Mandresy ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra
“Ny masonao hahita ny mpampianatra [lehibe, NW ] anao; ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” — ISAIA 30:20, 21.
1. Nahoana ny fampianaran’i Jehovah no azo antsoina ara-drariny hoe fampianarana araka an’Andriamanitra?
I JEHOVAH Andriamanitra no Loharanon’ny fampianarana tsara indrindra azon’iza na iza raisina. Raha mihaino isika rehefa miteny izy, indrindra fa amin’ny alalan’ny Teniny Masina, dia ho tonga Mpampianatra Lehibe ho antsika izy. (Isaia 30:20, NW ). Ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly koa dia miantso azy hoe “Ilay manana ny Maha-Andriamanitra”. (Salamo 50:1, NW ). Noho izany, ny fampianaran’i Jehovah dia fampianarana araka an’Andriamanitra.
2. Amin’ny heviny ahoana no marina ny hoe Andriamanitra irery ihany no hendry?
2 Izao tontolo izao dia mirehareha erỳ noho ireo sekolim-pampianarany maro, kanefa tsy misy na dia iray amin’ireo aza manome fampianarana araka an’Andriamanitra. Ny fahendrena rehetra voangon’izao tontolo izao hatramin’izay dia tsinontsinona rehefa oharina amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra miorina amin’ny fahendrena tsy hita lanin’i Jehovah. Ny Romana 16:27 dia milaza fa Andriamanitra irery ihany no hendry, ary marina izany amin’ny heviny hoe i Jehovah ihany no manana ny fahendrena tsy misy fetra.
3. Nahoana i Jesosy Kristy no ilay mpampianatra lehibe indrindra nisy teto an-tany?
3 I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia tapitra ohatra raha ny amin’ny fahendrena, ary izy no mpampianatra lehibe indrindra nisy teto an-tany. Tsy mahagaga izany! Nandritra ny fotoana ela be aoka izany, dia i Jehovah no Mpampianatra azy tany an-danitra. Raha ny tena izy, ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia niantomboka fony Andriamanitra nanomboka nampianatra ny zavaboariny voalohany, dia ny Zanany lahy tokana. Noho izany, dia afaka niteny i Jesosy hoe: “Araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28; Ohabolana 8:22, 30). Ireo teny nolazain’i Kristy mihitsy, voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia manampy betsaka amin’ny fahalalantsika ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Amin’ny fampianarana izay nampianarin’i Jesosy, ireo Kristiana voahosotra dia mankato ilay Mpampianatra Lehibe azy, izay ny sitrapony dia ny hampahafantarana “ny fahendren’Andriamanitra izay maro karazana aoka izany” amin’ny alalan’ny kongregasiona. — Efesiana 3:10, 11, NW; 5:1; Lioka 6:40, NW.
Ny fitadiavana fahendrena
4. Inona no voalaza mikasika ny fahaizan’ny atidoha?
4 Mitaky fampiasana amim-pahazotoana ireo fahaiza-misaina nomen’Andriamanitra antsika ny fahazoana ilay fahendrena vokatry ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Azo atao izany, satria ny atidohan’olombelona dia manana fahafahana hanao zavatra tsy misy ohatra izany. Hoy ny boky hoe Ilay Milina Mahagaga (anglisy): “Na dia ireo ordinatera be kojakojany indrindra azontsika saintsainina aza, dia tsizarizary raha oharina amin’ny atidohan’olombelona izay saiky tsy manam-petra ny fahasarotany sy ny fahaizany mifanaraka amin’ny toe-javatra — toetra azony noho ny rafitra maro loha sy ambony dia ambony voaforon’ireo famantarana elektrika sy simika ao anatiny. (...) Ireo famantarana an-tapitrisany maro mandalo toy ny tselatra ao amin’ny atidohanao amin’ny fotoana rehetra dia mampita fanazavana maro be aoka izany. Manome vaovao momba ny manodidina ny vatanao, na ao anatiny na any ivelany, izy ireo: momba ny fivonkinan-kozatra eo amin’ny rantsantongotrao, na ny fameroveron’ny fofon-kafe, na ny teny nampihomehy nataon’ny namanao iray. Rehefa mandray sy mamotopototra ireo fahalalana azony ireo famantarana hafa, dia miteraka fientanam-po, fahatsiarovana, eritreritra na volavolan-kevitra sasany izay mitarika ho amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra. Saiky avy hatrany, ireo famantarana avy amin’ny atidohanao dia milaza amin’ireo faritra hafa amin’ny vatanao izay tokony hatao: manetsiketsika ilay rantsantongotrao, misotro ilay kafe, mihomehy na angamba manome valin-teny feno hatsikana. Mandritra izany fotoana izany, ny atidohanao dia mifehy koa ny fisefonao, ireo fitrangan-javatra simika ao amin’ny ranao sy ny hafananao ary ireo fisehoan-javatra tena ilaina hafa, izay tsy tsapanao akory. Mandefa baiko izay mihazona ny fizotran’ny fiasan’ny vatanao tsara izy io, na dia eo aza ireo fiovana tsy an-kijanona eo amin’ny manodidina anao. Miomana ho amin’ireo zavatra hilainy amin’ny manaraka koa izy io.” — Pejy faha-326.
5. Inona no atao hoe fahendrena, araka ny hevitra ao amin’ny Soratra Masina?
5 Na dia tsy isalasalana aza fa manana fahaizana mahatalanjona ny atidohan’olombelona, ahoana no ahafahantsika mampiasa ny saintsika amin’ny fomba tsara indrindra? Tsy amin’ny firobohantsika ranofotsiny amin’ny fianarana mafy teny vahiny iray, na ny tantara, na ny siansa, na ny fampitahana fivavahana akory. Tokony hampiasa ny fahafahantsika misaina isika voalohany indrindra mba handraisana fampianarana araka an’Andriamanitra. Izany ihany no manome ny fahendrena marina. Inona anefa no atao hoe tena fahendrena? Araka ny hevitra ao amin’ny Soratra Masina, ny fahendrena dia manantitrantitra ny fahaiza-mitsara zavatra tsara miorina amin’ny fahalalana marina sy amin’ny fahatakaran-javatra tsara. Ny fahendrena dia mahatonga antsika hampiasa ny fahalalana sy ny fahatakaran-javatra amim-pahombiazana mba handaminana zava-manahirana, hanalavirana na hisakanana loza sy hanampiana ny hafa ary hanatratrarana zava-kendrena. Mahaliana fa ny Baiboly dia mampifanohitra ny fahendrena amin’ny hadalana sy ny hakelezan-tsaina — lafin-toetra tiantsika hohalavirina tokoa. — Deoteronomia 32:6; Ohabolana 11:29; Mpitoriteny 6:8.
Ilay boky fianarana lehibe avy amin’i Jehovah
6. Raha ta haneho tena fahendrena isika, dia inona no tsy maintsy ampiasaintsika tsara?
6 Misy fahendrena araka an’izao tontolo izao be dia be manodidina antsika. (1 Korintiana 3:18, 19). Itỳ tontolo itỳ dia feno hipoka sekoly sy tranom-boky misy boky an-tapitrisany maro! Maro amin’ireo no boky fianarana izay manome fampianarana momba ny fiteny vahiny, ny matematika sy ny siansa ary ny saham-pahalalana hafa. Ilay Mpampianatra Lehibe anefa dia nanome ilay Boky Fianarana izay mihoatra lavitra noho ny hafa rehetra — ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17). Araka ny marina tsara izy io, tsy rehefa manonona foto-kevitra toy ny tantara sy ny jeografia ary ny fianarana momba ny zavamaniry ihany, fa rehefa milaza mialoha ny amin’ny hoavy koa. Ambonin’izany, dia manampy antsika hanana ny fiainana sambatra indrindra sy mamokatra indrindra dieny izao, izy io. Mazava ho azy fa, toy ny ilan’ny mpianatra ao amin’ny sekoly iray eo amin’izao tontolo izao hampiasa ireo bokiny, no tsy maintsy ahafantarantsika tsara sy ampiasantsika koa ilay Boky Fianarana lehibe avy amin’Andriamanitra, raha ta haneho ny tena fahendrena isika amin’ny maha-olona ‘ampianarin’Andriamanitra’ antsika. — Jaona 6:45.
7. Nahoana ianao no milaza fa tsy ampy ny fananana fahalalana ara-tsaina momba izay raketin’ny Baiboly?
7 Na dia izany aza, ny fananana fahalalana ara-tsaina momba ny Baiboly dia tsy mitovy amin’ny fananana ny tena fahendrena sy ny fanoavana ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Indro misy ohatra hampisehoana izany: Tamin’ny taonjato faha-17 am.f.i., dia nangataka ny ho tonga Jezoita ny lehilahy katolika iray nantsoina hoe Cornelius van der Steen, kanefa nolavina izy satria fohy loatra. Hoy i Manfred Barthel tao amin’ny bokiny hoe The Jesuits — History and Legend of the Society of Jesus: “Nampahafantatra an’i van der Steen ilay komity fa vonona ny hanala io fepetra takina momba ny halava io izy ireo, raha toa izy ka nianatra hamerina tsianjery ny Baiboly manontolo ihany. Tsy mendrika holazaina akory ilay tantara raha tsy nanaiky ny hanoa io fitakiana toa feno fahasahisahiana io i van der Steen.” Ezaka toy inona moa no notakin’izany hoe hitadidy ny Baiboly manontolo izany! Azo antoka anefa fa zava-dehibe lavitra ny mahatakatra ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra noho ny fianarana tsianjery azy io.
8. Inona no hanampy antsika handray soa avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra sy haneho ny tena fahendrena?
8 Raha tiantsika ny handray soa feno avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ka haneho ny tena fahendrena, dia mila fahalalana marina ny Soratra Masina isika. Tsy maintsy tarihin’ny fanahy masina na hery miasan’i Jehovah, koa isika. Izany dia hanampy antsika hianatra fahamarinana lalina, dia “ny saina lalina izay an’Andriamanitra”. (1 Korintiana 2:10). Noho izany, dia aoka isika hianatra amim-pahazotoana ilay Boky Fianarana lehibe avy amin’i Jehovah ka hivavaka mba hahazo ny fitarihany amin’ny alalan’ny fanahy masina. Mifanaraka amin’ny Ohabolana 2:1-6 (NW ), dia aoka isika hampifantoka ny saintsika amin’ny fahendrena sy hampirona ny fontsika ho amin’ny fahaiza-manavaka ary hiantso mba hahazo fahatakaran-javatra. Ilaintsika ny manao izany toy ny mitady harena miafina, satria amin’izay ihany isika vao ‘hahatakatra ny fahatahorana an’i Jehovah sy hahita ny tena fahalalana an’Andriamanitra’. Hampitombo ny fankasitrahantsika ny fahendrena omen’Andriamanitra ny fandinihana ireo fandresena sy soa sasany avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra.
Fahatakarana miandalana
9, 10. Inona no nolazain’Andriamanitra araka ny voasoratra ao amin’ny Genesisy 3:15, ary inona no fahatakarana araka ny tokony ho izy ny hevitr’ireo teny ireo?
9 Ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia mandresy amin’ny fanomezana ho an’ny vahoakan’i Jehovah fahatakarana miandalana momba ny Soratra Masina. Nianarantsika, ohatra, fa i Satana Devoly no niresaka tamin’ny alalan’ny menarana iray tao Edena ka niampanga tamin’ny fomba diso fa nandainga Andriamanitra rehefa nilaza fa ny fahafatesana no ho sazin’ny fihinanana ilay voankazo voarara. Na dia izany aza, dia hitantsika fa tena nitondra fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona tokoa ny tsy fankatoavana an’i Jehovah Andriamanitra. (Genesisy 3:1-6; Romana 5:12). Nanome fanantenana ho an’ny olombelona anefa Andriamanitra rehefa niteny toy izao tamin’ilay menarana, ka noho izany dia tamin’i Satana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” — Genesisy 3:15.
10 Ireo teny ireo dia nahatafiditra zava-miafina izay naharihary miandalana tamin’ny alalan’ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Nampianatra ny vahoakany i Jehovah fa ny loha hevitry ny Baiboly voalohany indrindra dia ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Taranaka, dia taranaka iray avy amin’i Abrahama sy i Davida izay manana ny zo ara-dalàna hahazo ny fanapahana ao amin’ilay Fanjakana. (Genesisy 22:15-18; 2 Samoela 7:12, 13; Ezekiela 21:30-32). Nampianarin’ilay Mpampianatra Lehibe antsika fa i Jesosy Kristy no ilay Taranaka lehibe indrindra an’ilay “vehivavy”, dia ny fandaminan’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. (Galatiana 3:16). Na dia teo aza ny fitsapana rehetra nalefan’i Satana taminy, i Jesosy dia nihazona ny tsy fivadihany — na dia hatramin’ny fahafatesana aza, dia ny fanorotoroana an’ilay Taranaka teo amin’ny ombelahin-tongony. Nianarantsika koa fa ireo 144 000 mpiara-mandova an’ilay Fanjakana, nalaina avy amin’ny olombelona, dia hiaraka amin’i Kristy amin’ny fanorotoroana ny lohan’i Satana, “ilay menarana ela”. (Apokalypsy 14:1-4; 20:2; Romana 16:20; Galatiana 3:29; Efesiana 3:4-6). Endre ny fankasitrahantsika ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra toy izany!
Ho amin’ny fahazavan’Andriamanitra mahagaga
11. Nahoana no azo lazaina fa mandresy ny fampianarana araka an’Andriamanitra amin’ny fitondrana ny vahoaka ho ao amin’ny fahazavana ara-panahy?
11 Mandresy ny fampianarana araka an’Andriamanitra amin’ny fitondrana ny vahoaka ho ao amin’ny fahazavana ara-panahy. Ireo Kristiana voahosotra dia nahita izany fanandraman-javatra izany, ho fahatanterahan’ny 1 Petera 2:9 manao hoe: “Hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. Amin’izao andro izao, ny fahazavana omen’Andriamanitra koa dia ankafizin’ny “olona betsaka” izay hiaina mandrakizay eto an-tany paradisa. (Apokalypsy 7:9; Lioka 23:43, NW ). Arakaraka ny ampianaran’Andriamanitra ny vahoakany, dia hita fa marina ny Ohabolana 4:18 manao hoe: “Fa ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” Io fizotran’ny fianarana miandalana io dia manatsara ny fahatakarantsika ny fampianarana araka an’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ireo mpianatra izay mandroso noho ny fanampiana tsara dia tsara atolotry ny mpampianatra iray, rehefa mianatra fitsipi-pitenenana, na tantara, na taranjam-pianarana hafa, izy ireo.
12, 13. Niaro ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny loza ara-poto-pampianarana inona avy moa ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
12 Ny fandresen’ny fampianarana araka an’Andriamanitra hafa iray koa, dia ny fiarovany an’ireo mandray azy feno fanetren-tena amin’ireo “fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1). Etsy an-danin’izany kosa, dia jereo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana! Tany amin’ny 1878, ny mpitondra fivavahana katolika iray atao hoe John Henry Newman dia nanoratra hoe: “Tamin’ny fianteherany tamin’izay tamin’ny herin’ny Kristianisma mba hanoherana ny fahavoazana avy amin’ny ratsy, ary mba hanovana ireo fitaovana sy fanao mifandray amin’ny fanompoana demonia ho azo ampiasaina eo amin’ny fampielezana ny filazantsara, (...) ireo mpitarika ny Eglizy hatrany am-boalohany dia vonona, raha sendra nipoitra ny fahafahana ho amin’izany, ny handray, na hanahaka, na hankasitraka, ireo fombafomba amam-panaon’ny sarambabem-bahoaka nisy tamin’izany, ary koa ny filozofian’ireo anisan’ny kilasy nahita fianarana.” Nanampy teny i Newman fa ny zavatra toy ny rano voahasina sy ireo fitafian’ny pretra ary ireo sary dia “samy avy amin’ny fanompoan-tsampy avokoa, ary nanjary masina rehefa noraisin’ny Eglizy”. Velom-pankasitrahana tokoa ny vahoakan’Andriamanitra fa miaro azy amin’ny fivadiham-pinoana toy izany ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Maharesy ny endriky ny demonisma rehetra izy io. — Asan’ny Apostoly 19:20, NW.
13 Ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia mandresy ny fahadisoana ara-pivavahana amin’ny heviny rehetra. Amin’ny maha-olona ampianarin’Andriamanitra antsika, ohatra, dia tsy mino ny Trinite isika fa manaiky kosa fa i Jehovah no ilay Avo Indrindra, fa i Jesosy dia Zanany ary fa ny fanahy masina dia hery miasan’Andriamanitra. Tsy matahotra afobe mirehitra isika, satria mahatakatra fa ny afobe ao amin’ny Baiboly dia ny fasana iombonan’ny olombelona. Ary raha milaza ireo mpanaraka fivavahan-diso fa ny fanahy (âme) olombelona dia tsy mety maty, isika kosa dia mahafantatra fa ny maty dia tsy mahatsiaro na inona na inona velively. Mitohy ny lisitr’ireo fahamarinana azontsika tamin’ny alalan’ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Fitahiana toy inona moa ny hoe afaka amin’ny fanandevozana ara-panahin’i Babylona Lehibe, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso! — Jaona 8:31, 32; Apokalypsy 18:2, 4, 5.
14. Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no afaka manohy mandeha ao amin’ny fahazavana ara-panahy?
14 Satria maharesy ny fahadisoana ara-pivavahana ny fampianarana araka an’Andriamanitra, izy io dia mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra ho afaka handeha ao amin’ny fahazavana ara-panahy. Raha ny marina, dia mandre teny avy ao ivohony izy ireo manao hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21). Miaro ny mpanompony amin’ny fanjohian-kevitra diso koa ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Rehefa niteraka korontana tao amin’ny kongregasiona tany Korinto ireo “apostoly sandoka”, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy; fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy”. (2 Korintiana 10:4, 5; 11:13-15). Ireo fisainana mifanohitra amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia ravan’ilay fampianarana omena amim-pahalemem-panahy ao amin’ny kongregasiona sy ilay fitoriantsika ny vaovao tsara amin’ireo olona any ivelany. — 2 Timoty 2:24-26.
Fanompoam-pivavahana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana
15, 16. Inona no atao hoe manolotra fanompoam-pivavahana an’i Jehovah amin’ny fanahy sy ny fahamarinana?
15 Arakaraka ny androsoan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, dia mandresy ny fampianarana araka an’Andriamanitra amin’ny fampisehoana amin’ireo mpandefitra ny fomba anolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. Teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, teo akaikin’ny tanànan’i Sykara, dia nilazan’i Jesosy ny vehivavy samaritana iray fa afaka nanolotra rano izay nanome fiainana mandrakizay, ny tenany. Raha nanisy firesahana ny amin’ireo Samaritana izy, dia nanampy teny toy izao: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; (...) avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” (Jaona 4:7-15, 21-23). Nampahafantatra tamin’izany ny tenany ho ny Mesia i Jesosy.
16 Ahoana anefa no ahafahantsika mivavaka, na manolotra fanompoam-pivavahana, amin’Andriamanitra amin’ny fanahy? Amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana madio atosiky ny fo velom-pankasitrahana sy feno fitiavana an’Andriamanitra izay miorina amin’ny fahalalana marina ny Teniny. Afaka manolotra fanompoam-pivavahana aminy amin’ny fahamarinana isika amin’ny fandavana ireo hevi-diso ara-pivavahana sy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny aharihary ao amin’ilay Boky Fianarana lehibe avy aminy.
Mandresy ireo fisedrana sy izao tontolo izao
17. Ahoana no ahafahanao manaporofo fa ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia nanampy ireo mpanompon’i Jehovah hiatrika fisedrana?
17 Rehefa miatrika fisedrana ny vahoakan’Andriamanitra, dia mandresy hatrany hatrany ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Diniho izao manaraka izao: Teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny Septambra 1939, dia nila fahatakaran-javatra manokana ny amin’ilay Boky Fianarana lehibe avy amin’i Jehovah ireo mpanompony. Nanampy be dia be ny lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Novambra 1939, izay nampiseho mazava ny fampianarana araka an’Andriamanitra momba ny fialanalanana kristiana. (Jaona 17:16). Mitovy amin’izany koa, tany am-piandohan’ireo taona 1960, dia nisy lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana momba ny fanekena voafetra atolotra ny “fahefana lehibe” ao amin’ireo fitondram-panjakana, ka izany dia nanampy ny vahoakan’Andriamanitra hanoa ny fampianarana araka an’Andriamanitra teo anoloan’ny fikorontanana ara-tsosialy. — Romana 13:1-7; Asan’ny Apostoly 5:29.
18. Ahoana no niheveran’ireo nilaza tena ho Kristiana tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i. ny fialam-boly mietry, ary fanampiana inona no omen’ny fampianarana araka an’Andriamanitra amin’io lafiny io amin’izao andro izao?
18 Ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia manampy antsika handresy fakam-panahy, toy ireo fanangolena hitady fialam-boly mietry. Mariho izay nolazain’ireo nilaza tena fa Kristiana tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i. Hoy ny nosoratan’i Tertullien: “Na amin’ny teny izany, na amin’ny fijerena, na amin’ny fihainoana, dia tsy misy ifandraisantsika amin’ny hadalana any amin’ny cirque, amin’ny tsy fahalalana henatra any amin’ny teatira, amin’ny herisetra sy halozana any amin’ny kianja filalaovana.” Hoy ny fanontanian’ny mpanoratra hafa iray niaina tamin’izay vanim-potoana izay: “Inona moa no ataon’ny Kristiana mahatoky iray eo afovoan’ireo zavatra ireo, satria tsy azony atao akory na dia ny mieritreritra momba ny faharatsiana aza? Nahoana izy no mahita fahafinaretana amin’ireo fampisehoana filan’ny nofo?” Na dia niaina taona vitsivitsy taorian’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany aza ireo mpanoratra ireo, dia nanameloka fanalana andro nietry. Amin’izao andro izao, ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia manome antsika ny fahendrena hihataka amin’ny fialam-boly feno fahavetavetana sy faharatsiam-pitondran-tena ary herisetra.
19. Ahoana no anampian’ny fampianarana araka an’Andriamanitra antsika handresy izao tontolo izao?
19 Ny fanoavana ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia manampy antsika handresy izao tontolo izao mihitsy. Eny, ny fampiharana ny fampianaran’ilay Mpampianatra Lehibe antsika dia mahatonga antsika ho mpandresy ireo fitaomana ratsin’itỳ tontolo mipetraka eo ambany fahefan’i Satana itỳ. (2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19). Ny Efesiana 2:1-3 dia milaza fa novelomin’Andriamanitra isika na dia mbola maty tao amin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika aza, fony isika nandeha araka ny mpanapaka ny fahefana eny amin’ny rivotra. Misaotra an’i Jehovah isika noho ny nanampian’ny fampianarana araka an’Andriamanitra antsika handresy ireo faniriana araka an’izao tontolo izao sy handresy ilay toe-tsaina avy amin’ny fahavalony sy ny antsika — ilay lehiben’ny mpamitaka rehetra, dia i Satana Devoly!
20. Fanontaniana inona avy no mendrika fandinihana fanampiny?
20 Mazava àry fa mandresy amin’ny fomba maro ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Raha ny marina dia tsy ho azo atao ny hanonona ny fandreseny rehetra. Misy fiantraikany eo amin’olona maneran-tany izy io. Inona anefa no ataony ho anao? Misy fiantraikany eo amin’ny fiainanao ve ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
Inona no Nianaranao?
◻ Ahoana no azo amaritana ny atao hoe tena fahendrena?
◻ Inona no nahariharin’Andriamanitra miandalana mikasika ny Genesisy 3:15?
◻ Ahoana no nandresen’ny fampianarana araka an’Andriamanitra teo amin’ireo raharaha ara-panahy?
◻ Inona no atao hoe manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana?
◻ Ahoana no nanampian’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ny mpanompon’i Jehovah handresy ireo fisedrana sy izao tontolo izao?
[Sary, pejy 10]
I Jesosy dia nihazona tsy fivadihana hatramin’ny fahafatesany — dia ny fanorotoroana an’ilay Taranaka teo amin’ny ombelahin-tongony