Ilay Tempolin’i Jehovah Ara-panahy Lehibe
“Manana Mpisoronabe toy izany isika, (...) Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ [i Jehovah, NW ], fa tsy olona.” — HEBREO 8:1, 2.
1. Fandaharana mampiseho fitiavana inona no nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona mpanota?
NOHO ny halehiben’ny fitiavany ny olombelona, dia nanome fanatitra iray mba hanesorana ny fahotan’izao tontolo izao, i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 1:29; 3:16). Izany dia nitaky famindrana ny ain’ilay Zanany lahimatoa avy tany an-danitra, nankao an-kibon’ny virjiny jiosy iray nantsoina hoe Maria. Nanazava tsara tamin’i Maria ilay anjelin’i Jehovah fa ilay zaza hotorontoronina dia “ny Masina (...) hatao hoe Zanak’Andriamanitra”. (Lioka 1:34, 35). Nilazana ny amin’ny naha-fahagagana ny nahatorontoronina an’i Jesosy i Josefa izay fofombadin’i Maria, ka fantany fa izy io no “hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”. — Matio 1:20, 21.
2. Inona no nataon’i Jesosy fony izy tokony ho 30 taona, ary nahoana?
2 Rehefa nihalehibe i Jesosy, dia tsy maintsy takany ny sasany tamin’ireny zava-nisy momba ny nahaterahany tamin’ny fomba nahagaga ireny. Fantany fa nanana asa famonjena aina hampanaovina azy eto an-tany, ny Rainy any an-danitra. Koa tamin’ny naha-lehilahy matotra tokony ho 30 taona azy, dia tonga tany amin’i Jaona, mpaminanin’Andriamanitra, i Jesosy mba hatao batisa tao amin’ny Onin’i Jordana. — Marka 1:9; Lioka 3:23.
3. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny teny hoe “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao”? b) Ohatra miavaka inona no navelan’i Jesosy ho an’ireo rehetra maniry ho tonga mpianany?
3 Nivavaka i Jesosy tamin’ny fotoan’ny batisany. (Lioka 3:21). Voaporofo fa, nanomboka tamin’io fotoana tamin’ny fiainany io, dia nanatanteraka ny tenin’ny Salamo 40:6-8 izy, araka ny nasehon’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana nanao hoe: “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy”. (Hebreo 10:5). Araka izany, dia nasehon’i Jesosy ny fahafantarany fa Andriamanitra dia ‘tsy nila’ fanatitra biby hotohizina hatolotra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Takany kosa fa Andriamanitra dia nanomana tenan’olombelona lavorary ho azy, dia izy, Jesosy, mba hatolotra ho fanatitra. Izany dia hanaisotra izay mety hilana fanatitra biby fanampiny. Raha nampiseho ny faniriany tamim-pahatsorana hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, dia nanohy nivavaka toy izao: “Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô”. (Hebreo 10:7). Fatratra toy inona moa ny ohatra mampiseho ny herim-po sy ny fifikirana tsy nisy fitiavan-tena navelan’i Jesosy tamin’io andro io ho an’izay rehetra ho tonga mpianany tatỳ aoriana! — Marka 8:34.
4. Ahoana no nanehoan’Andriamanitra ny fankasitrahany ny fanoloran’i Jesosy ny tenany?
4 Naneho fankasitrahana ny vavaka nataon’i Jesosy tamin’ny batisany ve Andriamanitra? Aoka havelantsika hanome ny valiny ny iray tamin’ireo apostoly voafidin’i Jesosy: “Ary raha vao natao batisa i Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” — Matio 3:16, 17; Lioka 3:21, 22.
5. Inona no nasehon’ilay alitaran’ny tempoly ara-bakiteny?
5 Ny faneken’Andriamanitra ilay fanolorana ny tenan’i Jesosy mba hatao fanatitra dia nidika fa, tamin’ny heviny ara-panahy, dia nanjary nisongadina ny alitara iray lehibe kokoa noho ilay tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Ilay alitara ara-bakiteny izay nanolorana ireo biby hatao fanatitra dia nampiseho mialoha io alitara ara-panahy io, izay raha ny marina, dia ilay “sitrapo” na fandaharan’Andriamanitra mba hanekena ho fanatitra, ny ain’olombelona nananan’i Jesosy. (Hebreo 10:10). Izany no nahafahan’ny apostoly Paoly nanoratra tamin’ireo Kristiana tahaka azy toy izao: “Isika manana alitara, izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.” (Hebreo 13:10). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny Kristiana marina dia mandray soa amin’ny fanatitra ambony iray manao fanavotana noho ny ota, dia fanatitra izay nolavin’ny ankamaroan’ireo mpisorona jiosy.
6. a) Inona no nanjary nisongadina tamin’ny fotoan’ny batisan’i Jesosy? b) Inona no dikan’ilay anaram-boninahitra hoe Mesia na Kristy?
6 Ny nanosorana an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina dia nidika fa izao Andriamanitra dia nanome endrika ilay fandaharany manontolo momba ny tempoly ara-panahy, ka i Jesosy no ho Mpisoronabe. (Asan’ny Apostoly 10:38; Hebreo 5:5). Nahazo tsindrimandry i Lioka mpianatra mba hanondro marina tsara ilay taona nitrangan’io fisehoan-javatra lehibe io ho “ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara”. (Lioka 3:1-3). Izany dia mifanitsy amin’ny taona 29 am.f.i. — 69 herinandron-taona marina tsara, na 483 taona, nanomboka tamin’ilay fotoana nanomezan’i Artaksersesy Mpanjaka ilay didy hanorenana indray ny mandan’i Jerosalema. (Nehemia 2:1, 5-8). Araka ny faminaniana, dia hiseho tamin’io taona voalaza mialoha io ny “Mesia Andriana”. (Daniela 9:25). Niharihary fa Jiosy maro no nahafantatra izany. Nanao tatitra i Lioka fa “niandry ny olona” raha ny amin’izay hisehoan’ny Mesia, na Kristy, izay anaram-boninahitra avy amin’ny teny hebreo sy grika manana heviny mitovy hoe “ilay voahosotra”. — Lioka 3:15.
7. a) Oviana Andriamanitra no nanosotra ny “Masina Indrindra”, ary nidika ho inona izany? b) Inona koa no nitranga tamin’i Jesosy tamin’ny fotoan’ny batisany?
7 Tamin’ny fotoan’ny batisan’i Jesosy, ny fonenan’Andriamanitra tany an-danitra dia voahosotra, na voatokana, ho ny “Masina Indrindra” tao amin’ilay fandaharana momba ny tempoly ara-panahy lehibe. (Daniela 9:24). Nanomboka niasa ilay “tena tabernakely [na tempoly], izay naorin’[i Jehovah, NW ], fa tsy olona”. (Hebreo 8:2). Afa-tsy izany koa, dia nateraka indray ho Zanak’Andriamanitra ara-panahy i Jesosy Kristy, izay olombelona, tamin’ny alalan’ny batisany tamin’ny rano sy ny fanahy masina. (Ampitahao amin’ny Jaona 3:3.) Nidika izany fa amin’ny fotoana mety, Andriamanitra dia hiantso indray ny Zanany ho any amin’ny fiainana any an-danitra, ka any no hanompoany eo an-tanana ankavanan’ny Rainy amin’ny maha-Mpanjaka sy Mpisoronabe azy “mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka”. — Hebreo 6:20; Salamo 110:1, 4.
Ilay Masina Indrindra any an-danitra
8. Naka endriny vaovao inona avy izao ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra?
8 Tamin’ilay andron’ny batisan’i Jesosy, dia naka endriny vaovao ny seza fiandrianan’Andriamanitra tany an-danitra. Ny famaritana tsara hoe fanatitra olombelona lavorary iray no hanaovana fanavotana noho ny otan’izao tontolo izao, dia nanantitrantitra ny fahamasinan’Andriamanitra nifanohitra tamin’ny fahotan’olombelona. Nisongadina koa ny famindram-pon’Andriamanitra tamin’ny nanehoany ny fahavononany hampitonena na hampihavanina ankehitriny. Araka izany, ilay seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra dia nanjary sahala amin’ilay efitra anatiny indrindra tamin’ny tempoly, izay nidiran’ny Mpisoronabe indray mandeha isan-taona nitondra ram-biby mba hanaovana fanavotana noho ny ota, tamin’ny fomba ara-panoharana.
9. a) Nampiseho inona ilay efitra lamba teo anelanelan’ny Masina sy ny Masina indrindra? b) Ahoana no nahafahan’i Jesosy nihoatra ilay efitra lamban’ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy?
9 Ilay efitra lamba izay nanasaraka ny Masina tamin’ny Masina Indrindra dia nampiseho ny vatana ara-nofon’i Jesosy. (Hebreo 10:19, 20). Izy io no ilay fefy izay nisakana an’i Jesosy tsy hiditra hankeo anatrehan’ny Rainy, raha mbola olombelona teto an-tany izy. (1 Korintiana 15:50). Tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, “ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany”. (Matio 27:51). Izany dia nampiseho tamin’ny fomba nanaitra fa efa nesorina izao ilay fefy nisakana ny fidiran’i Jesosy tany an-danitra. Telo andro taorian’izay, dia nanao fahagagana niavaka iray Andriamanitra. Nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty izy, tsy ho olombelona nofo aman-dra mety maty akory, fa ho zavaboary ara-panahy be voninahitra izay “maharitra mandrakizay”. (Hebreo 7:24). Efa-polo andro tatỳ aoriana, dia niakatra tany an-danitra sy niditra tao amin’ilay tena “Masina Indrindra” i Jesosy ‘mba hiseho teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika’. — Hebreo 9:24.
10. a) Inona no nitranga rehefa avy nampiseho ny vidin’ny sorona nataony tamin’ny Rainy any an-danitra i Jesosy? b) Inona no dikan’ny fanosorana tamin’ny fanahy masina ho an’ireo mpianatr’i Kristy?
10 Moa ve Andriamanitra nanaiky ny vidin’ny ra nalatsak’i Jesosy ho fanavotana noho ny otan’izao tontolo izao? Nanao izany tokoa izy. Ny porofon’izany dia tonga, 50 andro marina tsara taorian’ny nitsanganan’i Jesosy, tamin’ny andro firavoravoan’ny Pentekosta. Nilatsaka tamin’ny mpianatr’i Jesosy 120 tafavory niaraka tany Jerosalema, ny fanahy masin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 2:1, 4, 33). Sahala amin’i Jesosy Kristy, Mpisoronabeny, izy ireo izao dia voahosotra mba hanompo amin’ny maha-“fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy” eo ambany fanapahan’ilay fandaharan’Andriamanitra momba ilay tempoly ara-panahy lehibe. (1 Petera 2:5). Ankoatra izany, ireny voahosotra ireny dia nahaforona firenena vaovao iray, ilay ‘firenena masin’Andriamanitra’, dia ny Isiraely ara-panahy. Avy amin’izany, ireo faminaniana ny amin’ny zava-tsoa rehetra momba ny Isiraely, toy ilay “fanekena vaovao” voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Jeremia 31:31, dia hihatra avokoa amin’ilay kongregasiona kristiana voahosotra, ilay tena “Isiraelin’Andriamanitra”. — 1 Petera 2:9; Galatiana 6:16.
Lafiny hafa amin’ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy
11, 12. a) Inona no nasehon’ilay kianja ho an’ny mpisorona raha ny amin’i Jesosy, ary inona izy io raha ny amin’ireo voahosotra mpanara-dia azy? b) Inona no asehon’ilay tavin-drano, ary ahoana no ampiasana azy io?
11 Na dia nampiseho ny ‘lanitra tokoa’ izay misy an’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianana aza ny Masina Indrindra, ireo lafiny hafa rehetra amin’ilay tempolin’Andriamanitra ara-panahy dia mifandray amin-javatra etỳ an-tany. (Hebreo 9:24). Tao amin’ilay tempoly tao Jerosalema, dia nisy kianja anatiny iray ho an’ny mpisorona izay nisy alitara ho an’ny fanatitra sy tavin-drano lehibe iray nampiasain’ireo mpisorona mba hanadiovany ny tenany talohan’ny nanaovany fanompoana masina. Mampiseho inona avy ireny zavatra ireny ao amin’ilay fandaharan’Andriamanitra momba ilay tempoly ara-panahy?
12 Raha ny amin’i Jesosy Kristy, ilay kianja anatiny ho an’ny mpisorona dia nampiseho ny tsy fananany ota tamin’ny naha-olombelona lavorary Zanak’Andriamanitra azy. Amin’ny fanehoana finoana ny soron’i Jesosy, ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy dia lazaina fa marina. Araka izany, dia afaka mifampiraharaha ara-drariny amin’izy ireo Andriamanitra, toy ny hoe tsy manana ota izy ireo. (Romana 5:1; 8:1, 33). Noho izany, io kianja anatiny io koa dia mampiseho ny toeran’ny olo-marina lazaina fa tanan’ny mpikambana tsirairay amin’ilay fisoronana masina eo anatrehan’Andriamanitra. Amin’izay fotoana izay dia mbola tsy lavorary sy mety hanota ihany ireo Kristiana voahosotra ireo. Ilay tavin-drano teo amin’ny kianja dia mampiseho ny Tenin’Andriamanitra izay ampiasain’ny Mpisoronabe mba hanadiovana miandalana ilay fisoronana masina. Tamin’ny fanekena io fomba fanadiovana io no nahazoan’izy ireo fisehoana mendri-kaja izay manome voninahitra an’Andriamanitra sy mitaona olona tsy mpikambana ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio aminy. — Efesiana 5:25, 26; ampitahao amin’ny Malakia 3:1-3.
Ny Masina
13, 14. a) Inona no asehon’ny Masin’ny tempoly raha ny amin’i Jesosy sy ireo voahosotra mpanara-dia azy? b) Inona no asehon’ilay fanaovan-jiro volamena?
13 Ilay efitra voalohany amin’ny tempoly dia mampiseho toe-javatra iray ambony noho ilay nasehon’ny kianja. Raha ny amin’i Jesosy Kristy olombelona lavorary, izy io dia mampiseho ny fahaterahany indray ho Zanak’Andriamanitra ara-panahy voatokana hiverina ho amin’ny fiainana any an-danitra. Rehefa avy nambara fa marina mifototra amin’ny finoan’izy ireo ny ra nalatsak’i Kristy ireo mpanara-dia voahosotra ireo, dia mandalo koa io fiasan’ny fanahin’Andriamanitra amin’ny fomba manokana io. (Romana 8:14-17). Amin’ny alalan’ny “rano [izany hoe ny batisany] sy ny fanahy”, dia “ateraka indray” ho zanak’Andriamanitra ara-panahy izy ireo. Amin’ny maha-toy izany azy, dia manana fanantenana ny hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra ho zanak’Andriamanitra ara-panahy izy ireo, raha toa ka mitoetra ho mahatoky mandra-pahafatiny. — Jaona 3:5, 7; Apokalypsy 2:10.
14 Ireo mpisorona izay nanompo tao amin’ny Masin’ilay tempoly teto an-tany, dia tsy hitan’ireo mpivavaka tany ivelany. Toy izany koa, ireo Kristiana voahosotra dia miaina toe-piainana ara-panahy iray, ka tsy manana anjara amin’izany na mahatakatra ny hevitr’izany amin’ny fomba feno ny ankamaroan’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. Ilay fitoeran-jiro volamena tao amin’ny tabernakely dia mampiseho ilay toe-piainana feno fahalalana misy ny Kristiana voahosotra. Ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra, toy ny solika anatin’ireo lela fanaovan-jiro, dia mandefa fahazavana amin’ny Baiboly. Ilay fahatakarana hevi-javatra izay azon’ny Kristiana vokatr’izany, dia tsy hazoniny ho an’ny tenany. Mankato an’i Jesosy, izay nilaza toy izao, kosa izy ireo: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. (...) Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 5:14, 16.
15. Inona no asehon’ny mofo teo amin’ilay latabatra nisy mofo aseho?
15 Mba hitoerana ao anatin’io toe-piainana feno fahalalana io, ireo Kristiana voahosotra dia tsy maintsy mamahan-tena tsy tapaka eo amin’izay asehon’ny mofo teo amin’ilay latabatra nisy mofo aseho. Ny loharanon-tsakafon’izy ireo ara-panahy voalohany indrindra dia ny Tenin’Andriamanitra, izay iezahan’izy ireo vakina sy saintsainina isan’andro. Nampanantena koa i Jesosy fa hanome azy ireo ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ amin’ny alalan’ny ‘mpanompony mahatoky sy malina’. (Matio 24:45, NW ). Io “mpanompo” io dia ny fitambarana manontolon’ireo Kristiana voahosotra eto an-tany amin’izay mety ho fotoana manokana rehetra. Nampiasa io fitambarana voahosotra io i Kristy mba hampielezana filazana momba ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly sy mba hanomezana fitarihan-dalana ara-potoana momba ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro maoderina. Noho izany, ireo Kristiana voahosotra dia mamahan-tena amim-pankasitrahana amin’izany fandaharana ara-panahy rehetra izany. Ny fitanana ny ain’izy ireo ara-panahy anefa dia miankina amin-javatra bebe kokoa noho ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra ao an-tsainy sy ao am-pony. Hoy i Jesosy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Toy izany koa, ireo Kristiana voahosotra dia mahita fahafaham-po amin’ny fikelezany aina isan’andro mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra voambara.
16. Inona no asehon’ilay fanompoana teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra?
16 Isa-maraina sy isan-kariva dia nanolotra ditin-kazo manitra teo ambonin’ilay alitara fandoroana ditin-kazo manitra tao amin’ny Masina, ny mpisorona iray. Tamin’izay fotoana izay ihany, ireo mpivavaka tsy anisan’ny mpisorona dia nivavaka tamin’Andriamanitra teo am-pijoroana tao amin’ireo kianja ivelan’ny tempoliny. (Lioka 1:8-10). Ny “ditin-kazo manitra” hoy ny fanazavan’ny Baiboly, “dia vavaka ataon’ny olona masina”. (Apokalypsy 5:8). “Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako”, hoy ny nosoratan’i Davida mpanao salamo. (Salamo 141:2). Mankamamy koa ny tombontsoany hanatona an’i Jehovah amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ireo Kristiana voahosotra. Ireo vavaka feno hafanam-po izay miboiboika avy ao am-po dia toy ny ditin-kazo manitra mamerovero. Midera an’Andriamanitra amin’ny fomba hafa koa ireo Kristiana voahosotra, amin’ny fampiasana ny molony mba hampianarana ny hafa. Mahafaly indrindra an’Andriamanitra ny fiaretan’izy ireo manoloana ireo zava-tsarotra sy ny tsy fivadihany ao anatin’ny fisedrana. — 1 Petera 2:20, 21.
17. Inona no tafiditra tamin’ny fahatanterahan’ilay sary ara-paminaniana nomen’ilay fidirana voalohany nataon’ny mpisoronabe tao amin’ny Masina Indrindra, tamin’ny Andro Fanavotana?
17 Tamin’ny Andro Fanavotana, dia tsy maintsy niditra tao amin’ny Masina Indrindra ka nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ny fandoroana ditin-kazo manitra volamena nisy vain’afo, ilay mpisoronaben’ny Isiraely. Tsy maintsy natao izany talohan’ny nitondrany tao ny ran’ireo fanatitra noho ny ota. Ho fanatanterahana an’io sary ara-paminaniana io, dia nitana tsy fivadihana tanteraka tamin’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy izay olombelona, talohan’ny nanolorany ny ainy ho ilay hany fanatitra maharitra noho ny fahotantsika. Araka izany, dia nasehony fa ny lehilahy lavorary iray dia afaka mitana ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra na toy inona na toy inona fanerena ataon’i Satana aminy. (Ohabolana 27:11). Rehefa nandalo fitsapana i Jesosy, dia nampiasa vavaka “nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be (...) [ary dia] voahaino [izy] noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. (Hebreo 5:7). Tamin’izany fomba izany no nanomezany voninahitra an’i Jehovah ho ilay Tompom-piandrianana marina sy manan-jo ara-dalàna eo amin’izao rehetra izao. Namaly soa an’i Jesosy Andriamanitra tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty ho amin’ny fiainana tsy mety maty any an-danitra. Eo amin’izany toerana ambony izany i Jesosy no manisy fiheverana ilay antony faharoa nahatongavany teto an-tany, izany hoe hampihavana ny olombelona mpanota nibebaka amin’Andriamanitra. — Hebreo 4:14-16.
Ny voninahitra lehibe kokoa an’ilay tempolin’Andriamanitra ara-panahy
18. Ahoana no nitondran’i Jehovah voninahitra miavaka ho an’ilay tempoliny ara-panahy?
18 “Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha”, hoy ny nolazain’i Jehovah mialoha. (Hagay 2:9). Tamin’ny fananganana an’i Jesosy ho Mpanjaka sy Mpisoronabe tsy mety maty, no nitondran’i Jehovah voninahitra miavaka ho an’ilay tempoliny ara-panahy. Ankehitriny i Jesosy dia tsara toerana mba hitondra “famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra [mankato, NW ] Azy”. (Hebreo 5:9). Ireo mpianatra 120 izay nahazo ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. no voalohany naneho izany fankatoavana izany. Nilaza mialoha ny bokin’ny Apokalypsy fa ireny zanak’Isiraely ara-panahy ireny amin’ny farany dia hiisa 144 000. (Apokalypsy 7:4). Taorian’ny nahafatesany, dia maro tamin’izy ireny no voatery natory tsy nahatsiaro tena tao amin’ny fasana iombonan’ny olombelona, niandry ilay fotoan’ny fanatrehan’i Jesosy nanana ny herin’ny mpanjaka. Ilay fandaharan-taona ara-paminaniana voarakitra ao amin’ny Daniela 4:10-17, 20-27 dia manondro ny 1914 ho ny fotoana anombohan’i Jesosy manapaka eo amin’ny fahavalony. (Salamo 110:2). Nandritra ny taona am-polony maro mialoha, dia niandry fatratra io taona io ireo Kristiana voahosotra. Ny ady lehibe voalohany sy ireo loza niaraka taminy nahazo ny olombelona dia nanome porofo fa nahazo fiandrianana ho Mpanjaka tokoa i Jesosy tamin’ny 1914. (Matio 24:3, 7, 8). Fotoana fohy taorian’izay, noho ny fahatongavan’ilay fotoana “hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra”, dia hanatanteraka ilay fampanantenana nataony tamin’ireo mpianany voahosotra izay natory tao amin’ny fahafatesana i Jesosy: “Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko”. — 1 Petera 4:17; Jaona 14:3.
19. Ahoana no hahafahan’ireo sisa amin’ny 144 000 hiditra ao amin’ilay Masina Indrindra any an-danitra?
19 Mbola tsy voaisy tombo-kase farany sy voangona ho any amin’ny fonenany any an-danitra avokoa akory ireo mpikambana 144 000 rehetra amin’ilay fisoronana masina. Misy sisa amin’izy ireo mbola velona eto an-tany ao amin’ilay toe-piainana ara-panahy nasehon’ny Masina, tafasaraka amin’ilay fanatrehana masin’Andriamanitra noho ilay “efitra lamba” na fefy, dia ny vatan’izy ireo ara-nofo. Rehefa maty amim-pahatokiana ireny olona ireny, dia atsangana avy hatrany ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty izy ireo mba hanatevin-daharana ireo anisan’ny 144 000 efa any an-danitra. — 1 Korintiana 15:51-53.
20. Asa iankinan’ny aina inona no ataon’ireo sisa amin’ilay fisoronana masina amin’izao fotoana izao, ary inona no vokany?
20 Nahazo voninahitra fanampiny ilay tempolin’Andriamanitra ara-panahy, tamin’ny fisian’ny mpisorona maro be aoka izany manompo miaraka amin’ilay Mpisoronabe any an-danitra. Mandra-pahatongan’izany, ireo sisa amin’ilay fisoronana masina dia manao asa sarobidy eto an-tany. Amin’ny alalan’ny fitorian’izy ireo, Andriamanitra dia ‘mampihorohoro ny firenena rehetra’ amin’ireo fanambarana ny didim-pitsarany, araka izay voalaza mialoha ao amin’ny Hagay 2:7. Amin’izay fotoana izay ihany, dia misy mpivavaka an-tapitrisany maro voalazalaza hoe “izay irin’ny firenena rehetra”, miangona ao anatin’ireo kianja eto an-tanin’ny tempolin’i Jehovah. Ahoana no hahatafidiran’ireo olona ireo ao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fanompoam-pivavahana, ary hoavy be voninahitra inona no azontsika ampoizina ho an’ilay tempoliny ara-panahy lehibe? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ohatra miavaka inona no navelan’i Jesosy tamin’ny 29 am.f.i.?
◻ Fandaharana inona no nanomboka niasa tamin’ny 29 am.f.i.?
◻ Inona no asehon’ny Masina sy ny Masina Indrindra?
◻ Ahoana no nahatonga ilay tempoly ara-panahy lehibe ho nomem-boninahitra?
[Sary, pejy 17]
Rehefa voahosotra tamin’ny fanahy masina i Jesosy tamin’ny 29 am.f.i., dia nanomboka niasa ilay tempolin’Andriamanitra ara-panahy lehibe