Voan-tsinapy — Foto-kevitra Mahamay
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA
“MANAFINTOHINA tanteraka anay mirahavavy anglisy, olom-pirenen’ny empira lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao, ny hietry hihinan-kena natsatsika tsy miaraka amin’ny voan-tsinapy!” Ireo Danoa, izay anisan’ny mpihinana voan-tsinapy (moutarde) loha laharana eo amin’izao tontolo izao, dia hiombona alahelo amin’ireo vehivavy fototr’ilay tantara noforonina frantsay nakan-teny etsy ambony.a
Niantso ny voan-tsinapy hoe siʹna·pi, “izay mampangirifiry maso”, ireo Grika fahiny. Angamba tao an-tsain’izy ireo ny olona nisakafo iray izay nihinana be loatra, ka feno ranomaso ny masony. Ny teny hoe “voan-tsinapy” dia avy amin’ny iray amin’ireo taharo fahiny tao amin’ny zavatra mampahatsiro sakafo, dia ny mustum (ranom-boaloboka tsy mavingy). Afaka manondro, na ilay zavamaniry, na ny voany, na ilay zavatra mampahatsiro sakafo izay afaka mahateramena ny tavanao, ilay teny.
Na dia tsy mampaninona aza ilay voany rehefa maina, dia mamoaka zavatra masiatsiaka antsoina hoe allyle isothiocétone, rehefa totoina miaraka amin’ny rano. Io menaka mora mietona malaholaho io, izay mahatonga ny tsiron’ny voan-tsinapy ho masiaka, dia manaitaitra ny fonon’ny fihary ranoka, ka miteraka ranomaso eo amin’ny mason’ny mpankafy sy ny mpanao voan-tsinapy. Tsy isalasalana fa izany dia manazava ny antony nahatonga ny ypérite, fitaovam-piadiana simika nampiasaina tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, hanjary hantsoina hoe gaz moutarde (gaza voan-tsinapy), na dia tsy nisy voan-tsinapy velively aza izy io.
Zava-bitika mahery
Mety hoheverina amin’ny fomba diso mora foana ho colza, ilay voninkazo mavo toa tsy mampaninona, izay manafina io toetra mahamay io. Ny voan-tsinapy sy ny colza dia samy anisan’ny fianakaviana crucifères, izay voalaza fa misy karazana hatramin’ny 4 000, ka tokony ho 40 no voan-tsinapy. Ny fampiasa indrindra dia ny voan-tsinapy fotsy (Brassica hirta), ny voan-tsinapy karàna na mivolontakatra (Brassica juncea), sy ny voan-tsinapy mainty (Brassica nigra), izay mamoaka menaka marihitra, mahery amin’ny fomba miavaka, ary afaka mampiempaka ny hoditra.
Rehefa maniry ho azy ny voan-tsinapy mainty, dia mirobona eny amin’ny tany vatoana sy manaraka ny lalan-kely sy ny renirano any Afrika, India, sy atỳ Eoropa. Mandrobona koa eny amin’ny tehezan-kavoana maitso any amin’ny Ranomasin’i Galilia, any Israely, izy io. Rehefa araka ny tokony ho izy ny fambolena azy io, dia matoy haingana izy ary afaka mitombo ka mahatratra “ny haavon’ny hazo fihinam-boa any Orient, ary indraindray any amin’ny atsimon’i Frantsa mihitsy aza”. — Dictionnaire de la Bible nataon’i Vigouroux.
Mahagaga fa faran’izay kely ny ‘voan-tsinapy’ mainty. Tamin’ny andron’i Jesosy, dia izy io no madinika indrindra tamin’ny voa famafy araka ny nahazatra tany Isiraely. (Marka 4:31, DIEM ). Manana savaivo tokony ho iray milimetatra izy io, ka manamarina ny fampiasana azy ho ny ventin-drefy kely indrindra ao amin’ny Talmoda. — Berakhot 31a.
Nanampy heviny an’ilay fampianaran’i Kristy momba ny fitomboan’ny “fanjakan’ny lanitra”, izay nanjary nanome fitoerana ho an’ireo vorona eny amin’ny lanitra, ilay fifanoherana manaitra eo amin’ilay voan-tsinapy kely sy ilay zavamaniry matoy lehibe. (Matio 13:31, 32; Lioka 13:19). Nampiasa fanoharana iray mandrisika koa i Kristy mba hanasongadinana hoe ho tonga hatraiza ny finoana na dia bitika aza, tamin’ny fanambarana hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo (...), [dia] tsy hisy tsy ho hainareo hatao.” — Matio 17:20; Lioka 17:6.
Famokarana voan-tsinapy frantsay
Na dia nambolena koa tany Alsace, atsinanana amin’i Frantsa, aza ny voan-tsinapy mainty frantsay be mpitia, dia ny tanànan’i Dijon, any Bourgogne, no nanjary fantatra ho renivohitry ny voan-tsinapy teto Frantsa. Tao ny voan-tsinapy dia nambolena teo amin’ny nofon-tany nolonahina tsy tapaka tamin’ny alalan’ny famokarana arina. Namokatra voan-tsinapy nanana hasiaka miavaka manokana ny potasy naterak’izany teo amin’ilay nofon-tany.
Taorian’ny ady lehibe faharoa, teo anatrehan’ny fomba fambolena niova sy ny fifaninanana niraisam-pirenena henjana, dia nihena miandalana tamin’ny farany ny fambolena voan-tsinapy tao Bourgogne, ka nosoloana colza. Amin’izao andro izao, i Frantsa dia manafatra ny 95 isan-jaton’ny voan-tsinapy ilainy, ary 80 isan-jato amin’izany no avy any Kanada. Na dia manondro fanamboarana voan-tsinapy, fa tsy ny toerana niaviany, aza ny anarana hoe voan-tsinapin’i Dijon, dia 70 isan-jaton’ny indostria frantsay mpanamboatra zavatra mampahatsiro sakafo no mbola mitangorona ao Dijon. Vao haingana izay, dia nisy ezaka natao mba hamelomana indray ny fambolena voan-tsinapy ao Bourgogne.
Tantara lava be
Na vovony, tahaka ny sakay, na natao hampahatsiro sakafo, ny voan-tsinapy dia efa nampitombo ny fahazotoan-komana tamin’ny andro fahiny. Nampiasa azy io mba hatao tamin’ny saosy masiaka, toy ny garum (tsinay sy lohana maquereau nalona tao anaty rano be sira) sy ny muria (lamatra nalona tao anaty rano be sira), ny Romana. Nanomana ny fomba fanaovany azy manokana i Apicius, romana mpankafy sakafo fatratra, tamin’ny fampifangaroana voan-tsinapy, sira, vinaingitra, sy tantely, nampiana amandes sy voan’ny hazo kesika fihinana, rehefa nisy fanasam-be.
Nanomboka tamin’ny Moyen Âge ka hatramin’ny taonjato faha-19, dia nisolo toerana ny fanamboarana voan-tsinapy tao an-tokantrano ny indostria kely. Teto Frantsa, ny fikambanan’ireo mpanao voan-tsinapy sy vinaingitra dia namorona fomba fanaovana azy, niantoka ny fahadiovany araka ny tokony ho izy, nifehy ny tsena, sy nampandoa onitra ireo mpandika lalàna. Matetika no natao ho famenon’ny trondro, tsy nisy hafa tamin’ny hena, ny voan-tsinapy namidy ranony na vaingany kely natao holevonina tao anaty vinaingitra. Tamin’ny taonjato faha-19 i Jeremiah Colman, anglisy, dia saika nameno tanteraka ny Empira Britanika nidadasika, tamin’ny voan-tsinapy vovony namboariny, izay nafangaro tamin’ny rano, ronono, na labiera, tamin’ny fotoan’ny sakafo.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisolo toerana ny indostria kely ny famokaran’ny orinasa, ka nampitombo be ny vokatra. Tamin’ny 1990 i Frantsa, mpamokatra voan-tsinapy mitana ny loha laharana eto Eoropa, dia nanao voan-tsinapy tokony ho 70 000 taonina sy zavatra mampahatsiro sakafo hafa isan-karazany 2 000 taonina.
Fomba famokarana maoderina
Miankina be dia be amin’ny fomba famokarana sy ny taharony ny hasiakan’ny voan-tsinapy. Sivanina, sasana, mainina, sy afangaro ireo voany, ary tanana mafy ho tsiambaratelo ny ampahany atao amin’izany. Indraindray ireo voany dia totoina alohan’ny handomana azy ao anaty sidira (cidre), vinaingitra, na verjus (ranom-boaloboka marikivy), hatramin’ny adiny 24. Faikan’ny voaloboka mainty no ampiasaina hanaovana voan-tsinapy volomparasy. Totoina ireo taharo rehetra — moramora ny an’ny voan-tsinapy mahazatra — ary avy eo dia sarahina ao anatin’ny milina iray mba hanesorana ny hodiny sy mba hampitomboana ny harihitry ny menaka mora mietona. Miankina amin’ny fomba amitana ny fanasivanana ilay koba-na voan-tsinapy no mahatonga azy hahery na halefaka.
Ny fampifangaroana dia manesotra ny tapoa-drivotra rehetra izay mety hanisy oksizena amin’ilay koba-na voan-tsinapy, izay manjary matoy ao anaty barika mandritra ny adiny 48, rehefa avy eo. Eto ilay izy dia manjary masiaka kokoa ho azy, raha mbola miala ny ngidiny. Manalefaka, na mampitombo, ny hasiakany, ny fanampiana loko, lafarinina, na zavatra mampahatsiro azy. Avy eo ilay izy dia ampiana zavatra isan-karazany manome tsiro sady manitra: mahazatra (Roquefort, artémisia), hafa kely (akondro, curry), na be kojakojany (cognac, champagne). Fitambaran’ny zava-manitra tsy latsaka ny 11 no manome ny fofona mameroveron’ny voan-tsinapy avy any Meaux.
Tena zava-dehibe ny famonosana azy mba hamitana ilay fanamboarana azy, satria mampiova loko ilay koba-na voan-tsinapy ny rivotra, ary miteraka ny fieton’ilay menaka mora mietona ny hafanana. Koa tsara indrindra foana ny hitahirizana ny voan-tsinapy ao amin’ny toerana mangatsiatsiaka sy maizina. Nosoloana boaty vita amin’ny plastika na vera, izay matetika no ravahana marika novolavolaina tamin’ny fomba miavaka, ireo boaty tsara dia tsara tamin’ny lasa, vita tamin’ny tanimanga matevim-be, tanimanga manifinify, na bakoly, izay hita indrindra indrindra mandravaka ireo fampirantian’ny tranom-bakoka sy ny zavatra tahirizin’ny olona any an-tranony, ankehitriny. Naneho fitandremana lehibe tamin’ny fisehoana ivelan’ny boatiny ireo mpanao asa tanana, izay nikendry hanao sary maneho ny fahaizany namorona, ka “nahatonga ireo [boaty] ho hay avahana raha vao topaza-maso”.
Zavamaniry kely ampiasaina amin’ny fomba maro
Voan-tsinapy vovony nampiasaina hitsaboana no tao amin’ireo boaty lehibe izay nandravaka an’ireo farmasia teo aloha. Noho izy io afaka manafoana ny scorbut, dia tsy nisy sambo holandey nandeha ka tsy nisy azy io tao amin’ny lakaliny. Nampiasaina tamin’ny fandroana na natao ody fery ny voan-tsinapy.
Hanina atao salady ary koa atao sakafom-biby fiompy ny ravin’ny voan-tsinapy fotsy. Tsy mivadika ho maimbo mora foana ny menaka azo hanina avy tamin’ny famiazana ny voany. Any Azia izy io dia mamatsy solika ho amin’ny jiro ho an’ny indostria ary koa mampisy tsirony sakafo maro.
Tafiditra amin’ny ohabolana maromaro io voninkazo tambanivohitra tsy dia manao ahoana io. Any Népal sy India, ny hoe “mahita vonin’ny voan-tsinapy” dia midika hoe fanina taorian’ny fahatairana tampoka. Eto Frantsa, ny hoe “miakatra eo am-bavoronao ny voan-tsinapy” dia midika hoe mihatezitra. Na inona na inona endrika isehoan’izy io — voninkazo, zavatra mampahatsiro sakafo, voany, menaka, na vovony — ny voan-tsinapy dia afaka mampisy tsirony ny fiainanao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Le Roi des montagnes, nataon’i Edmond About.
[Sary, pejy 23]
Misy maro isan-karazany ny voan-tsinapy