Zaïre, nefa nalefany ny vadiny roa mba hahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah, na dia fitsapana mafy ny finoany aza ny hoe nalefany ilay tena tiany, satria tsy ‘vadin’ny fahatanorany.’ (Ohab. 5:18) Nanambady dimy ny lehilahy iray tany Dahomey (Bénin ankehitriny), Batista taloha, ary sahirana be vao nahazo fisaraham-panambadiana ara-dalàna mba hahafenoany fepetra ho amin’ny batisa. Nikarakara an’ireo vadiny taloha sy ny zanany foana anefa izy, ary maro koa no nanao toa azy. Vady faharoan’ny lehilahy iray i Warigbani Whittington, tany Nizeria. Tezitra taminy ny vadiny sy ny havany rehetra, rehefa tapa-kevitra izy fa ny hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra no zava-dehibe indrindra aminy. Navelan’ilay vadiny handeha izy sy ny zanany roa, nefa tsy nomeny vola, na dia saran-dalana aza. Hoy anefa izy: ‘Zava-dehibe noho ireo tombontsoa ara-bola nafoiko ny fampifaliana an’i Jehovah.’
Ary ny fisaraham-panambadiana?
Tsy dia betsaka ny manambady maro any amin’ny tany tandrefana, nefa fahita any ny zavatra hafa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Anisan’izany ny hoe aleo misaraka rehefa tsy sambatra ny tokantrano. Nanomboka nanahaka izany ny Vavolombelon’i Jehovah tato ho ato, ka nisara-panambadiana koa, nefa “tsy fitovian-toetra” fotsiny no antony. Ahoana no niatrehan’ny Vavolombelona izany? Matetika ny fandaminana no mampianatra ny fijerin’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana, mba hahasoa ny Vavolombelona tranainy sy ireo ana hetsiny manomboka miaraka aminy isan-taona.
Inona avy no toromariky ny Baiboly noresahin’ny Tilikambo Fiambenana? Santionany izao: Hamafisin’ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny mpivady voalohany fa iray no vadin’ny lehilahy na vehivavy iray. Hoy izy io: ‘Hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy, ary dia ho nofo iray ihany ireo.’ (Gen. 2:24) Nanameloka ny fanitsakitsaham-bady ny Lalàn’i Mosesy, ka fanamelohana ho faty no sazin’izany. (Deot. 22:22-24) Navela hisara-panambadiana ny olona, na dia tsy nisy fanitsakitsaham-bady aza, fa ‘noho ny hamafin’ny fony’, hoy i Jesosy, no namelana izany. (Matio 19:7, 8) Ahoana no fijerin’i Jehovah ny fanariana ny vady mba hanambadiana olon-kafa? Hoy ny Malakia 2:16: “Halako ny fisaoram-bady.” Navelany hitoetra teo anivon’ny fiangonan’ny Israely anefa ireo nisara-panambadiana. Nety ho nihanalefaka ny fony, raha nanaiky ny fananaran’i Jehovah ny vahoakany izy, ka ho afaka hampiseho fa tena tiany ny lalan’i Jehovah.—Ampitahao amin’ny Ezekiela 11:19, 20.
Nilaza matetika Ny Tilikambo Fiambenana fa niteny i Jesosy hoe tsy maintsy ho ambony ny fitsipika ho an’ny mpanara-dia azy, rehefa niresaka momba ny fisaraham-panambadiana teo amin’ny Israely izy. Nilaza izy fa mijangajanga izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, raha tsy fijangajangana ( por·neiʹa, “firaisana tsy ara-dalàna”) no antony nisarahana. Toy ny mampirisika ny vadiny hijangajanga koa izy, na dia tsy manambady olon-kafa aza. (Matio 5:32; 19:9) Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana àry fa raharaha lehibe noho ny teo amin’ny Israely ny fisaraham-panambadiana. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe tokony horoahina tsy ho eo anivon’ny fiangonana ireo nisara-panambadiana. Roahina kosa ireo nanitsakitsa-bady nefa tsy mibebaka.—1 Kor. 6:9, 10.
Niova be tato ho ato ny fiheveran’izao tontolo izao ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah foana anefa ny fitsipika ao amin’ny Baiboly napetrak’Andriamanitra, Loharanon’ny fanambadiana. Mampiasa ireny toro lalana ireny izy ireo mba hanampiana ny olona tso-po hiatrika ny zava-tsarotra misy azy.
Niova be àry ny fiainan’ny ankamaroan’ireo nanaiky ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ireo lehilahy mpamono vady, na tsy niantsoroka ny andraikiny, na namelona saingy tsy nihevitra ny fihetseham-pon’ny ankohonany, nefa nanjary lehilahy sy ray tia vady sy mikarakara tsara ny ankohonany. Nisy koa vehivavy tsy nanaiky ny vadiny mihitsy, nanao tsirambina ny zanany sy ny tenany ary ny tranony, nefa nanjary vady manaja ny lohany sy manao zavatra mba hahatonga ny vady aman-janany ho tena tia azy. Eo koa ny tanora tsy nankatò ray aman-dreny mihitsy, ary nikomy tamin’ny fiaraha-monina, nanimba ny fiainany tamin’ny zavatra nataony, ary nahavaky fo ny ray aman-dreniny, nefa nanjary nahita zava-kendrena tsara teo amin’ny fiainany, ka nanova tanteraka ny toetrany.
Mazava ho azy fa anisan’ny mahasambatra ny fianakaviana ny filazana ny marina. Mahasoa amin’ny lafiny hafa koa anefa izany.
Hatraiza isika no tokony hilaza ny marina?
Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy maintsy manao ny marina foana izy. Manohana izany ny andinin-teny, toy ny hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Sal. 31:5) Nolazain’i Jesosy koa fa “rain’ny lainga” ny Devoly. (Jaona 8:44) Tsy mahagaga àry raha anisan’ny zavatra halan’i Jehovah ny “lela fandainga.” (Ohab. 6:16, 17) Hoy ny Teniny: “Satria àry efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina.” (Efes. 4:25) Tsy vitan’ny hoe tokony hilaza ny marina ny Kristianina, fa tokony “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra”, toy ny apostoly Paoly koa. (Heb. 13:18) Tsy maintsy manao izany amin’ny lafiny rehetra izy ireo.
Nitsidika an’i Zakaiosy, mpamory hetra, tany an-tranony i Jesosy, indray mandeha. Niaiky io lehilahy io fa tsy nety ny fomba nitadiavany vola, ka nanao zavatra izy mba hanonerany ny fanambakana nataony. (Lioka 19:8) Nanao toy izany koa, tato ho ato, ny olona sasany nanomboka niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hadio eritreritra eo imason’Andriamanitra. Nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny lehilahy iray tany Espaina. Nanomboka nenjehin’ny eritreriny izy, ka naveriny ny zavatra nangalariny tamin’ny mpampiasa azy sy tamin’ny mpiara-monina taminy, ary nateriny tany amin’ny polisy ny sasany. Nampandoavina onitra izy, ary nogadraina nandritra ny fotoana kelikely. Madio anefa izao ny eritreriny. Nitolo-batana tamin’ny polisy kosa ny mpangalatra diamondra iray tany Angletera, rehefa nianatra Baiboly nandritra ny roa volana monja, niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga be izy ireo, satria efa nitady azy nandritra ny enim-bolana. Nazoto nianatra Baiboly izy, nandritra ny roa taona sy tapany nigadrany, ary nianatra nilaza izay nianarany tamin’olon-kafa. Vonona ny hatao batisa, amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah, izy, rehefa tafavoaka.—Efes. 4:28.
Malaza ho manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatry ny mpampiasa fa tsy hanaiky hangalatra na hanao hosoka izy ireo, eny fa na dia rahonana horoahina aza. Ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra no zava-dehibe kokoa amin’izy ireo, noho ny fankasitrahan’olona. Takany koa fa “ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika.”—Heb. 4:13; Ohab. 15:3.
Hoy ny gazety La Stampa, any Italia, momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mampihatra izay toriny izy ireo ... Anisan’ny fomba fiainany ‘isan’andro’ ny fitiava-namana, fandavana toeram-pahefana, tsy fampiasana herisetra, ary fanaovana ny marina (ny alahady ihany ny ankamaroan’ny Kristianina no manaraka izany, ary toriteny eny ambony polipitra fotsiny izany aminy).” Nanoratra toy izao koa i Louis Cassels, mpanoratra momba ny fivavahana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Iraisam-pirenena, any Washington, Etazonia: “Tena manaraka akaiky ny finoany ny Vavolombelona, na dia sarotra be aza ny manao izany indraindray.”
Nahoana no tsy olana teo amin’izy ireo ny filokana?
Nampifandraisina tamin’ny asa mafy ny fanaovana ny marina, taloha. Tsy tian’ny fiaraha-monina tamin’ny ankapobeny ny filokana, izany hoe ny fampiasana vola anaovana fanamby amin’ny vokatry ny lalao na zavatra hafa. Nitombo be anefa ny filokana (na ara-dalàna na tsia) rehefa nanjaka tamin’ny taonjato faha-20 ny fitiavan-tena sy ny faniriana hanan-karena. Tsy ny jiolahy ihany no mikarakara izany, fa matetika manao izany mba hahazoana vola koa ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana. Ahoana no niheveran’ny Vavolombelona izany fiovana izany? Nijery ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo.
Noresahina tao amin’ny bokin’izy ireo fa tsy misy didy ao amin’ny Baiboly milaza mivantana hoe: ‘Aza miloka.’ Ratsy anefa matetika ny vokatry ny filokana, ary nabaribary tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, nandritra ny 50 taona izany voka-dratsy izany. Noresahin’ireo gazety ireo koa fa mifandray amin’ny toetra tsy ankasitrahan’ny Baiboly foana ny filokana. Ohatra: fitiavam-bola: “Ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.” (1 Tim. 6:10) Fitiavan-tena: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Kor. 10:24; ampitahao amin’ny Deoteronomia 5:18.) Faniriana tsy mety afa-po: ‘Aza mifanerasera intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa manana faniriana tsy mety afa-po.’ (1 Kor. 5:11) Mampitandrina koa ny Baiboly fa tsy mety ny miantso “an’i Gada”, na andriamanitry ny vintana tsara, ka toy ny hoe hery hafakely afaka manampy izany. (Isaia 65:11) Tsy miloka àry ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mandray tsara izany fampitandreman’ny Soratra Masina izany. Nataon’izy ireo, nanomboka tamin’ny 1976, izay tsy hisian’ny mpiara-mivavaka aminy, manana asa mifandray amin’ny filokana.
Tsy tena olana loatra teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny filokana. Fantany fa tsy mampirisika ny hahazoana zavatra vokatry ny fahorian’ny hafa ny Baiboly, fa mampirisika kosa ny hiasana, sy hanaovana tsara ny andraikitry ny tena, halala-tanana, ary hanome ho an’ny tsy manana. (Efes. 4:28; Lioka 16:10; Rom. 12:13; 1 Tim. 6:18) Fantatry ny olona mifandray amin’izy ireo avy hatrany ve izany? Eny, indrindra fa ireo miara-miasa aminy. Tsy vitsy ireo mpampiasa mitady Vavolombelon’i Jehovah, satria fantany fa miasa tsara sy azo itokisana izy ireo. Fantatr’izy ireny fa ny fivavahan’ny Vavolombelona no mitaiza azy ho toy izany.
Ary ny sigara sy paraky ary rongony?
Tsy manonona sigara sy paraky ny Baiboly, sady tsy manonona ireo karazan-drongony fahita ankehitriny. Manome toro lalana kosa izy io, mba hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah hamantatra ny fitondran-tena mahafaly an’Andriamanitra. Vao tamin’ny 1895 àry Ny Tilikambo Fiambenana dia efa niresaka momba ny sigara sy paraky, sady nanonona ny 2 Korintianina 7:1, manao hoe: “Koa satria nahazo izany fampanantenana izany isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.”
Toa ampy io torohevitra io nandritra ny taona maro. Nisy zavatra hafa tsy maintsy natao anefa, satria nanao dokam-barotra hanasongadinana ny fifohana sigara ireo mpamokatra azy io, sady niparitaka koa ny zava-mahadomelina. Nasongadina koa ireto fitsipiky ny Baiboly ireto: fanajana an’i Jehovah, Mpanome ny aina (Asa. 17:24, 25); fitiava-namana (Jak. 2:8), sy ny hoe tsy tena tia an’Andriamanitra izay tsy tia ny namany (1 Jaona 4:20); ary ny fankatoavana ny mpitondra fanjakana (Tit. 3:1). Noresahina fa ilay teny grika hoe phar·ma·kiʹa, izay midika hoe “zava-mahadomelina”, dia nampiasain’ny mpanoratra ny Baiboly nifandray tamin’ny “fifandraisana amin’ny fanahy ratsy”, satria nampiasa zava-mahadomelina ireo nanao izany.—Gal. 5:20.
Nahariharin’ny gazety Fampiononana, tamin’ny 1946, fa nomena vola ireo niteny tamin’ny dokam-barotra momba ny sigara, ka tsy marina izay nolazainy. Nisy porofo ara-tsiansa koa tatỳ aoriana, ka noresahin’ny Mifohaza! (mpandimby ny Fampiononana) fa miteraka kansera ny sigara sy paraky, mahavoan’ny aretim-po, manimba ny zaza any am-bohoka, sy ireo tsy mpifoka voatery mifoka rivotra feno setro-tsigara, ary miteraka fiankinan-doha ny nikôtinina. Noresahina koa fa mahamamo ny rongony, ary nomena ny porofo fa manimba ny atidoha izy io. Noresahina imbetsaka koa ny loza ateraky ny zava-mahadomelina hafa, mba hahasoa an’ireo mpamaky ny bokin’ny Fikambanana.
Mbola tsy nanaiky ny hampitandrina ny olona momba ny loza ateraky ny sigara sy paraky akory ny fitondram-panjakana, dia efa nilaza Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1935 fa tsy afaka ny ho anisan’ny mpiasan’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, na ho iray amin’ireo solontenany, ny olona mifoka sigara na mihinam-paraky. Notendren’ny Fikambanana ny mpiandraikitra rehetra teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1938. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1942 fa tsy tokony hifoka sigara na hihinam-paraky koa ny mpiandraikitra voatendry rehetra. Taona maro tatỳ aoriana vao narahina io tany amin’ny tany sasany. Nanaiky ny torohevitry ny Soratra Masina anefa ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanaraka ny ohatra tsaran’ireo mpiandraikitra.
Tsy nekena hatao batisa intsony, nanomboka tamin’ny 1973, ireo mbola nifoka sigara na nihinam-paraky. Nandritra ny volana maromaro taorian’izay, dia nampiana ireo niasa tamin’ny fanamboarana sigara sy paraky, na mampandroso ny fivarotana azy io, mba hahatakatra fa tsy afaka ny ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, raha manohy izany. Tsy maintsy ampiharina amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. Niaro ny Vavolombelona ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly momba ny sigara sy paraky, rongony, ary ireo zava-mahadomelina mahery hafa. Nampiasa ny Soratra Masina izy ireo mba hanampiana olona an’arivo, izay nosimban’ny fidorohana zava-mahadomelina.
Hafa ve ny zava-pisotro misy alkaola?
Tsy nilaza ny bokin’ny Fikambanana hoe mitovy ny fiheverana ny zava-pisotro misy alkaola sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Nahoana? Satria fantatry ny Mpamorona ny fomba nanaovana antsika, ary tsy raran’ny Teniny ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola, amin’ny antonony. (Sal. 104:15; 1 Tim. 5:23) Mampitandrina koa anefa ny Baiboly fa ratsy ny ‘miboboka divay’, ary melohiny ny fahamamoana.—Ohab. 23:20, 21, 29, 30; 1 Kor. 6:9, 10; Efes. 5:18.
Tsy nikasika zava-pisotro misy alkaola mihitsy i Charles Russell, satria nanimba fiainan’olona maro ny fisotroana tafahoatra. Fantany anefa fa nampiasa divay i Jesosy. Maro ny fihetsiketsehana natao teto Etazonia mba handrarana ny toaka, nandritra ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa tsara ny zava-kendren’ireo miady amin’ny voka-dratsin’izy io. Tsy nanohana ny fihetsiketsehana nataon’izy ireny anefa izy io. Noresahin’io gazety io mazava ny voka-dratsin’ny fisotroana tafahoatra, ary nolazainy matetika fa aleo tsy misotro mihitsy. Nisy nieritreritra fa afaka misotro araka ny antonony izy. Nampirisihina izy ireny mba handinika ny Romanina 14:21, manao hoe: “Tsara ny tsy mihinan-kena na misotro divay na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.”
Nilaza ampahibemaso anefa ilay lehiben’ny Fikambanana Miady Amin’ny Toaka, teto Etazonia, tamin’ny 1930, fa “naterak’Andriamanitra” io fikambanana io. Nanararaotra izany i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izany, ka nanao lahateny tao amin’ny radio, mba hampisehoana fa toy ny manendrikendrika an’Andriamanitra izany. Nahoana? Satria tsy manameloka ny fampiasana divay ny Tenin’Andriamanitra; tsy mamarana ny fahamamoana, izay melohin’Andriamanitra, ny fandrarana ny toaka; ary io lalàna io dia nampitombo ny famokarana sy fivarotana toaka an-tsokosoko sy ny tsolotra ataon’ny mpitondra.
Heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa anjaran’ny tsirairay ny manapaka hoe hisotro zava-pisotro misy alkaola izy sa tsia. Arahin’izy ireo kosa ny fepetra takin’ny Soratra Masina hoe tsy maintsy ‘mahay mandanjalanja’ ny mpiandraikitra. Avy amin’ny teny grika hoe ne·phaʹli·on io teny io, ary ny dikany ara-bakiteny dia hoe ‘mifehy tena, tony; tsy misotro divay mihitsy, ary tsy misotro kely koa.’ Tsy tokony ho “mpiboboka divay” koa ny mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Tim. 3:2, 3, 8) Tsy mahafeno fepetra hahazo tombontsoa manokana àry ireo mpisotro be. Manome ohatra tsara ireo miandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka miteny amim-pieritreretana madio, rehefa manampy ny namany, izay mety hiantehitra amin’ny toaka mba hiatrehana ny fanerena, na tsy tokony hisotro mihitsy mba hahaizany hifehy tena. Inona no vokany?
Hoy ny tatitra avy any atsimo afovoan’i Afrika: “Ny faritra tena iasan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Afrika izao no tsy misy korontana indrindra. Tena nampian’izy ireo tokoa ny mpanakorontana, mpamosavy, mpimamo sy olona mahery setra rehetra.”—Ny Vaovaon’ny Avaratra (anglisy, Zambia).
Tena mampiavaka ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao tontolo izao koa ny:
Fanajana ny aina
Manaja ny aina izy ireo, satria ekeny fa fanomezana avy amin’Andriamanitra izy io. (Sal. 36:9; Asa. 17:24, 25) Ekeny koa fa sarobidy amin’Andriamanitra, na dia ny ain’ny zaza any am-bohoka aza. (Eks. 21:22-25; Sal. 139:1, 16) Fantany fa “samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.”—Rom. 14:12.
Tsy mety manala zaza mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ireo toro lalan’ny Baiboly ireo. Nanome toromarika tsara ho an’ny mpamaky azy ny Mifohaza!, ka nanampy azy ireny hahatakatra fa takin’Andriamanitra ny fitondran-tena madio. Noresahina betsaka ny zava-mahagaga momba ny fiforonan’ny zaza sy ny fahaterahany, ary ny lafiny ara-tsaina sy ara-batana mifandray amin’izany. Nanjary fanao taorian’ny Ady Lehibe II ny fanalana zaza, ka nasehon’ny Tilikambo Fiambenana mazava fa mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Tsy nitsitsy teny mihitsy ny nomeraon’ny 15 Desambra 1969, nanao hoe: “Toy ny mamono olona ihany ny manala zaza tsy nirina.”
Nahoana no lavina ny fampidiran-dra?
Nisy akony teo amin’ny fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra koa ny fanajany ny aina. Nanazava ny fijerin’ny Kristianina momba ny fahamasinan’ny ra Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1945, rehefa nanjary raharaha nanahirana azy ireo ny fampidiran-dra.c Nasehon’izy io fa anisan’ny nandraran’Andriamanitra an’i Noa sy ny taranany ny ram-biby sy ran’olona. (Gen. 9:3-6) Nohazavainy fa nohamafisina indray io didy io, tamin’ny taonjato voalohany, satria nasaina ‘hifady ny ra’ ny Kristianina. (Asa. 15:28, 29) Nohazavainy koa fa ny fanaovana sorona ihany no neken’Andriamanitra hampiasana ny ra, araka ny Soratra Masina; nifanandrify tamin’ny soron’i Kristy ny sorona biby natao teo ambany Lalàn’i Mosesy, ka tena tsy fanajana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy ny tsy firaharahana ilay didy ho an’ny Kristianina hoe ‘fadio ny ra.’ (Lev. 17:11, 12; Heb. 9:11-14, 22) Noroahina tsy ho anisan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry, nanomboka tamin’ny 1961 ireo tsy nanaraka io didin’Andriamanitra io, ka nanaiky fampidiran-dra, nefa tsy nibebaka.
Tsy noresahina tao amin’ny bokin’ny Fikambanana ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra, tamin’ny voalohany. Noresahina tao anefa izany, rehefa nisy fanazavana azo, na dia tsy izany aza no antony andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra. Natao kosa izany mba hanamafy ny fahatakarany ny antony andraran’Andriamanitra ny fampiasana ra. (Isaia 48:17) Navoakan’izy ireo tamin’ny 1961 àry ilay bokikely nanaovana fikarohana lalina, hoe Ny Ra sy ny Fitsaboana ary ny Lalàn’Andriamanitra (frantsay). Natao pirinty tamin’ny 1977 koa ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Raharaha Momba ny Ra (frantsay). Nohamafisin’io fa mahakasika ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny raharaha momba ny ra, ary miorina amin’izay voalazan’ny Baiboly, sady tsy miankina amin’ny voka-dratsy aterak’izy io. Nisy fanazavana vaovao kokoa navoaka tamin’ny 1990, tao amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao? Nampiasa an’ireo bokikely ireo ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiezahana mafy hanao izay hiaraha-miasa tamin’ny dokotera, sy hanampiana azy ireny hahatakatra ny toeran’ny Vavolombelona. Nanindrahindra ny fampidiran-dra anefa ny mpitsabo, nandritra ny taona maro.
Tsy mora ny nanda fampidiran-dra, na dia efa nilaza tamin’ny dokotera aza ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy manakana azy tsy hanaiky fitsaboana hafa ny fivavahany. Matetika no noterena mafy ny Vavolombelona sy ny fianakaviany mba hanaiky ny fomba fitsaboana mahazatra. Nanaiky hodidiana, ohatra, i Ana Paz de Rosario, 45 taona, tany Porto Rico, tamin’ny Novambra 1976. Nanaiky izy fa nila fanafody, saingy nolazainy fa tsy tokony hampidiran-dra izy, noho ny zavatra inoany. Nahazo didy avy any amin’ny fitsarana anefa ny polisy dimy sy mpitsabo mpanampy telo, ka tonga tao amin’ny hopitaly taorian’ny misasakalina. Nofatoran’izy ireo teo am-pandriana izy, ary notereny hampidiran-dra, ka tsy noraharahaina ny faniriany sy ny an’ny vady aman-janany. Taitra be noho izany izy, ka maty. Tsy zavatra maningana izany, sady tsy tany Porto Rico ihany no nisehoan’izany loza izany.
Nenjehin’ny polisy ny Vavolombelona mpivady tany Danemark, tamin’ny 1975, satria tsy nanaiky ny hampidiran-dra tamin’ny zanany, fa nitady fitsaboana hafa. Narary mafy kosa ny zanakavavin’ilay mpivady tany Italia, tamin’ny 1982, ary nitady fitsaboana tany amin’ny tany efatra izy ireo. Nohelohina higadra 14 taona anefa izy mivady, ary nolazaina ho mpamono olona, rehefa maty ilay zaza, taorian’ny fampidiran-dra nasain’ny fitsarana natao.
Matetika ny filazam-baovao no nampirisika ny olona tsy ho tia Vavolombelona, mba hanerena azy ireo hampidi-dra amin’ny zanany. Nisy didy navoakan’ny fitsarana indraindray mba hampidiran-dra tamin’ny zanaka Vavolombelona, na dia tsy nohenoina akory aza ireo ray aman-dreny. Nisy ankizy 40 mahery (zanaka Vavolombelona) maty anefa, tany Kanada, rehefa avy nampidiran-dra.
Tsy ny dokotera sy mpitsara rehetra no manao fanerena toy izany. Nisy vitsivitsy nampirisika ny namany mba ho vonon-kanampy kokoa. Nampiasa ny fahaizany ny dokotera sasany mba hitsaboana tsy misy fampidiran-dra. Nahazo traikefa teo amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra izy ireny. Hita tsikelikely fa vita tsara ny karazana fandidiana rehetra, na dia tsy mampiasa ra aza, na olon-dehibe na ankizy no didiana.d
Te hisoroka ny adihevitra ao anatin’ny toe-javatra ilana vonjy aina ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nitsidika manokana ny dokotera, nanomboka tamin’ireo taona 1960, mba hanazavana ny toerana tanany sy hanomezana boky momba izany. Nangatahin’izy ireo tatỳ aoriana ny mba hametrahana taratasy milaza ny tsy handraisany ra, ao amin’ny taratasy momba ny fitsaboana azy. Nataon’izy ireo fanao, nanomboka tamin’ireo taona 1970, kosa ny mitondra karatra mampahafantatra ny mpitsabo hoe tsy mandray ra izy, na inona na inona mitranga. Nanontany dokotera sy mpahay lalàna izy ireo, ka namboarina tsikelikely ny votoatin’io karatra io, mba hahatonga azy ho ara-dalàna.
Natsangana teo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, mba hanohanana ny Vavolombelona eo amin’ny fahatapahan-keviny tsy handray ra, sy hanala izay tsy fahazoan-kevitra rehetra eo amin’ny dokotera sy ny hopitaly, ary mba hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitsabo sy ny Vavolombelona marary. Vitsy kely ireo komity ireo tamin’ny 1979, fa 800 kosa izy izao, any amin’ny tany 70. Nisy anti-panahy nofidina mba hampiofanina ho anisan’izy io tany Amerika Avaratra, Extrême-Orient, ireo tany lehibe any Pasifika Atsimo, Eoropa, ary Amerika Latinina. Manazava ny toerana tanan’ny Vavolombelona ireo anti-panahy ireo, sady mampahafantatra ny mpiasan’ny hopitaly fa misy fomba fitsaboana, ankoatra ny fampidiran-dra. Mitady dokotera sy mpandidy efa nitsabo Vavolombelona tsy nampiasa ra koa izy ireo, rehefa misy aretina mitovy ilana fitsaboana haingana. Nitsidika mpiasan’ny hopitaly ireo komity, sady niresaka tamin’ny mpitsara, raha nitady didim-pitsarana hanaovana fampidiran-dra ny hopitaly.
Nitory dokotera sy hopitaly tany amin’ny fitsarana indraindray ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tsy nohajaina ny finoany momba ny fahamasinan’ny ra, nefa tsy nisy fomba hafa azony natao. Nitady fomba hahazoana didy manakana fampidiran-dra fotsiny izy ireo. Nangataka onitra tamin’ny dokotera sy hopitaly nanery azy hampidi-dra mihitsy anefa izy ireo, tao anatin’ny taona faramparany. Nanaiky izany fangatahana onitra izany ny Fitsarana Ambonin’i Ontario, tany Kanada, tamin’ny 1990, satria tsy noraharahain’ilay dokotera ny karatra tao anaty poketran’ilay Vavolombelona narary, izay nilaza hoe tsy tokony hampidiran-dra izy, na inona na inona mitranga. Nisy fangatahana folo toy izany, fara fahakeliny, nekena teto Etazonia, nanomboka tamin’ny 1985. Matetika ireo olona notorina no nifidy ny handoa an’ilay onitra, toy izay hiatrika mpitsara mpanampy, izay mety hampandoa azy onitra bebe kokoa aza. Tena tapa-kevitra hankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny tsy fampiasana ra ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tian’izy ireo ny hitory dokotera any amin’ny fitsarana, nefa manao izany izy ireo mba tsy hanerena azy hanao zavatra maharikoriko aminy.
Mihatakatry ny olona ny loza mety hateraky ny fampidiran-dra. Anisan’ny anton’izany ny tahotra ny SIDA. Ny faniriana hampifaly an’Andriamanitra anefa no manosika ny Vavolombelona. Hoy ny gazety frantsay antsoina hoe Gazetin’ny Dokotera Mpiseho Isan’andro, tamin’ny 1987: “Rariny angamba raha tsy mandray ra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria maro be ny aretina mety hifindra amin’ny alalan’ny ra.”
Tsy miorina amin’ny fahalalana ambony momba ny fitsaboana anefa ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Matoky fotsiny izy ireo fa mahasoa ny toro lalan’i Jehovah, ary “tsy hiaro zava-tsoa” amin’ny mpanompony mahatoky izy. (Sal. 19:7, 11; 84:11) Na dia maty noho ny fahaverezan-dra aza ny Vavolombelon’i Jehovah (ary mitranga izany indraindray), dia matoky tanteraka izy ireo fa tsy hanadino ny mpanompony mahatoky Andriamanitra, ka hanangana azy amin’ny maty.—Asa. 24:15.
Rehefa misy olona tsy manaiky ny fitsipiky ny Baiboly
An-tapitrisany ny olona niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy izy rehetra no lasa Vavolombelona. Misy olona tsy te hanaraka ny fitsipika ambony nianarany. Ampianarina tsara momba ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly aloha ireo maniry hatao batisa, ary aorian’izay dia manontany azy momba ireny fampianarana ireny ny anti-panahy (indrindra fa nanomboka tamin’ny 1967). Iezahana mba ho takatry ny mpilatsaka hatao batisa tsirairay ny fampianarana fototra sy ny fitondran-tena kristianina. Ahoana anefa raha misy amin’izy ireny manjary manao ratsy, vokatry ny fitiavana an’ity tontolo ity?
Nohamafisin’ny boky Ny Zavaboary Vaovao, tamin’ny 1904, fa tsy maintsy misy dingana atao, mba tsy hahasimba ny fiangonana. Noresahina tamin’izany ny fahatakaran’ny Mpianatra ny Baiboly ny dingana atao amin’ireo nanao ratsy, voalazan’ny Matio 18:15-17. Nisy àry ny ‘fitsaran’ny fiangonana’ indraindray, ka noresahina tamin’ny fiangonana manontolo ny porofon’ilay fanaovan-dratsy lehibe. Niresaka momba ireo dingana indray Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Mey 1944, ka nanazava araka ny porofo omen’ny Baiboly, fa ny rahalahy tompon’andraikitra ihany no tokony hikarakara izany raharaha mahakasika ny fiangonana izany. (1 Kor. 5:1-13; ampitahao amin’ny Deoteronomia 21:18-21.) Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1952 koa avy eo ny dingana tokony harahina, sy ny ilana hanaovan-javatra mba hihazonana ny fandaminana ho madio. Noresahina matetika taorian’izay io foto-kevitra io. Nitovy foana anefa ny zava-kendrena: 1) hihazonana ny fandaminana ho madio, sy 2) hanamafisana amin’ilay nanao ratsy fa tokony hibebaka izy, mba hiverenany indray.
Nisy niala tamin’ny finoana tamin’ny taonjato voalohany, ka nanana fiainana baranahiny. Nisy koa niala, vokatry ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana. (1 Jaona 2:19) Mbola mitranga amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny izany. Nampalahelo fa nisy an’aliny ireo tsy maintsy noroahina isan-taona, satria nanao ratsy nefa tsy nibebaka. Anisan’izany ny anti-panahy nitana andraikitra lehibe. Mihatra amin’ny rehetra ny fepetra takin’ny Soratra Masina. (Jak. 3:17) Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa zava-dehibe ny hihazonana ny fandaminana ho madio, raha tiana foana ny hahazo sitraka amin’i Jehovah.
Fitafiana ny toetra vaovao
Nampirisihin’i Jesosy isika mba hadio ao anatiny sy etỳ ivelany. (Lioka 11:38-41) Nasehony fa mampiseho ny ao am-pontsika ny zavatra lazaintsika sy ataontsika. (Matio 15:18, 19) Raha tena ampianarin’i Kristy isika, hoy ny apostoly Paoly, dia ‘hohavaozina eo amin’ny hery mibaiko ny saintsika’, ary “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.” (Efes. 4:17-24) Te hanana “toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy” ireo mpianany, mba hieritreritra sy hanao zavatra toa azy. (Rom. 15:5) Mampiseho ny habetsahan’ny ezaka nataony tamin’izany, ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay.
Tsy milaza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy misy tsininy ny fitondran-tenany. Miezaka mafy anefa izy ireo mba hanahaka an’i Kristy, sady manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ambony ao amin’ny Baiboly. Tsy milaza izy ireo hoe tsy misy olona tsirairay mampihatra ny fitsipi-pitondran-tena ambony eo amin’ny fiainany. Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ihany anefa no manao izany, fa ny fandaminany eran-tany mihitsy, hany ka fantatra avy hatrany hoe miaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo. Arahin’izy ireo ilay torohevitra ao amin’ny 1 Petera 2:12 manao hoe: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba ... hanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo ... satria mahita ny asa tsara ataonareo.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Noresahina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Oktobra 1941 indray izany, fa somary fohy kokoa ilay lahatsoratra hoe “Toetra sa Tsy Fivadihana?”
b Izao no famaritan’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aprily 1951 ny fijangajangana: “Firaisana an-tsitrapo ataon’olona tsy manambady, amin’ny lehilahy, raha vehivavy izy, ary amin’ny vehivavy, raha lehilahy izy.” Nilaza kosa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Janoary 1952, fa mihatra amin’ny olona manambady koa io, araka ny Soratra Masina.
c Efa niresaka momba ny fahamasinan’ny ra Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1927 sy 1 Desambra 1944, izay nanonona manokana ny fampidiran-dra.
d Fandidiana Ankehitriny (anglisy), Martsa 1990, p. 45-49; Ny Dokotera Mpandidy Amerikanina (anglisy), Jona 1987, p. 350-356; Fitsaboan’i Miami (anglisy), Janoary 1981, p. 25; Gazetim-pitsaboan’i New York (anglisy), 15 Oktobra 1972, p. 2524-2527; Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana, 27 Novambra 1981, p. 2471-2472; Vaovao Momba ny Fo sy ny Lalan-dra (anglisy), Febroary 1984, p. 5; Fikorianan’ny Ra (anglisy), Septambra 1984.
[Teny notsongaina, pejy 172]
“Miavaka ny fitsipi-pitondran-tenany”
[Teny notsongaina, pejy 174]
Nisy fisalasalana ve momba ny tokony hiheverana ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?
[Teny notsongaina, pejy 175]
Tsy nanjary nilefitra loatra ny Vavolombelona, na dia niharatsy aza ny fitondran-tenan’izao tontolo izao
[Teny notsongaina, pejy 176]
Nisy tsy niala tamin’ny vadiny maro, nefa te ho Vavolombelona ihany
[Teny notsongaina, pejy 177]
Fandaharana lehibe natao hampianarana momba ny fiheveran’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana
[Teny notsongaina, pejy 178]
Fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona
[Teny notsongaina, pejy 181]
Sigara sy paraky: Tsia!
[Teny notsongaina, pejy 182]
Zava-pisotro misy alkaola: mahalala onony, na tsy misotro mihitsy
[Teny notsongaina, pejy 183]
Tapa-kevitra mafy ny tsy handray ra
[Teny notsongaina, pejy 187]
Natao hiarovana ny fahadiovan’ny fandaminana ny fandroahana
[Efajoro, pejy 173]
Tsy dia Tsara Foana ny Vokatry ny “Fampitomboana Toetra”
Tatitra avy tany Danemark: ‘Niezaka hanana toetra kristianina ireo namana. Maro taminy, indrindra fa ny be taona, no nanalavitra izay zavatra rehetra misy fomban’izao tontolo izao kely fotsiny, ka nihevitra fa ho mendrika kokoa hahazo ilay Fanjakana any an-danitra izy amin’izay. Matetika no noheverina ho tsy nety ny nitsiky nandritra ny fivoriana, ary maro tamin’ireo rahalahy be taona no tsy nanao afa-tsy kompile mainty, kiraro mainty, ary karavato mainty. Matetika izy ireo no nangingina. Nino izy ireo fa ampy ny nanatrika fivoriana, fa ny mpisava lalana ihany no tiany handeha hitory.’
[Efajoro, pejy 179]
Toetran’ny Vavolombelona Hitan’ny Olona
◆ Hoy ny “Münchner Merkur”, gazety alemà, momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Izy ireo no manao ny marina sy mpandoa hetra haingana indrindra eto amin’ny Repoblika Federaly. Hita amin’ny fomba fitondrany fiara sy ny antontan’isa momba ny asan-jiolahy, fa mpanara-dalàna izy ireo. ... Ankatoavin’izy ireo ny manam-pahefana (ray aman-dreny, mpampianatra, mpitondra fanjakana). ... Ny Baiboly, izay fototry ny zavatra ataony, no manohana azy.”
◆ Nilaza toy izao tamin’ny Vavolombelona, ny ben’ny tanànan’i Lens, any Frantsa, rehefa avy nampiasa ny kianja hanaovana fivoriambe izy ireo: “Mahafinaritra ahy ianareo, satria mihazona ny teny sy ny fanekena nataonareo, ary ambonin’ny zava-drehetra dia madio sy manara-dalàna ary milamina ianareo. Tiako ny fiarahanareo. Tsy tiako ny korontana, ary tsy tiako ny olona mandoto sy manimba zavatra.”
◆ Milaza ny zavatra niainan’ny Poloney iray tsy maty tany amin’ny toby fitanan’i Auschwitz sy Ravensbrück ny boky “Feon’ny Famonoana Tambabe” (anglisy). Hoy izy io: “Nisy olona nanjary tena nahafinaritra be, ary nisy kosa lasa ratsy fanahy be. Ny Vavolombelon’i Jehovah no nahafinaritra indrindra. Tena mampiaiky volana ahy ry zareo. ... Nanao zavatra tena tsara ho an’ny olon-kafa izy ireo. Nanampy ny narary izy, nizara ny mofony, ary nampahery ny rehetra. Sady nankahala no nanaja azy ireo ny Alemà. Ny asa ratsy indrindra no nasaina nataon’izy ireo, nefa nataony tamim-pifaliana izany.”