Nahoana isika no mila ny fahalalana marina?
“Ary noho izany izahay koa hatramin’ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara [marina, MN ] ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy.”−KOLOSIANA 1:9.
1.Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahalalana ambangovangony sy ny fahalalana marina.
SAIKA fantatry ny olon-drehetra ny atao hoe famantaranandro, nefa firy moa no mahafantatra ny fomba fiasan’ny anankiray aminy? Mety ho fantapantatrao amin’ny ambangovangony izany, nefa moa ve ianao afaka mandrava anankiray aminy, manamboatra izay simba ao, ary manambatra azy indray avy eo? Tena afaka manao izany ny mpanao famantaranandro. Nahoana? Satria manana fahalalana marina ny amin’ny fomba fiasan’ny famantaranandro izy. Ary asehon’izany ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahalalana ambangovangony sy ny fahalalana marina ny amin’ny zavatra iray.
2. Tsy fitoviana inona eo amin’ireo karazana fahalalana roa ireo no voamarikao eo amin’ny lafiny ara-pivavahana?
2 Olona an-tapitrisany maro no manana fahalalana ambangovangony ny amin’Andriamanitra. Milaza ho mino an’Andriamanitra izy ireo, nefa manohitra izany fihamboana izany ny asany. Nanontany toy izao ny tompon-trano indraindray ny misionera iray: “Amin’ny maha-katolika anao dia mino an’Andriamanitra ianao sa tsy izany?” Ary dia toy izao ny valiny miaraka amin’ny fihetsika manondro ny lanitra: “Eny, mino aho fa tsy maintsy misy zavatra any ankoatra any.” Ho lazainao ve fa fahatakarana sy fahalalana marina an’Andriamanitra izany? Sarotra ihany! Ary mazàna dia vokatry ny fahalalana manjavozavo toy izany ny fitondrantena tsy kristiana ananan’ireo milaza tena ho kristiana. (Jereo Titosy 1:16.) Araka izao ilazalazan’i Paoly azy izao ny vokatry ny toe-javatra: “Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao.” — Romana 1:28.
3. Inona no mitranga rehefa mandà ny fahalalana marina ny sitrapon’Andriamanitra ny olona?
3 Inona no vokatr’izany tsy fahampiam-pahalalana izany tamin’ny taonjato voalohany? Ny olona dia nanao “izay zavatra tsy tokony hatao, ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, — feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otripo, — mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra.” Ny tsy fahampian’ny fahalalana marina teo aminy no nahatonga ny fony tsy ho voatosika hanao izay marina. — Romana 1:28-31; Ohabolana 2:2, 10.
Inona no fahasamihafana?
4, 5. Araka ireo mpahay teny grika, inona ny fahasamihafana misy eo amin’ny teny hoe gnôsis sy épignôsis?
4 Hita soritra ao amin’ny Soratra Grika io fahasamihafana eo amin’ny fahalalana ambangovangony sy ny fahalalana marina io. Lazain’ny soratra tany am-boalohany fa gnôsis ny fahalalana ary épignôsis ny fahalalana marina. Araka ilay mpahay teny grika atao hoe W. Vine, ny dikan’ny teny hoe gnôsis dia “voalohany indrindra, fitadiavana hahafantatra, famotopotorana, fikarohana” indrindra ny fahamarinana ara-panahy ao amin’ny faritry ny Soratra masina.
5 Araka ny voalazan’i J. Thayer, mpahay teny grika hafa iray, ny épignôsis dia midika ho “fahalalana hentitra sy tena marina”. Ary raha amin’ny endriky ny matoanteny izy dia manana ny heviny hoe “nampahafantarina tanteraka ny amin’ny, mahafantatra tanteraka, mahafantatra marina, mahafantatra tsara.” Nilaza mazava i W. E. Vine fa ny épignôsis “dia manondro fahalalana marina na feno, fahaiza-manavaka, fiekena”. Nanampiny fa izy io dia manambara “fahalalana feno na feno kokoa, fandraisan’ny fahalalana anjara bebe kokoa amin’ny zavatra efa fantatra iray, ka noho izany dia manan-kery bebe kokoa eo aminy.” (Izahay no manipika.) Araka izay ho hitantsika, dia zava-dehibe iankinan’ny aina ho an’ny kristiana io teny farany io.
6. Mpanoratra Baiboly iza avy no nampiasa ny teny hoe “fahalalana” sy “fahalalana marina”, ary nahoana no zava-dehibe ny fahalalana marina?
6 Mpanoratra Baiboly roa monja no nampiasa ny teny grika hoe épignôsis. Izany dia i Paoly sy Petera izay nampiasa azy in-20 amin’ny fitambaranya. Ankoatra an’i Lioka, dia izy ireo ihany koa no hany nampiasa ny teny hoe gnôsis, i Paoly in-23 ary i Petera in-4. Mpitari-dalana sarobidy amin’ny maha-zava-dehibe ny fahalalana marina ho fikendrena ny famonjena àry ny taratasin’izy ireo. Araka ny voalazan’i Paoly tamin’i Timoty hoe: “Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” — 1 Timoty 2:3, 4.
Nahoana no zava-dehibe ny fahalalana marina?
7. a) Mba hampisy vidiny azy, dia tokony hisy heriny manao ahoana eo amintsika ny fahalalana? b) Loza inona no mikendry antsika raha manao tsirambina ny fahalalana isika?
7 Noho izany, dia fanalahidin’ny famonjena ny fahazoana ny fahalalana marina ampianarina ao amin’ny Baiboly. Na manao ahoana na manao ahoana dia tokony ho tonga hatrany amin’ny fo izay fitoeran’ny antony manosika izany fahalalana izany. Tsy azo ajanona eo amin’ny faritry ny fiasan’ny saina fotsiny izany. Ankoatra izany, rehefa azo ny fahalalana ny fahamarinana, dia tokony hampiasaina sy hofenoina. Nahoana no toy izany? Satria ny fitadidiana, toy ny siraka (muscle) iray tsy ampiasaina, dia mety hihaosa sy hihasimba ka hahatonga antsika hanao tsirambina mora foana ny fiainantsika ara-panahy ary hanomboka hindaosina hiala sy ho voahozongozona amin’ny finoana. Mety hanary ny fifikirantsika mafy amin’ny “tena fahalalana an’Andriamanitra” isika. Tsy ho ela dia mety hiseho izany fihilangilanana izany amin’ny fihenan’ny fahaizana misaina ary amin’ny fitondrantena tsy kristiana mihitsy aza. — Ohabolana 2:5; Hebreo 2:1.
8. Toy inona ny hasarobidin’ny fahendrena sy ny fahalalana teo imason’i Solomona?
8 Takatsika àry ny antony nahatonga an’i Solomona, fony izy tsy nivadika, hihevitra ho zava-dehibe ny fahendrena, ny fahaiza-manavaka ary ny fahafahana misaina. Izao no nosoratany: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy.b” (Ohabolana 2:10-12). Asehon’ireo teny ireo fa tokony hamboly faniriana lalina ny hanana fahalalana marina izay mety hanan-kery eo amin’ny fo sy ny fanahy mihitsy isika. Fanampin’izany, dia fototra ho amin’ny fahaizana misaina tsara izany. Ary nahoana no tena zava-dehibe izany amin’izao androntsika izao?
9. Iza moa no sasany amin’ireo fahavalon’ny fiainana ara-panahy kristiana?
9 Isika dia miaina ‘atỳ am-parany’ izay isian’ny “andro mahory [andro sarotra, kat.]”, araka ny naminanian’i Paoly azy. (2 Timoty 3:1.) Mihasarotra hatrany ihany ny fihazonana ny tsy fivadihana kristiana eo anivon’ity tontolo mikororosy ity. Vingavingaina sy hamavoina ny fotopoto-pitsipika sy ny zava-tsarobidy ho an’ny kristiana. Tafihina amin’ny andaniny rehetra ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah: avy amin’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay mankahala ny hafatr’ilay Fanjakana entintsika isan-trano, avy amin’ireo mpivadi-pinoana izay miara-miasa amin’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, avy amin’ireo fahefana ara-pitsaboana izay ta-hanery antsika sy ny zanatsika handray ra, avy amin’ireo mpahay siansa tsy mino an’Andriamanitra izay mandà ny famoronana, ary avy amin’ireo izay manandrana manery antsika tsy hihazona ny fialanalanantsika. Ny fitambaran’ireo fanoherana rehetra ireo dia tarihin’i Satana, ilay mpanjakan’ny fahamaizinana sy ny tsy fahalalana, ilay fahavalon’ny fahalalana marina. — 2 Korintiana 4:3-6; Efesiana 4:17, 18; 6:11, 12.
10. Fanerena inona no mety hahazo antsika, ary inona no ilaintsika mba hanoherana izany?
10 Mety hitombo eo amin’ny fiainan’ny kristiana andavanandro ny fanerena manosika azy hanao izay ataon’ny hafa, na amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina izany, na amin’ny fisotroana tafahoatra, na amin’ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fanaovana herisetra, halatra, lainga, fitaka, amin’ny fialana amin’ny fianarana na amin’ny fitadiavana fahafinaretana feno fitiavan-tena fotsiny. Izany no mahatonga ny fahalalana marina hiankinan’ny aina. Ny fahalalana feno kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikasany, dia afaka hanan-kery bebe kokoa hanosika ny saintsika sy ny ataontsika ho amin’ny lalana tsara — Romana 12:1, 2.
Zanaka adala iray amin’izao androntsika izao
11, 12. Tantaram-piainana tena nisy inona no mampiseho fa hadalana ny fanariana ny fahalalana marina ny fahamarinana?
11 Azontsika hazavaina izany amin’izay tena nitranga tamin’ny fiainan’ny zatovolahy iray, izay nosedraina ny fitiavany ny fahamarinana fony izy 14 taona ary efa vita batisa. Toy ny tanora maro, dia tia fanatanjahan-tena izy, indrindra fa ny baolina kitra. Nisy zava-nanahirana anefa. Nilalao baolina kitra tamin’ny takariva fanaovan’ny kongregasiona ny fivoriany ny sekoliny. Tsy ampy tanjaka ara-panahy izy mba hanombanana ny soa mihelina entin’ny baolina kitra raha oharina amin’ny soa maharitra avy amin’ny fanatrehana ny fivoriana kristiana miaraka amin’ny reniny mpitondratena sy ny zandriny lahy sy vavy. Nitsahatra tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fahalalana marina àry izy ka niala tamin’ny fahamarinana. Voaroaka izy tamin’ny farany. Tatỳ aoriana dia nanao raharaha miaramila izy ary nampiasa zavatra mahadomelina.
12 Rehefa nahavita ny raharaha miaramila tamin’ny 1986 izy, dia nody ny sainy, ary nanoratra taratasy tany amin’ny naman’ny fianakaviany izy, ilay anisan’ny komity mpitsara nandroaka azy. Izao no nambarany tao: “Faly aho afaka manambara aminao vaovao lehibe: Niverina ao amin’ny fahamarinana aho. (...) Takatro tamin’ny farany izay nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4:4, fa manana andriamanitra izay manajamba ny saina ity fandehan-javatra ity. Nandritra ny fotoana ela, dia nohajambaina amin’ny heviny ara-panahy aho raha ny amin’izay nitranga nanodidina ahy. Rehefa nandao ny fahamarinana aho dia tsy nahafantatra izay loza hosetraiko. Rehefa nandeha ny fotoana, ary isaorako an’i Jehovah izany, dia afaka nahatakatra mazava aho fa diso tamin’ny fitondrantenako ratsy.” — Jereo Lioka 15:11-24.
13. Fiafarana tsara inona no mety ho hitan’ireo efa nivily lalana, raha mibebaka marina tokoa izy (2 Timoty 2:24-26)?
13 Niverina tao amin’ny lalan’ny fahalalana marina io zatovolahy io. Amin’izao fotoana izao izy dia afaka ‘mandeha miendrika ny Tompo [Jehovah, MN ] sy manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra’. Rehefa nifanerasera indray tamin’ny kongregasiona kristiana izy dia afaka koa ‘nahavokatra tamin’ny asa tsara rehetra sady nitombo tamin’ny fahalalana tsara [marina, MN ] an’Andriamanitra’. Ary fitahiana mamelombelona toy inona ho an’ny fianakaviany moa ny fahatongavany ho mpanara-dia an’i Kristy indray! Mahafantatra ohatra mitovy amin’izany ve ianao? — Kolosiana 1:9, 10; Matio 11:28-30.
Voka-dratsin’ny fanaovana an-tsirambina ara-panahy
14. a) Inona no tokony hataontsika mba tsy hiviliana lalana? b) Inona no nanjo ny kristiana sasany?
14 Fianarana inona no azo tsoahina avy amin’io zava-nitranga io sy ny hafa mitovy amin’izany? Rehefa nahazo ny fahalalana marina indray mandeha isika dia tokony hanavao lalandava ireo “olika (circuits)” ara-panahy ao amin’ny atidohantsika mba tsy ho lavo. Mety hihena ny herintsika ara-panahy raha ataontsika tsirambina ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana, ny fivoriana kristiana ary ny fanompoana. Inona no mety hitranga amin’izay? Ny kristiana natanjaka iray hatreo, dia mety hindaosina hiala amin’ny finoana, ka angamba ho latsaka ao amin’ny faharatsiam-pitondrantena mihitsy aza, na hibolisatra amin’ny lalana malaman’ny ahiahy sy ny fitaka izay mitondra ho amin’ny fivadiham-pinoana (Hebreo 2:1; 3:12; 6:11, 12). Tamin-kadalana no niverenan’ny sasany mihitsy tamin’ny fampianarana babyloniana ny amin’ny Trinite sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy!
15. Fampitandremana inona no nomen’i Petera mikasika ny fialana?
15 Mety amin’izany indrindra ny tenin’i Petera hoe: “Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.” — 2 Petera 2:20-22.
16. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahavoafitaka ny sasany tsy ela izay? b) Latsaka ao amin’ny fanaovana inona avy moa ireo voafitaka?
16 Izay manary ny fahalalana marina ny fahamarinana dia matetika no mifidy ny lalana mety amin’ny tenany. Tsy manaiky ny andraikitra hivory tsy tapaka na handray anjara amin’ny fanompoana isan-trano intsony izy ireo. Ny sasany aza nifoka sigara indray! Faly ny hafa satria tsy voatery hiseho hiavaka noho ny raharaha mahakasika ny fialanalanana kristiana sy ny fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy intsony. Fahafahana re izany! Izao izy dia ho afaka hifidy na dia ny antoko ara-politikan’ny “bibi-dia” aza. (Apokalypsy 13:1, 7.) Toy izany, sahala amin’ny fanahy mivadibadika, ny sasany dia nanaiky ho voafitaka sy ho voataona hiala amin’ny lalan’ny fahalalana marina noho ireo izay ‘nampanantena fahafahana, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana’. — 2 Petera 2:15-19.
17. Loza inona no setrain’ireo izay mihataka amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana?
17 Raha tsy mibebaka ary miverina ao amin’ny fahamarinana ny olona toy izany, dia mitolo-batana ho amin’ny fitsarana izay nambaran’i Paoly toy izao: “Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.” Tena hadalana sy fahamaizinan-tsaina ny fandaozana ny fahalalana marina an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ho amin’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana! — Hebreo 6:4-6; 10:26, 27.
Zotom-po mifanaraka amin’ny fahalalana marina
18. Araka ny voalazan’i Paoly, nahoana no tsy nanaiky an’i Kristy ny klerjy jiosy?
18 Azo antoka fa nanana fahalalana ny amin’ny Soratra hebreo ny klerjy jiosy tamin’ny andron’i Paoly. Fahalalana marina ve anefa izany? Moa ve izany nanintona azy ho amin’i Kristy tamin’ny naha-Mesia nampanantenaina azy? Nilaza i Paoly fa variana aoka izany tamin’ny fametrahana ny fahamarinan’ny tenany amin’ny alalan’ny Lalàna izy ireo ka tsy nety nanaiky fa “Kristy no faran’ny lalàna”. Noho izany no nahafahan’i Paoly nilaza mikasika azy hoe: “Fa Vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana [marina, MN ]. — Romana 10:1-4.
19, 20. a) Ahoana no mety hahazoantsika ny fahalalana marina? b) Fanontaniana inona no mbola mila valiny?
19 Noho izany, amin’ny fomba ahoana no mety hahazoantsika an’io fahalalana marina io? Amin’ny alalan’ny fianarana manokana sy ny fisaintsainana miaraka amin’ny vavaka sy ny fanatrehana ireo fivoriana. Midika famenoana lalandava ny vatsintsika ara-panahy toy ny teo aloha izany. Tsy afaka miantehitra fotsiny amin’ny fahalalana azontsika fony isika nanaiky ny fahamarinana isika. Tokony handray hatrany ventin-kanina ara-panahy isika, dia ny fahalalana marina amin’ny alalan’ny fianarana manokana atao amim-pitandremana fatratra. Tena amin’ny ilana azy àry ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra (...). Ary izany no hataontsika, raha avelan’Andriamanitra.” — Hebreo 5:14 ka hatramin’ny 6:3.
20 Ny fanontaniana izao dia hoe: inona no fitaovana ananantsika mba hanampy antsika hahazo fahalalana marina? Ary raha jerena amin’izao fiainantsika hazakaza-dava izao, amin’ny fotoana toy inona no ahafahantsika mianatra ny Tenin’Andriamanitra? Hidinika ny amin’izany sy ny amin’ny foto-kevitra mifandray aminy ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita ao amin’ny Konkordansa feno amin’ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (angl.) pejy 17; ary koa Filemona 6 (Jereo ny Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra, Soratra Grika, angl.).
b Mba hahazoana tsara kokoa ny amin’ny fahasamihafana kely eo amin’ny hevitry ny teny hoe “fahalalana”, “fahaizana misaina”, “fahendrena” ary ny hafa hita ao amin’ny Ohabolana, dia jereo Auxillaire pour une meilleure intelligence de la Bible (natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.), pejy 324, 1277, 1339.
Fanontaniana
◻ Inona no fahasamihafana eo amin’ny “fahalalana” sy ny “fahalalana marina”?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny fahalalana marina amin’izao andro farany izao?
◻ Ahoana no mety hahavoataona ny sasany hiala amin’ny fahamarinana?
◻ Fampitandremana inona no omen’i Petera antsika mikasika ny fanariana ny fahalalana marina?
◻ Inona no tokony hataontsika mba hahazoana sy hihazonana ny fahalalana marina?