Lydia — Mpivavaka Tamin’Andriamanitra Tia Nandray Vahiny
HATRAMIN’NY andro fahiny, dia niavaka noho ny fitiavany nandray vahiny ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina. (Genesisy 18:1-8; 19:1-3). Mbola mariky ny Kristianisma marina na dia amin’izao andro izao aza ny fitiavana mandray vahiny mitsiry avy amin’ny fo feno fahatsorana, izay nofaritana ho “fitiavana, firaiketam-po miharo fitiavana, na hatsaram-panahy amin’ny vahiny”. Raha ny marina, izy io dia zavatra takina amin’izay rehetra maniry hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra amin’ny fomba azo ekena. — Hebreo 13:2; 1 Petera 4:9.
I Lydia dia olona iray izay nampiseho fitiavana nandray vahiny tamin’ny fomba mendrika hotahafina. “Nanery” ireo misionera kristiana nitsidika an’i Filipy hitoetra tao aminy izy. (Asan’ny Apostoly 16:15). Na dia fohy ihany aza ny filazana momba an’i Lydia ao amin’ny Soratra Masina, dia mety ho fampaherezana ho antsika izay zavatra kely voalaza momba azy. Amin’ny fomba ahoana? Iza moa i Lydia? Inona no fantatsika momba azy?
“Mpivarotra lamba volomparasy”
Nipetraka tany Filipy, tanàna lehibe indrindra tany Makedonia, i Lydia. Kanefa, avy tany Tyatira, tanàna iray tany amin’ny faritr’i Lydia, tany amin’ny faritra andrefan’i Azia Minora, izy. Noho io antony io, dia toa tondroin’ny sasany fa ny hoe “Lydia” dia anaram-bosotra nomena azy tany Filipy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia izy “ilay Lydiana”, toy ny azo niantsoana ilay vehivavy nanaovan’i Jesosy fanambarana hoe ‘ilay vehivavy Samaritana’. (Jaona 4:9). Nivarotra “lamba volomparasy” na entana nanana io volon-doko io i Lydia. (Asan’ny Apostoly 16:12, 14). Ny fisian’ny mpandoko lamba tany Tyatira sy tany Filipy dia hamarinin’ny soratra nofongarin’ireo arkeology. Nety ho nifindra monina i Lydia noho ny asany, na mba hampandehanana ny fandraharahany manokana, na tamin’ny naha-solontenan’ny fikambanam-barotra mpandoko iray avy tany Tyatira.
Nety ho azo avy tamin’ny loharano samihafa ny volon-doko volomparasy. Ny tena lafo indrindra dia nalaina avy tamin’ny karazana akoran-driaka sasany. Araka an’i Martial, poeta romana tamin’ny taonjato voalohany, ny vidin’ny akanjo fanao ivelany iray vita tamin’ny loko volomparasy tsara indrindra avy tany Tyro (foibe hafa iray namokarana io singan-javatra io), dia nety ho nahatratra 10 000 sesterces na denaria 2 500, mitovy amin’ny karaman’ny mpiasa iray mandritra ny 2 500 andro. Mazava fa ny akanjo toy izany dia entana haitraitra izay olom-bitsy ihany no afaka nividy azy. Koa nety ho nanankarena àry i Lydia. Na ahoana na ahoana, dia afaka nanolotra ny handray ho vahininy ny apostoly Paoly sy ireo namany — i Lioka, i Silasy, i Timoty sy ny hafa angamba, izy.
Ny fitorian’i Paoly tany Filipy
Tokony ho tamin’ny taona 50 am.f.i. no nanao ny diany voalohany tany Eoropa i Paoly ka nanomboka nitory tany Filipy.a Rehefa tonga tany amin’ny tanàna vaovao iray izy, dia fanaon’i Paoly ny nitsidika ny synagoga, mba hitoriana tamin’ny Jiosy sy ny proselyta izay niangona tao, aloha. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:4, 5, 13, 14; 14:1.) Araka ny loharanon-kevitra sasany anefa, dia noraran’ny lalàna romana tsy hanao ny fivavahany tao anatin’ny “faritra masin’i” Filipy ny Jiosy. Noho izany, rehefa avy nandany “andro vitsivitsy” tao ireo misionera, tamin’ny andro Sabata dia nahita toerana iray izy ireo, amoron’ny ony tany ivelan’ny tanàna, izay ‘nataony fa nisy toerana fivavahana’. (Asan’ny Apostoly 16:12, 13). Niharihary fa ny Onin’i Gangitès izy io. Tsy nahita afa-tsy vehivavy teo ireo misionera, ny iray tamin’ireo dia i Lydia.
‘Mpivavaka tamin’Andriamanitra’
‘Mpivavaka tamin’Andriamanitra’ i Lydia, nefa azo inoana fa proselyta nitady ny fahamarinana ara-pivavahana izy. Na dia nanana asa tsara aza i Lydia, dia tsy tia fatratra zavatra ara-nofo. Nanokana fotoana ho an’ny zavatra ara-panahy kosa izy. “[Jehovah, NW ] nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly”, ka nanaiky ny fahamarinana i Lydia. Raha ny marina, dia “natao batisa ravehivavy mbamin’ny ankohonany.” — Asan’ny Apostoly 16:14, 15.
Tsy lazain’ny Baiboly mazava hoe iza ireo anisan’ny ankohonan’i Lydia. Koa satria tsy misy filazana ny amin’ny vady iray, dia nety ho mpitovo na maty vady izy. Angamba ny “ankohonany” dia voaforon’ny havana, nefa nety ho nahafaoka ireo andevo na mpanompo ilay teny. Na ahoana na ahoana, dia nizara tamin-jotom-po ny zavatra nianarany tamin’ireo izay niara-nipetraka taminy i Lydia. Ary fifaliana toy inona moa no tsy maintsy ho nananany rehefa nino sy nanaiky ny finoana marina izy ireo!
“Nanery anay izy”
Talohan’ny nihaonany tamin’i Lydia, dia angamba tsy maintsy nianina tamin’izay trano nohofany ireo misionera. Faly anefa i Lydia afaka nanolotra zavatra hafa. Ny hoe tsy maintsy nanizingizinany anefa dia toa manondro fa nanohitra ny fanolorany ihany i Paoly sy ireo namany. Nahoana? Satria nirin’i Paoly ‘tsy hasiana fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefany amin’ny filazantsara’ ary mba tsy ho tonga enta-mavesatra na ho an’iza na ho an’iza izy. (1 Korintiana 9:18; 2 Korintiana 12:14, NW ). Nanampy teny toy izao anefa i Lioka: “Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.” (Asan’ny Apostoly 16:15). Nanahy indrindra momba ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah i Lydia, ary niharihary fa porofon’ny finoany ny fanolorany handray vahiny. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 4:9.) Ohatra tsara dia tsara re izany! Moa ve isika koa mampiasa ny fananantsika mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny vaovao tsara?
Ireo rahalahy tany Filipy
Rehefa nafahana avy tao an-tranomaizina i Paoly sy i Silasy taorian’ilay zava-niseho nahatafiditra ilay mpanompo vavy nanana demonia, dia niverina tany an-tranon’i Lydia izy ireo, ka nahita rahalahy vitsivitsy tao. (Asan’ny Apostoly 16:40). Nety ho nampiasa ny tranon’i Lydia ho toeram-pivoriana tsy tapaka ireo mpino tao amin’ilay kongregasiona vao niforona tao Filipy. Araka ny lojika ny hieritreretana fa nitoetra ho foiben’ny asa teokratika tao amin’ilay tanàna ny tranony.
Ny fitiavana nandray vahiny mafana nasehon’i Lydia tany am-boalohany dia voaporofo fa toetra nampiavaka ilay kongregasiona manontolo. Na dia teo aza ny fahantran’izy ireo, dia nampanatitra ho an’i Paoly ny zavatra nilainy ny Filipiana tamin’ny tarehin-javatra maromaro, ary velom-pankasitrahana ilay apostoly. — 2 Korintiana 8:1, 2; 11:9; Filipiana 4:10, 15, 16.
Tsy voalaza tao amin’ny taratasy nalefan’i Paoly ho an’ny Filipiana, tokony ho tamin’ny 60-61 am.f.i., i Lydia. Tsy manambara izay nitranga taminy taorian’ireo fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-16, ny Soratra Masina. Na dia izany aza, ny filazana fohy momba io vehivavy narisika io dia mahatonga antsika haniry ‘hanaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’. (Romana 12:13, NW ). Velom-pisaorana toy inona moa isika manana eo anivontsika Kristiana toa an’i Lydia! Ny toe-tsain’izy ireo dia mahatonga ireo kongregasiona ho be hafanam-po sy fisakaizana amin’ny ampahany betsaka, ho voninahitr’i Jehovah Andriamanitra.
[Efajoro, pejy 28]
Ny Fiainan’ny Jiosy tao Filipy
Tsy maintsy ho sarotra ho an’ny Jiosy sy ny proselyta ny fiainana tao Filipy. Nety ho nisy tsy fitiavana ny Jiosy, satria fotoana fohy talohan’ny fitsidihan’i Paoly, dia nandroaka ny Jiosy avy tany Roma i Klaodio Emperora. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:2.
Zava-dehibe fa nentina an-keriny teo anoloan’ireo mpitsara i Paoly sy i Silasy taorian’ny nanasitranany ilay mpanompo vavy izay nanana fanahim-pisikidianana. Ny tompony izao, voasakana tamin’ny loharanom-pidiram-bola nahazoana harena, dia nanararaotra ny fitsarana an-tendrony nananan’ireo mpiray firenena taminy mba hanambarana toy izao: “Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.” Vokatr’izany, dia nokapohina tamin’ny hazo i Paoly sy i Silasy ary natao tany an-tranomaizina. (Asan’ny Apostoly 16:16-24, izahay no manao sora-mandry.) Tao anatin’ny rivo-piainana toy izany, dia nitaky herim-po ny fivavahana an-karihary tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Jiosy. Niharihary anefa fa tsy nampaninona an’i Lydia ny ho tsy nitovy tamin’ny hafa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ireo tanàna lehibe indrindra tany Makedonia, i Filipy dia azo lazaina ho zara-tany miaramila niroborobo iray, izay notapahin’ny jus italicum (Lalàna Italiana). Io Lalàna io dia niantoka ny zon’ireo Filipiana nitovy tamin’ny an’ireo izay nananan’ny olom-pirenena romana. — Asan’ny Apostoly 16:9, 12, 21.
[Sary, pejy 27]
Sisan-javatra rava any Filipy