Ny anjara asan’ireo manam-pahefana ambony
“Mpanompon’Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora.” — ROMANA 13:4.
1, 2. Ahoana no nahatonga olona maro be ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana hanana fifandraisana tamin’ny asa fikomiana?
ROA taona lasa izay, ny fivoriamben’ny eveka iray natao tany Londres dia niteraka famoahana lahatsoratra nampahatezitra tao amin’ny gazety New York Post. Ilay fivoriambe dia ny konferansan’i Lambeth, izay natrehina eveka maherin’ny 500 avy ao amin’ny antokom-pivavahana anglikana. Ilay fahatezerana dia narehitry ny fanapahan-kevitra iray nolanina tao amin’ny fiaraha-midinika, nanehoan’izy ireo ny fahatakarany ny fiheveran’ireo olona “izay, rehefa avy nampiasa ny fomba hafa rehetra, dia mifidy ny ady itanam-piadiana ho ny hany lalana mitarika ho amin’ny rariny.”
2 Nilaza ny gazety Post, raha ny tena izy, fa izany dia fankasitrahana ny fampihorohoroana. Kanefa, tsy nanao afa-tsy ny nanaraka firehan-kevitra nitombo fotsiny ireo eveka tamin’izany. Ny fihetsik’izy ireo dia tsy nisy hafa tamin’ny an’ilay pretra katolika tany Ghana izay nampirisika mba hanao ny ady anaty akata ho toy ny fomba haingana indrindra, azo antoka indrindra, ary azo itokiana indrindra mba hanafahana an’i Afrika, na tamin’ny an’ilay eveka metodista afrikana izay nivoady fa hanao “ny ady ho an’ny fanafahana hatramin’ny farany na dia mafy aza izany”, na tamin’ny an’ny ankamaroan’ny misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay niara-niady tamin’ireo mpikomy mba hanohitra ireo fitondram-panjakana niorina tany Azia sy Amerika Atsimo.
Tsy ‘manohitra ny fahefana’ ny kristiana marina
3, 4. (a) Fotopoto-pitsipika inona avy no dikain’ireo milaza tena ho kristiana, izay nanohana fikomiana? (b) Inona no fantatry ny olona iray momba ny Vavolombelon’i Jehovah?
3 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nilaza ny amin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14). Na iza na iza milaza tena ho kristiana ka mampirisika hanao fikomiana dia tena naman’izao tontolo izao tokoa. Tsy mpanara-dia an’i Jesosy izy sady tsy “manaiky ireo manam-pahefana ambony”. (Romana 13:1, MN). Hampiseho fahendrena izy raha mankatò ny fampitandreman’ny apostoly Paoly fa “izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra [fandaharan’Andriamanitra, MN]; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.” — Romana 13:2.
4 Mifanohitra amin’ny ankamaroan’ny ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mifandray na dia kely akory aza amin’ny herisetra ampiasana fiadiana. Nahatsapa izany ny lehilahy iray any Eoropa. Nanoratra toy izao izy: “Tamin’ny fahitana izay nateraky ny fivavahana sy ny politika, dia nanjary nanolo-tena handrava ny fandaharana ara-tsosialy niorina aho. Nikambana tamina antokona mpampihorohoro aho ary nandray fampiofanana tamin’ny fampiasana ny karazana fiadiana rehetra; nandray anjara tamin’ny fandrobana maro be nampiasana fiadiana aho. Notandindomin-doza mandrakariva ny fiainako. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nanjary niharihary fa nanao ady iray fantatra fa tsy handresena izahay. Kivy sy diso fanantenana aho, resin’ny famoizam-po tanteraka teo amin’ny fiainana. Tamin’izay dia nisy Vavolombelona iray nandondòna tao am-baravaranay. Niresaka tamiko ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Nanizingizina aho fa handany ny fotoanako izany ary nanipy teny taminy aho fa ny vadiko no hihaino azy. Nihaino tokoa izy ary natomboka ny fianarana Baiboly tao an-tokantrano. Tamin’ny farany, dia nanaiky hanatrika ny fianarana aho. Tsy hitako izay teny hilazana ny fanamaivanana tsapako tamin’ny fahafantarana ny amin’ny hery mitaona manosika ny taranak’olombelona ho amin’ny ratsy. Ny fampanantenana mahatalanjona momba ilay Fanjakana dia nanome ahy fanantenana mamelombelona sy zava-kendrena eo amin’ny fiainana.”
5. Nahoana ny kristiana no manaiky amim-pilaminana hatrany ireo manam-pahefana ambony, ary mandra-pahoviana no ho toy izany?
5 Ny kristiana dia ambasadaoro na irak’Andriamanitra sy Kristy. (Isaia 61:1, 2; 2 Korintiana 5:20; Efesiana 6:19, 20). Amin’ny maha-izany azy, dia mitoetra ho mialanalana amin’ny adin’izao tontolo izao izy ireo. Na dia toa mahomby kokoa ara-toekarena noho ny hafa aza ny rafitra ara-politika sasany, ary manome fahalalahana kokoa noho ny hafa ny sasany, dia tsy manondrotra na mihevitra ny rafitra iray ho ambony noho ny hafa ny kristiana. Fantany fa samy tsy tanteraka avokoa ny rafitra misy rehetra. “Fandaharan’Andriamanitra” matoa mbola eo izy mandra-pandrain’ny Fanjakany ny fanapahana. (Daniela 2:44). Noho izany, ny kristiana dia manohy manaiky amim-pilaminana ireo manam-pahefana ambony sady manao izay hahasoa ny hafa mandrakizay amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. — Matio 24:14; 1 Petera 3:11, 12.
Aoka isika hankatò ny lalàna
6. Nahoana ny lalàn’olombelona maro no tsara na dia ‘mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa aza izao tontolo izao’?
6 Ny fitondram-panjakan’ireo firenena dia nametraka rafi-dalàna, ary tsara ny ankamaroan’ireny lalàna ireny. Tokony hahagaga antsika ve izany, rehefa heverina fa “izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”? (1 Jaona 5:19). Tsia. Nanome fieritreretana an’i Adama, raintsika voalohany, i Jehovah, ary io fahatsapana ny tsara sy ny ratsy nolovana io dia hita taratra amin’ny fomba maro eo amin’ireo lalàn’olombelona. (Romana 2:13-16). I Hammurabi, mpanao lalàna babyloniana fahiny, dia nanoratra izao sasinteny manaraka izao ho fanolorana ny fitambaran-dalàny: “Tamin’izany andro izany [izy ireo] dia nanendry ahy hanao izay hahasoa ny olom-pirenena, dia izaho, Hammurabi, ilay andriana tia fivavahana sy matahotra an’ireo andriamanitra, mba hampanjaka ny rariny ao amin’ny tany, hanafoana ny ratsy fanahy sy ny faharatsiana, ka tsy hampahory ny osa intsony ny matanjaka.”
7. Raha misy olona iray mandika lalàna, iza moa no manana zo hanasazy azy, ary nahoana?
7 Hilaza ny ankamaroan’ireo fitondram-panjakana fa ny zava-kendren’ny lalàny dia mitovy amin’izany: ny hampandroso ny fiadanan’ny olom-pirenena sy ny filaminana tsara eo amin’ny fiaraha-monina. Noho izany, dia manameloka ny fanaovan-javatra tsy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny mpiara-monina izy ireny, toy ny vonoana olona sy ny halatra, ary nanorina fitsipi-pitondrana izy, toy ny famerana ny hafainganam-pandehan’ny fiara sy ny lalàna momba ny fametrahana fiara. Na iza na iza minia mandika ny lalàn’izy ireny dia manohitra ny fahefana ka “hahazo fahamelohana”. Fahamelohana avy amin’iza? Tsy voatery ho avy amin’Andriamanitra. Ny teny grika nadika hoe fahamelohana eto dia afaka manondro ny fomba fitsaran’olombelona fa tsy ny an’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 6:7.) Raha manao zavatra tsy araka ny lalàna ny olona iray dia manana zo hanasazy azy ny fahefana ambony.
8. Ahoana no ho fihetsiky ny kongregasiona raha misy mpikambana iray nahavita heloka lehibe?
8 Tsara laza ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny tsy fanoherana ireo manam-pahefana olombelona. Raha sendra mandika lalàna ny olona iray ao anatin’ny kongregasiona dia tsy hanampy azy handositra ny sazin’ny lalàna ny kongregasiona. Raha toa ny olona iray ka mangalatra, mamono olona, manendrikendrika ampahibemaso, mamitaka amin’ny hetra aloany, misavika, misoloky, mampiasa zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, na manohitra ny fahefana amin’ny fomba hafa, dia hahita famaizana hentitra avy amin’ny kongregasiona izy — ary tsy tokony hahatsapa ho voaenjika izy rehefa faizin’ny fahefana tsy ara-pivavahana. — 1 Korintiana 5:12, 13; 1 Petera 2:13-17, 20.
Zavatra tokony hatahorana
9. Fanampiana inona no azon’ny kristiana angatahina tsara raha rahonan’ny mpanao zavatra tsy ara-dalàna izy?
9 Nanohy ny firesahany ny amin’ireo manam-pahefana ambony i Paoly tamin’ny fitenenana hoe: “Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny [zavatra tokony hatahoran’ny, MN] manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy hianao.” (Romana 13:3). Tsy ireo kristiana mahatoky no tokony hatahotra fanasaziana avy amin’ny fahefana fa ireo mpanao ratsy, dia ireo izay ‘manao ratsy’ sy heloka bevava. Rehefa rahonan’ireo mpandika lalàna toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahazo manaiky tsara ny fiarovana avy amin’ny pôlisy na ny miaramila, omen’ny fahefana. — Asan’ny apostoly 23:12-22.
10. Tamin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no ‘nahazo dera’ avy amin’ny fahefana?
10 Ho an’ny kristiana mitandrina ny lalàn’ny fahefana ambony, dia hoy i Paoly: “Hahazo dera avy aminy hianao.” Ohatra iray ny amin’izany, dia hevero ireo taratasy vitsivitsy voarain’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila taorian’ny fivoriamben’ny distrika nataon’izy ireo. Avy any amin’ny mpiandraiki-draharahan’ny sampan-draharahan’ilay tanàna momba ny fanatanjahan-tena: “Mendrika ny fiderana ambony indrindra ianareo noho ny fitondrantenanareo tia filaminana. Mampahery, eo amin’izao tontolo izao mikorontana ankehitriny, ny mahafantatra fa misy olona maro aoka izany mbola mino sy manompo an’Andriamanitra.” Avy amin’ny talen’ny kianja tantanan’ny tanàna iray: “Na dia betsaka tokoa aza ny mpanatrika, dia tsy nisy sampona nanimba ny fisehoan-javatra, noho ilay fandaminana tonga lafatra.” Avy amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna iray: “Tianay ny manararaotra izao fahafahana izao mba hiderana anareo noho ny filaminanareo sy ny fanarahanareo toromarika mahavariana sady arahina avy hatrany, ary mirary anareo izahay hahita fahombiazana tanteraka amin’ny manaraka.”
11. Nahoana ny fitoriana ny vaovao tsara no tsy azo lazaina velively ho asa ratsy?
11 Ny teny hoe “manao tsara” dia milaza fanaovan-javatra ho fankatoavana ny lalàn’ireo manam-pahefana ambony. Ambonin’izany, ny asa fitoriana ataontsika izay nasain’Andriamanitra, fa tsy olona, natao, dia tsy asa ratsy — zava-dehibe izay tokony heken’ireo manam-pahefana ara-politika. Izy io dia asa ampahibemaso izay manatsara ny toetra ara-panahin’ireo izay manaiky azy. Ny fanantenantsika àry dia ny hiarovan’ireo manam-pahefana ambony ny zontsika hitory amin’ny hafa. I Paoly dia nangataka ny handahatra teo anatrehan’ireo manam-pahefana ambony mba hanorenana ny fitoriana ny vaovao tsara ho araka ny lalàna. (Asan’ny apostoly 16:35-40; 25:8-12; Filipiana 1:7, MN). Vao haingana ny Vavolombelon’i Jehovah no nitady toy izany ka nahazo ny faneken’ny lalàna ny asan’izy ireo any Alemaina atsinanana, Hongria, Polonina, Romania, Bénin, ary Myanmar (Birmania).
“Mpanompon’Andriamanitra izy”
12-14. Tamin’ny ahoana ireo manam-pahefana ambony no toy ny mpanompon’Andriamanitra (a) tamin’ny andron’ny Baiboly? (b) amin’ny andro ankehitriny?
12 Raha niresaka ny amin’ny fahefana tsy ara-pivavahana i Paoly, dia nanohy ny teniny toy izao: “Fa mpanompon’Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy.” — Romana 13:4.
13 Ireo manam-pahefana ao amin’ny firenena indraindray dia niasa toy ny hoe mpanompon’Andriamanitra tamin’ny fomba voafaritra. Nanao toy izany i Kyrosy rehefa nanome baiko ny Jiosy hiverina avy any Babylona ka hanorina indray ny tranon’Andriamanitra. (Ezra 1:1-4; Isaia 44:28). Mpanompon’Andriamanitra i Artaksersesy rehefa nandefa an’i Ezra nitondra fanomezana fandraisana anjara ho an’ny fanorenana indray izany trano izany izy, ary tatỳ aoriana rehefa naniraka an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema. (Ezra 7:11-26; 8:25-30; Nehemia 2:1-8). Ny fahefana ambony romana dia nanao asa toy izany fony izy nanafaka an’i Paoly tamin’ny vahoaka mpanakorontana tany Jerosalema, niaro azy rehefa rendrika ny sambony, ary niahy ny amin’ny hahazoany trano hitoerany tany Roma. — Asan’ny apostoly 21:31, 32; 28:7-10, 30, 31.
14 Toy izany koa, ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana dia niasa toy ny hoe mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny. Tamin’ny 1959, ohatra, ny fitsarana tampony tany Kanada dia namoaka didim-pitsarana fa ilay Vavolombelon’i Jehovah iray voampanga tany Québec ho nampiely fanaratsiana nampirisika hanao fikomiana dia tsy meloka akory — ka tamin’izany dia nanohitra ny fankahalana tsy amin’ny antony nananan’i Maurice Duplessis, praiminisitr’i Québec tamin’izany fotoana izany.
15. Amin’ny ankapobeny, ahoana no maha-mpanompon’Andriamanitra ireo manam-pahefana ambony, ary zo inona no omen’izany azy?
15 Fanampin’izany, amin’ny ankapobeny ireo fitondram-panjakana ao amin’ny firenena dia miasa toy ny hoe mpanompon’Andriamanitra amin’ny fiarovana ny filaminam-bahoaka mandra-pandrain’ny Fanjakan’Andriamanitra izany andraikitra izany. Araka ny voalazan’i Paoly, mba hanaovana izany, ny manam-pahefana dia ‘mitondra sabatra’ izay mampiseho ny zony hampihatra sazy. Mazàna dia fampidirana an-tranomaizina izany na sazy aloa. Any amin’ny tany sasany izany dia mety ho fanamelohana ho faty koa.a Etsy an-danin’izany, dia firenena maro no nifidy ny tsy hampihatra ny fanamelohana ho faty, ary izany koa dia zony.
16. (a) Koa satria mpanompon’Andriamanitra ny fahefana, inona no noheverin’ny mpanompon’Andriamanitra sasany fa mety ny hanaovana azy? (b) Karazana asa inona no tsy heken’ny kristiana iray, ary nahoana?
16 Ny maha-mpanompon’Andriamanitra ireo manam-pahefana ambony dia manazava ny antony nahafahan’i Daniela, ireo Hebreo telo lahy, Nehemia, ary Mordekay nanaiky toeram-piandraiketana teo amin’ny fitondram-panjakana babyloniana sy persiana. Afaka nandahatra teo anatrehan’ny fahefan’ny fanjakana izy ireo araka izany, ho tombontsoan’ny vahoakan’Andriamanitra. (Nehemia 1:11; Estera 10:3; Daniela 2:48, 49; 6:2, 3). Misy kristiana vitsivitsy koa amin’izao andro izao miasa ao amin’ny fitondram-panjakana. Nefa noho izy ireny tafasaraka amin’izao tontolo izao, dia tsy miditra ho anisan’ny antoko politika izy ireny, na mikatsaka asa ara-politika, na manaiky asa famolavolana hevitra ao amina fandaminana ara-politika.
Ilaina ny finoana
17. Toe-javatra manao ahoana avy moa no mety hitarika ny tsy kristiana sasany hanohitra ny fahefana?
17 Ahoana anefa raha milefitra amin’ny fandraisana kolikoly na fampahoriana mihitsy aza ny fahefana? Moa ve ny kristiana tokony hanandrana hanolo ny fahefana amin’ny anankiray izay toa tsara kokoa? Raha ny marina, ny tsy rariny sy ny kolikoly ataon’ny fitondram-panjakana dia tsy zava-baovao. Tamin’ny taonjato voalohany, ny empira romana dia nankasitraka tsy rariny toy ny fanandevozana. Nilefitra tamin’ny mpiasam-panjakana mpandray kolikoly koa izy. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny mpamory hetra namitaka, ny mpitsara tsy marina iray, ary ny governoran’ny faritany iray nitady tsolotra. — Lioka 3:12, 13; 18:2-5; Asan’ny apostoly 24:26, 27.
18, 19. (a) Ahoana no fihetsiky ny kristiana raha misy tsy rariny na fandraisana kolikoly ataon’ny mpiasam-panjakana? (b) Ahoana no nanatsaran’ny kristiana ny fiainan’ny isam-batan’olona, araka ny ilazan’ny mpanoratra tantara iray sy ny faritra voafefy etsy ambany, azy?
18 Afaka nanandrana namarana ny fanao tsy rariny toy izany ny kristiana, nefa tsy nanao izany izy ireo. I Paoly, ohatra, dia tsy nampirisika ny olona ho amin’ny fifaranan’ny fanandevozana, ary tsy niteny tamin’ny tompon’andevo kristiana izy mba hanafaka ireo andevony. Nanoro hevitra ny andevo sy ny tompon’andevo kosa izy mba haneho fangorahana kristiana rehefa mifampiraharaha. (1 Korintiana 7:20-24; Efesiana 6:1-9; Filemona 10-16; jereo koa 1 Petera 2:18.) Toy izany koa, ny kristiana dia tsy nanana fifandraisana tamin’ny asa fikomiana. Sahirana loatra izy ireo nitory “ny vaovao tsara momba ny fiadanana”. (Asan’ny apostoly 10:36, MN). Tamin’ny 66 am.fan.ir., dia nisy tafika romana nanao fahirano an’i Jerosalema ary niala rehefa avy eo. Toy izay hiara-hijanona tamin’ireo mpikomy niaro ny tanàna, dia ‘nandositra ho any an-tendrombohitra’ ireo kristiana hebreo ho fankatoavana ny fitarihan’i Jesosy. — Lioka 21:20, 21.
19 Ny kristiana voalohany dia niaina ny zavatra araka ny naha-izy azy, ary niezaka nanatsara ny fiainan’ny isam-batan’olona tamin’ny fanampiana azy ireo hanaraka ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Nanoratra toy izao i John Lord, mpanoratra tantara, ao amin’ilay bokiny hoe The Old Roman World (Ny tontolo romana tranainy): “Ny tena fandresen’ny kristianisma dia hita tamin’ny fiovan’ireo izay nanaraka ny foto-pampianarany ho olona tsara, fa tsy teo amin’ny fanamboarana ivelany ireo fanaom-bahoaka efa niorina ela, na fitondram-panjakana, na lalàna.” Tokony ho hafa noho izany ve ny fihetsiky ny kristiana amin’izao andro izao?
Rehefa tsy manampy ny fanjakana
20, 21. (a) Ahoana no tsy nitondran’ny fahefana tsy ara-pivavahana iray tena toy ny mpanompon’Andriamanitra ho amin’ny tsara? (b) Ahoana no tokony ho fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa iharan’ny fanenjehana misy firaisana tsikombakomba avy amin’ny fanjakana izy?
20 Tamin’ny Septambra 1972, dia nisy fanenjehana tamin-kalozana nipoaka namely ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany iray atsy Afrika afovoany. An’arivony maro no norobaina izay nananany rehetra, ary niharan’ny habibiana hafa, anisan’izany ny fikapohana, fampijaliana, ary famonoana ho faty. Moa ve ny fahefana ambony nanatanteraka ny andraikiny hiaro ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsia! Izy indray aza no nampirisika hanao herisetra ka nahatonga ireo kristiana tsy nanan-tsiny ireo ho voatery handositra tany amin’ny tany manodidina mba hiarovan-tena.
21 Tsy tokony hitsangana amim-pahatezerana hanohitra ny mpampijaly toy izany ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsia. Tokony hiaritra amim-paharetana ny faharatsiana toy izany ny kristiana, ka hitondra tena amim-panetren-tena ho fanahafana an’i Jesosy: “Raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny [nanankina izany hatrany tamin’ny, MN] Mpitsara marina. (1 Petera 2:23). Tsaroan’izy ireo fa fony i Jesosy nosamborina tao amin’ny sahan’i Getsemane, dia niteny mafy ny mpianatra iray niaro azy tamin’ny sabatra izy, ary tatỳ aoriana dia niteny tamin’i Pontio Pilato hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” — Jaona 18:36; Matio 26:52; Lioka 22:50, 51.
22. Ohatra tsara inona no nasehon’ny Vavolombelona sasany tatsy Afrika rehefa niaritra fanenjehana tamin-kalozana izy ireo?
22 Tamin’ny fitadidiana ny ohatr’i Jesosy, ireo Vavolombelona afrikana ireo dia nahazo hery mba hanarahana ity torohevitr’i Paoly ity: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” (Romana 12:17-19; ampitahao amin’ny Hebreo 10:32-34.) Ohatra mandrisika toy inona ho antsika rehetra amin’izao andro izao moa ireo rahalahintsika afrikana! Na dia mandà tsy hitondra tena amim-pahamendrehana aza ny fahefana, dia tsy hiala amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny kristiana marina.
23. Fanontaniana inona avy no mbola horesahina?
23 Inona anefa no azon’ireo manam-pahefana ambony andrasana avy amin’ny kristiana? Ary moa ve misy fetrany ihany ny zavatra azony takina ara-dalàna? Izany dia horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny lalàn’Andriamanitra nomena teo amin’ny Isiraely fahiny dia nisy fanamelohana ho faty ho an’ny heloka lehibe. — Eksodosy 31:14; Levitikosy 18:29; 20:2-6; Nomery 35:30.
Afaka manazava ve ianao?
◻ Inona ireo fomba vitsivitsy mety ‘hanoheran’ny’ olona iray ireo manam-pahefana ambony?
◻ Inona no “fandaharan’Andriamanitra” raha ny amin’ny fanajana ny fahefan’ny fitondram-panjakana?
◻ Amin’ny heviny ahoana ireo manam-pahefana no tokony ‘hatahorana’?
◻ Ahoana no itondran’ny fitondram-panjakan’olombelona tena toy ny “mpanompon’Andriamanitra”?
[Efajoro, pejy 21]
Taratasy avy tamin’ny lehiben’ny pôlisy iray
NISY taratasy iray mitondra ny famantarana hoe: “Sampan-draharahan’ny asa vaventy natao ho an’ny faritanin’i Minas Gerais” tonga tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Brezila. Avy any amin’ny lehiben’ny pôlisy ao amin’ny tanànan’i Conquista izy io. Nisy zavatra ratsy natao ve matoa izy nanoratra? Aoka ny taratasy no hanazava azy. Milaza toy izao izy io:
“Tompoko:
“Fifaliana ho ahy ny mampahafantatra ny tenako amin’ny alalan’ity taratasy ity. Lehiben’ny pôlisy ato amin’ny tanànan’i Conquista, Minas Gerais, aho, efa ho telo taona izao. Eo amin’ny asako aho dia miezaka mandrakariva mba hanao ny tsara, nefa sarotra tamiko teo aloha ny nitana ny filaminana tao amin’ny fonja. Nikorontana ireo mpigadra na dia nomena fiofanana tamin’ny asa sasany aza.
“Volana vitsivitsy lasa izay, dia tonga tao an-tanànanay Andriamatoa O— ary nampahafantatra ny tenany ho iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nitory ny Baiboly tamin’ny sasany tamin’ireo mpigadra izy, ka nampianatra azy ireo hamaky teny sy hanoratra ary nampiseho tamin’izy ireo ny fahalalana fototra momba ny fahadiovana sy ny fahaizana ara-tsosialy, sady nilaza taminy ny amin’ny Baiboly Masina. Ny fomba fiasan’io mpitory io dia nampiseho fandavan-tena, fitiavana, ary fahafoizan-tena. Tsy ela dia niova ho tsara kokoa tamin’ny fomba niavaka ny fitondrantenan’ireo mpigadra ka nahatalanjona sady nankasitrahan’ireo izay nandinika.
“Rehefa heverina izay nitranga tao amin’ny fonja niasanay, dia iriko ny hampahafantatra amin’ny fomba ofisialy ny Watch Tower Bible and Tract Society ny fankasitrahanay ny asa tsara dia tsara nataon’ilay mpitory mendrika ao amin’ny fitambaran’olona misy anay.”
Raha ny amin’ny fahefan’ny fitondram-panjakana, dia nilaza toy izao ny apostoly Paoly: “Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy hianao.” (Romana 13:3). Marina tokoa izany raha ny amin’io toe-javatra eo ambony io. Endrey izany porofon’ny hery manovan’ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny nanatanterahan’ny vaovao tsara tao anatin’ny volana vitsivitsy monja ny zavatra izay tsy vitan’ny rafitra momba ny famaizana tao anatin’ny taona maro! — Salamo 19:7-9.