Sekema Ilay Tanàna ao An-dohasaha
ANY afovoan’ilay tany nofidin’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, mihaminkamina eo anelanelan’ny Tendrombohitra Ebala sy ny Tendrombohitra Gerizima, no misy ny tanànan’i Sekema. Teto — efa ho efatra arivo taona lasa izay — no nampanantenan’i Jehovah an’i Abrahama hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity”. — Genesisy 12:6, 7.
Ho fahatanterahan’io fampanantenana io, dia nitoby tao Sekema i Jakoba zafikelin’i Abrahama, ary nanorina alitara iray izay nantsoiny hoe “Andriamanitra, Andriamanitr’Isiraely”. Azo inoana fa nandavaka lava-drano iray tao amin’io faritra io i Jakoba, mba hanomezana rano ny fianakaviany sy ny andiam-bibiny, dia lava-drano izay fantatra ho “fantsakan’i Jakoba”, taonjato maro atỳ aoriana. — Genesisy 33:18-20, fanamarihana ambany pejy; Jaona 4:5, 6, 12.
Kanefa, tsy ary nampiseho zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana marina avokoa akory, ny mpianakavin’i Jakoba rehetra. I Dina, zanany vavy, dia nitady namana teo anivon’ireo zazavavy kananita tao Sekema. Nandao ny trano lain’ny fianakaviany izay nahitana fiarovana i Dina, izay mbola tanora tamin’izay, ka nanomboka nitsidika ilay tanàna teo akaiky, ary nahazo namana tao.
Ahoana no fijerin’ireo zatovolahy tao amin’ilay tanàna an’io virjiny tanora izay nitsidika tsy tapaka ny tanànan’izy ireo io — niharihary fa tsy nisy mpanaraka? ‘Nahita azy, dia naka azy ary nandry taminy ka nampietry azy’ ny zanakalahin’ny andriana iray. Nahoana i Dina no nisetra loza tamin’ny fifaneraserana tamin’ireo Kananita naloto fitondran-tena? Moa ve satria nihevitra izy fa nila ny fiarahana tamin’ny ankizivavy nitovy taona taminy? Moa ve izy mafy loha sady tsy tia fiankinana sahala amin’ireo anadahiny sasany? Vakio ny fitantarana ao amin’ny Genesisy, ary miezaha hahatakatra ny fahorian-tsaina sy ny henatra tsy maintsy ho tsapan’i Jakoba sy i Lea noho ny vokatra nahatsiravina nateraky ny fitsidihan’ny zanany vavy tany Sekema. — Genesisy 34:1-31; 49:5-7; jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1985, pejy 31.
Efa ho 300 taona tatỳ aoriana, dia niharihary indray ny vokatry ny tsy firaharahana ireo toro lalana teokratika. Tao Sekema, i Josoa dia nandamina ny iray tamin’ireo fivoriambe niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita. Alao sary an-tsaina ny fisehoan-javatra tao amin’ilay lohasaha. Nisy vahoaka maherin’ny iray tapitrisa — lehilahy, vehivavy, sy ankizy — anisan’ny foko enin’ny Isiraely, nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima. Teo ampitan’ilay lohasaha, dia nisy olona tokony ho nitovy isa tamin’io ihany, avy tamin’ny foko enina hafa, nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala.a Ary terỳ ambany, nifanila tamin’ny fiaran’ny fanekena ary teo anelanelan’ireo vondrona roa tamin’ny Isiraelita, no nijoroan’ny mpisorona sy i Josoa. Fisehoan-javatra re izany! — Josoa 8:30-33.
Nijoalajoala teo ambonin’io vahoaka sesehena io ireo tendrombohitra roa ary nahitana fifanoheran-javatra nanaitra teo amin’ny hakanto sy ny hangazana. Maitso sady lonaka ireo kisolosolo ambony tamin’i Gerizima, fa matro-bolo sady ngazana kosa tamin’ny ankapobeny ny an’i Ebala. Tsapanao ve ny fahataitairana nisy teo amin’ny Isiraelita teo am-piandrasana ny fotoana hitenenan’i Josoa? Nanako ny feo rehetra tao amin’io sehatra voajanahary io.
Nandritra ny adiny efatra ka hatramin’ny adiny enina namakian’i Josoa ‘ny bokin’ny lalàn’i Mosesy’, dia nandray anjara koa ilay vahoaka. (Josoa 8:34, 35). Toa nilaza hoe Amena! ny Isiraelita izay teo anoloan’i Gerizima taorian’ny fitahiana tsirairay, fa nanantitrantitra ny ozona tsirairay kosa ny Amena! nolazain’ireo izay teo anoloan’i Ebala. Angamba nampahatsiahy an’ilay vahoaka ny amin’ny vokatra mahatsiravina ateraky ny tsy fankatoavana ny hangazan’ny Tendrombohitra Ebala.
“Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny”, hoy i Josoa mampitandrina. Dia miara-miredona hoe: “Amena” ny feo maherin’ny iray tapitrisa. Miandry ny hanginan’io valin-teny mitalakotrokotroka io i Josoa vao manohy miteny hoe: “Hozonina izay mamindra ny faritanin’ny namany.” Dia mbola miantsoantso indray hoe: “Amena” ny foko enina miaraka amin’ny vahiny maro. (Deoteronomia 27:16, 17). Raha teo ianao, ho nohadinoinao ve io fivoriana natao teo anelanelan’ny tendrombohitra io? Tsy ho voasoritra tsy azo nokosehina tao an-tsainao ve ny ilana ny hankatoavana?
Tsy ela talohan’ny hahafatesany, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia mbola novori̇̀n’i Josoa tao Sekema indray ilay firenena mba hanamafisan’izy ireo ilay fahatapahan-keviny. Napetrany teo anoloan’izy ireo ny safidy tsy maintsy nataon’ny tsirairay. ‘Fidionareo anio izay hotompoinareo’, hoy izy. “Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” (Josoa 24:1, 15). Niharihary fa namela soritra lalina ireny fivoriambe nandrisika ny finoana, natao tany Sekema, ireny. An-taonany maro taorian’ny nahafatesan’i Josoa, dia nanahaka ny oha-pahatokiana navelany ny Isiraelita. — Josoa 24:31.
Taonjato 15 teo ho eo tatỳ aoriana, fony niala sasatra teo amin’ny alokaloky ny Tendrombohitra Gerizima i Jesosy, dia nitranga ny resadresaka iray nanafana ny fo. Reraka noho ny dia lavitra nataony i Jesosy, ka nipetraka teo anilan’ny fantsakan’i Jakoba rehefa nanatona ny vehivavy samaritana iray nitondra siny. Faran’izay gaga ilay vehivavy rehefa nangataka rano hosotroina taminy i Jesosy, satria tsy nifampiresaka tamin’ny Samaritana ny Jiosy, koa mainka fa hoe hisotro tamin’ny fitaovan’izy ireny. (Jaona 4:5-9). Mbola nanaitra bebe kokoa azy ihany aza ny tenin’i Jesosy nanaraka.
“Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:13, 14). Alao sary an-tsaina ny fahalianan’ilay vehivavy tamin’io fampanantenana io, satria asa mafy ny fanovozana rano tao amin’io fantsakana lalina io. Nohazavain’i Jesosy ankoatra izany, fa na dia teo aza ny lanjany teo amin’ny tantara, dia tsy i Jerosalema na ny Tendrombohitra Gerizima, no toerana ara-pivavahana tena nilaina mba hanatonana an’Andriamanitra. Ny toe-po sy ny fitondran-tena no zava-dehibe, fa tsy ny toerana. “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, hoy izy. “Fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” (Jaona 4:23). Tsy maintsy ho nampionona toy inona moa ireo teny ireo! Teto indray koa, io lohasaha io dia tonga toerana izay nampirisihana mafy ny olona mba hanompo an’i Jehovah.
Amin’izao andro izao, dia ny tanànan’i Naplouse no mifanila amin’ny sisan-javatra rava avy amin’i Sekema fahiny. Mbola mijoalajoala ao amin’ilay lohasaha ihany ny Tendrombohitra Gerizima sy ny Tendrombohitra Ebala, ka mijoro ho toy ny vavolombelona manginan’ny fisehoan-javatra tamin’ny lasa. Mbola azo tsidihina ny fantsakan’i Jakoba, eo am-pototr’ireo tendrombohitra ireo. Eo am-pisaintsainantsika momba ny fisehoan-javatra izay nitranga teo, dia ampahatsiahivina antsika ny maha-zava-dehibe ny hanohanana ny fanompoam-pivavahana marina, tsy misy hafa amin’ny nampianaran’i Josoa sy i Jesosy antsika. — Ampitahao amin’ny Isaia 2:2, 3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny foko enina teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina. Ny foko enina teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly. — Deoteronomia 27:12, 13.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.