Ny Tena Filaminana — Ankehitriny sy Mandrakizay
TSY isalasalana fa afaka manome filaminan-tsaina ho an’ny vahoakany i Jehovah Andriamanitra. “Tsitoha” izy. (Salamo 68:14). Ny anarany tsy manam-paharoa dia midika hoe “Mahatonga Izy”. Izy io dia mampahafantatra azy ho Ilay hany, eo amin’izao rehetra izao, afaka mandresy izay vato misakana rehetra mba hanatanterahana ny fampanantenany sy hanatontosana ny sitrapony. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no manambara hoe: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.
Manome filaminan-tsaina an’ireo izay mitoky aminy Andriamanitra. Manome antoka ny amin’izany ny Teniny. “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy”, hoy i Solomona Mpanjaka hendry nahazo tsindrimandrin’Andriamanitra. “Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Nanampy toy izao izy: “Izay [mitoky amin’i, NW ] Jehovah no hovonjena.” — Ohabolana 18:10; 29:25.
Filaminan-tsaina ho an’ny mpanompon’Andriamanitra
Nanome filaminan-tsaina foana an’ireo izay niantehitra taminy i Jehovah. Ohatra, i Jeremia mpaminany dia nahazo ny fiarovan’Andriamanitra. Rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema nivadi-pinoana ireo tafik’i Babylona, ny olona dia voatery ‘nihinana mofo an-danjany tamin’ny fanahiana’. (Ezekiela 4:16). Nanjary sarotra aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka nahandro sy nihinana ny zanany naterany ny vehivavy sasany. (Fitomaniana 2:20; 4:10). Na dia nohazonina an-tranomaizina aza i Jeremia noho ny fitoriany tsy tamin-tahotra, dia nataon’i Jehovah azo antoka fa “nomena mofo iray isan-andro isan-andro avy any amin’ny fitoeran’ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna”. — Jeremia 37:21.
Rehefa nianjera teo am-pelatanan’ireo Babyloniana i Jerosalema, dia sady tsy novonoina no tsy nentina an-keriny ho mpifatotra nankany Babylona i Jeremia. “Nomen’ny lehiben’ny mpiambina [babyloniana] vatsy sy fanomezana [kosa] izy ka nalefany handeha.” — Jeremia 40:5.
Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanome toky ny mpanompon’Andriamanitra toy izao i Jesosy Kristy: “Aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:31-33.
Midika ve izany fa ireo mpanompon’i Jehovah dia hahazo ny fiarovan’Andriamanitra amin’ny loza rehetra amin’izao andro izao? Tsia. Tsy vita fanefitra amin’ny fahavoazana ny olo-mahatoky. Ny Kristiana marina dia marary, mandia fanenjehana, manjary iharan’ny heloka bevava, maty noho ny loza ary mijaly amin’ny fomba hafa.
Na dia mbola tsy manome filaminana tanteraka mba tsy hiharam-pahavoazana aza i Jehovah, ny tatitra dia mampiseho fa mampiasa ny heriny izy mba hanomezana izay ilain’ireo mpanompony sy mba hiarovana azy ireo. Voaro amin’ny zava-manahirana maro koa ny Kristiana satria mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainany. (Ohabolana 22:3). Ankoatra izany, izy ireo dia mankafy ilay filaminan-tsaina ananan’ny fikambanan’ny mpirahalahy ara-panahy be fitiavana maneran-tany, izay mifanampy amin’ny fotoam-pahasahiranana. (Jaona 13:34, 35; Romana 8:28). Ohatra, teo anoloan’ny toe-javatra nampahonena nahazo an’ireo rahalahiny tany Rwanda rotidrotiky ny ady, ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa dia nanao fanomezana sy nandefa haingana ho azy ireo fitafiana nilanja 65 taonina, sy fanafody sy sakafo ary fanampiana hafa nitentina 1 600 000 dolara. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:28, 29.
Na dia avelan’i Jehovah hitranga amin’ny Kristiana marina aza ny fisedrana, dia manana toky izy ireo fa hanome azy ireo ny hery sy ny fanampiana ary ny fahendrena mba hiaretana izy. Raha nanoratra ho an’ireo mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly, dia nilaza hoe: “Tsy misy fakam-panahy [fisedrana] nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy [hosedraina] mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy [fisedrana] dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” — 1 Korintiana 10:13; The Emphatic Diaglott.
Izay ataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany
Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no ravoravo manao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy terena izy ireo hanompo an’Andriamanitra; manao izany izy ireo satria mahalala sy tia azy. Etsy an-danin’izany kosa, noho i Jehovah tia an’ireo mpanompony tsy mivadika, dia mikasa hanova ny tany ho paradisa izay hankafizan’ny olombelona mpankato fiadanana sy fahasalamana ary filaminana mandrakizay izy. — Lioka 23:43, NW.
Hanao izany Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana iray any an-danitra, izay manana an’ilay Mpanjaka voatendriny, dia i Jesosy Kristy, ho mpanapaka. (Daniela 7:13, 14). Manisy firesahana momba io fitondram-panjakana io ho ny “fanjakan’Andriamanitra” sy “ny fanjakan’ny lanitra” ny Baiboly. (1 Korintiana 15:50; Matio 13:44). Hisolo toerana ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy fitondram-panjakana maro be eto an-tany, fa fitondram-panjakana tokana ihany kosa. Hanapaka amin’ny fahamarinana eo amin’ny tany manontolo izy io. — Salamo 72:7, 8; Daniela 2:44.
Manitatra amin’ny rehetra ny fanasana hiaina eo ambanin’ilay Fanjakana i Jehovah. Ny fomba iray anaovany izany dia amin’ny alalan’ny fampielezana maneran-tany ny Baiboly, ilay boky manazava izay hataon’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona. Ny Baiboly no ilay boky miely patrana indrindra, ary ankehitriny izy io dia misy, manontolo na tapatapany, amin’ny fiteny mihoatra ny 2 000.
Manampy amim-pitiavana ny olona hahatakatra izay ampianarin’ny Baiboly momba ilay Fanjakana i Jehovah Andriamanitra. Manao izany izy amin’ny fampianarana sy fanirahana olona hanazava ny Soratra Masina amin’ny hafa. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny dimy tapitrisa ankehitriny no manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany maherin’ny 230.
Tena filaminan-tsaina ho an’ny rehetra?
Moa ve ny olona rehetra hanaiky an’ilay fanasana ho tonga olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fanarahana ny fari-pitsipiny marina? Tsia, satria tsy liana velively ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona maro. Mandà ny ezaka natao hanampiana azy hanova ny fiainany ho tsara kokoa izy ireo. Eny tokoa, miseho ho tahaka ireo izay nilazan’i Jesosy toy izao izy ireo: “Efa adala ny fon’izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy [Andriamanitra]”. — Matio 13:15.
Ahoana no hahafahan’ny tena filaminan-tsaina hisy eo anivon’ireo izay mandà tsy hiaina mifanaraka amin’ireo lalana marin’Andriamanitra? Tsy ho afaka ny hisy izany. Mandrahona ny filaminan-tsain’ireo izay maniry hanompo an’i Jehovah ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.
Tsy manery ny olona hiova Andriamanitra, nefa koa izy tsy milefitra mandrakizay amin’ny faharatsiana. Na dia manohy maniraka amim-paharetana ny Vavolombelony mba hampianatra ny olona momba ireo lalany sy fikasany aza i Jehovah, dia tsy hanohy hanao izany ela be intsony izy. Nanambara mialoha i Jesosy Kristy hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14.
Hidika ho inona moa “ny farany” ho an’ireo izay mandà ireo fari-pitsipik’Andriamanitra? Izany dia hidika ho didim-pitsarana ho fanamelohana sy fandringanana. Ny Baiboly dia miresaka momba ny ‘famaliana an’ireo izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy ireo izay tsy mankato ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika (...). Izy ireo mihitsy dia hiharan’ny sazy ara-pitsarana amin’ny fandringanana mandrakizay”. — 2 Tesaloniana 1:6-9, NW.
Tena filaminana mandrakizay — Ela ny ela!
Aorian’ny fandringanana an’ireo izay mandà ny fomba hitondran’i Jehovah fiadanana, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hampiditra fe-potoan’ny filaminana be voninahitra ho an’ireo olo-marina eto an-tany. (Salamo 37:10, 11). Hifanohitra toy inona amin’ny tontolo iainantsika amin’izao andro izao moa io tontolo vaovao io! — 2 Petera 3:13.
Tsy hisy mosary sy hanoanana intsony. Hanana sakafo tondraka hohanina ny rehetra. Milaza ny Baiboly fa ‘ny firenena rehetra dia hankafy fanasana amin’ny zavatra matavy’. (Isaia 25:6). Tsy hisy tsy fahampian-kanina, satria “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. — Salamo 72:16.
Tsy hitoetra ao amin’ny trano bongo na ao amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary intsony ny olona. Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny rehetra dia hanana fonenana tsara dia tsara, sy hihinana ny vokatry ny taniny ihany. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.” — Isaia 65:21.
Tsy fielezan’ny tsy fananana asa no hisy, fa fanaovana asa mamokatra kosa, ary hahita ny vokatra tsara avy amin’izy io ny olona. Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy”. — Isaia 65:22, 23.
Eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana, ny olona dia tsy hijaly na ho fatin’ny aretina. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. — Isaia 33:24.
Ao amin’ilay Paradisa an-tany hanjary zavatra tena hisy tsy ho ela, dia hofaranana ny fijaliana sy ny fanaintainana, ny fahoriana sy ny fahafatesana. Eny, na dia ny fahafatesana aza! Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny olona! Milaza amintsika ny Baiboly fa ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. — Apokalypsy 21:4.
Eo ambanin’ilay fanapahan’i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, ny fiainana eto an-tany dia tena hilamina, rehefa ela ny ela. Eny tokoa, ny filaminana maneran-tany dia hisy eo ambanin’ny fanapahana marina sy feno fitiavan’ny fitondram-panjakana iray — ny Fanjakan’Andriamanitra. — Isaia 9:5, 6; Apokalypsy 7:9, 17.
[Teny notsongaina, pejy 4]
“Ny filaminan-tsain’ny olombelona dia manondro finoana ny ampitso, (...) [finoana ny] tsy fihilangilanan’ny tarehin-javatra ara-politika sy ara-toe-karena.” — Vehivavy iray monina any Azia
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Izay mahatonga anao hahatsapa tsy filaminan-tsaina ambonin’ny zavatra rehetra, dia ny herisetra sy ny ditran’ny ankizy.” — Lehilahy iray monina any Amerika Atsimo
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Tsy nahatsapa filaminan-tsaina aho nandritra ny (...) fidirana an-keriny tatỳ amin’ny taninay. Raha miady ny tany iray, ahoana no hiheverana fa hahatsapa filaminan-tsaina ny mponina?” — Mpianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra any Moyen-Orient
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Hahatsapa filaminan-tsaina aho, rehefa mahalala fa afaka mandeha eny amin’ny arabe amin’ny alina nefa tsy ho voasavika.” — Ankizivavy mpianatra atsy Afrika