Toko 20
Ny Aina sy ny Ra — Mihevitra Azy Ireo ho Masina ve Ianao?
1. a) Manao ahoana ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny aina? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mankasitraka ny aina izay fanomezan’Andriamanitra isika?
TSY tokony hahagaga antsika raha hafa dia hafa noho ny an’izao tontolo izao ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny aina. Amin’Andriamanitra, ny ain’olombelona dia masina. Mihevitra azy io ho toy izany koa ve ianao? Isika dia miankina tanteraka amin’Andriamanitra, izay “manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra”. (Asa. 17:25-28; Sal. 36:9). Raha mitovy hevitra amin’Andriamanitra isika, dia hiaro ny aintsika. Tsy handika ny lalàn’Andriamanitra mba hanandramana hamonjy ny aintsika ankehitriny koa isika. Ary mankamamy ny fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay ho an’ireo izay maneho finoana marina ny Zanany koa isika. — Matio 16:25, 26; Jaona 6:40, NW; Joda 21.
2. Manome taratry ny fihetsik’iza eo anatrehan’ny aina moa izao tontolo izao, ary mitarika ho amin’ny fanjohian-kevitra hoe ahoana izany indraindray?
2 Mifanohitra amin’izany kosa, i Jesosy dia nilaza fa i Satana Devoly, ilay mpanapaka an’ity tontolo ity, dia “mpamono olona hatramin’ny taloha”. (Jaona 8:44; 12:31, NW ). Hatrany am-piandohan’ny lalam-pikomiana narahiny mihitsy izy dia nitondra fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona. Manome taratry ny toe-tsainy ny tantara feno herisetran’izao tontolo izao. Kanefa hain’i Satana koa ny mampiseho fisehoana ivelany toa hafa noho izany. Noho izany, ireo olona izay voataonan’ny fomba fisainany dia milaza fa, na dia tsy misy maha-ratsy azy aza ny fanarahana fivavahana, rehefa tandindomin-doza ny ainao, dia handray soa ianao amin’ny fanarahana ny toroheviny amin’ny maha-“manam-pahaizana manokana” azy, fa tsy amin’ny fanononana ny Baiboly akory. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:14, 15.) Rehefa tojo tarehin-javatra toa mandrahona ny ainao ianao, hirona ho aiza moa ny fonao? Mazava ho azy fa ny faniriantsika dia tokony ho ny hanao izay ankasitrahan’i Jehovah.
3. a) Nahoana isika no tokony ho liana manokana amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny ra? b) Vakio ny Genesisy 9:3-6 sy ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29, ary avy eo dia valio ireo fanontaniana voatanisa etsy ambony amin’ny alalan’ireo andinin-teny ireo.
3 Mampiharihary ny fisian’ny fifandraisana akaiky eo amin’ny aina sy ny ra ny Tenin’Andriamanitra ka milaza hoe: “Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra”. Tsy misy hafa amin’ny maha-masina ny aina, ny ra koa dia nataon’Andriamanitra ho masina. An’Andriamanitra izy io, ka tsy tokony hampiasaina afa-tsy amin’ny fomba ankasitrahany ihany. (Lev. 17:3, 4, 11; Deot. 12:23). Ho tsara àry ny handinihantsika amim-pitandremana izay takiny amintsika momba ny ra.
Vakio ny Genesisy 9:3-6
Fanao inona avy eo amin’ny faritra misy anao no tokony haha-mailo anao mba tsy hihinanana ram-biby?
Raha heverina izay voalaza eo amin’ny Ge 9 andininy faha-4 momba ny ram-biby, hanao ahoana no ho fihetsikao eo anoloan’ny fisotroana ran’olombelona (toy ny natao tamin’ny adin’ireo gladiateurs romana, na mpiady hatramin’ny fahafatesan’ny mpifaninana aminy ho fialam-bolin’ny mpijery)?
Araka ny aseho eo amin’ny Ge 9 andininy faha-5 sy faha-6, dia iza no hampamoaka antsika voalohany indrindra raha mandatsaka ran’olombelona isika?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29
Moa ve io teny io manambara fa tsy hihatra afa-tsy mandritra ny fotoana voafetra ihany ireo zavatra takina ireo? Mihatra amintsika koa ve izy ireo?
Moa ve manala ny ran’olombelona tsy ho voakasik’io baiko io ny fomba fiteny eto?
Moa ve ireo andinin-teny ireo milaza fa mety hisy toe-javatra maningana amin’ny tarehin-javatra mahatandindomin-doza?
4. Araka ny hazavaina eto, inona no mety hilain’ny olona iray hatao mba tsy hivesarany trosan-dra?
4 Raha ny amin’ny ran’olombelona, dia tsy afaka ny hihevitra isika fa ny fanalavirana ny famonoana olona fotsiny dia ampy mba tsy haha-hanan-tsiny antsika. Ny Soratra Masina dia mampiseho fa raha anisan’ny fandaminana iray izay mivesatra trosan-dra eo imason’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manapaka ny fatorantsika aminy mba tsy hiombonana ota aminy. (Apok. 18:4, 24; Mika 4:3). Mendrika ny hanehoantsika fiheverana maika dia maika ny fanaovana izany.
5. Amin’ny ahoana ny fahazotoana eo amin’ny asa fanompoana no mifandray amin’ny tsy fivesarana trosan-dra?
5 Raha ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra nasainy nampitandrina ny amin’ny fandringanana ho avy amin’ny fahoriana lehibe kosa, raha tian’izy ireo ny tsy hivesatra trosan-dra, dia tsy maintsy manambara amim-pahatokiana io hafatra io izy ireo. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 3:17-21.) Ny apostoly Paoly dia nihevitra fa nananan’ny karazan’olona rehetra trosa izy noho ilay fanompoana nanendrena azy hataony. Tsy nihevi-tena ho afaka tamin’ny ran’izy ireo izy raha tsy rehefa avy nanao fanambarana tamin’ny fomba feno taminy momba ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny famonjena. (Rom. 1:14, 15; Asa. 18:5, 6; 20:26, 27). Moa ve ny fahazotoanao eo amin’ny asa fanompoana manome taratry ny fahatakarana toy izany ny andraikitra napetraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra?
6. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fisakanana ny hitrangan’ny loza sy ny fanajana ny fahamasinan’ny aina?
6 Ankoatra izany, dia tokony hoheverintsika ho zava-dehibe koa ny mety hitrangan’ny loza mahafaty. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, ny olona nahatonga ny fahafatesan’ny olona hafa iray tsy nahy dia tsy noheverina ho tsy nanan-tsiny. Nampiharana sazy izy ireny. (Eks. 21:29, 30; Deot. 22:8; Nom. 35:22-25). Raha mandray am-po ilay fotopoto-pitsipika tafiditra amin’izany isika, dia hitandrina mba tsy hampiteraka loza mahafaty noho ny fomba familintsika fiara, na ny fihaikantsika loza tsy amin’ny antony, na ny famelantsika ny hisian’ny zavatra mampidi-doza ao an-tranontsika na any amin’ny toeram-piasantsika. Moa ve ny fihetsitsika eo anoloan’ireo zavatra ireo manome taratry ny fahatakarantsika amin’ny fomba feno ny fahamasinan’ny aina?
Ahoana ny amin’ny fampiasana ny ra eo amin’ny fitsaboana?
7. a) Mifanaraka amin’ny fahamasinan’ny ra ve ny fampidirana ran’olona iray ho ao amin’ny olona hafa iray? b) Nahoana no tsy azon’ny saina ekena ny famerana ny baiko mba ‘hifady ny ra’ ho amin’ireo fanao nahazatra tamin’ny taonjato voalohany ihany?
7 Na dia tsy vaovao aza io fomba fanao io, tamin’izao taonjato faha-20 izao indrindra ny ra no tena nampiasaina tamin’ny fampidiran-dra, mba hampaharetana ny fiainana. Ampiasaina amin’izany fomba izany ny ra manontolo ary koa ireo taharo fototry ny ra. Mazava ho azy fa ireo fomba fitsaboana ireo dia tsy manome antoka fa tsy ho faty ilay marary. Indraindray aza dia maty ilay olona ho vokatra mivantan’ny fampiasana ra toy izany. Kanefa ny mbola zava-dehibe kokoa noho izany aza — Moa ve ny zavatra takin’ny Baiboly mba ‘hifadiantsika ny ra’ mihatra amin’io fomba fitsaboana io? Eny tokoa! Ny fampidirana ra avy amin’ny zavaboary hafa iray, na olombelona izany na biby, ho ao amin’ny tenan’ny tena dia mandika io lalàn’Andriamanitra io. Mampiseho tsy firaharahana ny fahamasinan’ny ra izany. (Asa. 15:19, 20). Tsy misy fototra iorenan’ny fitadiavana hametra ny baiko mba ‘hifady ny ra’ amin’ny fanao nahazatra tamin’ny taonjato voalohany ihany fa tsy amin’ny fomba fitsaboana maoderina. Araho izao fanjohian-kevitra izao: Iza no hilaza fa ny baikon’ny Baiboly mba tsy hamono olona dia tsy mahafaoka ny fakana ain’olona amin’ny alalan’ny basy, satria hoe tsy noforonina raha tsy tamin’ny taonjato faha-10 ny vanja? Ary ho araka ny fandrindran-kevitra ve ny filazana fa ny fandrarana ny fimamoana dia tsy nampiharina afa-tsy tamin’ny zava-pisotro fantatra tamin’ny taonjato voalohany ihany fa tsy amin’ny toaka mahery amin’izao androntsika izao? Ho an’ireo olona maniry marina ny hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra, dia mazava ilay hafatra ampitain’ilay baiko mba ‘hifady ny ra’.
8. a) Ahoana no ahafahanao mahafantatra raha mety ho an’ny Kristiana iray ny fomba fitsaboana iray? b) Raha maniry ny haka ra sasany avy aminao ny dokotera iray, sy hitahiry izany ary avy eo dia hamerina izany indray ho ao amin’ny tenanao, fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly inona avy no mety hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara? d) Ahoana no mety hanjohian’ny olona iray hevitra momba ny fitsaboana iray mitaky ny hampandehanana ny ra amin’ny fitaovana iray ivelan’ny tena?
8 Na dia izany aza, dia mety hiteraka fanontaniana ny fahasarotan’ny fomba fitsaboana sasany. Ahoana no azo andaminana azy ireo? Voalohany aloha, dia mangataha fanazavana tsara momba ilay fitsaboana anoroana hevitra, amin’ny dokoteranao. Avy eo, dia fakafakao amim-bavaka sy amin’ny alalan’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izany. Mety hanipy hevitra ilay dokotera ny hangalana ny sasany amin’ny ran’ny tenanao ihany sy ny hitahirizana izany mba hampiasaina amin’ny fandidiana any aoriana, raha ilaina izany. Hanaiky izany ve ianao? Tadidio fa, araka ny Lalàn’Andriamanitra nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy, ny ra nesorina avy tamin’ny zavaboary iray dia tsy maintsy naidina tamin’ny tany. (Deot. 12:24). Tsy eo ambanin’io fitambaran-dalàna io isika amin’izao andro izao, kanefa ilay hafatra fototra ampitainy dia hoe masina ny ra ka, rehefa esorina amin’ny tenan’ny zavaboary iray izy io, dia tsy maintsy averina amin’Andriamanitra amin’ny fanidinana azy eo amin’ny fitoeran-tongony, izany hoe ny tany. (Ampitahao amin’ny Matio 5:34, 35.) Koa ahoana no hetezan’ny fitahirizana ny ranao (na dia mandritra ny fotoana fohy ihany aza) mba hamerenana azy ao amin’ny tenanao avy eo? Ary ahoana raha milaza ny dokoteranao fa, mandritra ny fandidiana na eo am-panarahana fitsaboana hafa, ny ranao dia havily hanaraka fitaovana fampitohizana ivelan’ny tenanao kanefa hiverina ao eo no ho eo ihany? Hanaiky ve ianao? Nisy nihevitra fa afaka mamela ny fanaovana izany amin’ny fananana feon’ny fieritreretana madio izy ireo, raha toa ka ampandehanina amin’ny alalan’ny ranon-javatra tsy misy ra ilay fitaovana. Noraisiny ho toy ny fitohizan’ny rafi-pikorianan’ny ran’ny tenany ilay fitaovana any ivelany. Mazava ho azy fa samy hafa ireo tarehin-javatra miseho, ary ianao no tsy maintsy manapa-kevitra ho an’ny tenanao. Fa ny fanapahan-kevitrao kosa dia tokony hamela anao hihazona feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. — 1 Pet. 3:16; 1 Tim. 1:19.
9. a) Mba hahazoana antoka fa hohajaina ny fanapahan-kevitrao ‘hifady ny ra’, inona avy no tokony hotandremana mba hatao mialoha? b) Na dia amin’ny tarehin-javatra mahatandindomin-doza aza, ahoana no azo isorohana fifandonana tsy mahafinaritra? d) Raha mitady ny hanery mba hampiasana fampidiran-dra ny dokotera iray na ny fitsarana, inona no hataonao?
9 Mba hahazoana antoka fa hanaja ny fanapahan-kevitrao ‘hifady ny ra’ ilay dokoteranao, dia miresaha aminy alohan’ny hipoiran’ny tarehin-javatra ara-pitsaboana mahatandindomin-doza. Raha ilaina ny hidiranao hopitaly, dia mitandrema mialoha mba hanao fangatahana an-tsoratra mba tsy hampidirana ra aminao, ary miresaha manokana momba izany amin’ilay dokotera mikarakara anao. Ahoana anefa raha misy tarehin-javatra mahatandindomin-doza tsy nampoizina? Matetika dia azo atao ny misoroka fifandonana tsy mahafinaritra, amin’ny firesahana amin’ilay dokotera amim-panajana sy amin’ny fanalavirana fihetsika tafahoatra. Amin’izany dia iangavio izy hampiasa ny fahaizany mba hanampiana anao, kanefa amin’ny fanajana ny feon’ny fieritreretanao kristiana. (Ohab. 5:1; 16:21, 23). Ahoana anefa raha misy mpiasan’ny hopitaly tsara fikasa manizingizina fa mampidi-doza ny aintsika ny fandavantsika ra, ka mitady hanery antsika hanaiky izany? Ny finoantsika ny fahitsian’ireo lalan’i Jehovah dia tokony hahatonga antsika ho hentitra. Ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah dia tokony hahatonga antsika hanohitra amim-pahatapahan-kevitra, satria mifidy ny hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona isika. — Asa. 5:29; ampitahao amin’ny Joba 2:4; Ohabolana 27:11.
Lehibe ve io raharaha io?
10. Nahoana no tsy hanova ny fomba fihevitsika momba io raharaha io ny filazana fa ilaina mba hamonjena aina ny fampidiran-dra iray?
10 Ho an’ireo izay mbola tsy mahafantatra an’i Jehovah, dia mety ho toa fanehoana fiheverana ambony ny fahamasinan’ny aina ny filazan’ny sasany manohana ny fampidiran-dra. Kanefa tsy hadinontsika fa maro amin’ireo milaza izany no manala tsiny koa ny famonoana ain’olona amin’ny alalan’ny fanalana zaza. I Jehovah dia mahafantatra betsaka kokoa momba ny aina sy ny ra noho izay “manam-pahaizana manokana” rehetra eo amin’ny fitsaboana. Ny didiny rehetra dia niharihary ho nitondra soa ho antsika, miaro ny aintsika ankehitriny sy amin’ny hoavy. (Isaia 48:17; 1 Tim. 4:8). Moa ve ho hafa noho izany ny baikony mba ‘hifady ny ra’?
11. a) Inona no hany fampiasana ny ra nanomezan’i Jehovah lalana ny Isiraelita? b) Nahoana no tena zava-dehibe ho antsika Kristiana izany?
11 Ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny fahamasinan’ny ra dia hamafisin’izay nolazain’i Jehovah momba ny hany fomba azo ampiasana ny ra. “Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra”. (Lev. 17:11, 12). Ny ram-biby rehetra naidina teo amin’ny alitaran’i Jehovah nifanaraka tamin’izany zavatra notakina izany dia tandindon’ny ra sarobidin’i Jesosy Kristy. (Heb. 9:11, 12; 1 Pet. 1:18, 19). Noho izany, ny fahamasinan’ny ran’i Jesosy dia asongadin’ny lalàn’Andriamanitra mandrara ny fampiasana ny ra amin’ny fomba hafa noho izany. Hita avy amin’izany fa izay fampiasana ratsy rehetra ny ra dia mampiseho tsy fanajana mibaribary ny fandaharan’i Jehovah ho famonjena antsika amin’ny alalan’ny Zanany.
12. Raha rahonan’ny fahafatesana ny Kristiana marina iray, nahoana izy no tsy hitady hampiasa ny ra amin’ny fomba ratsy mba tsy ho faty?
12 Rehefa tojo tarehin-javatra mahatandindomin-doza ny aintsika isika, dia ho tsy fahaiza-mitsinjo ny lavitra toy inona moa ny fiodinana amin’Andriamanitra! Na dia mankasitraka ny fanampian’ireo dokotera feno fahamalinana aza isika, dia tsy hitady mafy ny hampaharitra ny aintsika na ny an’ireo olo-malalantsika mandritra ny andro na taona vitsivitsy fanampiny, amin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra, toy ny hoe tsy misy afa-tsy izao fiainana izao. Manana finoana ny vidin’ny ra nalatsak’i Jesosy sy ny fiainana mandrakizay ho azo avy amin’izany isika. Amin’ny fontsika rehetra, isika dia mino fa hahazo ny fiainana mandrakizay ho valisoa ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra — eny, na dia ireo ho faty aza. — Jaona 11:25; 1 Tim. 4:10.
Famerenana
● Inona no maha-masina ny aina sy ny ra? Nahoana izao tontolo izao no milaza hevitra hafa noho izany?
● Raha ny amin’ireo biby, amin’ny fomba ahoana no anehoantsika fanajana ny fahamasinan’ny ran’izy ireo?
● Amin’ny fomba isan-karazany inona avy no ampisehoantsika rehetra fa mihevitra ny ain’olombelona ho masina isika? Zava-dehibe ve ny fanaovana izany?