Iza no Manaraka ny Fahazavan’izao Tontolo Izao?
‘Mamirapiratra amin’ny maha-mpanazava eo amin’izao tontolo izao ianareo’. — FILIPIANA 2:15, NW.
1. Inona no lazain’ny Baiboly mikasika ireo fahazavana sandoka?
MAMPAHAFANTATRA mazava tsara an’i Jesosy ho “fahazavana lehibe”, ho “fahazavan’izao tontolo izao” ny Baiboly. (Isaia 9:2, NW [9:1, MG ]; Jaona 8:12). Na dia izany aza, dia vitsy ihany no nanaraka azy fony izy teto an-tany. Ny ankamaroan’ny olona dia nifidy ny hanaraka fahazavana sandoka izay, raha ny tena izy, dia mpitondra fahamaizinana. Hoy ny Tenin’Andriamanitra mikasika azy ireo: “Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.” — 2 Korintiana 11:13-15.
2. Inona no nolazain’i Jesosy fa fototry ny fanamelohana ny olona?
2 Araka izany, dia tsy ny olona rehetra akory no maniry ilay fahazavana, na dia mahatalanjona aoka izany aza izy io. Hoy i Jesosy: “Ary izao no [fototry ny, NW ] fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny [fahazavana, NW ], nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.” — Jaona 3:19, 20.
Ireo tia ny haizina
3, 4. Ahoana no nampisehoan’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy fa tsy naniry hanaraka ny fahazavana izy ireo?
3 Diniho ny naha-marina izany fony i Jesosy teto an-tany. Nomen’Andriamanitra hery hanao fahagagana nampientana maro i Jesosy mba hanaporofoana fa izy no Mesia. Tamin’ny andro sabata iray, ohatra, dia nampahiratra ny mason’ny lehilahy iray teraka jamba izy. Asa fanehoam-pamindram-po mahatalanjona re izany! Velom-pankasitrahana toy inona moa ilay lehilahy! Sambany izy izao vao afaka nahita! Nanao ahoana anefa ny fihetsik’ireo filoha ara-pivavahana? Mitantara toy izao ny Jaona 9:16: “Ary hoy ny Fariseo sasany [momba an’i Jesosy]: Tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy.” Endre izany haratsian’ny fon’izy ireo! Indro, nisy fanasitranana mahagaga natao, nefa toy izay haneho hafaliana noho ny amin’ilay lehilahy jamba taloha, sy haneho fankasitrahana an’ilay mpanasitrana, dia nanameloka an’i Jesosy indray izy ireo! Tamin’ny fanaovana izany, izy ireo dia tsy isalasana fa nanota tamin’ny fisehoan’ny fanahy masin’Andriamanitra, izay fahotana tsy ahazoana famelan-keloka. — Matio 12:31, 32.
4 Tatỳ aoriana, rehefa nanadina an’ilay lehilahy jamba taloha ny amin’i Jesosy ireo mpihatsaravelatsihy ireo, dia hoy ilay lehilahy: “Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba. Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany [Jesosy], dia tsy mahefa na inona na inona Izy.” Ahoana no fandraisan’ireo filoha ara-pivavahana izany? “Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.” Tsy fahampiam-pangoraham-po re izany! Fo vato no tao anatin’izy ireo. Koa nilaza taminy àry i Jesosy fa, na dia afaka nahita tamin’ny masony ara-batana aza izy ireo, dia jamba ara-panahy. — Jaona 9:30-41.
5, 6. Inona no nataon’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny taonjato voalohany izay nampiseho ny fitiavany ny haizina?
5 Ny nanotan’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana ireo tamin’ny fanahin’Andriamanitra dia hita mora foana tamin’ny toe-javatra hafa iray, rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy. Noho io fahagagana io, dia maro tamin’ny sarambabem-bahoaka no nino an’i Jesosy. Mariho anefa izay nataon’ireo filoha ara-pivavahana: “Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.” (Jaona 11:47, 48). Nanahy ny amin’ny toerany sy ny fahefany izy ireo. Na toy inona na toy inona vidiny, dia naniry hahazo sitraka tamin’ny Romana izy ireo, fa tsy tamin’Andriamanitra. Koa inona àry no nataony? “Koa hatramin’izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.” — Jaona 11:53.
6 Izany fotsiny ve? Tsia. Izay nataon’izy ireo nanaraka izany dia mampiseho ny fitiavan’izy ireo aoka izany ny haizina: “Fa nihendry hahafaty an’i Lazarosy koa ny lohan’ny mpisorona, satria izy no nialan’ny maro tamin’ny Jiosy ka ninoany an’i Jesosy.” (Jaona 12:10, 11). Tsy mampino izany raha haratsiam-panahy! Na dia nanao izany rehetra izany mba hiarovana ny toerany aza izy ireo, inona moa no nitranga? Nandritra io taranaka io ihany izy ireo dia nikomy tamin’ny Romana izay tonga namely azy tamin’ny 70 am.f.i., ary naka ny toerany sy ny fireneny mbamin’ny ainy koa! — Isaia 5:20; Lioka 19:41-44.
Ny fangoraham-pon’i Jesosy
7. Nahoana ireo tia ny fahamarinana no nirohotra nankany amin’i Jesosy?
7 Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia tsy ny rehetra akory no maniry fahazavana ara-panahy. Ireo izay tia ny fahamarinana kosa anefa dia tena maniry ny ho tonga ao amin’ny fahazavana. Maniry an’Andriamanitra ho Tompom-piandrianana eo aminy izy ireo ary mitodika amim-panantenana any amin’i Jesosy, ilay nirahin’Andriamanitra mba hanazava ny atao hoe fahazavana, sady manaraka azy. Izany no nataon’ny olona nanetry tena fony i Jesosy teto an-tany. Nirohotra nankany aminy izy ireo. Voatery niaiky ny amin’izany na dia ireo Fariseo aza. Nitaraina toy izao izy ireo: “Efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.” (Jaona 12:19). Tia an’i Jesosy ireo olona toy ny ondry satria tsy nitovy tanteraka tamin’ireo filoha ara-pivavahana tia tena sy niavonavona ary matimatim-pahefana izy. Hoy i Jesosy momba azy ireo: “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza. Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona”. — Matio 23:4, 5.
8. Nifanohitra tamin’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana, nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy?
8 Mifanohitra amin’izany, dia mariho ny fihetsika feno fangoraham-po nananan’i Jesosy: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36). Ary inona no nataony momba izany? Hoy izy tamin’ireo izay nambakain’ny fandehan-javatr’i Satana: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30). Nanao izay nolazaina mialoha momba azy ao amin’ny Isaia 61:1, 2, i Jesosy. Izao no vakina ao: “Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava, hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra”.
Fanangonana ireo mpitondra fahazavana
9. Fisehoan-javatra lehibe inona avy no nitranga tamin’ny 1914?
9 Taorian’ny niakarany tany an-danitra, dia tsy maintsy niandry i Jesosy mandra-pahatongan’ilay fotoana anomezan’Andriamanitra azy ny fahefan’ilay Fanjakana. Amin’izay izy dia hanavaka ny “ondry” amin’ny “osy”. (Matio 25:31-33; Salamo 110:1, 2). Tonga izany fotoana izany rehefa nanomboka tamin’ny 1914 ny “andro farany”. (2 Timoty 3:1-5). I Jesosy izay nomena fahefana amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia nanomboka nanangona teo an-kavanany milaza fankasitrahana, ireo izay naniry hanaraka ny fahazavana. Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, io asa fanangonana io dia nandroso tamin-kery nitombo hatrany.
10. Fanontaniana inona no azo atao mikasika ireo izay ampiasain’i Jesosy eo amin’ilay asa fanangonana?
10 Teo ambany fitarihan’i Kristy Jesosy, dia novalian-tsoa tamin’ny fahombiazana lehibe ilay asa fanangonana. Na oviana na oviana teo amin’ny tantara, dia mbola tsy nisy olona maro be toy izao, avy amin’ny firenena maro samy hafa, tafaraka ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina nahazo fahazavana. Iza moa amin’izao andro izao ireo izay manaraka ny fahazavana avy amin’Andriamanitra sy i Kristy? Iza moa no manao izay lazain’ny Filipiana 2:15 (NW ), hoe ‘mamirapiratra amin’ny maha-mpanazava eo amin’izao tontolo izao’, sady manasa ny hafa ‘ho avy ary hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina’? — Apokalypsy 22:17.
11. Inona no toerana tanan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mifandray amin’ny fahazavana ara-panahy?
11 Manao izany ve ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Azo antoka fa tsy mamirapiratra toy ny mpanazava iray ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana miaraka amin’ireo fivavahany misaratsaraka. Raha ny marina, dia mitovy amin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy ny klerjy. Tsy manome taratry ny fahazavana marina avy amin’Andriamanitra sy i Kristy izy ireo. Telo amby telopolo taona lasa izay, dia hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety hoe Theology Today: “Mampalahelo fa tsy maintsy ekena ny tsy famirapiratan’io fahazavana io amin’ny fomba mazava tsara ao amin’ny Fiangonana. (...) Ny Fiangonana dia nirona hanjary hihahitovy tamin’ireo fitambaran’olona nanodidina azy. Tsy fahazavan’izao tontolo izao ny Fiangonana fa taratr’ireo fahazavana mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao kosa.” Ary mbola ratsy kokoa aza ny toerana misy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao. Ilay lazaina hoe fahazavana izay tarafiny avy amin’izao tontolo izao, dia fahamaizinana raha ny marina, satria izany ihany no azon’i Satana sy ny tontolony atolotra. Tsia, tsy misy fahazavan’ny fahamarinana avy amin’ireo finoana izay mifanohitra sy tena araka an’izao tontolo izao tanteraka ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
12. Iza no mahaforona ny fandaminan’ireo tena mpitondra fahazavana marina amin’izao andro izao?
12 Azo lazaina amim-patokiana fa ny fikambanan’ny tontolo vaovao misy ny Vavolombelon’i Jehovah no tena fandaminana mitondra ny fahazavana amin’izao andro izao. Amin’ny fomba feno firaisan-tsaina tanteraka, ny mpikambana rehetra ao aminy — na lehilahy, na vehivavy na tanora — dia samy mampamirapiratra ny fahazavany avy amin’i Jehovah sy i Kristy eo anoloan’ny olombelona rehetra. Tamin’ny taon-dasa, tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah efa ho 70 000 maneran-tany, dia mpitondra fahazavana mahery lavitra ny efatra tapitrisa no nilaza tamim-paharisihana tamin’ny hafa ny amin’Andriamanitra sy ny fikasany. Ary isan-taona izao, dia mahita fanangonana goavana sy mitohy an’ireo olona maniry koa ny hahazo fahazavana ara-panahy, isika. Olona ana hetsiny maro no atao batisa, rehefa avy nianatra ny Baiboly ka tonga amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana. Marina tokoa fa Andriamanitra dia “tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. — 1 Timoty 2:4.
13. Amin’inona no azontsika ampitahana ilay fahazavana avy amin’i Jehovah?
13 Mety ho azontsika ampitahaina amin’izay nitranga tamin’ny nandaozan’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny an’i Egypta, ny fahazoana fahazavana avy amin’i Jehovah amin’izao fotoana izao: “Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha antoandro hitari-dàlana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman-alina.” (Eksodosy 13:21, 22). Ilay andry rahona tamin’ny andro sy ilay andry afo tamin’ny alina dia mpitarika azo nitokiana avy tamin’Andriamanitra. Azo nitokiana toy ny masoandro izay noforonin’Andriamanitra mba hanomezana antsika ireo ora misy fahazavan’ny andro, izy ireny. Afaka mahazo antoka toy izany koa àry isika fa afaka miantehitra amin’i Jehovah isika mba hanazavany ara-panahy ny lalan’ireo mitady ny fahamarinana amin’izao andro farany sady ratsy izao. Manome toky antsika toy izao ny Ohabolana 4:18: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.”
Fanomezana taratry ny fahazavan’ilay Fanjakana
14. Inona no tokony ho fikasana fototr’ireo mpitondra fahazavana?
14 Raha mbola i Jehovah koa no Loharanon’ny fahazavana, ary i Kristy no Mpanome taratr’izany fahazavana izany Lehibe Indrindra, dia tsy maintsy manome taratr’izy io koa ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Hoy izy momba azy ireo: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. (...) Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:14, 16). Inona no loha hevitra fototr’io fahazavana tokony hampamirapiratin’ny mpanara-dia azy eo anoloan’ny taranak’olombelona io? Inona no tokony hampianarin’izy ireo amin’izao fotoam-pifaranan’ny tantaran’ity tontolo ity izao? Tsy nilaza akory Jesosy fa ny mpanara-dia azy dia hitory momba ny demokrasia, na ny fitondrana jadona, na ny fampiraisana ny Fiangonana sy ny Fanjakana, na izay mety ho firehan-kevitr’izao tontolo izao hafa. Nilaza mialoha kosa izy ao amin’ny Matio 24:14 fa, na dia eo anoloan’ny fanoherana maneran-tany aza, dia “hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ny, NW ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany”. Noho izany, ireo mpitondra fahazavana amin’izao andro izao dia miresaka amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hamarana ny tontolon’i Satana ary hampiditra ilay tontolo vaovao sy marina. — 1 Petera 2:9.
15. Aiza no hitodika ireo izay maniry ny fahazavana?
15 Ireo izay tia ny fahazavana, dia tsy ho voavilin’ireo fihamboana sy zava-kendren’izao tontolo izao. Ireo fihamboana sy zava-kendrena rehetra ireo dia hanjavona tanteraka rehefa afaka kelikely, satria efa mihamanatona ny fiafarany ity tontolo ity. Ireo tia ny fahamarinana kosa dia haniry hitodika any amin’ilay vaovao tsara entin’ireo mampamirapiratra ny fahazavan’ny Fanjakan’Andriamanitra hatrany amin’ny vazan-tany efatra. Tsy iza akory izy ireo fa ireo voalaza mialoha ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10, izay manao hoe: “Hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana [an’Andriamanitra] sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry [Kristy] (...) Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.” Hoy ny andininy faha-14: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe”. Eny, ho tafita velona amin’ny faran’ity tontolo ity izy ireo mba hiditra ao amin’ilay tontolo vaovao tsy hanam-pahataperana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ilay tontolo vaovao mahazo fahazavana
16. Inona no hitranga amin’ny tontolon’i Satana amin’ny fahoriana lehibe?
16 Ho rakotry ny fahazavan’ny fahamarinana mazava manjopiaka ilay tontolo vaovao. Hevero ny amin’izay ho fitrangan-javatra ny ampitson’ny hamaranan’Andriamanitra ity fandehan-javatra ity. I Satana, ireo demonia, ny fandehan-javany ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahana dia tsy hisy intsony izy rehetra ireo! Tsy hisy intsony koa ny fandaharam-pampielezan-kevitra manontolon’i Satana. Araka izany, aorian’ny fahoriana lehibe, dia tsy hisy hanonta intsony mihitsy na dia iray aza amin’ireo gazety, gazetiboky, boky, bokikely na trakitra manohana ity tontolo ratsy ity. Tsy hisy hery mitaona manimba intsony haelin’ny televiziona na ny radio eo amin’izao tontolo izao. Ny rivo-piainana misy poizina manontolon’ny tontolon’i Satana dia hampanjavonina tanteraka amin’ny alalan’ny famelezana mahery vaika iray! — Matio 24:21; Apokalypsy 7:14; 16:14-16; 19:11-21.
17, 18. Ahoana no ilazalazanao ny rivo-piainana ara-panahy hisy aorian’ny faran’ny tontolon’i Satana?
17 Ho toy inona moa ny fanamaivanana amin’izay! Manomboka amin’izany andro izany, dia ny fahazavana ara-panahy izay mahasoa sy mampahery avy amin’i Jehovah sy ny Fanjakany ihany no hampihatra fitaomana eo amin’ny olombelona. Milaza izany mialoha toy izao ny Isaia 54:13: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” Rehefa hanapaka eo amin’ny tany manontolo ny fanapahan’Andriamanitra, ny fampanantenany, araka ny Isaia 26:9, dia ny hoe ‘hianatra ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao’.
18 Vetivety monja dia hiova ho amin’ny tsara ny rivo-piainana ara-tsaina sy ara-panahy manontolo. Zavatra mampahery no hanjaka, fa tsy ireo zavatra mahaketraka sy maloto eo amin’ny ara-pitondran-tena izay miely aoka izany ankehitriny. Ny rehetra ho velona amin’izay dia hampianarina ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Amin’ny heviny feno indrindra, dia ho tanteraka ny faminanian’ny Isaia 11:9, izay manambara hoe: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”
Ilaina maika dia maika ny fanarahana ilay fahazavana
19, 20. Nahoana ireo izay maniry hanaraka ny fahazavana no mila mitoetra ho mailo hatrany?
19 Izao, ao anatin’ireo taona farany amin’ity fandehan-javatra ratsy ity izao, dia ilaina maika dia maika ny hanarahana ilay fahazavan’izao tontolo izao. Ary mila ny ho mailo isika, satria misy ady mafy iray atao amintsika mba hanakanana antsika tsy handeha ao amin’ny fahazavana. Io fanoherana io dia avy amin’ireo herin’ny haizina — avy amin’i Satana sy ireo demoniany ary ny fandaminany eto an-tany. Izany no antony ampitandreman’ny apostoly Petera hoe: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. — 1 Petera 5:8.
20 I Satana dia hametraka ny fanakantsakanana rehetra eo amin’ny lalan’ireo izay manomboka mifandray amin’ilay fahazavana, satria maniry ny hanohizan’izy ireo handeha ao amin’ny haizina izy. Mety ho fanerena avy amin’ireo havana na namana taloha izay manohitra ny fahamarinana izany. Mety ho fisalasalana momba ny Baiboly izany, noho ny tena nohajambain’ireo fampianaran’ny fivavahan-diso na ny fampielezan-kevitr’ireo tsy mino an’Andriamanitra sy ireo misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra, izay samy tsy manam-pinoana. Mety ho ireo fironana hanota ao amin’ny tena manokana no maha-sarotra ny hiainana mifanaraka amin’ireo zavatra takin’Andriamanitra.
21. Inona no tokony hataon’izay rehetra maniry hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
21 Na inona na inona mety ho fanakantsakanana, moa ve ianao tena maniry hahazo fiainana ao amin’ny tontolo iray afaka amin’ny fahantrana, ny heloka bevava, ny tsy rariny ary ny ady? Moa ve ianao maniry hanana fahasalamana tonga lafatra sy fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa? Raha izany no izy, dia ekeo sy araho i Jesosy amin’ny maha-fahazavan’izao tontolo izao azy, ary henoy ny hafatra entin’ireo mifikitra mafy amin’ny “tenin’ny fiainana” sy ‘mamirapiratra amin’ny maha-mpanazava eo amin’izao tontolo izao’ azy. — Filipiana 2:15, 16, NW.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no nampisehoan’ireo filoha ara-pivavahana fa tia ny haizina izy ireo?
◻ Fihetsika inona no nananan’i Jesosy tamin’ny olona?
◻ Ahoana no fandehan’ny fanangonana ireo mpitondra fahazavana?
◻ Fiovana lehibe inona avy no hitranga tsy ho ela?
◻ Nahoana no ilaina maika dia maika amin’izao andro izao ny fanarahana ilay fahazavan’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 14, 15]
Ireo Fariseo mafy fo dia nandroaka ilay lehilahy izay nampahiratin’i Jesosy ny masony