Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fanombohan’ny andro nisehoan-java-dehibe
REHEFA nandao an’i Jerosalema i Jesosy ny takarivan’ny alatsinainy dia niverina nankany Betania, teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra Oliva, atsinanana. Tapitra ny roa andro nanaovany ny fanompoany farany tany Jerosalema. Tsy isalasalana fa nandany ny alina niaraka tamin’i Lazarosy sakaizany indray i Jesosy. Hatramin’ny nahatongavany avy any Jeriko ny zoma, dia io no alina fahefatra nolaniny tao Betania.
Talata maraina be, 11 Nisana izao, ary teny an-dalana indray izy sy ny mpianany. Andro nisehoan-java-dehibe tamin’ny fanompoan’i Jesosy io, dia fotoana feno asa indrindra. Io no andro farany nahitana an’i Jesosy tao amin’ny tempoly. Io koa no andro hanaovany fanompoana ampahibemaso farany alohan’ny hitsarana sy hanamelohana azy ho faty.
Ny lalana teo amin’ny tendrombohitra Oliva mankany Jerosalema ihany no nandehanan’izy ireo. Teny amin’izany lalana avy any Betania izany dia nomarihin’i Petera ilay hazo nozonin’i Jesosy ny omaly marainan’iny. “Raby ô”, hoy izy, “indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.”
Fa nahoana no novonoin’i Jesosy ilay hazo? Nolazainy ny antony rehefa niteny izy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity [ny tendrombohitra Oliva izay nijoroan’izy ireo] aza hianareo ka hanao hoe: Mifindrà hianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo.”
Tamin’ny fanaovana izay hampalazo ilay hazo àry no nanomezan’i Jesosy fianarana avy amin’ny zava-nitranga an’ireo mpianany ny amin’ny ilàn’izy ireo hanana finoana an’Andriamanitra, araka ny voalazany hoe: “Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany.” Fianarana sarobidy re izany ho azy ireo, indrindra nanoloana ireo fisedrana mahatsiravina izay efa antomotra! Misy fifandraisany hafa koa anefa amin’ny fahamainan’ny hazo aviavy sy io toetra tsara io, dia ny finoana.
Tsara ivelany toy ilay aviavy ny firenen’Isiraely. Na dia nanao fifanekena tamin’Andriamanitra aza ilay firenena ary niseho ho nitandrina ny fitsipiny teo ivelany, dia hita fa tsy nanam-pinoana ary tsy namoa voa tsara. Noho ny tsy fahampiam-pinoany no hahatongavany hatramin’ny fandavana ny Zanak’Andriamanitra! Noho izany, tamin’ny fanaovana izay hahamaina ilay aviavy tsy namoa no nampisehoan’i Jesosy an-tsary izay hanjo an’io firenena tsy namokatra sy tsy ampy finoana io amin’ny farany.
Tsy ela dia niditra tao Jerosalema ry Jesosy sy ny mpianany, ary toy ny fanaon’izy ireo dia nankao amin’ny tempoly izy, ary nanomboka nampianatra tao i Jesosy. Ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona, izay tsy isalasalana fa nahatadidy izay nataon’i Jesosy tamin’ny mpanakalo vola ny omalin’io, dia nihaika azy toy izao: “Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?”
Namaly toy izao i Jesosy: “Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?”
Niara-nandinika izay tokony havaliny ny mpisorona sy ny loholona, ary niteny hoe: “Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona.”
Tsy nahita havaly ireo filoha ireo ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tsy fantatray.”
Namaly azy kosa i Jesosy hoe: “Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.” Matio 21:19-27; Marka 11:19-33; Lioka 20:1-8.
◆ Inona no nampiavaka ny talata 11 Nisana?
◆ Inona avy no fianarana nomen’i Jesosy fony izy nanao izay hahamaina ilay hazo aviavy?
◆ Ahoana no navalin’i Jesosy an’ireo izay nanontany azy ny amin’ny fahefana anaovany zavatra?