Ankasitrahanao ve izay nataon’Andriamanitra?
“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.”— LIOKA 9:23.
1. Inona no sasany amin’ireo fanomezana mahatalanjona nomen’Andriamanitra?
ANDRIAMANITRA no loharanon’ny aintsika. Raha tsy noharìny ny olombelona, dia tsy ho nateraka mihitsy isika. Mihoatra noho ny aina anefa no noharìn’Andriamanitra. Nanao antsika izy tamin’ny fomba izay hahafahantsika mifaly amin’ny zavatra maro: ny tsiron’ny sakafo, ny hafanan’ny tara-masoandro, ny feon’ny mozika, ny hatsiatsiaky ny andro iray amin’ny lohataona, ny fanehoam-pitiavana. Mihoatra noho izany aza, isika dia nomen’Andriamanitra saina sy faniriana hianatra ny aminy. Avy tamin’ny tsindrimandriny ny Baiboly, izay manome antsika fitarihana azo antoka, sady mampiseho antsika ny fomba hananana fiainana sambatra kokoa, ary manome antsika ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao sy marina. Omen’Andriamanitra koa ny fanahiny masina, ny fanohanan’ny kongregasiona eo an-toerana, ary lehilahy loholona feno fitiavana izay afaka manampy antsika hitoetra ho matanjaka ao amin’ny fanompoana azy. — Genesisy 1:1, 26-28; 2 Timoty 3:15-17; Hebreo 10:24, 25; Jakoba 5:14, 15.
2. (a) Inona no zavatra miavaka indrindra amin’izay nataon’Andriamanitra ho antsika? (b) Afaka mahazo ny famonjena avy amin’ny asa ve isika?
2 Ho fanampin’izany rehetra izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany lahimatoa mihitsy hanambara amintsika bebe kokoa ny amin’izay antenain’ny Ray amintsika sy hanome “fanavotana” ho an’izay rehetra hanaiky izany. (Efesiana 1:7; Romana 5:18) Hoy i Jesosy Kristy, io Zanaka io: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ny famonjena nanjary nety noho io fanavotana io dia faran’izay sarobidy ka tsy misy mihitsy fomba hahafahan’ny olona na iza na iza hanao asa hahatonga azy ho mendrika ny hahazo izany, azo antoka fa na dia ny asa natao taloha teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza. Araka izany, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy”. — Galatiana 2:16; Romana 3:20-24.
Finoana sy Asa
3. Inona no nolazain’i Jakoba momba ny finoana sy ny asa?
3 Avy amin’ny finoana ny famonjena, kanefa ny finoana sy ny fankasitrahana izay rehetra nataon’Andriamanitra dia tokony hanosika antsika hanao asa. Tokony hanosika antsika hanao asa miavaka izany. Izao no nosoratan’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy ara-nofo: “Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy”. Nanampy teny toy izao izy: “Asehoy amiko tsy amin’ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”. Nampahatsiarovin’i Jakoba fa na dia ny demonia aza dia “mino izany ka dia mangovitra”, miharihary anefa fa tsy manao ny asan’Andriamanitra ny demonia. Etsy an-daniny indray i Abrahama dia sady nanana finoana no nanana asa. “Niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa.” Izao no naverin’i Jakoba: “Maty (. . .) ny finoana, raha tsy misy asa”. — Jakoba 2:17-26.
4. Inona no nambaran’i Jesosy fa tokony hataon’izay maniry hanaraka azy?
4 Nasehon’i Jesosy koa ny maha-zava-dehibe ny asa marina tamin’ny fitenenana hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra”. “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenanya, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.” Raha ‘mandà’ ny tenantsika isika, dia hafointsika ny hifidy fomba fiaina tian’ny tenantsika manokana. Hekentsika fa avy amin’Andriamanitra no nahazoantsika ny zavatra rehetra, noho izany dia homentsika azy ho mpanompo ny tenantsika, amin’ny fitadiavana hahafantatra sy hanao ny sitrapony toy ny nataon’i Jesosy. — Matio 5:16; Lioka 9:23; Jaona 6:38.
Aina maro no voakasika
5. (a) Araka ny nasehon’i Petera, inona no tokony hisy heriny eo amin’ny fomba fiainantsika manontolo? (b) Asa tsara dia tsara inona no nampirisihany hatao?
5 Nasongadin’i Petera fa ny “ra soan’i Kristy”, nomena ho tombontsoantsika, dia sarobidy tsy misy toy izany ka ny fankasitrahantsika an’izany dia tokony hiharihary eo amin’ny fomba fiainantsika manontolo. Ilay apostoly dia nitanisa zavatra maro izay tokony hanosehan’ny fankasitrahantsika antsika hatao. Nanoro hevitra izy hoe: “Koa esory ny lolom-po [faharatsiana, MN ] rehetra. “Maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka [izay an’ny teny, MN ].” ‘Lazao ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ ‘Mialà amin’ny ratsy ka manaova soa.’ “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.” ‘Aza mandany ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.’— 1 Petera 1:19; 2:1, 2, 9; 3:11, 15; 4:2.
6. (a) Ahoana no nanehoan’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany ny finoany? (b) Ohatra inona no tokony havelan’izany ho antsika?
6 Niaina ny finoany ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Nanova ny fahitany zavatra sy ny naha-izy azy izany, nanosika azy ireo hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Naleony niaritra fanaovana sesitany, fitoraham-bato, kapoka, fanaovana an-tranomaizina, ary fahafatesana mihitsy aza, toy izay handika ny finoany. (Asan’ny apostoly 7:58-60; 8:1; 14:19; 16:22; 1 Korintiana 6:9-11; Efesiana 4:22-24; Kolosiana 4:3; Filemona 9, 10) Tacite, ilay mpanoratra tantara romana malaza, teraka tamin’ny taona 56 am.fan.ir. tany ho any, dia nilaza fa ny kristiana “dia voaheloka hodorana tamin’ny afo mba ho fanazavana tamin’ny alina, rehefa tapitra ny hazavan’ny andro.” Tsy niroa saina anefa izy ireo! — The Annals, Boky faha-15, fehintsoratra faha-44.
7. Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no mety hahitan’ny olona sasany ny tenany?
7 Any amin’ny kongregasiona sasany ianao dia mety hahita olona izay nanatrika ireo fivoriana hatramin’ny taona maro. Tia ny fandaminan’i Jehovah izy ireny, sady mihevitra fa ny vahoakany no olona tsara indrindra hitany hatramin’izay, milaza zavatra tsara dia tsara ny amin’ny fahamarinana izy ireo, ary miaro ny fahamarinana eo anatrehan’ny olona any ivelany. Misy zavatra manakana anefa eo amin’ny lalan’izy ireny, zavatra izay mihazona azy. Izy ireo dia tsy mbola nanao mihitsy ny dingana tsara dia tsara izay nataon’ireo olona 3 000 tamin’ny andro Pentekosta, izay nangatahin’ilay Etiopiana tonga mpino mba hatao, na izay nampirisihan’i Ananiasy mba hataon’i Saoly raha vantany vao fantatr’io mpanenjika taloha io fa i Jesosy tokoa no Mesia. (Asan’ny apostoly 2:41; 8:36; 22:16) Inona no tsy ampy ao amin’ny olona toy izany amin’izao fotoana izao? Nahoana izy ireo no tsy nanao ny dingana izay antsoin’ny Baiboly hoe “fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra”? (1 Petera 3:21) Raha mahita ny tenanao ao amin’izany toe-javatra izany ianao — mahafantatra ny fahamarinana nefa misalasala ny hanao zavatra momba izany — dia hevero ho toy ny nomanina tamim-pitiavana manokana ho anao ity lahatsoratra ity.
Fandresena vato misakana ho amin’ny batisa
8. Raha tsy mbola mpianatra nahafatra-po mihitsy ny tenanao, inona no fomba mampiseho fahendrena tokony harahina izao?
8 Inona no mety hanakana eo amin’ny lalanao? Nasehon’ny lahatsoratra teo aloha fa mety ho hitan’ny sasany ho zava-manahirana ny fianarana manokana. Nomen’Andriamanitra saina mahatalanjona isika, ary antenainy ny hampiasantsika izany amin’ny fanompoana azy. Misy olona sasany izay tsy nianatra namaky teny akory no niezaka mafy nanao izany tatỳ aoriana mba hianarana bebe kokoa momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Ahoana ny aminao? Raha efa mahay mamaky teny ianao, moa ve ianao tena mianatra tokoa sahala amin’ny nataon’ireo Beriana izay “nandinika ny Soratra Masina isan-andro” hahalalana na marina tokoa izany zavatra izany na tsia. Moa ve hianao namantatra ny “sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny” amin’ny fahamarinana? Ampy fahalalinana ve ny fihadianao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahitana fa tena mampientana tokoa izy io sy mba hampitomboana tena faniriana hahafantatra, ary amin’izany dia hanana tena hanoanana ny fahamarinana? — Asan’ny apostoly 17:10, 11; Efesiana 3:18.
9. Inona no zavatra marina tokony hatao raha manan-java-manahirana amin’olona ao amin’ny kongregasiona ianao?
9 Indraindray dia misy mihazohazo noho izy manan-java-manahirana tena misy na noforonin’ny saina fotsiny amin’ny olona iray ao amin’ny kongregasiona. Nisy olona tena nanafintohina anao ve? Araho àry ny fitarihan-dalana atoron’ny tenin’i Jesosy hoe: “Mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany”. (Matio 18:15). Mety ho gaga ianao hahita fa tsy fantatr’ilay olona akory fa tafintohina ianao. Nefa na dia fantany aza izany, dia mbola afaka ‘mahazo ny rahalahinao’ ihany ianao, araka ny nolazain’i Jesosy. Azonao ampiana koa izy mba tsy hanafintohina olon-kafa. Ambonin’izany, rehefa miato kely ianao ka mieritreritra ny amin’izany, iza moa no tompoinao marina — io olona io sa Andriamanitra? Moa ve voafetra aoka izany ny fitiavanao an’Andriamanitra ka havelanao hanembantsembana izany izay mety ho fahadisoan’ny olombelona tsy tanteraka iray?
10, 11. Inona no tokony hataonao raha misy ota miafina sasany manakana anao?
10 Mety hanakana olona iray tsy hatao batisa ny fahotana miafina. Mety ho zavatra nitranga tamin’ny lasa izany, na mety ho fitondrantena ratsy mbola mitohy. Raha izany no zava-manahirana anao, moa ve tsy fotoana tokony hanitsiana izany izao? (1 Korintiana 7:29-31) Maro amin’ny vahoakan’i Jehovah no tsy maintsy nanova ny fiainany. Hoy ny Baiboly: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN ]”. — Asan’ny apostoly 3:19.
11 Tsy maninona izay nety ho nataonao tamin’ny lasa, afaka mibebaka ianao, miova, ary mangataka ny famelanan’Andriamanitra. “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy (. . .), fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.” Azonao ampifanarahina amin’ny lalany ny fiainanao, ary hifaly amin’ny fananana fieritreretana madio sy hanana ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao sy marina ianao. Moa ve tsy mendrika ny hanaovana izay fiezahana rehetra mety hotakiny? — Kolosiana 3:5-10; Isaia 1:16, 18; 1 Korintiana 6:9-11; Hebreo 9:14.
12. Inona no tokony hataonao raha manakana hanao tsy hanana fieritreretana madio ny fifohana sigara na fihinanana paraky, ny fanaranam-po amin’ny zavatra misy alikaola, na ny fahazaran-dratsy amin’ny zavatra mahadomelina?
12 Moa ve ny fampiasana paraky na sigara, ny fanaranam-po amin’ny zavatra misy alikaola, na ny fahazaran-dratsy amin’ny zavatra mahadomelina no manakana anao tsy hanana fieritreretana madio? Moa ve ny fahazarana manimba toy izany tsy mampiseho tsy fanajana ny aina izay fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra? Raha manakana ny lalanao ny fahazarana toy izany, dia azo antoka fa fotoana tokony hanitsiana izany izao. Mendrika ny hamoizanao ny ainao ve ireny fahazarana ireny? Hoy i Paoly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra”. Moa ve ianao ampy fankasitrahana ny lalan’Andriamanitra madio sy marina mba hanarahana izany?b — 2 Korintiana 7:1.
Zavatra ara-nofo
13, 14. (a) Inona no lazain’ny Soratra masina raha ny amin’ny zava-kendrena ara-nofo? (b) Nahoana no zava-dehibe ny hametrahana ny zavatra any an-danitra amin’ny toerana voalohany?
13 Izao tontolo izao ankehitriny dia mametraka ny fahombiazana sy ny “rehaka momba izao fiainana izao” saika alohan’ny zavatra hafa rehetra. Noharin’i Jesosy tamin’ny “tsilo” izay mangeja ny teny avy amin’Andriamanitra anefa ny “fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena”. Nanontany koa izy hoe: “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?” — 1 Jaona 2:16; Marka 4:2-8, 18, 19; Matio 16:26.
14 Nosoritan’i Jesosy fa nataon’Andriamanitra izay hahitan’ny vorona sakafo sy izay hahatonga ny lilia hamony amin’ny fomba kanto. Avy eo izy dia nanontany hoe: “Tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va hianareo? (. . .) Tsy mainka va hianareo [Andriamanitra hampitafy anareo, MN ]?” Tamim-pahendrena no nanoroan’i Jesosy hevitra mba ‘tsy hanahy’ ny amin’ny zavatra ara-nofo ary ‘hikatsaka hatrany ny fanjakany [an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.’ Nosoritany fa tokony hapetratsika eo amin’ny toerana voalohany ny zavatra any an-danitra satria “izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao”. — Lioka 12:22-31; Matio 6:20, 21.
Fanompoana an’Andriamanitra omban’ny fanampiany
15. Fampaherezana tsara dia tsara inona no nomen’ny ohatr’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany antsika?
15 Moa ve toa mitondra zava-manahirana ho anao ny fanaovana fanambarana amin’ny hafa? Moa ve mihazona anao ny fahasarotan-kenatra? Raha izany no izy, dia zava-dehibe ny hitadidiana fa nanana karazam-pihetseham-po mitovy amin’ny antsika ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Andriamanitra dia tsy nifidy olona hendry sy mahery maro, fa “ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery”. (1 Korintiana 1:26-29) Notoherin’ny filoha ara-pivavahana mahery sady nodidiany hampitsahatra ny fitoriana ireo olona “tsotra” ireo. Inona no nataon’izy ireo? Nivavaka izy. Nangataka fahasahiana tamin’Andriamanitra izy, ary nomeny azy ireo izany. Ho vokatr’izany, dia nameno an’i Jerosalema ny hafatra nentiny ary tatỳ aoriana dia nanozongozona ny tany manontolo izany! — Asan’ny apostoly 4:1-4, 13, 17, 23, 24, 29-31; 5:28, 29; Kolosiana 1:23.
16. Inona no ianarantsika avy amin’ireo “vavolombelona maro be” voalazalaza ao amin’ny Hebreo toko faha-11?
16 Araka izany, dia tsy tokony hanakana antsika mihitsy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny tahotra olona. Miresaka ny amin’ny “Vavolombelona maro be” izay natahotra an’Andriamanitra fa tsy ny olona ny Hebreo toko faha-11. Tokony haneho finoana mitovy amin’izany isika. Nanoratra toy izao ny apostoly: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — Hebreo 12:1.
17. Fampaherezana inona no nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia?
17 Afaka manome fanampiana manana amby ampy ny mpanompony Andriamanitra. Nilaza tamin’i Isaia ny Mpamorona izao rehetra izao hoe: “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” — Isaia 40:31.
18. Ahoana no mety handresenao ny hasarotan-kenatra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana?
18 Ireo Vavolombelona be herim-po sady sambatra izay hitanao ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana dia tapany kely monja amin’ny mpanompo be zotom-po maneran-tany maherin’ny telo tapitrisa sy sasany. Faly izy ireo manana anjara amin’ny asa izay nambaran’ny tenan’i Jesosy Kristy mialoha tamin’ireto teny ireto: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany”. Raha manahirana anao ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana na dia mahafeno fepetra hanao izany aza ianao, nahoana raha manontany Vavolombelona iray havanana amin’ny fanompoana hamela anao hiaraka aminy amin’ny asa fitoriana? Tena manome “ny hery mihoatra ny mahazatra” tokoa Andriamanitra, ary mety ho gaga ianao hahita hoe fifaliana toy inona tokoa io fanompoana an’Andriamanitra io. — Matio 24:14; 2 Korintiana 4:7, MN; jereo koa Salamo 56:11; Matio 5:11, 12; Filipiana 4:13.
19. Asa fampianarana inona no nandidian’i Jesosy ny mpanara-dia azy hatao?
19 Antenain’i Jesosy hanao asa mifanaraka amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ireo izay mankasitraka izany. Hoy izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. — Matio 28:19, 20.
20. Raha mandroso ianao eo amin’ny lafiny ara-panahy, fanontaniana inona no mety ny hanaovana azy tsy ho ela?
20 Moa ve ny fankasitrahanao ireo fitahian’Andriamanitra, ny ‘ra soan’i Jesosy’, ary ny fanantenana mahatalanjona fiainana mandrakizay, manosika anao hanao zavatra? (1 Petera 1:19) Nampifanarahinao tamin’ireo fepetra marin’Andriamanitra ve ny fiainanao? Moa ve ianao mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fanaovana mpianatra? Moa ve ianao nanda ny tenanao ka nanolotra ny fiainanao ho an’Andriamanitra? Raha eny mazava no valin’ireo fanontaniana rehetra ireo, dia mety ho izao no fotoana tokony hilazana amin’ny iray amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ivorianao fanontaniana mitovy amin’ny nataon’ilay Etiopiana nino tamin’i Filipo hoe: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” — Asan’ny apostoly 8:36.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Baibolin’i Jerosalema dia mandika an’io hoe: “mahafoy ny tenany”. Ny fandikana nataon’i J. B. Phillips dia milaza hoe: “mahafoy ny zo rehetra ananan’ny tenany”. Hoy ny The New English Bible hoe: “mamela ny tena any aoriana”.
b Mba hahazoana fanazavana ny amin’ny fomba fialana amin’ny fahazarana toy izany dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 1 aogositra 1981, pejy faha-3- 12; 1 desambra 1973, pejy faha-528 ka hatramin’ny faha-535; ary ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 oktobra 1982, pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-12; 22 aogositra 1981, pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-11. Mety hisy ao amin’ny fitehirizam-boky ao amin’ny Efitrano Fanjakana an’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireo.
Tadidinao ve?
◻ Antony manokana inona avy no ananantsika ka mahatonga antsika hankasitraka an’Andriamanitra?
◻ Tokony hanosika antsika hanao inona ny finoana sy ny fankasitrahana?
◻ Zava-manahirana inona no mety hanakana antsika tsy hankatò an’Andriamanitra, ary tokony hataontsika ahoana izy ireny?
◻ Fanontaniana inona avy no mety hataon’ireo tsy mbola vita batisa amin’ny tenany?
[Efajoro, pejy 18]
‘Karazana “tany” manao ahoana moa ny tenako?’
Nanao fanoharana ny amin’ny lehilahy iray izay nivoaka hamafy voa i Jesosy. Ny voa sasany dia latsaka teny amoron-dalana ary lanin’ny vorona. Ny hafa latsaka teny amin’ny toerana be vato tsy nisy tany firy. Nitsimoka ireo, nefa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ireo ka maty. Mbola nisy voa hafa latsaka teny amin’ny tsilo ary voageja. Nambaran’i Jesosy fa ireo karazany telo ireo dia mampiseho: voalohany, ny olona izay “mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala”; faharoa, izay manaiky ny teny kanefa voavily noho ny hafanan’ny “fahoriana na fanenjehana”; ary fahatelo, ireo olona izay ‘ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny’.
Niresaka koa ny amin’ny voa hafa izay latsaka teny amin’ny tany tsara anefa i Jesosy. Hoy izy: “Dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra.” — Matio 13:3-8, 18-23.
Mety ho tsara ny manontany tena hoe: ‘Karazana “tany” manao ahoana moa ny tenako?’
[Efajoro, pejy 19]
Maty noho ny finoany izy ireo
Moa ve ianao mahafantatra olona izay hifidy ny ho faty toy izay handa ny finoany? Nanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro. Ao amin’ny boky Ny Fanjakana Nazia sy ireo fivavahana vaovao: fandinihana natao tamin’ny toe-javatra dimy teo amin’ny Tsy Fanarahana, dia nanoratra toy izao ny Dr. Christine E. King: “Tamin’ny Vavolombelona alemanina roa, dia iray no natao an-tranomaizina, iray tao anatin’ny efatra no namoy ny ainy.”
Rehefa ela ny ela ka nifarana ny fampihorohoroana tany amin’ireo toby, tamin’ny 1945, “dia nitombo ny isan’ireo Vavolombelona ary tsy nisy fanekena lembenana tamin’izany.” Ao amin’ny boky Ny fanenjehana nataon’ny Nazia tamin’ny fiangonana, dia nanoratra izao ho an’ny Vavolombelona i J. S. Conway: “Tsy nisy antokom-pivavahana hafa nampiseho fahavononana mitovy amin’izany teo anatrehan’ny hery manontolon’ny fampihorohoroan’ny Gestapo.”
Tsy nenjehina noho ny raharaha ara-politika na ara-pirazanana ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha ny marina dia nijaly noho ny fitiavany an’i Jehovah sy noho ny fandavany tsy handika ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly izy ireo.