‘Tandremo, Fandrao Azon’ny Masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo’
FONY i Jesosy Kristy nilaza ireo teny ireo, maherin’ny taonjato 19 lasa izay, dia nampitandrina ny mpianany ny amin’ireo fampianarana sy fanao ara-pivavahana nanimba izy. (Matio 16:6, 12). Manisy famaritana manokana toy izao ny fitantarana ao amin’ny Marka 8:15: “Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.” Nahoana no voalaza i Heroda? Satria ny sasany tamin’ny Sadoseo dia Herodianina, antoko ara-politika iray.
Nahoana no tena nilaina ny fampitandremana manokana toy izany? Fa angaha moa tsy efa samy mpanohitra nivantana an’i Jesosy ny Fariseo sy ny Sadoseo? (Matio 16:21; Jaona 11:45-50). Eny, toy izany izy ireo. Kanefa ny sasany tamin’izy ireo dia hanaiky ny Kristianisma atỳ aoriana ary avy eo dia hanandrana hampanaiky ny heviny amin’ny kongregasiona kristiana. — Asan’ny Apostoly 15:5.
Teo koa ilay loza hoe mety hanahaka ireny filoha ara-pivavahana ireny ny tenan’ireo mpianatra izay nobeazina teo ambanin’ny fitaoman’izy ireny. Indraindray, ny fananana fotsiny fiaviana toy izany dia vato nisakana teo amin’ny fahazoan’izy ireo ny hevitry ny fampianaran’i Jesosy.
Inona no nahatonga ny fampianaran’ny Fariseo sy ny an’ny Sadoseo ho nampidi-doza toy izany? Ny fijerena ny toe-javatra ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy dia mahatonga antsika hahazo an-tsaina ny amin’izany.
Fisaratsarahana ara-pivavahana
Mahakasika ny fiaraha-monina jiosy nandritra ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Max Radin: “Tena nisy ny tsy fifampiankinan’ireo kongregasiona jiosy ary nohizingizinina mihitsy aza. (...) Matetika, rehefa nohantitranterina mafy dia mafy ny fanajana ara-pivavahana ny tempoly sy ny tanàna masina, dia nety ho nanehoana fanaratsiana fatratra ireo nihazona ny fahefana tampony teo amin’ilay tanindrazana tamin’izay.”
Toe-piainana ara-panahy nampalahelo tokoa izany! Inona avy ireo anton-javatra sasany nandray anjara tamin’izany? Tsy niaina tao Palestina avokoa akory ny Jiosy rehetra. Ny fitaoman’ny kolontsaina grika dia nandray anjara tamin’ny fanimbana ny fanajana ny fandaharan’i Jehovah momba ny fisoronana. Tao amin’io kolontsaina io, ireo mpisorona dia tsy mpitarika teo amin’ny fiaraha-monina. (Eksodosy 28:29; 40:12-15). Ary tsy tokony hodian-tsy hita koa ireo olon-tsotra sy mpanora-dalàna nahita fianarana.
Ny Fariseo
Ilay anarana hoe Fariseo, na Peru·shimʹ, dia azo inoana fa nidika hoe “ireo tafasaraka”. Ny Fariseo dia nihevi-tena ho mpanara-dia an’i Mosesy. Namorona ny fikambanany (hebreo: chavu·rahʹ) manokana izy ireo. Mba hekena ho mpikambana, ny olona iray dia tsy maintsy manao fanekena eo anatrehan’ny mpikambana telo hafa, fa hanaraka amin’ny fomba hentitra ny fahadiovana araka ny Levita sy hanalavitra ny fiarahana akaiky amin’ireo ʽam-ha·ʼaʹrets (ny daholobe tsy nahita fianarana) ary handoa amin’ny an-tsipiriany ny ampahafolon-karena. Miresaka ny amin’ny “mpanora-dalàna, izay isan’ny Fariseo” ny Marka 2:16. Ny sasany tamin’io antoko io dia mpanora-dalàna sy mpampianatra nanao izany ho fototr’asa, fa ny hafa kosa dia olon-tsotra. — Matio 23:1-7.
Nino ny Fariseo fa eny amin’ny toerana rehetra Andriamanitra. Nanjohy hevitra izy ireo hoe satria “eny rehetra eny Andriamanitra, dia azo notolorana fanompoam-pivavahana izy, ao anatin’ny Tempoly sy any ivelany, ary tsy amin’ny sorona ihany no ahazoana miantso azy. Noho izany dia nampirisihan’izy ireo ny fitomboan’ny synagoga ho toerana fanaovana fanompoam-pivavahana sy fianarana ary fivavahana, ka nasandrany ho toerana foibe sy lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona [ny synagoga] izay nifaninana tamin’ny Tempoly”. — Encyclopaedia Judaica.
Tsy naneho fankasitrahana ny tempolin’i Jehovah ny Fariseo. Hita izany tamin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena amin’ny tempoly, dia haningo-tena izy. Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy. Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ny zavatra rehetra izay eo amboniny.” — Matio 23:16-20.
Ahoana no nahatonga ny Fariseo hanjary hivaona toy izany teo amin’ny fanjohian-keviny? Inona no tsy noraharahain’izy ireo? Mariho izay nolazain’i Jesosy nanaraka izany: “Ary izay mianiana amin’ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’Izay mitoetra ao anatiny.” (Matio 23:21). Mahakasika io andininy io, dia nanao izao fanamarihana izao ilay manam-pahaizana atao hoe E. P. Sanders: “Masina ny tempoly tsy hoe satria fotsiny notolorana fanompoam-pivavahana tao ilay Andriamanitra masina, fa satria koa tao ny tenany.” (Judaism: Practice and Belief, 63 BCE — 66 CE). Ny naha-tao manokana an’i Jehovah anefa dia tsy nisy heviny firy ho an’ireo izay nieritreritra fa teny rehetra teny izy.
Nino ny amin’ny fikambanan’ny lahatra sy ny safidy malalaka koa ny Fariseo. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: “Ny zava-drehetra dia voalahatra mialoha, kanefa omena ny safidy malalaka”. Na dia izany aza, dia nino izy ireo fa i Adama sy i Eva dia voalahatra mialoha hanota, ary fa na dia ny ratra kely voadidy eo amin’ny rantsantanana aza dia voalahatra mialoha.
Nety ho nieritreritra ny amin’izany hevi-diso izany i Jesosy fony izy niresaka ny amin’ny fianjeran’ny tilikambo iray izay niteraka fahafatesan’olona 18. Nanontany toy izao izy: “Ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema [ireo niharan-doza]?” (Lioka 13:4). Toy ny maha-marina izany eo amin’ny ankamaroan’ireo voina, izany dia vokatry ny “fotoana sy ny fitrangan-javatra tsy hita mialoha”, fa tsy anjara araka ny nampianarin’ny Fariseo. (Mpitoriteny 9:11, NW ). Hitondra amin’ny fomba ahoana ireo didy ao amin’ny Soratra Masina ny olona nolazaina fa nanam-pahalalana toy izany?
Mpampiditra zava-baovao ara-pivavahana izy ireo
Nanizingizina ny Fariseo fa ireo didy ao amin’ny Soratra Masina dia tsy maintsy hazavain’ireo raby eo amin’ny taranaka tsirairay, mifanaraka amin’ireo hevitra farany. Araka izany, dia milaza ny Encyclopaedia Judaica fa izy ireo dia “tsy nahita fahasahiranana lehibe teo amin’ny fampifanarahana ireo fampianaran’ny Torah sy ireo hevitra farany nananany, na teo amin’ny fahitana fa ireo hevitra nananany dia voalaza an-kolaka tao amin’ireo tenin’ny Torah”.
Mahakasika ilay Andro Fanavotana isan-taona, ny hery nanao fanavotana ho an’ny ota dia nafindran’izy ireo hiala tamin’ny mpisoronabe ho amin’ilay andro mihitsy. (Levitikosy 16:30, 33). Tamin’ny fankalazana ny Paska, dia nohantitranterin’izy ireo bebe kokoa ny amin’ny fanaovana tsianjery ireo fianarana avy amin’ilay fitantarana ny Fifindrana Rodobe teo am-pandraisana divay sy matzo, fa tsy ny amin’ilay zanak’ondrin’ny Paska.
Tamin’ny farany dia nanjary nanam-pahefana be tao amin’ny tempoly ny Fariseo. Tamin’izay izy ireo dia nanorina ny fanaovana filaharana nitondrana rano avy tany amin’ny farihin’i Siloama sy nandrarahana azy io, nandritra ny Andro Firavoravoana Amin’ny Fanangonana, ary koa nikapohana ny alitara tamin’ny rantsan’ny hazomalahelo tamin’ny fifaranan’ilay andro firavoravoana, sy nanaovana vavaka isan’andro tsy tapaka, zavatra izay tsy nisy fiorenany tao amin’ny Lalàna.
“Zava-dehibe indrindra ireo fampidirana zava-baovao nataon’ny Fariseo mahakasika ny Sabata”, hoy ny The Jewish Encyclopedia. Ny vehivavy manambady dia nantenaina hiarahaba ny Sabata tamin’ny fampirehetana jiro. Raha nety ho toa nitarika ho amin’ny asa tsy ara-dalàna ny fanaovan-javatra sasany, dia nandrara izany ny Fariseo. Tonga hatramin’ny fameperana ireo fitsaboana narahina mihitsy aza izy ireo ary sosotra tamin’ireo fanasitranana nahagaga nataon’i Jesosy tamin’ny andro Sabata. (Matio 12:9-14; Jaona 5:1-16). Ireo mpampiditra zava-baovao ara-pivavahana ireo anefa dia tsy nianina tamin’ny fanorenana fandaharana vaovao ho fanandramana hamorona fefy, ho fiarovana ireo lalàna ao amin’ny Soratra Masina.
Fanafoanana
Nihambo ho nanana fahefana tsy hampanan-kery vetivety na hanafoana mihitsy lalàna tao amin’ny Soratra Masina ny Fariseo. Ny fanjohian-kevitr’izy ireo dia hita taratra ao amin’ny fotopoto-pitsipika lehibe iray ao amin’ny Talmoda manao hoe: “Aleo manongotra lalàna singany iray toy izay manadino ny Torah iray manontolo.” Ohatra iray ilay tsy fanohizana intsony ny Jobily noho ny antony hoe tsy hisy hampisambotra ny mahantra ny olona sao hamoy izay azony takina arakaraka ny anatonan’io vanim-potoana io. — Levitikosy toko faha-25.
Ohatra hafa momba izany ny fanafoanana ilay fitsarana vehivavy nahiahina ho nanitsakitsa-bady sy ny fanaovana izay tsy hampanan-kery vetivety ireo fomba fanesoran-keloka natao rehefa nisy vonoana olona tsy fantatra izay nanao azy. (Nomery 5:11-31; Deoteronomia 21:1-9). Ny fotoana fotsiny sisa no tsy ampy mba hanafoanan’ny Fariseo ilay fitakian’ny Soratra Masina hanome izay ilain’ny ray aman-drenin’ny tena mahantra. — Eksodosy 20:12; Matio 15:3-6.
Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.” (Lioka 12:1). Ny fampianaran’ny Fariseo miaraka amin’ireo fihetsiny tsy teokratika dia tsy isalasalana fa fihatsarambelatsihy — zavatra tsy tokony hoentina velively ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Na dia izany aza, ireo boky fakan-teny jiosy dia mampiseho ny Fariseo amin’ny fomba tsara kokoa noho ny ataony amin’ny Sadoseo. Aoka isika izao handinika io antokon’olona nitana kokoa ny fomban-drazana io.
Ny Sadoseo
Ilay anarana hoe Sadoseo dia mety ho nalaina avy tamin’ny hoe Zadoka, mpisoronabe tamin’ny andron’i Solomona. (1 Mpanjaka 2:35). Ny Sadoseo dia nahaforona antoko mpitana ny fomban-drazana izay nisolo tena ny tombontsoan’ny tempoly sy ny fisoronana. Tsy sahala amin’ny Fariseo izay nihambo ho nanam-pahefana noho ny fianarana sy ny fitiavam-pivavahana ny Sadoseo fa nampiorina kosa ny naha-anisan’ilay antoko azy tamin’ny tetirazana sy ny toerana tanana. Nanohitra ireo zava-baovao nampidirin’ny Fariseo izy ireo mandra-paharavan’ny tempoly tamin’ny taona 70 am.f.i.
Ho fanampin’ny fandavan’izy ireo ny lahatra, ny Sadoseo dia tsy nety nandray izay rehetra fampianarana tsy voalaza mazava tao amin’ny Pentateuque (ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly), na dia voalaza any an-toeran-kafa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra aza izany. Raha ny marina, izy ireo dia “nihevitra ho hatsaran-toetra ny fanaovana ady hevitra” ny amin’ireny raharaha ireny. (The Jewish Encyclopedia). Izany dia mampahatsiaro an’ilay tarehin-javatra nihaikan’izy ireo an’i Jesosy momba ny fitsanganan’ny maty.
Nampiasa fanoharana ny amin’ny vehivavy iray efa maty vady impito ny Sadoseo ka nanontany hoe: “Amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy moa ravehivavy?” Mazava ho azy fa nety ho afaka nanambady in-14 na in-21 ilay vehivavy maty vady tsy tena nisy notononin’izy ireo. Nanazava toy izao i Jesosy: “Amin’ny fitsanganan’ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina”. — Matio 22:23-30.
Noho i Jesosy nahafantatra ny fandavan’ny Sadoseo an’ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry ankoatra an’i Mosesy, dia noporofoiny ny heviny tamin’ny fakana teny avy amin’ny Pentateuque. Hoy izy: “Ny amin’ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ny bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona”. — Marka 12:26, 27.
Mpanenjika an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy
Ny Sadoseo dia nino ny amin’ny fampiasana fahaiza-mitantan-draharaham-panjakana rehefa nifampiraharaha tamin’ireo firenen-kafa, fa tsy niandry ny Mesia — raha ninoan’izy ireo akory aza ny fiaviany. Tao amin’ny fifanekena iray nifanaovany tamin’i Roma, dia tokony hampandeha ny asa tao amin’ny tempoly ny Sadoseo ary tsy naniry ny hisehoan’ny Mesia iray hanelingelina ny raharaha izy ireo. Noho ny fiheverany an’i Jesosy ho fandrahonana ny toerany, dia nikambana tamin’ny Fariseo izy ireo mba hitetika ny amin’ny fahafatesan’i Jesosy. — Matio 26:59-66; Jaona 11:45-50
Noho izy ireo nanana fironana ara-politika, dia ara-dalàna ny nanaovan’ny Sadoseo ny tsy fivadihana tamin’i Roma ho raharaha niadian-kevitra ka niantsoantso toy izao izy ireo: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” (Jaona 19:6, 12-15). Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia ny Sadoseo no nitarika teo amin’ny fanandramana hampitsahatra ny fielezan’ny Kristianisma. (Asan’ny Apostoly 4:1-23; 5:17-42; 9:14). Nitsahatra tsy nisy intsony io antokon’olona io taorian’ny faharavan’ny tempoly tamin’ny taona 70 am.f.i.
Ny ilana itandremana hatrany
Hita ho mifanentana toy inona moa ny fampitandreman’i Jesosy! Eny, ilaintsika ny ‘mitandrina, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo’. Mandinika fotsiny ny tena dia mahita ny vokatra ratsin’izany eo amin’ny vahoaka jiosy sy eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao.
Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa fa ireo loholona kristiana mahafeno fepetra ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 75 500 maneran-tany, dia ‘mitandrina ny tenany sy ny fampianarany’. (1 Timoty 4:16). Manaiky ny Baiboly manontolo ho avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy ireo. (2 Timoty 3:16). Tsy tia mampiditra zava-baovao na mampandroso ny fomba fanaovan-javatra ara-pivavahana an’ny tenany manokana izy ireo, fa miasa amim-piraisan-tsaina kosa eo ambanin’ny fitarihan’ilay fandaminana miorina amin’ny Baiboly izay mampiasa itỳ gazety itỳ ho fitaovana lehibe indrindra ampianarany. — Matio 24:45-47, NW.
Inona no vokatr’izany? Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no asandratra ara-panahy arakaraka ny ahatongavan’izy ireo amin’ny fahatakarana ny Baiboly sy ampiharany azy io eo amin’ny fiainany ary ampianarany azy amin’ny hafa. Mba hahitana ny fomba anatontosana izany, nahoana raha mitsidika ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anao indrindra na manoratra any amin’ireo mpamoaka itỳ gazety itỳ?
[Efajoro, pejy 26]
NIHEVITRA NY MPIHAINO AZY I JESOSY
NAMPIANATRA tamin’ny fomba nazava sy nanisy fiheverana ny hevitr’ireo mpihaino azy i Jesosy Kristy. Nanao izany izy, ohatra, fony izy niresaka ny amin’ny ‘fahaterahana’ indray tamin’ilay Fariseo atao hoe Nikodemosy. Nanontany toy izao i Nikodemosy: “Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?” (Jaona 3:1-5). Nahoana no niasa saina aoka izany i Nikodemosy, kanefa ny Fariseo dia nino fa nilaina ny fahaterahana indray ho an’ireo niova ho amin’ny Jodaisma, ary nisy fitenenana avy tamin’ireo raby nampitovy ny proselyta tamin’ny “zaza vao teraka”?
Manolotra izao fahatakarana hevi-dalina izao ny A Commentary on the New Testament From the Talmud and Hebraica, nataon’i John Lightfoot: “Ny fiheverana nahazatra ny Jiosy mahakasika ny fepetra mba haha-Isiraelita (...) dia mbola niraikitra tao an-tsain’io Fariseo io” izay tsy afaka “nanaisotra mora foana ny fitsarana an-tendrony nananany tany am-boalohany (...): ‘Koa satria ny Isiraelita (...) manana zo horaisina ao anatin’ilay fanjakan’ny Mesia, tianao holazaina amin’io teninao io ve, noho izany, fa ilaina na ho an’iza na ho an’iza ny hidirana fanindroany ao an-kibon-dreniny, mba hahatongavany ho Isiraelita indray?’ ” — Ampitahao amin’ny Matio 3:9.
Na dia nanaiky ny fahaterahana indray ho an’ny proselyta aza i Nikodemosy, dia nihevitra izany fanaovan-javatra izany ho tsy azo natao izy ho an’ny Jiosy iray araka ny nofo — ny fidirana indray ao an-kibo, raha azo atao ny milaza izany.
Tamin’ny tarehin-javatra hafa iray, dia maro no tafintohina rehefa niresaka ny amin’ny ‘fihinanana ny nofony sy ny fisotroana ny rany’ i Jesosy. (Jaona 6:48-55). Nanazava anefa i Lightfoot fa “tena nahazatra tany amin’ireo sekolin’ny Jiosy ny fitenenana hoe ‘fihinanana sy fisotroana’ amin’ny heviny ara-panoharana”. Nomarihiny koa fa ny Talmoda dia manonona ny hoe “fihinanana ny Mesia”.
Koa nisy heriny tanteraka teo amin’ny fisainana jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny fiheveran’ny Fariseo sy ny Sadoseo. Tamin’ny fomba nifanentana anefa, dia nanisy fiheverana mandrakariva ny fahalalana sy ny fanandraman-javatra hitan’ireo mpihaino azy i Jesosy. Izany dia iray amin’ireo anton-javatra maro izay nahatonga azy ho Mpampianatra Lehibe.