Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
RESAHO ange ny foto-dresaka momba ny maty e, dia ho hitanao fa olona maro no miahotra hiresaka bebe kokoa momba izany. Ny sasany anefa dia tsy vitan’ny hoe mahatsiaro ho tsy mahazo aina amin’io foto-dresaka io; raiki-tahotra koa izy ireo. Koa mahazatra ny mahita fanao sy fombafomba mifandray amin’ny tahotra ny maty, eo amin’ny kolontsaina manerana izao tontolo izao. Ohatra, aoka hojerentsika ireo fanao hita any atsimon’i Sahara, atsy Afrika.
Ny vehivavy iray ao amin’ny tanàna iray atsy Afrika Andrefana, dia mahatsiaro amin’ny fomba toa hitan’ny maso erỳ izay nitranga taorian’ny nahafatesan’ny mpianakaviny iray. Mitantara toy izao izy: “Nanomana tsy tapaka sakafo eran’ny lovia ho an’ilay nody mandry ny havana iray ka nametraka izany tamim-pitandremana tao amin’ny efitra fatorian’izy io. Rehefa tsy teo ilay havanay, dia niditra aho ka nihinana ilay sakafo. Rehefa niverina izy, dia faly aoka izany! Nino izy fa nandray ilay zavatra niriny ilay olona maty. Nitohy elaela izany mandra-pahatongako harary. Tsy nazoto homana aho ka tsy nahahinan-kanina intsony. Niteraka horohoro tao amiko izany! Maro tamin’ireo havanay no nanatsoaka hevitra fa ilay havanay maty no nahatonga ilay aretiko. Tsy maintsy ho tezitra tamin’ny olona iray tato amin’ny fianakaviana izy, hoy ny eritreritr’izy ireo.”
Ao amin’io tanàna io ihany, raha misy kambana ao amin’ny fianakaviana ka maty ny iray, dia tsy mahazo miresaka momba ilay nody mandry ny ao an-trano. Raha misy olona manontany momba ny iray amin’ireo kambana izay maty, dia hamaly toy izao ilay fianakaviana, araka ny fanao: “Nivoaka hividy sira izy.” Mino mafy izy ireo fa ho faty ilay mbola velona amin’ireo kambana, raha lazaina ny marina.
Avy eo, dia alao sary an-tsaina izao tarehin-javatra izao: Maty ny lehilahy iray manana vady telo. Ny ampitson’ny fandevenana, dia anaovana akanjo fotsy manokana ireo vadiny. Amin’izay fotoana izay ihany, dia anorenana toerana manokana vita amin’ny hazo sy bozaka eo akaikin’ny trano, ary ao no handro sy hanao ilay akanjo fotsy ireo vehivavy ireo. Tsy misy olona mahazo miditra ao amin’io toerana io, afa-tsy izy ireo ihany sy ny vehivavy iray voatendry hanampy azy ireo. Rehefa mivoaka avy ao amin’io trano fisasana manokana io ireo vehivavy ireo, dia voasarona ny tavany. Manao sebe, vakana vita amin’ny tady mba ho “fiarovana”, koa ireo vehivavy. Atao isaky ny zoma sy ny alatsinainy mandritra ny 100 andro io fisasana arahim-pombafomba io. Mandritra io fe-potoana io, dia tsy afaka mandray na inona na inona mivantana avy amin’ny lehilahy iray izy ireo. Raha misy lehilahy maniry ny hanome zavatra azy ireo, dia tsy maintsy apetrany amin’ny tany na eo ambony latabatra aloha ilay izy. Haka ilay izy, avy eo, ilay vehivavy. Tsy misy mahazo mipetraka na matory eo amin’ny fandrian’ireo vehivavy ireo. Isaky ny miala ao an-trano izy ireo, dia tsy maintsy mitondra tehina manokana iray. Mieritreritra izy ireo fa hisakana ilay vadiny nody mandry tsy hanafika azy ireo ny fananana io tehina io. Raha tsy arahina ireo toromarika etsy ambony, dia heverin’izy ireo fa mety ho tezitra ilay vadiny efa maty ka hanisy ratsy azy ireo.
Fahita any amin’io tapany amin’izao tontolo izao io ny zavatra niainana toy izany. Kanefa, tsy hoe mampiavaka an’i Afrika irery ireo karazana fanao ireo.
Miely patrana ny tahotra ny maty
Manambara izao manaraka izao ny encyclopédie iray atao hoe Encarta, momba ny fomba iheveran’ny olona maro ny razany efa maty: “Ireo havana nody mandry (...) dia inoana fa nanjary fanahy mahery, na mahalana kokoa, inoana fa tonga andriamanitra. [Io fiheverana io] dia miorina amin’ny finoana hoe mpikambana marisika amin’ny fiaraha-monina ny razana, ka mbola liana amin’ny raharahan’ny havany mbola velona. Nahazoana porofo be dia be ny amin’izany tany amin’ny fiaraha-monina any Afrika Andrefana (...), tany Polynezia sy Melanezia (ny Dobu sy ny Manus), teo amin’ny firenena indiana eoropeana maromaro (Skandinaviana sy Alemana fahiny), ary indrindra tany Sina sy Japon. Amin’ny ankapobeny, ireo razana dia inoana ho manana fahefana lehibe, ka manana hery manokana mba hanovana ny fizotran’ny fisehoan-javatra na mba hifehezana izay mahasoa an’ireo havany mbola velona. Iray amin’ireo zavatra ahin’izy ireo voalohany indrindra ny fiarovana ny fianakaviana. Heverina ho mpanalalana amin’ny andriamanitra fara tampony, na amin’ireo andriamanitra, sy ny olona, izy ireo, ka afaka mampita hevitra amin’ny velona amin’ny alalan’ny nofy sy ny fidirany ao anatin’ny velona. Ny fihetsika eo anoloan’izy ireo dia tahotra miharo fanajana ara-pivavahana. Raha atao tsirambina ireo razana, dia mety hahatonga aretina sy fahavoazana hafa. Fomba samy hafa ahafahan’ny velona mampita hevitra amin’ny razany ny fampitonena ny maty, ny fitalahoana, ny vavaka, sy ny fanatitra.”
Eny tokoa, mety hanify ny fidiram-bolan’ny fianakaviana iray noho ny tahotra ny maty. Matetika no mitaky fombafomba be tsipiriany tsy maintsy ilana sakafo sy zava-pisotro, biby velona atao fanatitra, sy fomba fitafy lafo vidy, ireo izay mino mafy fa tokony hatahorana ny maty.
Moa anefa ve ireo havana na razana efa maty eo amin’ny ambaratonga izay mitaky tahotra sy fanajana ara-pivavahana? Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly?
Afaka manisy ratsy anao ve ny maty?
Mety hahaliana anao ny mahafantatra fa manaiky ny fisian’ireny zavatra inoana ireny ny Baiboly. Ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia, dia asiana firesahana ireo fomba mifandray amin’ny tahotra ny maty. Izao no ambarany: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”. — Deoteronomia 18:10-12, izahay no manao sora-mandry.
Mariho fa nanameloka ireo fombafomba ireo i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Satria miorina amin’ny lainga izy ireo. Ny lainga voalohany indrindra mikasika ny maty dia ny hoe velona hatrany ny fanahy (âme). Ohatra, nilaza toy izao ilay gazetiboky hoe The Straight Path momba izay mitranga amin’ny maty: “Tsy inona ny fahafatesana fa fialan’ny fanahy [âme]. (...) Fitoerana ho an’ny vatana fotsiny, fa tsy ho an’ny fanahy [âme], ny fasana.”
Tsy miombon-kevitra amin’izany ny Baiboly. Aoka ny tenanao mihitsy no hamaky ny Ezekiela 18:4, manao hoe: “Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty.” (Fandikan-teny Katolika). Afa-tsy izany koa, dia voalaza mazava tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Mpitoriteny 9:5 toy izao ny toetoetran’ny maty: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. Izany dia manazava ny antony mahatonga ny sakafo avela ho an’ny maty tsy hisy hanendry, raha tsy hoe hanin’ny olona velona iray angaha.
Tsy mamela antsika tsy hanana fanantenana momba ireo izay ao am-pasana anefa ny Baiboly. Afaka ny ho velona indray izy ireny! Miresaka ny amin’ny ‘fitsanganana amin’ny maty’ ny Baiboly. (Jaona 5:28, 29; 11:25; Asan’ny Apostoly 24:15). Hitranga amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra izany. Mandra-pahatongan’izany, ny maty dia mitoetra ho tsy mahatsiaro tena ao am-pasana, “matory”, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra ‘hifohazany’. — Jaona 11:11-14; Salamo 13:3.
Amin’ny ankapobeny, dia matahotra ny tsy fantatra ny olona. Afaka manafaka ny olona iray amin’ny finoanoam-poana tsy marim-pototra ny fahalalana araka ny marina. Manome antsika ny fahamarinana momba ny toetoetran’ireo izay ao am-pasana, ny Baiboly. Raha tsorina, dia tsy mila matahotra ny maty ianao! — Jaona 8:32.