Vitanao ny Miatrika Ireo Zavatra Tsy Azo Antoka
“TSY misy isalasalana io!”, “Azo antoka mihitsy io!”, “Manome toky anao aho!” Efa renao matetika izany. Vitsy anefa ny zavatra azontsika antoka eo amin’ny fiainana. Mivadibadika be ny fiainana, ka matetika isika no manontany tena raha misy izany zavatra azo antoka tanteraka izany. Toa efa anisan’ny fiainana ny toe-javatra tsy azo antoka.
Rariny raha maniry fiadanana sy filaminana, ho azy sy ny fianakaviany, ny ankamaroan’ny olona. Miasa mafy izy ireo, mba hahazoana zavatra heveriny fa hahasambatra sy hampilamin-tsaina azy, toy ny vola sy harena. Mety handrava vetivety ny fananana toy izany anefa ny loza, horohoron-tany, rivo-doza, na asan-jiolahy. Mety hanova tampoka ny fiainana koa ny aretina mafy, sy fisaraham-panambadiana, ary tsy fananana asa. Marina fa mety tsy hitranga aminao ny zavatra toy izany. Mety hampanahy sy hahakivy anefa, na dia ny fahalalana fotsiny aza, fa mety hitranga amin’ny fotoana rehetra ny zava-doza. Tsy izany ihany anefa no manahirana antsika.
Mitovy amin’ny hoe misalasala, ny hoe tsy mahazo antoka, ary izao no amaritan’ny diksionera iray ny hoe “misalasala”: “Tsy matoky fa marina, tsy tapa-kevitra amin’izay tokony hatao.” Milaza koa ny boky Fomba Andaminanao ny Sainao (anglisy), fa “antony lehibe mampisy ny fanahiana sy tebiteby ny tsy fahazoana antoka momba ny raharaha lehibe.” Miteraka fanahiana sy hakiviana ary hatezerana ny fisalasalana, raha tsy voalamina. Mety hanimba ny fahasalaman’ny saintsika sy ny vatantsika tokoa, ny tebiteby momba izay mety hitranga na tsy hitranga.
Misy kosa ireo tsy manahy mihitsy, toa an’ity tanora brezilianina nilaza toy izao ity: “Nahoana aho no hanahy momba izay hitranga? Ny anio aloha no tokony hampanahy antsika, fa tsy ny ampitso.” Toa te hilaza izany hoe “aoka isika hihinana sy hisotro.” Mora diso fanantenana sy malahelo ary mora maty anefa ny olona mieritreritra toy izany. (1 Korintianina 15:32) Tsara lavitra ny hitodihantsika any amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Lazain’ny Baiboly fa “tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka” izy. (Jakoba 1:17) Hahazo torohevitra sy tari-dalana mahakasika ny fomba iatrehana ireo zavatra tsy azo antoka isika, raha mandinika ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Hanampy antsika koa izy io, mba hahatakarantsika ny antony mahabetsaka ny zavatra tsy azo antoka.
Antony mampisy ny zavatra tsy azo antoka
Voalanjalanja ny fomba fijery omen’ny Soratra Masina momba ny fiainana. Ampiany koa isika, mba hanana fomba fijery mety momba ny fiovan’ny toe-javatra sy ny zavatra tsy azo antoka. Mety hampilamin-tsaina ihany ny fifandraisan’ny mpianakavy, fari-piainana, fahiratan-tsaina, fahasalamana, ary ny toy izany. Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy azontsika antenaina haharitra na hitarika antsika ho amin’ny fiainana tsy misy ahiahy ireo zavatra ireo. Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia.” Nahoana? Satria “ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” Nampitandrina àry izy hoe: “Fa toy ny hazandrano azon’ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.”—Mpitoriteny 9:11, 12.
Nilaza momba ny fotoana hisian’ny fanahiana be sy zavatra tsy azo antoka koa i Jesosy. Hanjo ny taranak’olombelona manontolo izy io. Mazava tsara ny teniny hoe: “Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia ho ory ireo firenena satria ho very hevitra noho ny fidoboky ny ranomasina sy ny fisamboaravoarany. Ary hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana. Fa hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” Tokony ho be fanantenana anefa ny olona tso-po, satria hoy izy: “Rehefa hitanareo koa fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:25, 26, 31) Manampy antsika hahita hoavy azo antoka sy mahafinaritra koa ny finoantsika an’Andriamanitra, fa tsy hatahotra izay zavatra hitranga isika.
‘Mahazo antoka tanteraka an’ilay fanantenana’
Tsy azontsika antoka daholo ny zavatra rehetra henontsika, na vakintsika, na hitantsika, nefa afaka matoky tanteraka ny Mpamorona isika. Tsy vitan’ny hoe Fara Tampony izy, fa Ray be fitiavana izay mikarakara tsara ny zanany etỳ an-tany koa. Hoy Andriamanitra momba ny teniny: “Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”—Isaia 55:11.
Nampianatra ny fahamarinana avy tamin’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ary tena neken’ireo olona maro nihaino azy izany. Izao, ohatra, no nolazain’ireo Samaritanina tso-po tamin’ilay vehivavy samaritanina niresaka tamin’i Jesosy: “Tsy noho ny filazanao intsony izao no inoanay, fa ny tenanay mihitsy no nandre, ka fantatray fa io tokoa no mpamonjy an’izao tontolo izao.” (Jaona 4:42) Mahazo antoka ny amin’ny zavatra inoantsika koa isika ankehitriny, na dia tsy milamina mihitsy aza ity tontolo ity.
Betsaka no mihevitra fa tokony hinoana fotsiny ireo zavatra inoana ara-pivavahana, fa tsy ezahina hofantarina. Tsy nihevitra toy izany anefa i Lioka, mpanoratra Baiboly. Nanao fikarohana sy nanome fanazavana marina izy, mba ho fantatry ny olona tsara fa “azo antoka ny zavatra” nosoratany. (Lioka 1:4) Mety hanahy ireo havana aman-tsakaiza tsy mitovy finoana amintsika, sao ho diso fanantenana isika. Zava-dehibe àry ny hahaizantsika miaro ny finoantsika. (1 Petera 3:15) Tsy afaka manampy ny olona hatoky an’Andriamanitra isika, raha tsy mahalala tsara ny anton’ny finoantsika. Izao no ilazalazan’ny Baiboly an’i Jehovah: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.”—Deoteronomia 32:4.
Diniho ireo teny farany hoe: “Marina sy mahitsy Izy.” Inona no porofo ananantsika momba izany? Niaiky tanteraka ny fahamarinan’io ny apostoly Petera. Hoy izy tamin’ilay miaramila romanina sy ny ankohonany: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Nilaza ireo teny ireo i Petera, satria hitany tsara ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’io fianakaviana hafa firenena io. Noheverina ho naloto sy tsy mendrika mantsy izy ireo taloha, nefa nanjary nankasitrahan’Andriamanitra. Miaiky toa an’i Petera koa isika, fa tsy mizaha tavan’olona sady marina Andriamanitra. Hitantsika mantsy ny “vahoaka be”, enina tapitrisa mahery, avy any amin’ny tany 230 mahery. Niala tamin’ny fomba fiainany teo aloha izy ireo, ary mandeha eo amin’ny lalan’ny fahamarinana.—Apokalypsy 7:9; Isaia 2:2-4.
Manetry tena sy mahalala ny antonony isika Kristianina marina, fa tsy mafana fo tafahoatra na mpanizingizina ny hevitsika. Azontsika antoka anefa ny zavatra inoantsika sy antenaintsika hoentin’ny hoavy. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Irinay ianareo tsirairay avy mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana.” (Hebreo 6:11) Manome antsika ‘fanantenana azo antoka tanteraka’ ilay vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. “Tsy mba mitondra fahadisoam-panantenana” io fanantenana miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra io, araka ny mbola nohazavain’i Paoly.—Romanina 5:5.
Miaiky tanteraka isika fa mampilamin-tsaina ny olona ny fampianarana azy ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. Ho azony antoka koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra, sady hilamina kokoa ny fiainany. Miombon-kevitra amin’i Paoly àry isika. Hoy izy: “Tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny fotsiny ny vaovao tsara torinay, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny fanahy masina ary ny fatokisana tanteraka.”—1 Tesalonianina 1:5.
Fitahiana dieny izao, noho ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra
Tsy afaka manantena filaminana tanteraka isika amin’izao fiainana izao. Misy zavatra azontsika atao ihany anefa, mba hananantsika fiainana milamina sy azo antoka. Hiorina mafy eo amin’ny lafiny ara-panahy isika, ohatra, raha miara-mivory tsy tapaka amin’ny fiangonana kristianina, satria ampianarina toetra tsara sy toro lalana marina isika any. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hiavonavona, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika.” (1 Timoty 6:17) Maro no tsy kivy sy nilamin-tsaina kokoa, rehefa nianatra nitoky tamin’i Jehovah, fa tsy tamin’ny harena na ny fahafinaretana tsy maharitra.—Matio 6:19-21.
Mahazo fanampiana sy fanohanana isan-karazany avy amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy isika, eo anivon’ny fiangonana. Nisy fotoana nahatsapan’ny apostoly Paoly sy ireo mpiray dia taminy ho “niharam-panerena faran’izay mafy” nandritra ny fanompoany, ka ‘tsy azony antoka intsony mihitsy na ny ainy aza.’ Taiza no nahazoan’i Paoly fanohanana sy fampaherezana? Mazava ho azy fa tsy nihena mihitsy ny fatokisany an’Andriamanitra. Nampahery sy nampionona azy anefa ny fanampiana nomen’ny kristianina namany. (2 Korintianina 1:8, 9; 7:5-7) Rehefa mamely ny loza araka ny natiora na loza hafa, dia ireo rahalahy kristianina foana no tonga voalohany manome izay ilain’ny mpiara-manompo aminy sy ny olon-kafa, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana.
Fomba iray hafa iatrehana ny toe-javatra tsy azo antoka koa ny vavaka. Azontsika atao foana ny mitady fanampiana amin’ilay Raintsika be fitiavana, rehefa miatrika fanerena tsy nampoizina isika. “Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy.” (Salamo 9:9) Mety tsy hahavita hiaro ny zanany ny ray aman-dreny. Vonona hanampy antsika kosa Andriamanitra, mba hiatrehantsika ny tahotra sy ny zavatra tsy azo antoka. Afaka matoky isika fa “afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” i Jehovah, raha mametraka ny fanahiantsika aminy isika.—Efesianina 3:20.
Mivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra ve ianao? Miaiky mafy ve ianao fa mihaino ny vavaka ataonao izy? Hoy ny ankizivavy iray mipetraka any São Paulo: “Nilaza tamiko i Neny fa tokony hivavaka aho. Nanontany tena anefa aho hoe: ‘Ahoana no iresahako amin’ny olona tsy fantatro akory?’ Nanampy ahy anefa ny Ohabolana 18:10, ary takatro fa mila ny fanampian’Andriamanitra isika, sady tokony hiresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka.” Hoy io andininy io: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Ahoana tokoa moa no hatokisantsika an’i Jehovah, raha tsy zatra miresaka aminy isika? Tokony hataontsika fahazarana ny mivavaka isan’andro. Hoy i Jesosy: “Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”—Lioka 21:36.
Anisan’ny zavatra azontsika antoka koa ny fanantenantsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mariho ny teny ao amin’ny Daniela 2:44 hoe: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Mafy orina io fanantenana io, ka azontsika antoka tsara. Mazàna no mandiso fanantenana ny fampanantenan’olombelona, fa azontsika itokisana foana kosa ny tenin’i Jehovah. Toy ny vatolampy Andriamanitra, ka afaka miantehitra aminy isika. Afaka mihevitra toa an’i Davida isika, izay nilaza hoe: “Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana Hianao.”—2 Samoela 22:3.
Milaza toy izao ilay boky hoe Fomba Andaminanao ny Sainao, noresahintsika tetsy aloha: “Arakaraka ny ieritreretan’ny olona iray momba ny zavatra ratsy mety hitranga, no vao mainka mety hisehoan’izany, ka hahasarotra ny fiezahana handresy azy ireny.” Tsy tokony havelantsika hanavesatra antsika àry ny fanahiana sy ny fitebiteben’ity tontolo ity. Aoka kosa mba ho ireo zavatra azo antoka avy amin’Andriamanitra no hifantohantsika. Hazòny mafy hatrany ny finoanao azy ireo, amin’izay ianao dia hahazo ilay fanomezan-toky hoe: “Tsy hisy ho diso fanantenana izay mino azy.”—Romanina 10:11.
[Teny notsongaina, pejy 29]
Manome toky ny Tenin’Andriamanitra, fa hisy fitahiana maro ho azon’ny olombelona
[Teny notsongaina, pejy 30]
“Tsy hisy ho diso fanantenana izay mino azy”
[Sary, pejy 31]
Mampilamin-tsaina ny olona ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana