Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Vavaka famaranana tao amin’ny efitrano ambony
NOHETSEHIN’NY fitiavana lalina ireo apostoliny i Jesosy, ka nanomana azy ireo ho amin’ny fiaingany efa antomotra. Ankehitriny, rehefa avy nananatra sy nampahery azy ireo naharitra i Jesosy dia nanandrandra ny masony tany amin’ny lanitra ary nangataka toy izao tamin’ny Rainy: “Mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao, araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy.”
Endrey izany foto-kevitra mampihetsi-po nampidirin’i Jesosy — fiainana mandrakizay! Noho izy nomena “fahefana amin’ny nofo rehetra” dia afaka mizara soa avy amin’ny sorom-panavotany ho an’ny olombelona mety maty rehetra i Jesosy. Nefa, tsy manome “fiainana mandrakizay” afa-tsy ho an’ireo izay ankasitrahan’ny Ray ihany izy. Tamin’ny fiorenana tamin’io foto-kevitra ny amin’ny fiainana mandrakizay io, dia nanohy ny vavaka nataony toy izao i Jesosy:
“Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” Eny, miankina amin’ny fahazoana fahalalana an’Andriamanitra sy ny Zanany ny famonjena. Nefa mbola misy ilaina ankoatra ny hoe mahazo fahalalana mameno ny saina fotsiny.
Ny olona iray dia tsy maintsy mahalala azy ireo akaiky, amin’ny fampitomboana fisakaizana misy fifankahazoana aminy. Tsy maintsy mitovy hevitra amin’izy ireo ny olona iray, ary mijery zavatra araka ny fomba fijerin’izy ireo. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny olona iray dia tsy maintsy miezaka mafy mba hanahaka ny toetra tsy manan-tsahala ananan’izy ireo eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny hafa.
Nanaraka izany, dia nivavaka toy izao i Jesosy: “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” Tamin’ny fahavitana toy izany ny asa nanendrena azy hatreo, sy tamin’ny fatokiana ny fahombiazany amin’ny ho avy, dia nangataka izy hoe: “Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” Eny, izao izy dia mangataka ny haverina indray amin’ny voninahitra nananany tany an-danitra, amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty.
Hoy i Jesosy namintina ny filazana asa lehibe indrindra nataony tetỳ an-tany: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.” Nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah i Jesosy tamin’ny fanompoany ary nampiseho fanononana izany marina, nefa nanao betsaka noho ny fampiharihariana ny anaran’Andriamanitra tamin’ireo apostoliny izy. Nampitombo ny fahalalan’izy ireo an’i Jehovah sy ny fankasitrahany azy, ny maha-izy azy, ary ireo fikasany, koa izy.
Tamin’ny fanekena an’i Jehovah ho Lehibeny, izay eo ambany fahefany no anompoany, dia niaiky tamim-panetren-tena toy izao i Jesosy: “Ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka [nanjary, MN ] fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.”
Tamin’ny fanasiana fiavahana teo amin’ireo mpanara-dia azy sy ny sisa amin’ny taranak’olombelona, dia nivavaka toy izao i Jesosy nanaraka izany: “Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy (. . .) Raha mbola teo aminy Aho dia nitahiry azy (. . .); ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany”, izany hoe i Jodasy Iskariota. Tamin’izay fotoana izay indrindra i Jodasy dia teo am-panaovana ny asa ambany nataony hamadihana an’i Jesosy. Tsy fantatr’i Jodasy fa tamin’izany dia nanatanteraka ny Soratra masina izy.
“Halan’izao tontolo izao izy”, hoy i Jesosy nanohy ny vavaka nataony. “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy [ilay ratsy, fanamarihana ambany pejy]. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia teo amin’izao tontolo izao, ilay fitambaran’olona voalamina fehezin’i Satana, nefa tafasaraka ary tsy maintsy mitoetra ho tafasaraka mandrakariva aminy sy amin’ny faharatsiany izy ireo.
“Manamasìna azy amin’ny fahamarinana”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ny teninao no fahamarinana.” Eto dia antsoin’i Jesosy hoe “fahamarinana” ny Soratra hebreo ara-tsindrimandry, izay notononiny mandrakariva. Nefa izay nampianariny ny mpianany sy nosoratan’izy ireo tatỳ aoriana teo ambany tsindrimandry ka fantatra amin’ny hoe ny Soratra grika kristiana, dia “fahamarinana” toy izany koa. Izany fahamarinana izany dia afaka manamasina olona iray, manova tanteraka ny fiainany, ary mahatonga azy ho olona iray tafasaraka amin’izao tontolo izao.
Nivavaka izao i Jesosy ‘tsy ho azy ireo ihany, fa ho an’izay mino [azy] koa amin’ny teniny.’ Nivavaka àry i Jesosy ho an’ireo mpianany voahosotra sy ireo mpianatra hafa amin’ny ho avy, izay mbola hangonina hiditra ao amin’ny “andiany iray”. Inona no nangatahiny ho azy rehetra ireo? “Ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, (. . .) mba ho iray izy, tahaka ny mahiray antsika.”
Tsy olona iray ara-bakiteny akory i Jesosy sy ny Rainy, fa mifanaraka izy ireo amin’ny zavatra rehetra. Nivavaka i Jesosy mba hanana firaisan-tsaina toy izany ireo mpanara-dia azy mba “ho fantatr’izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.”
Ho an’ireo mpianany voahosotra dia nanao fangatahana tamin’ny Rainy any an-danitra izao i Jesosy. Inona? “Mba ho any amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”, izany dia fony Adama sy Eva notorontoronina ny taranany voalohany. Taloha elan’izany Andriamanitra dia efa tia ny Zanany lahitokana, izay tonga Jesosy Kristy.
Raha namarana ny vavaka nataony i Jesosy dia nanamafy toy izao indray: “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” Ho an’ireo apostoly, ny fahafantarana ny anaran’Andriamanitra dia nahafaoka ny nanjary nahalalany manokana ny fitiavan’Andriamanitra. Jaona 17:1-26; 10:16; Ohabolana 8:22, 30.
▪ Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no nomena “fahefana amin’ny nofo rehetra”?
▪ Midika inona ny hoe mahazo fahalalana an’Andriamanitra sy ny Zanany?
▪ Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’i Jesosy ny anaran’Andriamanitra?
▪ Inona moa ny “fahamarinana”, ary ahoana no ‘hanamasinany’ ny kristiana iray?
▪ Ahoana no maha-iray an’Andriamanitra, ny Zanany, ary ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana marina rehetra?
▪ Oviana no ‘ary ny fanorenan’izao tontolo izao’?