Fahatokiana ao Anatin’ny Tontolo Iray Tsy Tonga Lafatra
“TSY ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” Hitanao ho marina ve izany raha ny amin’ny tenanao? Mahereza noho ny fahalalana fa nanan-java-nanahirana nitovy tamin’izany ny apostoly Paoly na dia lehilahy iray nampiseho tsy fivadihana kristiana niavaka aza izy. Tsy mifanohitra ve izany? Tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kristiana tany Roma, dia namakafaka an’ilay zava-nanahirana i Paoly: “Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.” Ota inona no nasiany firesahana, ary ahoana no nandreseny azy io mba hahatongavany ho lehilahy tsy nivadika? — Romana 7:19, 20.
Taloha kokoa tao amin’ilay taratasiny, dia nanoratra toy izao i Paoly: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ I Adama ilay “olona iray”. (Romana 5:12, 14). Ny fahotana adamika — ny fahotan’i Adama, lehilahy voalohany — no mahatonga ny tsy fahatanterahana ho raiki-tampisaka amin’ny taranak’olombelona ary antony fototra mahatonga ny fihazonana tsy fivadihana ho tena zava-tsarotra.
Ny fomba fijerin’i Paoly ny “fahotana fototra”, araka ny niantsoana azy io, dia tsy hoe ekena hatraiza hatraiza amin’izao andro izao, satria nolavina teo amin’ny sehatry ny teolojia ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana, ho fanohanana ny teôrian’ny evolisiona. “Nailik’ireo manam-pahaizana manokana ilay andalan-teny manontolo”, hoy ny filazan’ny famoaboasana maoderina iray momba ny Romana 5:12-14. Zato taona lasa anefa izay, ireo famoaboasana ny Baiboly dia nanazava tamin’ny fomba tsy niovaova fa “rehefa nanota i Adama (...) dia nandoto ny taranany rehetra tamin’iny fahotana iny sy ny vokany, izy.”a
Ny namoizana ny tsy fivadihana tany am-boalohany
Tsy misy hafa amin’ny andavan’ny maro amin’izao andro izao ny fisian’i Adama, ilay lehilahy voalohany, no andavana koa ny fisian’i Satana Devoly, ka tsipahina an-kitsirano ho toy ny angano izy io.b Milaza amintsika i Jesosy Kristy, ilay manam-pahaizana manokana miavaka, fa “tsy nitoetra tamin’ny marina” izy io, raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy mendri-pitokiana izy io. (Jaona 8:44). Ary noho ny fambosian’i Satana no nikomian’i Adama sy i Eva vadiny tamin’i Jehovah ka nandravan’izy ireo ny tsy fivadihany tao anatin’ny fitsapana. — Genesisy 3:1-19.
Noho isika rehetra taranak’i Adama dia mandova ilay fironana hanota isika rehetra. Hoy ny nambaran’i Solomona, lehilahy hendry: “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” (Mpitoriteny 7:20). Na dia izany aza, dia afaka ny ho mendri-pitokiana ny olona na iza na iza. Ahoana no hetezan’izany? Satria tsy mitaky olona tanteraka ny fihazonana tsy fivadihana.
Ny fototry ny tsy fivadihana
Nanao fahadisoana maro i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, anisan’izany ilay fanitsakitsaham-bady nataony tamin’i Batseba, izay voaporofo tsara. (2 Samoela 11:1-27). Ny fahadisoana maro nataon’i Davida dia nanasongadina fa tsy tanteraka velively izy. Inona anefa no hitan’i Jehovah tamin’io lehilahy io? Hoy i Jehovah tamin’i Solomona, zanakalahin’i Davida: ‘Mandehana eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao tamin’ny [tsy fivadihan’ny fo, NW ] sy ny fahamarinana’. (1 Mpanjaka 9:4). Na dia teo aza ny fahadisoana maro nataony, dia tsinjon’i Jehovah fa toetra fototra nananan’i Davida ny hoe mendri-pitokiana. Nahoana?
Nanome ny valiny i Davida rehefa nilaza tamin’i Solomona hoe: “Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” (1 Tantara 28:9). Nanao fahadisoana i Davida, saingy nanetry tena izy, ary naniry hanao izay mahitsy. Nanaiky fananarana sy fanitsiana tamin’ny fomba tsy niovaova izy — eny tokoa, nangataka izany mihitsy aza izy. “Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; [diovy, NW ] ny voako sy ny foko.” (Salamo 26:2). Ary dia voadio tokoa i Davida. Naharitra hatramin’ny faran’ny fiainany, ohatra, ireo fameperana nateraky ny fahotany tamin’i Batseba. Na dia izany aza, dia tsy nanandrana nanamarina na oviana na oviana ny ratsy nataony i Davida. (2 Samoela 12:1-12). Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia tsy nivily na oviana na oviana tamin’ny fanompoam-pivavahana marina izy. Noho io antony io, sy noho i Davida torotoro fo sy nibebaka marina tamim-pahatsorana, dia vonona hamela ny fahotany sy hanaiky azy ho lehilahy tsy nivadika i Jehovah. — Jereo koa ny Salamo faha-51.
Mendri-pitokiana ao anatin’ny fitsapana
Nalain’i Satana Devoly fanahy i Jesosy tamin’ny fiezahany handrava ny tsy fivadihany. Tsy maintsy nihazona ny tsy fivadihany tao anatin’ny fihafiana sy ny fijaliana izy, nifanohitra tamin’i Adama, izay tamin’ny alalan’ny fanomezana azy toromarika hankatò lalàn’Andriamanitra iray tsotra fotsiny no nitsapana ny fankatoavany tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy. Fanampin’izany, dia nampiferinaina an’i Jesosy ny fahalalany fa niankina tamin’ny tsy fivadihany ny fanavotana ny fianakavian’olombelona. — Hebreo 5:8, 9.
I Satana, izay tapa-kevitra ny handrava ny tsy fivadihan’i Jesosy, dia nanatona azy tamin’ny fotoana naha-osa azy indrindra — taorian’ny nandaniany 40 andro nisaintsainana sy nifadian-kanina tany an’efitra. Intelo naka fanahy an’i Jesosy izy — hanova vato ho mofo; hitsambikina avy eny an-tampon’ny tempoly, noho ny fanantenana fa hisalovana hanavotra azy ny anjely, ka amin’izany izy dia hanome famantarana mahagaga hanaporofoana ny maha-Mesia azy; ary handray an-tanana ny fanapahana ny fanjakana rehetra eo amin’itỳ tontolo itỳ, ho takalon’ny “fanompoam-pivavahana” iray monja tamin’i Satana. Nolavin’i Jesosy tsirairay anefa izany fakam-panahy izany, noho ny fihazonany tsy fivadihana tamin’i Jehovah. — Matio 4:1-11, NW; Lioka 4:1-13, NW.
Ny tsy fivadihan’i Joba
Fantatra hatraiza hatraiza ny toerana notanan’i Joba, tamin’ny nihazonany tsy fivadihana tao anatin’ny fitsapana. Mahaliana fa tsy azon’i Joba ny anton’ny loza nahazo azy. Tsy fantany hoe niampanga azy ho nanana antony manosika ratsy i Satana, tamin’ny filazana fa noho ny antony feno fitiavan-tena no nanompoan’i Joba an’Andriamanitra ary tamin’ny fanantitranterana fa ho vonona handrava ny tsy fivadihany i Joba mba hamonjena ny ainy. Namela an’i Joba handia fanandraman-javatra tena nisedra Andriamanitra mba hampisehoana fa diso i Satana. — Joba 1:6-12; 2:1-8.
Niditra an-tsehatra ny sakaiza sandoka telo. Ninia nampiseho ireo fari-pitsipik’Andriamanitra sy ny fikasany tamin’ny fomba diso izy ireo. Na dia ny vadin’i Joba, izay tsy afaka nahazo ny hevitr’ilay raharaha aza, dia tsy nampahery ny vadiny tamin’ny fotoana nilany fatratra izany. (Joba 2:9-13). Niorina mafy anefa i Joba. “Mandra-pialan’ny aiko dia [tsy hanaisotra amin’ny tenako ny tsy fivadihako, NW ] aho, ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny andro-ko iray monja aza.” — Joba 27:5, 6.
Nanaporofo an’i Satana ho mpandainga ny ohatra ambony indrindra navelan’i Joba, miaraka amin’ny tsy fivadihan’ny lehilahy sy vehivavy nahatoky maro hafa, voarakitra ao amin’ny Baiboly.
Ny tsy fivadihana sy ny fanompoana kristiana
Toetra iray izay heverin’i Jehovah ho sarobidy noho ny fahafaham-pon’ny tenany fotsiny ve ny tsy fivadihana? Tsia. Misy vidiny anaty ho antsika olombelona ny tsy fivadihana. Ho soa ho antsika no nananaran’i Jesosy antsika ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitsika amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra’. Raha ny marina, dia io no “didy lehibe sady voalohany”, ary mitaky lehilahy na vehivavy na ankizy tsy mivadika ny fitandremana azy io. (Matio 22:36-38). Inona no tafiditra amin’izany, ary inona avy ireo valisoa?
Ny olona iray tsy mivadika dia tsy vitan’ny hoe azon’ny mpiara-belona itokiana, fa ny mbola zava-dehibe kokoa, dia azon’i Jehovah itokiana. Hita amin’ny zavatra ataony ny fahadiovan’ny fony; afaka amin’ny fihatsarambelatsihy izy. Tsy miolakolaka na simba ara-pitondran-tena izy. Nilaza izany tamin’izao fomba izao ny apostoly Paoly: “Efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.” — 2 Korintiana 4:2.
Mariho fa miresaka ny amin’ireo fihetsika mifandray amin’ny fanompoana kristiana i Paoly. Ahoana no ahafahan’ny minisitra kristiana iray hanompo ny hafa raha tsy madio tanana izy, raha tsy olona tsy mivadika izy? Manazava tsara an’io hevitra io ny lehiben’ny fikambanana ara-pivavahana irlandey iray, izay nisotro ronono vao haingana. Niaiky izy fa “navelany hanohy hiasa ho an’ny ankizy ny mompera iray mpanao firaisana amin’ankizy, ela be taorian’ny nahafantarana ny nametavetan’izy io ankizy”, araka ny gazety The Independent. Nanazava ilay fitantarana fa niitatra nandritra ny 24 taona ilay fametavetana ankizy. Naiditra am-ponja nandritra ny efa-taona ilay pretra, nefa eritrereto ny amin’ny fijaliana voatery nozakain’ireo ankizy novetavetainy nandritra ireo taona ireo, satria tsy nanana tsy fivadihana ara-pitondran-tena mba handraisana fepetra ilay mpiandraikitra azy!
Tsy fivadihana — Ireo valisoa
Lehilahy tsy nanan-tahotra ny apostoly Jaona. Noho ny hafanam-po nirehitra nasehon’izy ireo, dia niantso azy sy i Jakoba rahalahiny hoe “Zana-baratra” i Jesosy. (Marka 3:17). I Jaona, lehilahy nampiseho tsy fivadihana niavaka, niaraka tamin’i Petera, dia nanazava tamin’ireo mpanapaka jiosy fa ‘tsy maintsy nilaza’ izay zavatra hitany sy reny fony izy niaraka tamin’i Jesosy, izy. I Jaona koa dia iray tamin’ireo apostoly izay nilaza hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 4:19, 20; 5:27-32.
Toa fony i Jaona nanatona ny faha-100 taonany no natao sesitany tany amin’ny Nosy Patmo izy, “noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy”. (Apokalypsy 1:9). Tamin’izany taonany izany dia nety ho nihevitra izy fa nifarana ny fanompoany. Lehilahy tsy mivadika toa azy ihany anefa no azo nanankinana ny asa nanendrena azy, dia ny hanoratra ilay fahitana mampientana ao amin’ny Apokalypsy. Nahatoky i Jaona tamin’ny fanaovana izany. Tombontsoa toy inona moa izany ho azy! Ary mbola hisy ho avy. Tatỳ aoriana, toa teo amin’ny manodidina an’i Efesosy, dia nanoratra ny fitantarany ao amin’ny Filazantsara sy taratasy telo izy. Tombontsoa lehibe aoka izany ny namaranany tamim-pahombiazana ny 70 taona nanompoany tamim-pahatokiana sy tamin’ny fomba mendri-pitokiana!
Manome fahafaham-po lalina ny hoe olona mampiseho tsy fivadihana amin’ny ankapoben-javatra. Mitondra valisoa mandrakizay ny hoe mendri-pitokiana eo imason’Andriamanitra. Amin’izao andro izao, ny “olona betsaka” voaforon’ny mpivavaka marina dia omanina hiditra ao amin’ny tontolo vaovao iray hisy fiadanana sy firindrana, miaraka amin’ny fahatsinjovana hiaina mandrakizay. (Apokalypsy 7:9). Tsy maintsy tohanana ny tsy fivadihana eo amin’ny raharaha tena lehibe mahakasika ny fitondran-tena sy ny fanompoam-pivavahana, na dia eo aza ny fisedran’itỳ fandehan-javatra itỳ sy ireo zava-tsarotra maro mety hampiasain’i Satana. Aoka ianao hatoky fa afaka ny hahomby ianao noho ny hery omen’i Jehovah! — Filipiana 4:13.
Niresaka ny amin’ny ankehitriny sy ny hoavy i Davida mpanao salamo ka manome toky antsika rehetra rehefa milaza toy izao ao amin’ny vavaka nataony ho fisaorana an’i Jehovah: “Ary ny amiko, dia manohana ahy [noho ny tsy fivadihako, NW ] Hianao ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. Isaorana anie Jehovah (...). Amena dia Amena.” — Salamo 41:12, 13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Famoaboasana ao amin’ny The New Testament of Our Lord and Saviour Jesus Christ, according to the Authorised Version, with a brief commentary by various authors.
b Midika hoe “Mpanohitra” ny anarana hoe Satana. Midika hoe “Mpanendrikendrika” ny hoe “Devoly”.
[Sary, pejy 4]
Hita ho mendri-pitokiana i Davida na dia teo aza ny fahadisoany
[Sary, pejy 5]
Namela ny ohatra tsara indrindra momba ny fisehoana ho mendri-pitokiana, i Jesosy
[Sary, pejy 7]
Mitondra fahafaham-po lehibe ny hoe mendri-pitokiana