Mitondra valisoa ny fitiavana marina
“Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” — HEBREO 6:10.
1, 2. Nahoana no mitondra valisoa ho an’ny tenantsika manokana ny fitiavana marina?
NY FITIAVANA tsy misy fitiavan-tena no toetra lehibe indrindra, mendri-kaja indrindra, ary sarobidy indrindra azontsika aseho. Mitaky zavatra betsaka amintsika hatrany hatrany io fitiavana (grika, a·gaʹpe) io. Kanefa, noho isika noforonin’ny Andriamanitra iray tia ny rariny sy fitiavana, dia hitantsika fa mitondra valisoa tokoa ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena. Nahoana no toy izany no izy?
2 Antony iray mahatonga ny fitiavana hitondra valisoa ny fotopoto-pitsipika psikôsômatika, izany hoe ny herin’ny fisainana sy ny fihetseham-po eo amin’ny vatantsika. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny fihenjanana: “ ‘Tiava ny namanao’ no iray amin’ireo torohevitra ara-pitsaboana mampiseho fahendrena indrindra nomena hatramin’izay.” Eny, “ny olona mamindra fo [maneho hatsaram-po feno fitiavana, MN] dia mahazo soa ho an’ny tenany.” (Ohabolana 11:17). Mitovy hevitra amin’izany ny teny hoe: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” — Ohabolana 11:25; ampitahao amin’ny Lioka 6:38.
3. Ahoana no ataon’Andriamanitra mba hahatonga ny fitiavana marina hitondra valisoa?
3 Mitondra valisoa koa ny fitiavana satria valian’Andriamanitra soa ny tsy fitiavan-tena. Izao no vakintsika: “Izay miantra ny malahelo, dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany [Andriamanitra] kosa.” (Ohabolana 19:17). Manao zavatra mifanaraka amin’ireo teny ireo ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantany fa ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asany sy ny fitiavana izay nasehony ho voninahitry ny anarany’. — Hebreo 6:10.
Ny ohatra tsara indrindra ananantsika
4. Iza no nanome ny ohatra tsara indrindra mampiseho fa mitondra valisoa ny fitiavana marina, ary ahoana no nanaovany izany?
4 Iza no manome ny ohatra tsara indrindra mampiseho fa mitondra valisoa ny fitiavana marina? Tsy iza fa ny tenan’Andriamanitra mihitsy! “Tian’Andriamanitra aoka izany izao tontolo izao [ny olombelona] ka nomeny ny Zanany lahitokana.” (Jaona 3:16, MN). Ny nanomezany ny Zanany mba hahafahan’izay manaiky izany sorom-panavotana izany hahazo ny fiainana mandrakizay dia azo antoka fa mafy tamin’i Jehovah tokoa, ary izany dia nampiseho mazava fa manana fitiavana sy fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa izy. Mbola niseho ihany koa izany tamin’ny fotoana naha-tany Egypta ny Isiraelita ka “tamin’ny fahoriany rehetra, dia niory koa Izy [Jehovah]”. (Isaia 63:9). Tsy maintsy ho nampahory bebe kokoa an’i Jehovah toy inona moa ny nahita ny Zanany nijaly teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nandre azy nikiakiaka mafy hoe: “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” — Matio 27:46.
5. Inona no nitranga noho Andriamanitra tia aoka izany izao tontolo izao ka nanome ny Zanany ho sorona?
5 Moa ve hitan’Andriamanitra fa nitondra valisoa ny fanehoan’ny tenany ny fitiavana marina? Azo antoka tokoa fa izany no izy. Valinteny niavaka toy inona moa no azon’Andriamanitra nafafy teo amin’ny tavan’ny Devoly satria niseho ho tsy nivadika i Jesosy na dia teo aza izay rehetra azon’i Satana natao taminy! (Ohabolana 27:11). Raha ny marina, izay rehetra hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanadiovana ny anaran’i Jehovah amin’ny fanomezan-tsiny, sy mba hamerenana ny Paradisa eto an-tany, ary mba hanomezana fiainana mandrakizay ho an’olona an-tapitrisany maro dia hitranga satria tia aoka izany ny taranak’olombelona Andriamanitra ka nomeny ho sorona ny zava-tsarobidy mamin’ny fony indrindra.
Ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Jesosy
6. Nanosika an’i Jesosy hanao inona ny fitiavana?
6 Ny ohatra tsara dia tsara hafa iray manaporofo fa mitondra valisoa ny fitiavana marina dia ny an’ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy. Tia ny Rainy any an-danitra izy, ary izany fitiavana izany dia nanosika an’i Jesosy hanao ny sitrapon’i Jehovah na toy inona na toy inona vidiny. (Jaona 14:31; Filipiana 2:5-8). Tsy nitsahatra naneho ny fitiavany an’Andriamanitra i Jesosy na dia nidika aza izany indraindray fa tsy maintsy nitalaho tamin’ny Rainy tamin’ny “fitarainana mafy sy ny ranomaso be” izy indraindray. — Hebreo 5:7.
7. Tamin’ny fomba ahoana avy no nahitan’i Jesosy fa mitondra valisoa ny fitiavana marina?
7 Moa ve i Jesosy nahazo valisoa noho ny fitiavana feno fahafoizan-tena toy izany? Izany tokoa! Eritrereto ny fifaliana azony avy tamin’ireo zavatra tsara rehetra nataony nandritra ny fanompoany telo taona sy tapany. Toy inona no nanampiany ny olona teo amin’ny ara-panahy sy ara-nofo! Ambonin’ny zavatra rehetra, tamin’ny fampisehoana fa afaka mitana tsy fivadihana amin’Andriamanitra ny olona tanteraka iray na dia eo aza izay rehetra azon’i Satana amelezana azy, i Jesosy dia nahita fahafahampo nanaporofo fa mpandainga ny Devoly. Ankoatra izany, tamin’ny naha-mpanompo mahatokin’Andriamanitra azy, i Jesosy dia nandray ilay valisoa lehibe, dia ny tsy fahafatesana, taorian’ny fananganana azy ho amin’ny fiainana any an-danitra avy hatrany. (Romana 6:9; Filipiana 2:9-11; 1 Timoty 6:15, 16; Hebreo 1:3, 4). Ary tombontsoa mahatalanjona toy inona moa no mivelatra eo anatrehany amin’ny Haramagedona sy mandritra ny Fanjakany arivo taona, rehefa ho tafaorina indray eto an-tany ny Paradisa ary hiarina avy amin’ny fahafatesana ny olona an’arivo tapitrisany maro! (Lioka 23:43, MN). Tsy misy isalasalana fa hitan’i Jesosy ho nitondra valisoa ny fitiavana marina.
Ny ohatr’i Paoly
8. Inona no fanandraman-javatra hitan’i Paoly noho ny fitiavany marina an’Andriamanitra sy ny olombelona namany?
8 Nanontany an’i Jesosy toy izao ny apostoly Petera indray mandeha: “Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?” Namaly toy izao i Jesosy, ankoatra ny zavatra hafa: “Izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.” (Matio 19:27-29). Manana ohatra manaitra ny amin’izany isika eo amin’ny apostoly Paoly izay nahazo fitahiana maro, araka ny nosoratan’i Lioka manokana ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly. Ny fitiavana marina an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona taminy no nahatonga an’i Paoly hamoy ny anton’asany tamin’ny naha-Fariseo nomem-boninahitra azy. Hevero koa izay niaretan’i Paoly tamin’ny kapoka, ny naha-teo am-bavahoanan’ny fahafatesana, tamin’ny loza sy ny fihafiana maro — izany rehetra izany noho ny fitiavana marina an’Andriamanitra sy ny fanompoana masina ho azy. — 2 Korintiana 11:23-27.
9. Ahoana no namalian-tsoa an’i Paoly noho izy naneho ny fitiavana marina?
9 Moa ve i Jehovah namaly soa an’i Paoly noho izy ohatra tsara dia tsara toy izany tamin’ny fanehoana fitiavana marina? Eritrereto ny habetsahan’ny vokatra nentin’ny fanompoana nataon’i Paoly. Afaka nanorina kongregasiona kristiana nisesisesy izy. Ary fahagagana toy inona moa no vitany noho ny hery nomen’Andriamanitra azy! (Asan’ny apostoly 19:11, 12). Nomena tombontsoa koa i Paoly hahazo fahitana mahagaga sy hanoratra taratasy 14 izay anisan’ny Soratra grika kristiana izao. Ho famaranana izany rehetra izany amin’ny fomba mety, dia nomena azy ny lokan’ny tsy fahafatesana any an-danitra. (1 Korintiana 15:53, 54; 2 Korintiana 12:1-7; 2 Timoty 4:7, 8). Hitan’i Paoly tokoa fa mamaly soa ny fitiavana marina Andriamanitra.
Mitondra valisoa ny fitiavana marina amin’izao androntsika izao
10. Inona no mety ho vidin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesosy sy ny fanehoana ny fitiavantsika an’i Jehovah?
10 Mahita toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny fa mitondra valisoa ny fitiavana marina. Ny fanehoantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah amin’ny fiandaniantsika aminy sy amin’ny fahatongavantsika ho mpianatr’i Jesosy dia mety hamoizantsika ny aintsika mihitsy aza amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana antsika. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 2:10.) Izany no antony nilazan’i Jesosy hoe tokony hanombana izay ho vidiny isika. Tsy hanao izany anefa isika mba hamaritana hoe mitondra valisoa sa tsia ny fahatongavana ho mpianatra. Manao izany kosa isika mba hiomanana handoa izay mety ho vidin’ny maha-mpianatra antsika. — Lioka 14:28.
11. Nahoana ny sasany no tsy mety manolo-tena ho an’Andriamanitra?
11 Ankehitriny dia betsaka — tsy isalasalana fa an-tapitrisany maro — no mino ny hafatra entin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho azy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampihemotra ny fanolorany tena ho an’Andriamanitra sy ny fanekeny hatao batisa anefa izy ireny. Moa ve izany mety ho noho izy ireo tsy manana ny fitiavana marina an’Andriamanitra izay ananan’ny hafa? Tsy mety manao dingana ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa ny maro satria maniry ny hahazo sitraka amin’ny vadiny tsy mpino. Ny hafa dia tsy manatona akaiky an’Andriamanitra satria izy ireo mitovy fihetsika amin’ny mpanao raharaham-barotra iray izay nilaza tamin’ny Vavolombelona iray hoe: “Tiako ny ota”. Mazava ho azy, fa ny olona toy izany dia tsy mankasitraka izay rehetra nataon’Andriamanitra sy Kristy ho azy ireo.
12. Inona no nolazain’ity gazety ity ka mampisongadina ny valisoa avy amin’ny fahalalana izay misintona antsika ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ao amin’ny fitiavana marina?
12 Raha manana fankasitrahana marina izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ho antsika isika, dia hampiseho izany amin’ny fandoavana an-tsitrapo na inona na inona vidin’ny hoe manompo ny Raintsika any an-danitra sy ny maha-iray amin’ireo mpianatr’i Jesosy antsika. Noho ny fitiavana marina an’Andriamanitra, dia lehilahy sy vehivavy avy amin’ny fari-piainana rehetra — mpanao raharaham-barotra nahita fahombiazana, mpanao fanatanjahan-tena malaza, sy ny toy izany — no nanolo ny anton’asa tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany tamin’ny fanompoana kristiana, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. Ary tsy hatakalony na inona na inona ny valisoa entin’ny fahalalana sy ny fanompoana an’Andriamanitra. Raha ny amin’izany, dia hoy Ny Tilikambo Fiambenana indray mandeha: “Indraindray izahay dia nanontany hoe firy ny rahalahy maniry handray arivo dôlara ho takalon’izay fantany momba ny Fahamarinana? Tsy nisy tanana hita nitsangana! Iza no handray iray alina dôlara? Tsy nisy! Iza no handray iray tapitrisa dôlara? Iza no handray an’izao tontolo izao manontolo ho takalon’izay fantany momba ny toetran’Andriamanitra sy ny fikasany? Tsy nisy! Tamin’izay, dia hoy izahay hoe: tsy vahoaka feno tsy fahafahampo ianareo, ry sakaiza malala. Raha mahatsiaro ny tenanareo ho manankarena aoka izany ianareo ka tsy handray na inona na inona ho takalon’ny fahalalanareo an’Andriamanitra, dia mahatsiaro ny tenanareo ho manankarena toy ny ahatsiarovanay ho toy izany koa ianareo”. (15 Desambra 1914, pejy faha-377, anglisy). Eny, ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny fikasany dia misintona antsika ho akaiky azy kokoa ao amin’ny fitiavana marina izay mitondra valisoa tokoa.
13. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fianarana manokana?
13 Raha tia an’Andriamanitra isika dia hiezaka mafy ny hahafantatra sy hanao ny sitrapony. (1 Jaona 5:3). Hihevitra ho zava-dehibe ny fianarana manokana, sy ny vavaka, ary ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana isika. Mitaky fahafoizan-tena izany rehetra izany, satria misy fandaniana fotoana sy hery ary fananana hafa ireo asa ireo. Mety ho tsy maintsy misafidy isika na hijery fandaharana ao amin’ny fahitalavitra iray na hanao fianarana manokana ny Baiboly. Kanefa manjary matanjaka kokoa ara-panahy toy inona moa isika, afaka manao fanambarana amin’ny hafa tsara kokoa toy inona, ary zavatra maro kokoa toy inona moa no azontsika avy amin’ny fivoriana kristiana rehefa mihevitra izany fianarana izany ho zava-dehibe isika ka manokana fotoana mety ho amin’izany! — Salamo 1:1-3.
14. Zava-dehibe ve ny vavaka sy ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra?
14 Moa ve ianao faly miresaka tsy tapaka amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny ‘faharetana amin’ny fivavahana’? (Romana 12:12). Sa sahirana loatra isika matetika ka tsy manararaotra amin’ny fomba feno an’io tombontsoa sarobidy io? Fomba tena ilaina iray mba hanatanjahana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra ny ‘tsy fitsaharana mivavaka’. (1 Tesaloniana 5:17). Ary tsy misy na inona na inona toy ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah mba hanampy antsika rehefa miatrika fakam-panahy isika. Inona no nahatonga an’i Josefa ho afaka nanohitra rehefa naka fanahy azy ny vadin’i Potifara? Ary nahoana i Daniela no tsy nitsahatra nivavaka rehefa nandrara azy tsy hanao fangatahana tamin’i Jehovah ny lalànan’ny Mediana sy ny Pesiana? (Genesisy 39:7-16; Daniela 6:5-12 [6:4-11, MN]). Ny fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra no nanampy ireo lehilahy ireo hivoaka ho mpandresy, dia toy ny hanampian’izany antsika hanao toy izany koa.
15. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ireo fivoriana kristiana, ary nahoana?
15 Mandray ny fanatrehana ireo fivoriana dimy isan-kerinandro ho zava-dehibe àry ve isika? Moa ve avelantsika ny havizanana, ny tsy metimety kely ara-batana, na ny toetry ny andro ratsiratsy hisalovana amin’ny adidintsika tsy hahafoy ny fiaraha-mivory amin’ny mpiray finoana? (Hebreo 10:24, 25). Hitan’ny mpanamboatra milina amerikana tsara karama iray fa nanakana tamin’ny fomba niverimberina ny fanatrehany ireo fivoriana kristiana ny asany. Koa niova asa àry izy, nanaiky fatiantoka ara-bola mba hahafahany manatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona rehetra. Mahatonga antsika ho afaka hifaly amin’ny fifampaherezana sy ny fifanatanjahana ao amin’ny finoana ireo fivoriantsika. (Romana 1:11, 12). Amin’izany rehetra izany, moa ve tsy hitantsika fa “izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany”? (2 Korintiana 9:6). Eny, ny fanehoana fitiavana marina amin’izany fomba izany dia tena mitondra valisoa.
Ny fitiavana marina sy ny fanompoantsika
16. Inona no mety ho vokatra azo raha manosika antsika hanao fanambarana tampotampoka ny fitiavana?
16 Manome antsika antony hitoriana ny vaovao tsara amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah ny fitiavana. Izy io, ohatra, dia manosika antsika hanao fanambarana tampotampoka. Mety hisalasala ny hanao fanambarana tampotampoka isika, kanefa hanesika antsika hiteny ny fitiavana. Marina tokoa fa ny fitiavana dia hahatonga antsika hieritreritra ireo fomba voalanjalanja hanombohana resaka sy hitarihana izany ho amin’ilay Fanjakana avy eo. Ity misy ohatra iray: teny ambonin’ny fiaramanidina, indray mandeha, ny loholona kristiana iray dia tafapetraka teo anilan’ny pretra katolika romana iray. Tamin’ny voalohany, dia tsy nitsahatra nanao fanontaniana tsy nahatezitra taminy ilay loholona. Tamin’ny fotoana nidinan’ilay pretra avy teny amin’ny fiaramanidina anefa, ny fahalianany dia nanosika azy haka roa tamin’ireo bokintsika. Fiafarana tsara dia tsara re izany noho ny fanambarana tampotampoka!
17, 18. Hanosika antsika hanao inona mifandray amin’ny fanompoana kristiana ny fitiavana?
17 Ny fitiavana marina koa dia manosika antsika handray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana isan-trano sy amin’ireo endri-panompoana kristiana hafa. Arakaraka ny ahafahantsika manao dinidinika miorina amin’ny Baiboly no hanomezantsika voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra sy hanampiantsika ireo “ondry” handeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. (Ampitahao amin’ny Matio 7:13, 14.) Na dia tsy afaka manao dinidinika miorina amin’ny Baiboly aza isika, ny fiezahana nataontsika dia tsy ho very maina. Ny naha-tao an-tranon’ireo olona antsika fotsiny dia mahaforona fanambarana, ary ny tenantsika manokana koa dia mandray soa avy amin’ny fanompoana satria tsy afaka manambara ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika ka tsy hanatanjaka ny finoantsika avy amin’izany. Marina fa mila fanetren-tena ny fandehanana isan-trano, ‘manao izany rehetra izany noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy miaraka amin’ny hafa’. (1 Korintiana 9:19-23). Kanefa, noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, dia manao fiezahana amim-panetren-tena isika ary valian-tsoa amin’ny fitahiana manana amby ampy. — Ohabolana 10:22.
18 Mila fitiavana marina koa ireo mpanompon’i Jehovah mba hanaovana tsara ny fiverenana mitsidika ny olona liana amin’ny fahamarinan’ny Baiboly. Ny fitarihana fampianarana Baiboly isan-kerinandro sy isam-bolana dia fomba isehoan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana satria io asa io dia mitaky fandaniana fotoana, fiezahana, ary fananana ara-nofo. (Marka 12:28-31). Na dia izany aza, rehefa mahita ny iray amin’ireny mpianatra ny Baiboly ireny atao batisa isika, ary angamba miditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro mihitsy aza, moa ve tsy miaiky isika fa mitondra valisoa ny fitiavana marina? — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 3:1-3.
19. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana sy ny fanompoana manontolo andro?
19 Ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena dia manosika antsika hanao sorona fiainana mampiadana ara-nofo mba hanaovana ny fanompoana manontolo andro raha azontsika atao ny mandray anjara amin’izany asa izany. Misy Vavolombelona an’arivoarivony maro afaka manamarina fa ny fanehoana ny fitiavany amin’izany fomba izany dia mitondra valisoa be indrindra. Raha mamela anao handray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro ny toe-javatra nefa tsy manararaotra izany ianao, dia tsy fantatrao tsotra izao hoe fitahiana inona no nidify anao. — Ampitahao amin’ny Marka 10:29, 30.
Mitondra valisoa amin’ny fomba hafa
20. Ahoana no anampian’ny fitiavana antsika hamela heloka?
20 Ny fomba hafa iray izay itondran’ny fitiavana marina valisoa dia noho izy manampy antsika hamela keloka. Eny, ny fitiavana “tsy manao otripo”. Raha ny marina, “ny fitiavana manarona fahotana maro”. (1 Korintiana 13:5; 1 Petera 4:8). Ny hoe “maro” dia midika fahotana betsaka, sa tsy izany? Ary toy inona moa ny valisoa entin’ny famelan-keloka! Rehefa mamela heloka ianao, izany dia mahatonga anao sy ilay nanota taminao hahatsiaro tena ho maivamaivana kokoa. Fa ny mbola zava-dehibe lavitra dia ny hoe: raha tsy efa namela ny helok’ireo nanota tamintsika isika, dia tsy afaka manampo ny hamelan’i Jehovah ny helotsika. — Matio 6:12; 18:23-35.
21. Ahoana no anampian’ny fitiavana marina antsika hanaiky?
21 Ankoatra izany, dia mitondra valisoa ny fitiavana marina noho izy manampy antsika haneho fanekena. Raha tia an’i Jehovah isika, dia hanetry tena eo ambanin’ny tanany mahery. (1 Petera 5:6). Ny fitiavana azy koa dia hanosika antsika hanaiky ny fitaovana nofidiny, dia “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. Tafiditra amin’izany ny fanekena ireo izay mitondra ao amin’ny kongregasiona. Mitondra valisoa izany satria ny tsy fanaovana izany dia “tsy hahasoa” antsika. (Matio 24:45-47; Hebreo 13:17). Mazava ho azy fa mihatra ao anatin’ny faritry ny fianakaviana koa io fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanekena io. Mitondra valisoa ny fihetsika toy izany satria izany dia mampitombo ny fifaliana, sy ny fiadanana ary ny fifanarahana ao anatin’ny fianakaviana sady manome antsika ny fahafahampo izay miaraka amin’ny fahafantarana fa mampifaly an’i Jehovah isika. — Efesiana 5:22; 6:1-3.
22. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho sambatra marina tokoa?
22 Mazava àry fa ny toetra tsara lehibe indrindra azontsika ambolena dia ny a·gaʹpe, ilay karazam-pitiavana tsy misy fitiavan-tena sy miorina amin’ny fotopoto-pitsipika. Ary tsy mety hisy fisalasalana ny amin’ny hoe mitondra valisoa ny fitiavana marina. Noho izany, dia ho sambatra tokoa isika raha mamboly sy mampiseho io toetra tsara io amin’ny fetra mbola lehibe kokoa, ho voninahitr’i Jehovah, Raintsika be fitiavana.
Ahoana no havalinao?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no nanehoan’i Jehovah Andriamanitra fitiavana marina?
◻ Ahoana no nanehoan’i Jesosy Kristy fitiavana?
◻ Ohatra inona no navelan’ny apostoly Paoly tamin’ny fanehoana fitiavana marina?
◻ Ahoana no nanehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fitiavana?
◻ Nahoana ianao no hilaza fa mitondra valisoa ny fitiavana marina?
[Sary, pejy 16]
Ny fitiavan’i Jehovah ny taranak’olombelona dia nanosika azy hanome ny Zanany mba hahafahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Moa ve ianao mankasitraka izany fitiavana marina izany?
[Sary, pejy 18]
Ny fitiavana marina an’i Jehovah dia hanosika antsika ‘haharitra amin’ny vavaka’