Azo atao ny mahazo ny tena hatsaran-tarehy
RAHA ny amin’ny hatsaran-tarehy, ny Baiboly dia manome torohevitra ho an’ny lehilahy, toy izany koa ho an’ny vehivavy. Momba ny lehilahy dia hoy indrindra izy: “Voninahitry ny [hatsaran-tarehin’ny, MN ] zatovo ny fahatanjahany.” (Ohabolana 20:29). Mety ho tena manintona tokoa ny hery sy ny fahavitrihan’ny zatovolahy, nefa inona moa no mitranga rehefa mandositra ny tanjaky ny fahatanorana? Izao no lazain’ny bokin’ny Ohabolana amintsika momba izany: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31). Endriny iray amin’ny hatsaran-tarehy anaty ny fahamarinana. Raha mamboly izany ny zatovolahy iray, dia hanana izany izy na dia aorian’ny namoizany ny tanjaky ny fahatanorana manintona aoka izany aza.
Momba ny vehivavy dia hoy ny Baiboly: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” (Ohabolana 31:30). Marina fa ny fahatsaram-bika sy ny fahatsaran-tarehy dia mahatonga ny vehivavy tanora iray ho namana mahafinaritra indrindra. Kanefa, raha toa ny fihatsarambelatsihy sy ny fieboeboana miharo fitiavan-tena miafina ao ambadik’io hatsaran-tarehy io, dia fisehoana ivelany fotsiny izany, ary manafina haratsian-tarehy anaty. Inona no ho tafajanona amin’izay rehefa hanjavona ny hatsaram-bika? Tsy ho tsaratsara kokoa ve ny hampiarahana amin’io hatsaram-bika ivelany io, hatsaran-tarehy anaty izay tsy mandalo, satria ao amin’ny ‘tahotra an’i Jehovah’ ny loharanony?
Manova ny maha-izy ny tena
Mety ho azo ve io hatsaran-tarehy anaty io? Eny, ary izany no tokony hiezahan’ny kristiana hatao. Manome vidiny lehibe ny tena hatsaran-tarehy ny tenan’Andriamanitra mihitsy: “Ny zavatra rehetra samy nataony mendrika [tsara tarehy, MN ] amin’ny fotoany avy.” (Mpitoriteny 3:11). Fanampin’izany dia tsy ankasitrahany ny fanompoam-pivavahan’ny olona izay ny fitondrantenany dia mampiharihary toetran’olombelona tsy faniry.
Manamafy ny ilàna hikatsahana ny hatsaran-tarehy anaty ireo tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny Kolosiana. Voalohany indrindra dia omeny izao torohevitra izao: “Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany.” Eny, na iza na iza manao ireo zavatra ratsy ireo dia maharikoriko an’Andriamanitra sy ny olombelona izay maneho fahaiza-mandanjalanja. Hoy ny anampin’i Paoly: “Ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.” (Kolosiana 3:8-10). Tokony ‘hitafy’ fomba fihevitra izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra àry isika. Inona moa no mampiavaka io “toetra vaovao” io?
Ireo toetra tena kristiana
Tanisain’ny Baiboly ny toetra tsara maro izay mandray anjara amin’ny famoronana io toetra vaovao io. Asehon’i Jesosy antsika anefa ny fototr’io hatsaran-tarehy anaty io: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.’ Izany no didy sady lehibe no voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” (Matio 22:37-39). Manosika antsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra haniry ho ny karazan’olona izay ankasitrahany. Manosika antsika ihany koa hiresaka ny amin’ny mpiara-belona amintsika io fitiavana io, mba hanampiana azy ireny hahafantatra ny Mpamorona azy. — Isaia 52:7.
Manonona toetra tsara hafa izay mandray anjara amin’ny famoronana toetra vaovao ny apostoly Paoly: “Ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy, ny fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra zavatra toy izany.” — Galatiana 5:22, 23, MN.
Ankoatra izany dia milaza amin’ny lehilahy manambady ny Baiboly hoe: “Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana (...). Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesiana 5:23, 25). Izao no azo vakina momba ireo vehivavy manambady: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo, (...) ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” Endrey fa mahafinaritra ery ny fiainam-pianakaviana rehefa miantsoroka ireo andraikiny amim-pitiavana, amin’ny tsy fitadiavana izay hahasoa ny tena ary amim-paharetana ny lehilahy manambady! Ary endrey ny mahamora kokoa ny anjara asan’izy io, rehefa mampiharihary hatsaran-tarehy anaty ny vadiny amin’ny fanohanana azy amim-pitiavana, fa tsy amin’ny fanakianana azy sy ny fambolena toe-tsaina tia fifaninanana! Ao anatin’izany toe-piainana izany, dia mety ho tena hahafinaritra tokoa ny fiainam-pianakaviana.
Ireo olona noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha dia naneho sasantsasany amin’ireo toetra tsara ireo. Ohatra, ilay Solemita tanora dia naneho tsy fiovaovana sy fitiavana lalina ho an’ny mpiandry ondriny, satria nanda ny hahafoy azy noho ny renty tao an-dapan’i Solomona izy. Nampiseho hatsaram-po voajanahary i Josefa, tamin’ny fandavana tsy hanota tamin’i Potifara, ary koa ny fifehezan-tenany, tamin’ny fandosirana fa tsy tamin’ny fetezana ho voataonan’ny vadin’izy io. Ankoatra izany, dia niasa tao aminy ny fahalemem-panahy, ny fiadanana ary ny fahari-po satria, na dia teo aza ireo loza maro nihatra taminy, dia tsy kivy izy.
Ny hatsaran-tarehy eo amin’izao tontolo izao miavaka amin’ny haratsian-tarehy
Mendrika ny hambolena ve ireo toetra tsara ireo amin’izao andro izao? Maro ny olona no mihevitra fa tsia, ary, eo anatrehan’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena fatratra, dia manamafy ny fony hatrany izy ireny. Mihevitra izy ireny fa mba hahela velona, dia tsy maintsy ho tsy miantra, mitady laza sy tsy mihevitra afa-tsy ny tena ary manararaotra araka izay azo atao ny tarehin-javatra rehetra.
Fa raha ny Baiboly dia manome fampirisihana toy izao izy: “Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Filipiana 2:3, 4). Satria ny olona amin’ny ankapobeny tsy manaraka izany torohevitra tsara dia tsara izany, dia mikororosy ny fitambaran’olona.
Ankoatr’izany, isika dia miaina eo amin’ny izao tontolo izao iray izay andrefesana ny fahombiazan’ny olona iray amin’ny hareny na ny toerany. Olona mahomby, hono, ny olona manan-karena iray. Kanefa, rehefa voakasika ireo zavatra tena misy vidiny eo amin’ny fiainana, dia tsy misy dikany intsony ny hevitra hoe harena na fahantrana. Fanampin’izany, dia tsy hoe tsy ahitan-doza akory ny harena. Manome izao fampitandremana izao ny Baiboly: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra.” Izao no anampiny: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra.” — 1 Timoty 6:9, 10.
Marina fa misy olona tia tena, fatra-pitia harena, materialista, ary tsy misy indrafo mahita fahombiazana mihelina. Kanefa, izany fahombiazana izany dia ivelany fotsiny, satria ambony be ny vidiny tsy maintsy aloany matetika mba hananany fiainana tsy mahitsy toy izany: tsy tian’ny olona, mandrava ny fanambadiany, manimba ny fahasalamany ary mahatsapa tsy fahafaham-po lalina izy ireo. Marina fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olona, nefa tsy mety hahita ny fahasambarana izy rehefa manao zavatra toy izany izay mifanohitra tanteraka amin’ireo toetra napetrak’Andriamanitra tao aminy. — Genesisy 1:27.
Aoka isika hahazo ny hatsaran-tarehy anaty
Ahoana no ahafahantsika, amin’izany toe-javatra izany, hanohitra ny fitaoman-dratsin’izao tontolo izao sy hamboly toetra ambony, dia toetran’Andriamanitra? Paoly dia nampiseho ‘ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena’ ho ny mahaforona “ny vokatry ny fanahy”. (Galatiana 5:22, 23, MN ). Noho izany, mba hahafahana mamboly ireo toetra anaty tsara ireo, dia tena ilaintsika tokoa ny manana ny fanahin’Andriamanitra.
Ny fianarana ny Baiboly, izay nosoratana teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahiny, dia mamela antsika hamantatra ireo toetra ireo ary manamafy ny faniriantsika hamboly azy ireo (2 Timoty 3:16). Faly mandrakariva ireo Vavolombelon’i Jehovah hanampy ireo olona izay maniry hianatra ny Baiboly, satria heveriny fa anisan’ny fanompoany izany. Mamela antsika hahita ireo fahalementsika ny fandinihana tsy miangatra, ary azontsika atao ny mivavaka mba hahazo ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra ka handroso amin’ireo lafiny samihafa ireo. Manome antsika ny fanohanana izay ilaintsika ny fifaneraserana amin’ireo mpivavaka hafa amin’Andriamanitra, ary amin’izany toe-javatra izany koa, dia mahazo ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra isika. Moa ve Jesosy tsy nilaza tokoa hoe: “Fa na aiza na aiza iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” — Matio 18:20.
Izao tontolo izao iray izay hanjakan’ny hatsaran-tarehy
Mazava ho azy fa tsy misy na dia iray amintsika aza afaka handresy tanteraka ireo tsy fahatanterahany. Kanefa, Andriamanitra dia mitahy ireo ezaka ataontsika mba hahazoana ny hatsaran-tarehy anaty, ary hanome antsika valisoa tsara dia tsara Izy. Mampahafantatra antsika tokoa ny Baiboly fa Andriamanitra dia mikasa hanorina tsy ho ela izao tontolo izao iray vaovao izay ho hafa tanteraka noho ity iainantsika ity. Amin’izay, “ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no niteny hoe: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” — Matio 5:5.
Amin’izay, ny toe-tsaina tia fifaninanana sy ny fitiavan-tena, ireo zavatra ratsy tarehy izay mampiavaka an’izao tontolo izao ankehitriny ireo, dia hanome toerana ho an’ny filaminana, fahatoniana tsara lavitra. “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9). Eny, “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. — Apokalypsy 21:4.
Hitanao toa manintona ve ireo toe-piainana ireo? Fantaro fa tsy hisy izany raha tsy satria hanana ny hatsaran-tarehy anaty izay mifototra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ny mponina amin’ny tany. Fa, raha ny amin’Andriamanitra kosa, Izy dia nampanantena fa ireo izay manompo azy, mamboly “ny toetra vaovao” ary miezaka tokoa hanaraka ireo fotopoto-pitsipiny dia hahita ny fahatanterahan’izany fampanantenana izany. Tsy afaka hanome fitahiana toy izany mihitsy ny fahatsaram-bika. Moa ve izany tsy antony tsara hitadiavana izany hatsaran-tarehy anaty izany, izay mitondra soa be dia be sy maharitra kokoa ary tian’ireo olona mahitsy sy ny tenan’Andriamanitra aoka izany?
[Sary, pejy 6]
Ireo olona izay tsara tarehy etỳ ivelany dia tsy tokony ho tia tena na hampiasa ny hafa. Mifanohitra amin’izany, dia tokony hitady ny hatsaran-tarehy anaty izay ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo.