Fitantanan-draharaha Teokratika Amin’ny Andro Kristiana
‘Araka ny safidiny no hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.’ — EFESIANA 1:9, 10.
1, 2. a) Nanao ahoana ny fizotran’ny fanangonana ny ‘zavatra any an-danitra’, nanomboka tamin’ny 33 am.f.i.? b) Ahoana no nampisehoan’ny Kristiana voahosotra ny toe-tsain’i Mosesy sy i Elia, nanomboka tamin’ny 1914?
IO FANANGONANA ‘ny zavatra any an-danitra’ io dia nanomboka tamin’ny taona 33 am.f.i., rehefa teraka ny “Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16; Isaia 43:10; 1 Petera 2:9, 10). Taorian’ny taonjato voalohany am.f.i., dia niadana kokoa ilay fanangonana, satria rakotry ny “tsimparifary” nafafin’i Satana ny Kristiana marina (nantsoin’i Jesosy hoe “vary”). Arakaraka ny nanakekezan’ny “andro farany” anefa, dia nipoitra indray ny tena Isiraelin’Andriamanitra ary voatendry hanapaka ny fananan’i Jesosy rehetra izy ireo, tamin’ny 1919.a — Matio 13:24-30, 36-43; 24:45-47; Daniela 12:4.
2 Nandritra ny ady lehibe voalohany, ireo Kristiana voahosotra dia nanao asa mahagaga, tsy nisy hafa tamin’izay nataon’i Mosesy sy i Elia.b (Apokalypsy 11:5, 6). Nanomboka tamin’ny 1919, dia nitory ny vaovao tsara teo amin’ny tontolo iray feno fankahalana izy ireo, ka nanao izany tamin’ny fananana ny herim-pon’i Elia. (Matio 24:9-14). Ary nanomboka tamin’ny 1922, dia nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ny olombelona izy ireo, tsy nisy hafa tamin’ny nitondran’i Mosesy ireo loza avy amin’Andriamanitra tamin’i Egypta fahiny. (Apokalypsy 15:1; 16:2-17). Ny sisa amin’ireny Kristiana voahosotra ireny amin’izao andro izao no votoatin’ilay fitambaran’olon’ny tontolo vaovao, dia ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fitambara-mpitantana eo am-perinasa
3. Fisehoan-javatra inona avy no mampiseho fa voalamina tsara ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany?
3 Hatrany am-piandohany, dia voalamina ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy. Rehefa nitombo ny isan’ireo mpianatra, dia nisy kongregasiona naorina teo an-toerana ary nisy loholona notendrena. (Titosy 1:5). Taorian’ny 33 am.f.i., dia ireo apostoly 12 no nanao ny asan’ny fitambara-mpitantana foibe ofisialy. Tamin’ny naha-izany azy ireo, dia nitarika tsy tamin-tahotra ny asa fitoriana izy ireo. (Asan’ny Apostoly 4:33, 35, 37; 5:18, 29). Nandamina ny fizarana sakafo tamin’ireo nahantra izy ireo, ary nandefa an’i Petera sy i Jaona tany Samaria mba hanao zavatra nifanaraka tamin’ny tatitra momba ny fahalianana tany. (Asan’ny Apostoly 6:1-6; 8:6-8, 14-17). Nitondra an’i Paoly tany amin’izy ireo i Barnabasy mba hanamafisana fa efa mpanara-dia an’i Jesosy izao io mpanenjika taloha io. (Asan’ny Apostoly 9:27; Galatiana 1:18, 19). Ary rehefa avy nitory tamin’i Kornelio sy ny ankohonany i Petera, dia niverina tany Jerosalema ka nanazava tamin’ireo apostoly sy ireo rahalahy jodiana hafa ny amin’ny fomba nanondroan’ny fanahy masina ny sitrapon’Andriamanitra tamin’io toe-javatra io. — Asan’ny Apostoly 11:1-18.
4. Ahoana no nanandramana hamono an’i Petera, nefa ahoana no nahavonjy ny ainy?
4 Niharam-pamelezana feno halozana avy eo ny fitambara-mpitantana. Naiditra am-ponja i Petera, ary tsy voavonjy ny ainy raha tsy ny anjely no niditra an-tsehatra. (Asan’ny Apostoly 12:3-11). Sambany izao vao nisy olona hafa ankoatra ny apostoly 12, nanjary nanana toerana nisongadina tao Jerosalema. Rehefa nafahana avy tany am-ponja i Petera, dia nilaza toy izao tamin’ny antokon’olona iray nivory tao an-tranon’ny renin’i Jaona Marka: “Ambarao amin’i Jakoba [rahalahin’i Jesosy iray reny taminy] sy ny rahalahy izany zavatra izany.” — Asan’ny Apostoly 12:17.
5. Ahoana no niovan’ny mpikambana nahaforona ny fitambara-mpitantana, taorian’ny nahafatesan’i Jakoba ho martiora?
5 Teo aloha, rehefa avy namono tena i Jodasy Iskariota, ilay apostoly namadika, dia takatra fa nilaina ny hanomezana ny “anjara-raharahany” tamin’ny naha-apostoly azy, ho an’ny olona iray izay niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny fanompoany ary nanatri-maso ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Kanefa, rehefa novonoina ho faty i Jakoba, rahalahin’i Jaona, dia tsy nisy olona nasolo azy mba ho anisan’ny 12 lahy. (Asan’ny Apostoly 1:20-26; 12:1, 2). Mampiseho kosa anefa ny firesahan’ny Soratra Masina manaraka momba ny fitambara-mpitantana fa nohatevenina izy io. Rehefa nisy ady hevitra nipoitra ny amin’ny hoe tokony hankatò ny Lalàn’i Mosesy ve ny Jentilisa nanaraka an’i Jesosy sa tsia, dia nalefa tany amin’ny “Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema” ilay raharaha mba handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra. (Asan’ny Apostoly 15:2, 6, 20, 22, 23; 16:4). Nahoana no niharihary izao fa nisy “loholona” anisan’ny fitambara-mpitantana? Tsy lazain’ny Baiboly ny antony, kanefa dia nisy soa nibaribary tamin’izany. Ny nahafatesan’i Jakoba sy ny nampidirana am-ponja an’i Petera dia nampiseho fa mety haiditra am-ponja na hovonoina ho faty indray andro any, ireo apostoly. Amin’izay mety ho fitrangan-javatra toy izany, ny fisian’ny loholona hafa nanana ny toetra ilaina, za-draharaha tamin’ny fomba fanaovan’ny fitambara-mpitantana zavatra, dia hanome antoka ny hitohizan’ny fiandraiketana amin’ny fomba milamina.
6. Tamin’ny fomba ahoana no nanohizan’ny fitambara-mpitantana niasa tao Jerosalema, na dia tsy tao amin’io tanàna io intsony aza ireo mpikambana voalohany tao aminy?
6 Rehefa tonga tao Jerosalema i Paoly, tokony ho tamin’ny taona 56 am.f.i., dia niseho teo anatrehan’i Jakoba izy, ary milaza ny Baiboly hoe: “Vory teo ny loholona rehetra.” (Asan’ny Apostoly 21:18). Nahoana no tsy nisy firesahana momba ny apostoly tamin’io fivoriana io? Eto indray koa, dia tsy lazain’ny Baiboly ny antony. Nanao tatitra anefa i Eusèbe, mpanoratra tantara, tatỳ aoriana, fa fotoana kelikely talohan’ny 66 am.f.i., dia “voatery nandao an’i Jodia ireo apostoly sisa, izay notandindomin-doza hatrany noho ny tetika natao hamonoana azy. Mba hampianarana ny hafatra nentiny anefa, dia nandeha nitety ny tany rehetra tamin’ny herin’i Kristy izy ireo”. (Eusebius, Boky III, V, and. 2). Marina fa tsy anisan’ny fitantarana ara-tsindrimandry ireo tenin’i Eusèbe, saingy tena mifanaraka amin’izay lazain’io fitantarana io kosa. Ohatra, tamin’ny 62 am.f.i., i Petera dia tany Babylona — lavitra an’i Jerosalema. (1 Petera 5:13). Na dia izany aza, tamin’ny 56 am.f.i., ary azo inoana fa hatramin’ny 66 am.f.i., dia mazava fa nisy fitambara-mpitantana niasa tao Jerosalema.
Fitantanan-draharaha amin’ny andro maoderina
7. Raha ampitahaina amin’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany ny mpikambana amin’ny Fitambara-mpitantana amin’izao andro izao, dia inona no fahasamihafany miavaka?
7 Nanomboka tamin’ny 33 am.f.i. ka hatramin’ilay fahoriana tao Jerosalema, dia niharihary fa Kristiana jiosy no tao anatin’ny fitambara-mpitantana. Nandritra ny fitsidihany tamin’ny 56 am.f.i., dia fantatr’i Paoly fa Kristiana jiosy maro tao Jerosalema, no mbola ‘fatra-pitana ny lalàn’i Mosesy’, na dia ‘nino an’i Jesosy Kristy Tompontsika’ aza izy ireo.c (Jakoba 2:1; Asan’ny Apostoly 21:20-25). Mety ho sarotra ho an’ireny Jiosy ireny ny haka sary an-tsaina Jentilisa iray tao amin’ny fitambara-mpitantana. Amin’izao andro maoderina izao anefa, dia nisy fiovana hafa iray teo amin’izay mahaforona an’io fitambaran’olona io. Amin’izao andro izao, dia Kristiana jentilisa voahosotra daholo no ao anatin’izy io, ary nitahy be dia be ny fiandraiketan’izy ireo i Jehovah. — Efesiana 2:11-15.
8, 9. Fivoaran-javatra inona avy no nitranga teo amin’ny Fitambara-mpitantana amin’ny andro maoderina?
8 Nanomboka tamin’ny nananganana ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania tamin’ny 1884 ka hatramin’ny 1972, ny prezidàn’ny Fikambanana dia nanana fahefana lehibe tao amin’ny fandaminan’i Jehovah, fa ny Fitambara-mpitantana kosa dia nifandray akaiky tamin’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana. Ireo fitahiana azo nandritra ireny taona ireny dia manaporofo fa nanaiky io fandaharana io i Jehovah. Teo anelanelan’ny 1972 sy ny 1975, dia nohatevenina hisy mpikambana 18 ny Fitambara-mpitantana. Nihananakaiky kokoa ny fandaharana nisy tamin’ny taonjato voalohany ny tarehin-javatra rehefa nomena fahefana lehibe kokoa io fitambaran’olona nohatevenina io, ka ny sasany amin’izy ireo dia mpitantana ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
9 Nanomboka tamin’ny 1975, dia nisy maromaro tamin’ireo 18 ireo, nahavita ny fihazakazahany teto an-tany. Nandresy izao tontolo izao izy ireny ary ‘miara-mipetraka amin’i Jesosy eo ambonin’ny seza fiandrianany’. (Apokalypsy 3:21). Noho io antony io sy ny hafa, dia mpikambana folo ankehitriny no ao anatin’ny Fitambara-mpitantana, anisan’izany ny iray izay nanampiana azy ireo tamin’ny 1994. Tena efa be taona ny ankamaroan’izy ireo. Kanefa, ireny rahalahy voahosotra ireny dia omena fanohanana tsara dia tsara, eo am-panefan’izy ireo ny adidiny mavesatra. Aiza no ahitana izany fanohanana izany? Ny fijerena indray mitopy maso ireo fivoaran-javatra maoderina teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra dia mamaly an’io fanontaniana io.
Fanohanana ny Isiraelin’Andriamanitra
10. Iza no nanatevin-daharana ny voahosotra, teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah amin’izao andro farany izao, ary ahoana no nanambaran’ny faminaniana izany?
10 Tamin’ny 1884, dia saika Kristiana voahosotra avokoa ireo rehetra niaraka tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra. Nisy antokon’olona hafa nanomboka nipoitra tsikelikely anefa, ary tamin’ny 1935, dia fantatra ho ilay “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7 io antokon’olona io. Noho izy ireo manana fanantenana ny ho eto an-tany, dia mampiseho ‘ny zavatra etỳ an-tany’ izay kasain’i Jehovah hangonina ho iray ao amin’i Kristy, izy ireo. (Efesiana 1:10). Mampiseho ny “ondry hafa” ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny valan’ondry, izy ireo. (Jaona 10:16). Nanomboka tamin’ny 1935, dia nirohotra ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ny ondry hafa. ‘Nanidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromahailala ho amin’ny varavarankeliny’ izy ireo. (Isaia 60:8). Noho ny fitomboana eo amin’ny olona betsaka sy ny fihenana eo amin’ny kilasin’ny voahosotra, satria maro no mahavita ny fihazakazahany eto an-tany eo amin’ny fahafatesany, dia nisy ondry hafa manana ny toetra ilaina, nanjary nanana anjara asa nihanitombo teo amin’ny asa kristiana. Tamin’ny fomba ahoana?
11. Tombontsoa inona avy, izay voafetra ho an’ny Kristiana voahosotra tany am-boalohany, no nomena ny ondry hafa?
11 Adidy manokana iray foana ho an’ny ‘firenena masin’Andriamanitra’ ny filazana ny hatsaran’i Jehovah. Niresaka azy io ho toy ny fanatitra tao amin’ny tempoly i Paoly, ary ireo ho “fanjakà-mpisorona” dia nirahin’i Jesosy hitory sy hampianatra. (Eksodosy 19:5, 6; 1 Petera 2:4, 9; Matio 24:14; 28:19, 20; Hebreo 13:15, 16). Na dia izany aza, ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Aogositra 1932 dia nampirisika manokana an’ireo nanana an’i Jonadaba ho tandindona, mba handray anjara amin’io asa io. Eny tokoa, maro tamin’ny ondry hafa toy izany no efa nanao izany. Amin’izao andro izao, dia saika ataon’ny ondry hafa avokoa ny asa fitoriana rehetra, ka izany dia toy ny tapany lehibe iray amin’ny ‘fanompoany an’Andriamanitra andro aman’alina ao amin’ny tempoliny’. (Apokalypsy 7:15). Mitovy amin’izany ihany, tany am-piandohan’ny tantara maoderin’ny vahoakan’i Jehovah, ireo loholon’ny kongregasiona dia Kristiana voahosotra, “kintana” eny an-tanana havanan’i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 1:16, 20). Nanambara anefa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 May 1937 fa afaka ny ho mpikarakara fitambaran’olona (mpiandraikitra mpitantan-draharaha) ny ondry hafa manana ny toetra ilaina. Na dia nisy lehilahy voahosotra aza teo, dia ho azo ampiasaina ny ondry hafa raha tsy afaka miantsoroka an’io andraikitra io ireo lehilahy voahosotra. Amin’izao andro izao, dia saika ondry hafa avokoa ny loholon’ny kongregasiona rehetra.
12. Inona avy no ohatra araka ny Soratra Masina narahina, raha ny amin’ny fandraisan’ny ondry hafa andraikitra mavesatra ao anatin’ny fandaminana?
12 Tsy mety ve ny hanomezana andraikitra mavesatra toy izany ny ondry hafa? Tsia, manaraka ohatra ara-tantara izy io. Nanana toerana ambony teo amin’ny Isiraely fahiny ny proselyta vahiny sasany. (2 Samoela 23:37, 39; Jeremia 38:7-9). Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia nisy Netinima (mpanompo tao amin’ny tempoly izay tsy Isiraelita) nanana ny toetra ilaina, nomena tombontsoam-panompoana tao amin’ny tempoly, dia tombontsoa izay ny Levita ihany no hany nanana azy io teo aloha. (Ezra 8:15-20; Nehemia 7:60). Fanampin’izany, i Mosesy izay hita niaraka tamin’i Jesosy, tao amin’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy, dia nanaiky ilay torohevitra tsara dia tsara natolotr’i Jetro midianita. Tatỳ aoriana, dia nangataka an’i Hobaba, zanakalahin’i Jetro, izy mba hitari-dalana azy ireo hamakivaky ny efitra. — Eksodosy 18:5, 17-24; Nomery 10:29.
13. Amin’ny fanankinana andraikitra amim-panetren-tena amin’ny ondry hafa manana ny toetra ilaina, dia toe-tsaina tsara dia tsara nasehon’iza no tahafin’ny voahosotra?
13 Tany amin’ny faramparan’ireo 40 taona tany an’efitra, dia nivavaka i Mosesy mba hanomezan’i Jehovah mpandimby, noho ny fahafantarany fa tsy hiditra any amin’ny Tany Nampanantenaina izy. (Nomery 27:15-17). Nilaza taminy i Jehovah mba hanendry an’i Josoa teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, ary dia nanao izany i Mosesy, na dia mbola natanjaka ara-batana sy tsy nitsahatra avy hatrany nikarakara ny Isiraely aza izy. (Deoteronomia 3:28; 34:5-7, 9). Amin’ny toe-tsaina feno fanetren-tena mitovy amin’izany, ny voahosotra dia efa manome tombontsoa mitombo ho an’ny lehilahy manana ny toetra ilaina, eo anivon’ny ondry hafa.
14. Faminaniana inona avy no manondro ny anjara asa mihamitombo ananan’ny ondry hafa, ao anatin’ny fandaminana?
14 Iompanan’ny faminaniana koa ny anjara asa mihamitombo ananan’ny ondry hafa, ao anatin’ny fandaminana. Nanambara mialoha i Zakaria fa ho “toy ny lohany amin’ny firenen’i Joda” ny Filistina, tsy Isiraelita. (Zakaria 9:6, 7). Ireo loha dia filoham-poko, koa nilaza àry i Zakaria fa ny olona iray fahavalon’ny Isiraely taloha dia hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina ary ho tonga toy ny filoham-poko ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Ankoatra izany, dia hoy i Jehovah, rehefa niteny tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra: “Ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo, fa hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo”. (Isaia 61:5, 6). Ireo “vahiny” sy “hafa firenena” dia ny ondry hafa. Nanankinana andraikitra mba hiantsoroka asa bebe kokoa hatrany izy ireo, raha mbola mamita ny fihazakazahany eto an-tany ny sisa voahosotra be taona, ka lasa “mpisoron’i Jehovah” any an-danitra amin’ny heviny feno. Manodidina ny seza fiandrianan’ny fahalehibeazan’i Jehovah izy ireo, amin’ny maha-“mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika” azy. — 1 Korintiana 15:50-57; Apokalypsy 4:4, 9-11; 5:9, 10.
“Ny taranaka (...) mbola ho avy”
15. Amin’izao andro farany izao, dia antokona Kristiana iza no efa tonga amin’ny ‘fahanterana’, ary antokon’olona iza no mampiseho “ny taranaka (...) mbola ho avy”?
15 Dodona hampiofana ny ondry hafa ho amin’ny andraikitra mitombo ny sisa voahosotra. Hoy ny Salamo 71:18: “Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.” Nivaofy an’io andininy io Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Desambra 1948, ka nanazava fa efa tena tonga amin’ny fahanterana tokoa ny kongregasionan’ny Kristiana voahosotra. Nanohy nilaza izy io fa ny voahosotra dia “mibanjina [am-pifaliana] ny eo anoloany avy amin’ny fanazavan’ny faminanian’ny Baiboly, ka mahita taranaka vaovao iray”. Iza indrindra moa no resahina amin’izany? Hoy ilay Ny Tilikambo Fiambenana: “Niresaka azy ireo ho ‘ondry hafa’ i Jesosy.” Ilay ‘taranaka mbola ho avy’ dia manondro ny olombelona izay hiaina eo ambanin’ilay fitantanan-draharaha vaovaon’ny tany, hotapahin’ny Fanjakan’ny lanitra.
16. Miandrandra amim-pahadodonana fitahiana inona avy ireo anisan’ny ‘taranaka mbola ho avy’?
16 Tsy lazain’ny Baiboly mazava hoe rahoviana ny Kristiana voahosotra rehetra no handao ireo rahalahiny anisan’io ‘taranaka mbola ho avy’ io ka homem-boninahitra miaraka amin’i Jesosy Kristy. Matoky anefa ireo voahosotra ireo fa mihamanakaiky ny fotoana ho amin’izany. Ireo fisehoan-javatra nambara mialoha ao amin’ilay faminaniana lehiben’i Jesosy momba ny “andro farany” dia efa eo am-pitrangana nanomboka tamin’ny 1914, ka izany dia mampiseho fa akaiky ny fandravana itỳ tontolo itỳ. (Daniela 12:4; Matio 24:3-14; Marka 13:4-20; Lioka 21:7-24). Tsy ho ela i Jehovah dia hampiditra tontolo vaovao iray, ka ao no ‘handova ny fanjakana [ny faritra eto an-tany] voavoatra ho azy ireo hatrizay nanorenana izao tontolo izao’ ‘ilay taranaka mbola ho avy’. (Matio 25:34). Mientam-po izy ireo miandrandra ny famerenana indray ny Paradisa sy ny fananganana ny maty an-tapitrisany maro avy any amin’ny Hadesy. (Apokalypsy 20:13, NW ). Hisy voahosotra ve eo mba hitsena ireo ho tafatsangana amin’ny maty? Tamin’ny 1925, dia hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 May: “Tsy tokony hilaza araka izay tiantsika isika hoe inona no hataon’Andriamanitra na tsy hataony. (...) Isika [anefa] dia tarihina ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa homem-boninahitra alohan’ny hitsanganan’ireo olo-mendrika fahiny [vavolombelona nahatoky talohan’ny andro kristiana] ireo mpikambana amin’ny Fiangonana [Kristiana voahosotra].” Mitovy amin’izany ihany, raha nandinika ny amin’ny hoe hisy sasany amin’ny voahosotra ve hanatrika eo mba hitsena ireo tafatsangana amin’ny maty, dia hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1989: ‘Tsy hisy hilana izany.’d
17. Tombontsoa mahatalanjona inona avy no hiombonan’ny voahosotra amin’ny fitambarany sy i Jesosy Kristy Mpanjaka nahazo fiandrianana?
17 Marina fa tsy fantatsika izay hitranga amin’ny Kristiana voahosotra tsirairay. Kanefa, ny niarahan’i Mosesy sy i Elia tamin’i Jesosy, tamin’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy, dia manondro fa ireo Kristiana voahosotra tafatsangana amin’ny maty dia antenaina hiaraka amin’i Jesosy rehefa ho avy amim-boninahitra “hamaly ny olona rehetra araka ny nataony” izy, ka havoaka sy hotanterahina ny didim-pitsarany. Ankoatra izany, dia tadidintsika ilay fampanantenan’i Jesosy hoe hiombonany amin’ny Kristiana voahosotra “maharesy” ny ‘fiandrasana ireo firenena amin’ny tehim-by’, ao Haramagedona. Rehefa ho avy amim-boninahitra i Jesosy, dia hiara-mipetraka aminy “hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” izy ireo. Miaraka amin’i Jesosy, dia ‘hanorotoro an’i Satana eo ambanin’ny tongony’ izy ireo. — Matio 16:27–17:9; 19:28; Apokalypsy 2:26, 27; 16:14, 16; Romana 16:20; Genesisy 3:15; Salamo 2:9; 2 Tesaloniana 1:9, 10.
18. a) Manao ahoana ny tarehin-javatra raha ny amin’ny ‘fanangonana ny zavatra rehetra any an-danitra ho iray ao amin’i Kristy’? b) Inona no azontsika lazaina momba ny ‘fanangonana ny zavatra etỳ an-tany ho iray ao amin’i Kristy’?
18 Mifanaraka amin’ny fomba fitantanany raharaha, i Jehovah dia manao zavatra miandalana mba “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”. Raha ny amin’‘ny zavatra any an-danitra’, dia manatona ny fahatanterahany ny fikasan’i Jehovah. Akaiky ny fampiraisana an’i Jesosy amin’ireo 144 000 rehetra any an-danitra, ho amin’ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”. Noho izany, dia nisy rahalahy matotra sy efa naharitra ela, anisan’ny ondry hafa, izay mampiseho ‘ny zavatra etỳ an-tany’, nanankinana andraikitra mavesatra kokoa ho fanohanana ireo rahalahiny voahosotra. Fotoana mandrisika toy inona moa no iainantsika! Mampientana toy inona moa ny mahita ny fikasan’i Jehovah mizotra ho amin’ny fahatanterahany! (Efesiana 1:9, 10; 3:10-12; Apokalypsy 14:1; 19:7, 9). Ary toy inona moa ny fifalian’ny ondry hafa manohana ireo rahalahiny voahosotra, raha mbola miara-manompo amin’ny maha-“andiany iray” eo ambany fitarihan’ny ‘mpiandry iray’ ireo antokon’olona roa ireo, ho fanekena an’i Jesosy Kristy Mpanjaka, sy ho voninahitr’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompom-piandrianana lehibe eo Amin’izao Rehetra Izao! — Jaona 10:16; Filipiana 2:9-11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1982, pejy faha-16-26 na Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 Novambra 1981, pejy faha-16-26.
b Ohatra, nanomboka tamin’ny 1914, ny “Photo-Drame de la création” — fampisehoana an-tsary sy noraisina feo, misy fizarana efatra — dia naseho tamin’ny mpijery tany amin’ireo sinema feno hipoka, nanerana ny tontolo tandrefana.
c Raha ny amin’ny mety ho antony nahatonga Kristiana jiosy sasany ho fatra-pitana ny Lalàna, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-1521-1522.
d Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1990, pejy faha-30-31; 15 Martsa 1991, pejy faha-30.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no nandrosoan’ny fandaminan’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Ahoana no nivoaran’ny Fitambara-mpitantana teo amin’ny tantara maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Andinin-teny inona avy no manome lalana ny fanomezana fahefana ny ondry hafa ao amin’ny fandaminan’i Jehovah?
◻ Ahoana no nanangonana ‘ny zavatra any an-danitra’ sy ny ‘zavatra etỳ an-tany’ ho iray ao amin’i Kristy?
[Sary, pejy 16]
Na dia tsy tao Jerosalema intsony aza ireo mpikambana voalohany tao amin’ny fitambara-mpitantana, dia nanohy niasa tao izy io
[Sary, pejy 18]
Fitahiana ho an’ny vahoakan’i Jehovah ireo Kristiana voahosotra matotra
C. T. Russell 1884-1916
J. F. Rutherford 1916-1942
N. H. Knorr 1942-1977
F. W. Franz 1977-1992
M. G. Henschel 1992-