Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Tantaran’ny zanakalahy nania iray
VAO avy nanakiana an’i Jesosy ireo Fariseo satria niaraka tamin’ny mpanota fantatry ny be sy ny maro izy; namaly azy ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana roa izy, ny amin’ny ondry iray sy farantsakely iray izay samy very, ary hitan’ireo tompony. Nanohy ny teniny izy izao amin’ny fanoharana iray, izay mampiseho hoe manao ahoana ny fihetsiky ny ray be fitiavana iray amin’ireo zanany roa lahy, izay samy nahavita fahadisoana lehibe.
Ilay zandriny no mitana ny toerana voalohany ao amin’io fanoharana io. Indray andro, dia nitaky ny anjara lovany tamin-drainy izy, ary dia nomen-drainy azy mora foana izany. Avy eo dia nandao ny tranon-drainy izy ary nanomboka nitondra tena ratsy tokoa. Nefa aoka havelantsika i Jesosy hitantara azy amintsika, ary handramantsika hojerena hoe iza avy no asehon’ireo olona voatantara.
“Nisy lehilahy anankiray, hoy ny fitantaran’i Jesosy, nanana zanaka mirahalahy. Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy.’ Dia nozarainy [ilay ray] tamin’izy mirahalahy ny fananany.” Nataon’ilay zandriny ahoana izay azony?
“Ary nony afaka kelikely, hoy ny fanazavan’i Jesosy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy tany.” Raha fintinina, dia nandany ny volany tamin’ireo vehivavy janga izy. Tatỳ aoriana, araka ny nasehon’i Jesosy, dia tonga ny fahasahiranana.
“Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ka nahantra izy. Dia nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany anankiray tamin’izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. Ary satriny hameno ny kibony tamin’ny voan-kazo fihinan’ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.”
Endre! Izany fahafaham-baraka ho an’ny jiosy iray: voatery miandry kisoa! Aoka tsy hohadinointsika fa, araka ny Lalàna, dia maloto ireny biby ireny. Kanefa, ny tena nampijaly an’io zatovolahy io dia ity izy nanjary naniry ny sakafo omena an’ireo biby ireo, noho izy matin’ny hanoanana. Tao anatin’izany fahoriana mafy izany, hoy Jesosy, “dia nody ny sainy”.
Notohozin’i Jesosy toy izao ny fitantarany: “Dia hoy izy [anakampo]: Indrisy! maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: “Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho.” Dia niainga izy ka nankany amin-drainy.”
Aoka isika hieritreritra kely. Raha toa ka nisafoaka ary nikiakiaka mafy ny rainy, tamin’izy niala tao an-trano, dia mety tsy ho tsy nisalasala toy izany izy izao ny amin’izay tokony hataony. Mety ho nanapa-kevitra hody any amin’ny taniny izy ary hitady asa any amin’ny toeran-kafa fa tsy any amin’ny rainy mba tsy hifanenany aminy. Kanefa, tsy tonga tao an-tsainy akory ny hevitra toy izany: te-hody any aminy izy.
Mazava tsara fa ilay ray, tao amin’io fanoharana io, dia mampiseho an’ilay Raintsika any an-danitra, dia Jehovah Andriamanitra, izay be fitiavana sy famindrampo. Tsikaritrao koa angamba fa ilay zanakalahy nania, na zanaka adala, dia anisan’ireo mpanota fanta-bahoaka niara-komana tamin’i Jesosy ka nahatonga azy ho notsikerain’ireo Fariseo.
Fa raha ny amin’ilay zanaka lahimatoa kosa, mampiseho an’iza izy io? Ary inona no fampiharana an’io fanoharan’i Jesosy io amin’izao androntsika izao? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana manaraka, izay hivaofy ny tapany faharoa amin’io tantara io. Lioka 15:11-20, 30; Levitikosy 11:7, 8.
◆ Tamin’iza no nitantaran’i Jesosy an’ilay fanoharana, ary nahoana?
◆ Iza no olona nitana toerana voalohany tao amin’io tantara io, ary inona no nanjo azy?
◆ Iza avy no nasehon’ilay ray sy ilay zandriny?
◆ Fanontaniana inona avy no hovalian’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana manaraka?