Nomery
10 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Manamboara trompetra+ volafotsy roa. Tefeo amin’ny marotoa ilay izy, dia ampiasao rehefa tokony hantsoina ny vahoaka, na rehefa tokony hifindra lasy. 3 Rehefa miara-tsofina izy roa, dia ny vahoaka manontolo no hantsoina hankeny aminao eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny mpiadidy, izany hoe ny mpifehy ny arivo eo amin’ny Israely, ihany no hantsoina hankeny aminao.+
5 “Rehefa tsofinareo hamoaka feo miovaova ny trompetra, dia tokony hiainga izay mitoby eny atsinanana.+ 6 Rehefa tsofinareo fanindroany hamoaka feo miovaova ny trompetra, dia izay mitoby eny atsimo+ indray no tokony hiainga. Tokony ho hoatr’izany foana no hitsofana ny trompetra, isaky ny misy fizarana hiainga.
7 “Rehefa hamory ny fiangonana rehetra ianareo, dia tokony hitsoka trompetra,+ nefa aza ovaovana ny feony. 8 Ireo mpisorona zanakalahin’i Arona no hitsoka azy.+ Ho fitsipika harahinareo foana hatrany amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany fomba ampiasana trompetra izany.
9 “Rehefa any amin’ny taninareo ianareo ka misy fahavalo tonga manafika anareo, dia tsofy ny trompetra+ mba hilazana hoe handeha hiady ianareo. Dia hotsaroan’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ka hovonjeny dia tsy ho resin’ny fahavalonareo.
10 “Rehefa tonga koa ny fotoana mahafaly anareo,+ izany hoe rehefa fety+ sy amin’ny fiandohan’ny volana, dia hitsoka trompetra ianareo rehefa manolotra fanatitra dorana+ sy sorona iombonana.+ Hotsaroan’Andriamanitra ianareo amin’izay, rehefa tsofina ny trompetra. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”+
11 Tamin’ny andro faha-20 tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa,+ dia niakatra ny rahona ka niala teo amin’ny tranolay+ misy ny Tenin’ny Vavolombelona. 12 Dia niainga ny Israelita ka niala tany an-tany efitr’i Sinay. Nanaraka tsara an’ilay filaharana efa napetraka izy ireo rehefa niainga.+ Ary nijanona tany an-tany efitr’i Parana+ ilay rahona. 13 Tamin’izay izy ireo no niainga voalohany, satria izay no baiko nampitain’i Jehovah tamin’i Mosesy.+
14 Ny fizarana nisy ny tobin’ny taranak’i Joda àry no niainga voalohany, arakaraka ny antokony* avy. I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpifehy ny antokon’ny taranak’i Joda. 15 I Netanela+ zanak’i Zoara indray no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Isakara. 16 Ary i Eliaba+ zanak’i Helona no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Zebolona.
17 Rehefa noravana ny tranolay,+ dia niainga ny taranak’i Gersona+ sy ny taranak’i Merary,+ izay nitondra ny tranolay.
18 Taorian’izay, dia niainga ny fizarana nisy ny tobin’i Robena, arakaraka ny antokony* avy. I Elizora+ zanak’i Sedeora no mpifehy ny antokon’ny taranak’i Robena. 19 I Selomiela+ zanak’i Zorisaday kosa no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Simeona. 20 Ary i Eliasafa+ zanak’i Doela no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Gada.
21 Avy eo dia niainga ny Kehatita, izay nilanja an’ireo fitaovan’ny toerana masina.+ Tokony ho efa voatsangana ny tranolay masina, rehefa tonga izy ireo.
22 Taorian’izay, dia niainga ny fizarana nisy ny tobin’ny taranak’i Efraima, arakaraka ny antokony* avy. I Elisama+ zanak’i Amihoda no mpifehy ny antokon’ny taranak’i Efraima. 23 I Gamaliela+ zanak’i Pedazora kosa no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Manase. 24 Ary i Abidana+ zanak’i Gideony no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Benjamina.
25 Taorian’izay, dia niainga ny fizarana nisy ny tobin’ny taranak’i Dana, arakaraka ny antokony* avy. Izy ireo no vodilaharana mpiaro ny toby rehetra. I Ahiezera+ zanak’i Amisaday no mpifehy ny antokon’ny taranak’i Dana. 26 I Pagiela+ zanak’i Okrana kosa no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Asera. 27 Ary i Ahira+ zanak’i Enana no mpifehy ny antoko misy ny fokon’ny taranak’i Naftaly. 28 Izany no filaharan’ny Israelita sy ny antokony,* rehefa niainga izy ireo.+
29 Ary hoy i Mosesy tamin’i Hobaba zanak’i Regoela*+ Midianita, rafozandahin’i Mosesy: “Handeha izahay ka ho any amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah hoe: ‘Homeko anareo io.’+ Andao hiaraka aminay+ fa hokarakarainay tsara ianao, satria i Jehovah efa nampanantena zavatra tsara ho an’ny Israely.”+ 30 Hoy anefa i Hobaba: “Tsy handeha aho fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.” 31 Dia hoy i Mosesy: “Aza ilaozana re izahay e! Ianao mantsy no mahalala hoe aiza izahay no tokony hitoby atỳ an-tany efitra, dia ianao no afaka mitari-dalana anay.* 32 Raha miaraka aminay ianao,+ dia tena homenay amin’izay soa rehetra hataon’i Jehovah aminay.”
33 Dia niala teo amin’ilay tendrombohitr’i Jehovah+ izy ireo, ka nandeha lalana telo andro. Nentina teo alohan’izy ireo foana ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, tao anatin’ireo telo andro ireo, mba hitady toerana azon’izy ireo akana aina.+ 34 Ary teo ambonin’izy ireo ilay rahon’i Jehovah+ rehefa antoandro, rehefa niainga avy teo amin’izay nitobiany izy ireo.
35 Isaky ny niainga ilay Vata, dia hoy i Mosesy: “Mitsangàna, Jehovah ô,+ ka ataovy miparitaka ny fahavalonao. Ataovy mandositra eo anatrehanao ireo mankahala anao.” 36 Rehefa nijanona kosa ilay izy, dia hoy izy: “Miverena, Jehovah ô! Miverena eo amin’ny Israely tsy hita isa.”*+