Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Fanampin’ny fananarana talohan’ny hiaingana
VONONA ny hiala tao amin’ilay efitrano ambony rihana ry Jesosy sy ny apostoliny. “Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo”, hoy izy nanohy ny teniny. Avy eo izy dia nanome izao fampiomanana lehibe izao: “Handroaka anareo hiala amin’ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy.”
Niharihary fa velom-panahiana lalina ireo apostoly tamin’izany fampiomanana izany. Na dia efa niteny aza i Jesosy teo aloha fa hankahala azy ireo izao tontolo izao, dia tsy niteny izy fa hovonoina izy ireo. “Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany izany”, hoy i Jesosy nanazava, “satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.” Nefa, tsara tokoa ny nampiomanana azy ireo mialoha tamin’izany fampahafantarana izany, talohan’ny hiaingany!
“Fa ankehitriny”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “mankany amin’Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?” Teo aloha kokoa, tamin’io takariva io, dia nanontanian’izy ireo izay halehany, nefa izao dia mihorohoro izy ireo noho izay nolazainy taminy hany ka hadinony ny nanontany misimisy kokoa momba izany, araka ny nolazain’i Jesosy hoe: “Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’alahelo ny fonareo.” Tsy noho izy nahafantatra fa hiatrika fanenjehana mahatsiravina sy hovonoina fotsiny no nahavonton’alahelo ireo apostoly, fa satria koa hilaozan’ny Tompony izy.
Koa nanazava i Jesosy hoe: “Mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra [mpanampy, MN ]; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.” Tsy afaka ny ho eo amin’ny toerana roa amin’ny fotoana iray ihany i Jesosy, nefa rehefa any an-danitra izy, dia afaka mandefa ny mpanampy, dia ny fanahy masin’Andriamanitra, ho amin’ireo mpanara-dia azy na aiza na aiza mety hisy azy ireo eto an-tany. Hahitan’izy ireo soa àry ny fandehanan’i Jesosy.
Ny fanahy masina, hoy i Jesosy, “dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana.” Ny fahotan’izao tontolo izao, ny tsy fanehoany finoana ny Zanak’Andriamanitra, dia haharihary. Ambonin’izany, ny porofo mampiaiky momba ny fahamarinan’i Jesosy dia haseho amin’ny fiakarany ho any amin’ny Ray. Ary ny tsy fahombiazan’i Satana sy ny izao tontolo izao ratsiny amin’ny fanaovana izay hivadihan’i Jesosy dia porofo mampiaiky fa notsaraina ny andrianan’izao tontolo izao.
“Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho,” hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “nefa tsy zakanareo ankehitriny.” Noho izany, dia nampanantena i Jesosy fa rehefa mandatsaka ny fanahy masina, izay hery miasan’Andriamanitra, izy, izany dia hitarika azy ireo hahatakatra izany zavatra izany mifanaraka amin’ny fahafahan’izy ireo mahataka-javatra.
Ny tena tsy azon’ireo apostoly dia ny hoe ho faty i Jesosy ary avy eo dia hiseho amin’izy ireo rehefa ho tafatsangana izy. Nifampanontany àry izy ireo hoe: “Inona izany nolazainy tamintsika hoe: ‘Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo’; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo, ary, ‘satria mankany amin’ny Ray Aho’?”
Takatr’i Jesosy fa ta hanontany azy izy ireo, ka nanazava izy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona [hitoloko, MN ] hianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary hianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.” Ny tolakandro nanaraka, rehefa novonoina i Jesosy, dia nifaly ireo mpitondra fivavahana teo amin’izao tontolo izao, nefa nalahelo kosa ireo mpianatra. Niova ho fifaliana anefa ny alahelon’izy ireo rehefa tafatsangana i Jesosy! Ary nitohy ny fifalian’izy ireo rehefa nanome hery azy ireo izy tamin’ny Pentekosta mba ho vavolombelony, tamin’ny fandrotsahana ny fanahy masin’Andriamanitra teo amin’izy ireo!
Niteny toy izao i Jesosy raha nampitaha ny toeran’ireo apostoly tamin’ny an’ny vehivavy iray mihetsi-jaza: “Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany.” Nefa toy ny rehefa latsaka ny zanany, dia tsy hotsaroany intsony ny fahoriany, hoy ny fanamarihan’i Jesosy: “Ary hianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho [rehefa hatsangana], dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.”
Hatramin’io fotoana io ny apostoly dia tsy nanao fangatahana tamin’ny anaran’i Jesosy mihitsy. Nefa niteny izy izao hoe: “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany. (. . .) Fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo dia efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray [solontenan’ny Ray, MN ] Aho. Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho ka tonga amin’izao tontolo izao; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ny Ray.”
Fampaherezana lehibe ho an’ny apostoliny ireo tenin’i Jesosy. “Izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Hianao”, hoy izy ireo.
“Mino va hianareo ankehitriny?” hoy i Jesosy nanontany. “Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho.” Na dia toa sarotra aza ny nino izany, dia nitranga izany raha tsy mbola nifarana akory ny alina!
“Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko”, hoy i Jesosy namarana ny teniny. “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” Naharesy izao tontolo izao i Jesosy tamin’ny fanatanterahana tamim-pahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia teo aza ny zavatra rehetra nandraman’i Satana sy izao tontolo izaony natao mba hanapahana ny tsy fivadihany. Jaona 16:1-33; 13:36.
▪ Fampiomanana inona nolazain’i Jesosy no nahavelom-panahiana ny apostoliny?
▪ Nahoana ny apostoly no tsy nanontany an’i Jesosy ny amin’izay halehany?
▪ Inona indrindra moa no tena tsy azon’ireo apostoly?
▪ Ahoana no nanoharan’i Jesosy ny toeran’ireo apostoly izay hiovan’ny alahelo ho fifaliana?
▪ Inona no nolazain’i Jesosy fa hataon’ireo apostoly tsy ho ela?
▪ Ahoana no naharesen’i Jesosy izao tontolo izao?